Seminera
Asan’ny Apostoly 10, Tapany 2


Asan’ny Apostoly 10, Tapany 2

Fitsipiky ny fandraisana fanambarana

Sary
Zatovovavy iray miaraka amin’ny boky eo ampofoany sady mihazona labozia mamiratra eo an-tsorony amin’ny hazavana be.

Ny Ray any An-danitra be fitiavana dia nitahy an’i Kornelio sy i Petera tamin’ny fanambarana mba hanampiana azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny sitrapony. Rehefa nanao asa araka ny fanambarana azony izy ireo dia nahazo fitahiana tamin’ny fahazavana sy fahalalana fanampiny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra ny sitrapony aminao.

Mandefa hafatra manan-danja

Alaivo sary an-tsaina hoe tsy maintsy mampita hafatra manan-danja amin’ny olona tsy eo akaikinao ianao.

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao mampita ilay hafatra amin’izy ireo?

  • Inona avy ireo fomba mety ahafahan’ny Ray any An-danitra mampita hafatra manan-danja aminao?

Manana hafatra manan-danja maro hozaraina amin’ireo zanany ny Ray any An-danitra. Natao ho an’ny rehetra ny hafatra sasany, fa ny hafa kosa natao ho anao manokana. Mifandray amin’ny olona tsirairay ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ireo fomba mety hanambaran’ Andriamanitra ireo hafany manan-danja mba hahafahanao mamantatra ilay fanambarana rehefa tonga izany.

Manambara ny sitrapony tamin’i Petera sy i Kornelio ny Ray any An-danitra

Avereno jerena ny tantaran’i Kornelio sy Petera izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:1–2, 44–48 (jereo ihany koa ny lesona izay hita ao amin’ny “Asan’ny Apôstôly 10,”). Rehefa mamerina mijery ianao dia tadiavo ny fomba nahatakaran’izy ireo ny zavatra nambaran’ny Ray any An-danitra tamin’izy ireo.

  • Inona no nianaranao momba ny fanambarana avy amin’ity tantara ity?

  • Inona no azonao ianarana momba ny Ray any An-danitra avy amin’ireo fahamarinana mikasika ny fanambarana izay hitanao ireo?

  • Inona avy ireo fitahiana sy fahamarinana mety ho tsy azon’i Petera sy i Kornelio raha tsy nanaraka araka izay voarainy izy ireo?

Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra

Ny fahamarinana momba ny fanambarana aseho ato amin’ity tantara ity dia ny hoe Manambara ny fahamarinany andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny Ray any An-danitra (jereo ny 2 Nefia 28:30).

Mariho fa na i Kornelio na i Petera dia tsy nahazo avy hatrany ny fampahalalana rehetra nomen’ Andriamanitra azy ireo. Nilaza tamin’i Kornelio ny anjely mba hitady an’i Petera, ary “izy hilaza aminao izay tokony hataonao” (Asan’ny Apostoly 10:5–6). Taorian’ny nahazoan’i Petera fahitana, dia “mbola nieritreritra tao am-pony i Petera ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany” (Asan’ny Apostoly 10:17). Tsy azony tanteraka ny hevitr’ilay fahitana raha tsy nihaona tamin’i Kornelio izy.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ny mety ho hevitr’izany ho antsika. Jereo ny horonantsary “Patterns of Light: Spirit of Revelation” (3:04), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio izao teny nambara manaraka izao.

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely miparitaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraka ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika. … Io lamin’ny fanambarana io no toa mateti-pitranga kokoa.

(David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona mey 2011, 88)

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho fitahiana amin’ny fanomezan’ny Ray any An-danitra antsika fanambarana tsikelikely fa tsy indray mandeha?

  • Inona avy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy afaka anampian’ity lamina ity antsika mba hampitombo?

Manao zavatra araka ny fanambarana

Koa satria nanao zavatra araka ny fanambarana izay voarain’izy ireo voalohany i Kornelio sy i Petera, dia nomena fahatakarana feno kokoa izy ireo. Izany dia maneho ny fahamarinana iray hafa hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10: Hitahy antsika amin’ny fanambarana fanampiny ny Ray any An-danitra rehefa manaraka ny fanambarana izay azontsika isika.

Ny Loholona Ronald A. Rasband avy ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fanaovana asa araka ny fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra. Jereo ilay horonan-tsary “Let the Holy Spirit Guide,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 14:41 hatramin’ny 15:19, na vakio izao teny nambara manaraka izao.

Sary
Sary tapaka ôfisialy an’ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (tamin’ny jona 2016)

Raha toa ka henointsika tsara ireo bitsika izay tonga amintsika dia hitombo ny fanahin’ny fanambarana ao amintsika ary handray hevitra bebe kokoa hatrany sy fitarihana entanin’ny Fanahy isika. Hoy ny Tompo, hoe:“Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12].

