Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 14


Famerenana fifehezana fotopampianarana 14

Takaro ary hazavao

Sary
I Jesoa Kristy mitsangana eo ambony havoana iray mijery renirano

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanana fahafahana hanazava izany amin’ny alalan’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanatevina ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao.  

Famerenana

Ato amin’ity sahanasa manaraka ity, ny trangan-javatra tsirairay dia ampifanaraho amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana heverinao fa tena mampianatra tsara ny olona na ireo olona ao amin’izany trangan-javatra izany.

Ireo valiny dia homena any amin’ny faran’ity lesona ity.

  1. 1 Korintiana 6:19–20

  2. 1 Korintiana 11:11

  3. 1 Korintiana 15:20–22

  4. 1 Korintiana 15:40–42

  1. Mahatsiaro tena ho kivy ny sasany amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao satria nodimandry vao haingana ny olona akaikin’ny fo iray ary mahatsapa izy ireo fa tsy hahita azy intsony.

  2. Mihevitra ny olona sasany fa azy ny vatany ary afaka manao izay tiany hatao amin’izany izy ireo. Tsy tsapan’izy ireo fa ny Mpamonjy dia nanefa ny sarany mba hanavotana antsika, izay midika ara-bakiteny hoe “nividy antsika indray” Izy. Noho izany antony izany, dia tsy antsika ny tenantsika fa manan-trosa amin’ny Mpamonjy isika.

  3. Maro ireo olona mino ny paradisa sy ny helo saingy tsy mahatakatra ireo fahamarinana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty.

  4. Manontany anao ny namana anankiray hoe nahoana ianao no manao ho laharam-pahamehana ny fanambadiana mafy orina sy ny fifandraisana mafy orina ao amin’ny fianakaviana noho ny fahombiazana arak’asa sy ara-bola.

Mahatakatra ary manazava

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny soratra masina mampifandray antsika amin’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “President Nelson—The Scriptures Teach Us about Jesus Christ (for Youth)” (0:59), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na mamaky ity fanambarana manaraka ity.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

[Ny soratra masina] dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa amin’izao andro hisian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana.

(Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89.)

Alaivo sary an-tsaina hoe, mba hanombohana fiaraha-mientan’ny zatovo iray dia nangatahana ianao hizara soratra masina anankiray izay nanampy anao hianatra na hahatsapa zavatra iray momba an’i Jesoa Kristy. Misafidiana iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ity lesona ity na iray hafa avy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Asao ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay manatevina ny fahatakaranao ny momba Azy, na ny filazantsarany, na ny Sorompanavotany, na ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao?

  • Inona no fahamarinana na fotopampianarana hitanao tao amin’io andinin-tsoratra masina io?

  • Inona no mety ho zavatra miova eo amin’ny fiainan’olona iray raha toa ka tsy nahafantatra ny fahamarinana izay hitanao izy?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

Valin’ny famerenana: 1-b, 2-e, 3-a, 4-d