Seminera
Asan’ny Apostoly 10, Tapany 1


Asan’ny Apostoly 10, Tapany 1

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”

Sary
Niarahaba an’i Petera teo ivelan’ny trano fonenany i Kornelio. Io sehatra io dia ahitana an’i Kornelio mandohalika, i Petera mampitsangana an’i Kornelio avy eo amin’ny tany, ny tontolo manodidina, ary ireo hafa tafiditra ao amin’ny fakana ny horonantsary.

Rehefa niseho tamin’ny mpianany Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nandidy azy ireo Izy mba hampiely ny filazantsara manerana izao tontolo izao (jereo ny Matio 28:19–20). Talohan’izany dia nozaraina tamin’ireo Jiosy fotsiny ihany ny Filazantsara, ary i Petera sy ireo mpianatra hafa dia nanohy hatrany sy nifantoka tamin’ny ezaka fitoriana izay nataony tamin’izy ireo. I Kornelio, ilay Jentilisa tia an’ Andriamanitra sy nikatsaka ny fitarihany, dia notarihin’ny iraka anankiray avy any an-danitra mba hitady an’i Apôstôly Petera. Nandritra izany fotoana izany, dia nahazo fahitana izay nanampy azy mba hahatakatra bebe kokoa ny zavatra izay tsapan’ny Ray any An-danitra momba ny zanany rehetra i Petera. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hijery ny hafa tahaka ny fahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo bebe kokoa.

Inona ny zavatra izay hitanao?

Sary
Rahona eny amin’ny lanitra manga

Jereo ny rahona (na eny ivelany na ao amin’ity sary ity) ary hazavao ny zavatra izay hitanareo.

  • Nahoana no mety hisy olona anankiroa izay mijery rahona anankiray mitovy nefa mahita zavatra samy hafa?

  • Nahoana no mety hisy olona anankiroa izay mijery olona iray nefa tsy mitovy ny fahitan’izy ireo an’io olona io?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika tsirairay?

Rehefa mandalina ianao, dia tadidio fa ny fomba fijerinao ny hafa dia mety tsy hitovy amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo. Avelao ny Fanahy Masina hitarika anao amin’ny zavatra izay mety ilainao hatao mba hampifanarahanao tanteraka ny fomba fijerinao amin’ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Nampianatra an’i Kornelio, ilay jentilisa i Petera

Hatramin’io fotoana tao anatin’ny andron’ny Testamenta Vaovao io, dia tamin’ny Jiosy ihany no nitoriana ny filazantsara, niaraka tamin’ny olona vitsivitsy manokana, araka izay nandidian’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 10:5–6). Nisy mpikambana vitsivitsy tao amin’ny Fiangonan’i Kristy izay Jentilisa (tsy Jiosy) tamin’ny fotoana nahaterahany, saingy efa niova fo ho amin’ny Jodaisma talohan’ny nanarahana an’i Kristy. Kanefa, nilaza tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy fa aorian’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina eo amin’izy ireo dia hitory ny filazantsara “hatramin’ny faran’ny tany izy ireo” (Asan’ny Apostoly 1:8). Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 isika dia mamaky mikasika ny fiovana lehibe teo amin’ny fomba fiasan’ny Fiangonana izay hanamora izany.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:1–8 mba hianarana momba an’i Kornelio. Tadiavo ireo famantarana izay maneho ny fahitan’ny Ray any An-danitra azy.

  • Inona ny zavatra izay nianaranao momba an’i Kornelio avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona ny zavatra mba hitanao fa maneho ny zavatra izay tsapan’ny Ray any An-danitra momba an’i Kornelio?

Rehefa nandeha nitady an’i Apôstôly Petera ny olon’i Kornelio, dia nampianatra an’i Petera mikasika ny fomba fijeriny ny olon-drehetra ny Tompo. Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:9–16 ary ataovy sary izay heverinao fa mety ho endriky ny fahitan’i Petera.

  • Nahoana i Petera no niahiahy momba ny zavatra izay nasaina nataony tao amin’ilay fahitana?

Nitombo tahaka ny jiosy rehetra i Petera, nanaraka ny didy sy ny fomba fanao tao amin’ny lalàn’i Môsesy. Ity lalàna ity dia nahitana fepetra hentitra momba ireo zavatra izay azo hoanina sy tsy azo hoanina (jereo ny Levitikosy 11). Nantsoina ho “madio” ireo biby izay navela hohanin’ny Jiosy, ary ireo biby izay noraran’ Andriamanitra tsy azon’ireo jiosy hohanina kosa dia nantsoina ho “maloto.”

Tsy takatr’i Petera ny hevitry ny fahitana rehetra izay azony tamin’ny voalohany. Raha mbola nisaintsaina izany izy, dia tonga ireo lehilahy nirahin’i Kornelio. Nilaza tamin’i Petera ny Fanahy mba handeha hiaraka amin’ireo lehilahy ireo ho any an-tranon’i Kornelio (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:17–20).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:25–29, 34–35, ka tadiavo ireo zavatra nianaran’i Petera momba ny hevitr’’ilay fahitana izay voarainy. Na azonao atao ny mijery ny horonantsary “Peter’s Revelation to Take the Gospel to the Gentiles” (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:29 hatramin’ny 5:29.