Enga anie isika handray amim-pahamatorana ilay antson’ny Tompo hoe “matokia fa hitari-dalana anareo Aho” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18]. Mitarika antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. Enga anie isika hiaina eo akaikin’ny Fanahy, hanao asa haingana araka ireo bitsika voalohany azontsika, noho ny fahafantarantsika fa avy amin’ Andriamanitra izy ireny.

(Ronald A. Rasband, “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina’, Liahona, mey 2017, 96)

  • Ahoana no ahafahantsika manomana ny tenantsika handray fanambarana?

Fanambarana ho an’ny fiainanao

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao momba ny fanambarana ka afaka manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao manokana?

  • Inona no fanambarana nomen’ny Ray any An-danitra anao ka tokony hataonao, ary ahoana no ahafahanao mampihatra izany?

  • Inona no nianaranao ka afaka manampy anao hahita ny fitiavan’ny Rainao any An-danitra anao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no hamantarako ny fanambarana amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina?

Jereo ilay horonan-tsary “Feeling the Holy Ghost” (3:17), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba handrenesana ireo fomba samihafa ahatsapan’ny olona sy ahalalany ny Fanahy Masina.

Inona no tokony hataoko raha toa ka tsy mahazo fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra aho, na dia mikatsaka izany aza?

Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Ao anatin’ireo fisalasalana sy fanamby maro izay atrehantsika eo amin’ny fiainantsika dia mitaky antsika hanao ny tsara indrindra vitantsika Andriamanitra (jereo 2 Nefia 2:26) sy hatoky Azy. Mety tsy mahita anjely isika na mandre feo avy any an-danitra, na mandray fahatsapana ara-panahy goavana. Matetika isika dia mety mandroso ao anatin’ny fanantenana sy fanaovana vavaka—saingy tsy manana antoka zato isan-jato—fa manao zavatra araka ny sitrapon’ Andriamanitra isika. Saingy rehefa manaja ny fanekempihavanantsika sy mitandrina ny didy isika, rehefa miezaka tsy tapaka bebe kokoa hanao ny soa sy ho tonga tsaratsara kokoa dia afaka mandeha amim-pahatokiana isika fa Andriamanitra dia hitarika ny diantsika.

(David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona mey 2011, 90)

Inona avy ireo fahazarana na fihetsika mety hanakana ahy tsy hahazo fanambarana?

Nilaza ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Ao amin’ny soratra masina, ny hery misariky ny Fanahy Masina dia faritana matetika ho toy ny “feo tony sy malefaka” (1 Mpanjaka 19:12;; 1 Nefia 17:45; jereo ihany koa 3 Nefia 11:3) sy ilay “feo tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray” (Helamàna 5:30). Satria mibitsika amintsika amin’ny feo malefaka ny Fanahy dia mora ny mahatakatra ny antony tokony hisorohana ny zavatra tsy mendrika amin’ny haino aman-jery sy ny zavatra mamoa fady ary ny zavatra fihinana sy ny fitondran-tena manimba sy mampiakin-doha. Ireo fitaovan’ny fahavalo ireo dia afaka mampihena ny hery ary mety miafara amin’ny famotehana ny fahafahantsika hahafantatra sy hamaly ireo hafatra malefaka avy amin’ Andriamanitra izay omena amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy.

(David A. Bednar, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona mey 2011, 88)

Inona no azoko atao mba hampitomboana ny fahaizako mandray fanambarana?

Nilaza toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Fomba iray manan-danja hahatongavana ho mendrika ny hahazo fanambarana ny mandroso miaraka amin’ny fanompoantsika sy ny asantsika. Tamin’ny fandalinako ny soratra masina dia nahatsikaritra aho fa ny ankabetsahan’ny fanambarana ho an’ny zanak’ Andriamanitra dia tonga rehefa eny am-pihetsehana izy ireo, fa tsy rehefa mitoetra any an-tranon’izy ireo ka miandry ny Tompo hilaza amin’izy ireo ny dingana voalohany tokony hatao. …

Hahazo bitsika avy amin’ny Fanahy isika rehefa nanao izay rehetra vitantsika, rehefa miasa any ivelany any miaritra ny masoandro fa tsy maka alokaloka fotsiny dia mivavaka mba hahazo torolalana amin’izay dingana voalohany tokony horaisina.  Tonga ny fanambarana rehefa mandroso ny zanak’ Andriamanitra.

Noho izany dia manao izay rehetra azontsika atao isika. Dia miandry ny Tompo isika avy eo mba hanome ny fanambarany. Manana ny fotoany manokana Izy.

(Dallin H. Oaks, ”In His Own Time, In His Own Way,” Ensign, Aog. 2013, 22, 24)

Mba hahazoana soso-kevitra bebe kokoa amin’ny fomba hampitomboana ny fahafahanao mahatsapa ny Fanahy sy mandray fanambarana, dia vakio ny “Feeling the Spirit” (Paul VanDenBerghe, New Era, Ôkt. 2011, 26–29 ).