Seminera
1 Korintiana 1–4


1 Korintiana 1–4

Jesoa Kristy: Fototra iorenantsika azo antoka

Sary
Tempolin’i Apollo, Korinto, niorina tamin’ny 600 taona talohan’i J.K. Io angamba no rafitra niavaka indrindra tao Korinto tamin’ny andron’i Paoly. Ireo tempoly sy toerana masina misy ny sarin’andriamanitra tompoin’ireo tsy kristianina dia niely nanerana ny tontolo grika sy romana, ary nahita izany isan’andro ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ireo tanàna toa an’i Korinto. Nomarihin’i Paoly fa talohan’ny nampiova fo an’ireo olomasina tao Korinto dia nentina tany amin’ireo sampy moana izy ireo araka izay nitaomana [azy ireo] (1 Kor. 12:2).

Saintsaino ny voka-dratsin’ny fifandirana, avonavona, fampianaran-diso ary ny fahalotoam-pitondrantena eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany tao Korinto dia niady mafy teo anatrehan’ireo fanamby ireo ihany koa. Raha nitory tany Efesosy nandritra ny dia fitoriana fahatelo nataony ny Apôstôly Paoly, dia nanoratra tamin’ireo Olomasina Korintiana izy mba hankahery sy hampahatsiahy azy ireo ny hiantehitra amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ireo fanamby misy eo amin’izao tontolo izao.

Mijanona ho mahatoky amin’ny toe-javatra sarotra

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana akaiky anao iray mandefa izao hafatra manaraka izao ho anao avy any amin’ny tanàna hafa:

“Tena sarotra ny miaina anatin’ny fitaoman-dratsy manodidina anao eny rehetra eny. Betsaka ny olona eto no tsy mitandrina ny didy, ary mitsikera ny Fiangonana ny sasany amin’izy ireo. Mahalala olona hafa namoy ny fijoroana ho vavolombelona ananany aho izay niaina toe-javatra mitovy amin’izany ary tsy tiako izany hitranga amiko. Inona no torohevitrao?”

  • Inona no ho lazainao amin’ilay namanao?

  • Inona avy ireo fitaomana ratsy sy manimba tsikaritrao eo amin’ny toerana misy anao?

  • Ahoana no mahatonga ireo fitaomana ireo mampananosarotra ny fijanonana ho mahatoky amin’ny finoanao indraindray?

Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia eritrereto hoe hatraiza ny fahatokinao rehefa miatrika zava-tsarotra na fitaoman-dratsy eto amin’izao tontolo izao ianao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hamantarana ny fomba hanamafisana ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy, ary tadiavo ireo fahamarinana afaka manampy anao handresy ireo olanao. Nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony dia nitory ny filazantsara tany Korinto nandritra ny roa taona teo ho eo ny Apôstôly Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–18) ary nanangana sampan’ny Fiangonana tao izy. (Raha hitady ny tanànan’i Korinto dia jereo ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah.13, “ Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly.”) Ivon-toerana fivarotana manan-karena i Korinto ary renivohitry ny faritany Romana Akaia. Maro tamin’ny mponin’i Korinto no nanompo sampy sy naloto fitondran-tena. Nisy koa ireo izay nisaratsaraka sy nifanditra. Tao anatin’izany tontolo izany dia nanjary sarotra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana maro ny nijanona ho mahatoky tamin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Rehefa nanoratra ho an’ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba hanampiana azy ireo amin’ireo zava-tsarotra natrehan’izy ireo, dia niresaka momba ilay ffototra iorenana izay napetrany ho azy ireo izy.

Vakio ny 1 Korintiana 2:1–5 sy ny 1 Korintiana 3:10–11, hitadiavana ireo andian-teny izay mamariparitra io fototra fiorenana io.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manangana ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy?

Namporisika ireo zanany lahy hanangana ny fiorenany eo amin’i Jesoa Kristy ihany koa i Helamàna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny Helamàna 5:12, ka tadiavo ireo fitahiana nampanantenain’i Helamàna.

  • Inona no azonao zaraina amin’ilay namanao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hanampy azy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo soratra masina ireo ny hoe rehefa manangana ny fiorenan’ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mandresy ny fitaoman’i Satana sy ireo fanamby eto amin’izao tontolo izao.

  • Inona no fantatrao, na tsapanao, na inoanao momba ny Mpamonjy ka manampy anao haniry Azy ho fototra iorenanao?

1. Vitao ao anaty diary fandalinanao ity manaraka ity:

  • Manaova sarinà trano na tranobe tsotsotra mafy fototra na fiorenana. Soraty manodidina ilay trano ireo zava-tsarotra na fitaoman-dratsy sasantsasany atrehanao.

  • Soraty ao anatiny na manodidina ny fiorenana ny zavatra azonao atao mba hanorenana ny fiainanao eo amin’ny Mpamonjy.