Jereo ny andininy 34 mikasika ny fahamarinana izay nianaran’i Petera momba ny fahitan’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra. Asio marika ny fahamarinana izay hitanao.

1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hevitry ny hoe “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

  • Ahoana araka ny hevitrao no nanova ny fon’i Petera sy ny fomba fijeriny ny fanambaran’ny Ray any An-danitra? Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fanambarana io hanova ny fon’ny olona ankehitriny?

Rehefa azon’i Petera fa tian’ Andriamanitra hampianarina ny olona rehetra ny filazantsara, dia nitory ny hafatr’i Jesoa Kristy tamin’i Kornelio sy ny fianakaviany ary ny namany izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:36–43).

Azonao atao ny mijery ny horonantsary “Peter’s Revelation to Take the Gospel to the Gentiles,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 5:30 hatramin’ny 7:44.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona rehetra ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana azy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fijerinao sy ny fitondranao ny hafa ny fahatsiarovana ny fomba izay nanomezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy lanja ny olona rehetra?

  • Inona no zavatra azonao atao hitadiavana ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahitana ny hafa tahaka ny fahitany Azy?

Rehefa nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy i Petera, dia tonga tamin’i Kornelio sy ny ankohonany ny Fanahy Masina. Taorian’izany dia nasain’i Petera izy ireo mba hatao batisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:44–48). Nanova ny fomba fanaon’ny Fiangonana ny fanambaran’ Andriamanitra tamin’i Petera, ary nanomboka notorina tamin’ny olona rehetra ny filazantsara.

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Saintsaino ny mety ho fiovan’izao tontolo izao na ny firenenao, na ny manodidina anao, na ny sekoly misy anao, na ny fianakavianao raha toa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ka nifampijery tamin’ny fomba fijereny antsika.

Misafidiana iray amin’ireo tontolo ireo. Hazavao ny fiovana mety ho hitanao raha toa ny olona ao amin’io tontolo io ka nijery ny hafa araka ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Iza avy ireo olona eken’i Jesoa Kristy ho ao amin’ny Fiangonany sy ny fanjakany?

Nanazava toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson, nalaina tamin’ny janoary 2018

Manana anjara araka an’ Andriamanitra isika tsirairay avy, satria samy zanak’ Andriamanitra avokoa ny tsirairay. Mitovy daholo ny tsirairay eo imasony. Tena lalina ny fiantraikan’io fahamarinana io. Ry rahalahy sy anabavy, henoy tsara ny zavatra holazaiko izao. Tsy manavakavaka firazanana Andriamanitra. Mazava ny fotopampianarany mahakasika ity toe-javatra ity. Manasa ny rehetra hanatona Azy Izy, “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lehilahy na vehivavy” [2 Nefia 26:33].

Manome toky anareo aho fa ny toeranareo eo imason’ Andriamanitra dia tsy voafaritry ny lokon’ny fihodiranareo. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanolorantenanareo amin’ Andriamanitra sy ny didiny, fa tsy ny lokon’ny fihodiranareo.

(Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94)

Asan’ny Apostoly 10:45. Inona ny dikan’ny hoe “fanomezana ny Fanahy Masina”?

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:45, ilay andian-teny hoe “ny fanomezana ny Fanahy Masina” dia entina ilazana ny herin’ny Fanahy Masina izay tonga teo amin’ireo Jentilisa ireo. Izy io dia tsy mitovy amin’ilay fanomezana ny Fanahy Masina izay azontsika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana aorian’ny batisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:14–17; jereo ihany koa ny Teachings of Presidents of the Church: [2007], 97).

Ahoana no nahatonga ilay fahitan’i Petera nanova ny fomba fanaon’ny Fiangonana?

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Tamin’ ny alalan’ izay zava-nitranga izay sy tamin’ ny alalan’ ny fanambarana nomena an’ i Petera dia novain’ ny Tompo ny fomba fanao iray tao amin’ ny Fiangonana ary nanambara fampahalalana ara-potopampianarana feno kokoa tamin’ ny mpianany Izy. Ary noho izany ny fitoriana ny filazantsara dia nivelatra mba hampidirana ny olona rehetra.

(D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 88)

Inona no mampitovy ny fahitan’i Petera amin’ny fanambarana mba hanitarana ny fisoronana amin’ireo lehilahy mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonana?

Mety hanampy ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto raha maniry ny hahatakatra bebe kokoa momba ny fanambarana natao tamin’ny taona 1978 izay nanomezan’ny Ray any An-danitra ny fanendrena ao amin’ny fisoronana ho an’ireo lehilahy mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra: