Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 18


Famerenana fifehezana fotopampianarana 18

Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Mpiray tampo mianatra ao Pérou

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny trangan-javatra amin’ny fiainana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hizatra hampihatra ny fotopampianarana sasany izay nianaranao tamin’ny Testamenta Vaovao eo amin’ny fiainana.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Mpilalao baolina kitra mandona baolina eo amin’ny tratra.

Alaivo sary an-tsaina hoe ny 150 amin’ireo atleta tsara indrindra maneran-tany dia manandrana hiandry haraton’ny ekipa mpilalao baolina kitra anankiray sangany. Azonao sary an-tsaina ve fa tena ho sarotra ho an’ny mpanazatra ny hisafidy atleta iray monja avy amin’izy ireo?

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho mason-tsivana izay hampiasain’ireo mpanazatra mba hamerana izay ho voafidy?

Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra andinin-tsoratra masina miisa 8.000 eo ho eo. Nefa ny 53 amin’ireo andininy ireo ihany (izany hoe eo ho eo amin’ny 1 anatin’ny andininy miisa 150) no tafiditra ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Alaivo sary an-tsaina ny fanamby tamin’ny fisafidianana ireo andinin-tsoratra masina avy tao amin’ny Testamenta Vaovao iray manontolo izay tokony hohalalinina ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Raha ohatra ka mba nasaina nanampy tamin’ny fisafidianana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ianao, dia inona no mason-tsivana nampiasainao mba hitadiavana ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidinao?

Misafidiana anankiroa amin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto izay mety ho vaovao aminao. Vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny soratra masinao, ary tadiavo ny antony izay heverinao fa mety ho antony nisafidianana ireo andinin-tsoratra masina ireo ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hifantohan’ny zatovo manerana izao tontolo izao.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

Toko sy andinin-tsoratra masina

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Korintiana 6:19–20

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Korintiana 11:11

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Korintiana 15:20–22

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Korintiana 15:40–42

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Toko sy andinin-tsoratra masina

Efesiana 1:10

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Efesiana 2:19–20

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Tesaloniana 2:1–3

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho tonga […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Timoty 3:15–17

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Hebreo 12:9

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Jakoba 1:5–6

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Jakoba 2:17–18

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Petera 4:6

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Apokalypsy 20:12

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra

Ny antony iray nisafidianana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo dia noho izy ireo mirakitra fahamarinana izay afaka manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray nanampy anao hanamafy orina ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ahoana ny fomba nanampian’izany anao?

  • Inona no fahamarinana ianaranao momba Azy ireo avy tamin’ity andinin-tsoratra masina ity?

Fampiharana andinin-tsoratra masina

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hampihatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ireo toe-javatra izay atrehanao eo amin’ny fiainanao ankehitriny sy amin’ny ho avy. Ohatra, ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6 hoe ny filazantsara dia notorina tamin’ny maty any amin’ny tontolon’ny fanahy dia afaka manampy amin’ny fampiononana ny namana izay avy namoy olon-tiana na afaka mamporisika anao hanao asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana ho an’ireo razambenao.

Fampiharana amin’izao andro ankehitriny izao

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tena zava-misy izay atrehin’ny zatovo ankehitriny ka azo resahina amin’ny alalan’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voatanisa eo amin’ny tabilao? Afaka manoratra toe-java-misy izay iainanao manokana ianao, na ny toe-java-misy iainan’ olona iray fantatrao, na ny toe-java-misy izay iainan’ny tanora amin’ny ankapobeny.

  • Iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo no tena tsara ampiharina amin’ny toe-java-misy izay nosoratanao? Ahoana no ahafahana mampihatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’io andinin-tsoratra masina io amin’ilay toe-java-misy?

Fampiharana amin’ny ho avy

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no toe-java-misy izay mety hiainanao rehefa lehibe ianao ka ahafahan’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manampy na mitarika anao?

  • Iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo no tena tsara ampiharina amin’izany toe-javatra izany? Ahoana no ahafahana mampihatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’io andinin-tsoratra masina io amin’ilay toe-java-misy?