  • Valio ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba nanampian’ireo zavatra atao ireo anao na ahoana no ahafahan’izy ireo manampy anao rehefa miatrika fanamby na fitaoman-dratsy ianao?

Ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Korintiana dia niresaka olana maro izy ary nampianatra momba ny hoe manana hery hanampy ireo Korintiana handresy ny fanambin’izy ireo ny Mpamonjy sy ny filazantsarany (jereo ny 1 Korintiana 1:23–24). Ireto sahanasa manaraka ireto dia mifantoka amin’ny roa amin’ireo olana ireo. Vakio ireto manaraka ireto ary misafidiana iray izay tena manan-danja indrindra aminao ny mandalina azy.

2. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

Safidy A: Fisaratsarahana sy fifandirana

Ny olana iray natrehan’ireo Olomasina Korintiana dia ny fifandirana. Ny antony iray nitrangan’ny fisaratsarahana dia satria nino izy ireo fa ny toeran’izy ireo tao amin’ny Fiangonana dia voafaritry ny maha-manan-danja ny olona nanao batisa azy ireo (jereo ny 1 Korintiana 1:12).

Eo akaikin’ilay sarina trano nataonao, dia azonao atao ny mitanisa izay mety ho fomba niainanao fisaratsarahana na fifandirana ao amin’ny paroasy na ao amin’ny fianakaviana na eo amin’ny fiarahamonina misy anao.

  • Inona avy ireo vokatra sasany ateraky ny fisaratsarahana sy ny fifandirana?

Vakio ny 1 Korintiana 1:10–13 sy ny 1 Korintiana 3:3–9, tadiavo ny fomba niezahan’i Paoly hanampy ny olona hanangana ny fiorenan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no hitanao tao amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy ny olona handresy ny fisaratsarahana sy ny fifandirana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy anao hiray hina sy tsy ho be fifandirana amin’ny manodidina anao ny fanorenana ny fiainanao eo amin’i Jesoa Kristy?

Safidy B: Ny fahendren’izao tontolo izao

Maro tamin’ireo nonina tany Korinto no nanome lanja ny fahendren’izao tontolo izao. Tsy nisy dikany tamin’ny Jiosy sy ny Jentilisa maro ny hafatra nataon’ilay Mesia izay nohomboana. Teo amin’ny tontolo Romana, ny sazy hoe homboana eo amin’ny hazofijaliana dia maneho henatra sy faharesena. “Fahadalana” ho an’ireo Grika izany hoe olona mijaly an-tsitrapo ho an’ny hafa izany ( 1 Korintiana 1:23). Ho an’ny Jiosy dia “fahatafintohinana” ny hoe maty teo amin’ny hazofijaliana ny Mesia iray ( 1 Korintiana 1:23) satria nanantena ny Mesia handresy ny fahavalony izy ireo.

Vakio ny 1 Korintiana 1:17–25, tadiavo ny fomba namalian’i Paoly ireo foto-pisainana ireo.

Any amin’ny toerana iray ao amin’ny nanaovanao an’ilay sarina trano, dia tanisao hoe amin’ny fomba ahoana avy ny fahendren’izao tontolo izao no mety hitondra fiantraikany na hampisalasa anao amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

  • Nahoana ny olona sasany ankehitriny no tsy mahatakatra na tsy mankasitraka an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

  • Inona no fiovana mety hitranga rehefa lasa mahafantatra sy mahatsapa ny olona iray fa manana hery tena misy eo amin’ny fiainany ny Mpamonjy? (jereo ny 1 Korintiana 1:24).

  • Ahoana no ahafahan’ny fanorenana ny fiainanao eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany manampy anao rehefa tojo foto-kevitra araka izao tontolo izao izay manahirana ianao?

Manorina ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy

Makà minitra vitsivitsy handinihana ny fiainanao manokana. Tamin’ny fomba ahoana no nanangananao ny fototra iorenanao teo amin’i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana avy no tianao hivoarana? Afaka manampy anao hiatrika ireo olana sy fitaoman-dratsy mianjady aminao manokana amin’ny fomba ahoana ny fanorenana matanjaka kokoa ny fiainanao eo amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny filazantsarany? Hevero ny hanoratra ny eritreritrao sy ny tanjonao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana aho no tokony hanangana ny fototra iorenako eo amin’i Jesoa Kristy?

Hoy ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Rehefa manangana ny fototra iorenantsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy afaka mianjera! Raha toa isika ka maharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany dia hanampy antsika Andriamanitra hanorina ny fiainantsika eo ambonin’ny vatolampiny, “ary ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy [antsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:69). Tsy afaka hanova ny zavatra rehetra izay ho avy isika saingy afaka misafidy ny fomba hiomanantsika amin’izay ho avy kosa.

(Chi Hong [Sam] Wong, “Tsy afaka mandresy izy ireo, tsy afaka mianjera isika,” Liahona, mey 2021, 98)