Seminera
Romana 7–12


Romana 7–12

“Ny Mpanafaka … hampiala ny haratsiam-panahy”

Sary
Zatovolahy ao an-tranony. Mamaky sy mandalina soratra masina izy. Any Fidji io.

Indraindray eo amin’ny fiainana, dia mety hahatsiaro ho kivy na sorena isika rehefa tsy tonga amin’izay tokony hahatongavantsika. Tao anatin’ny fahatsapana fahasorenana toy izany, dia hoy ny Apôstôly Paoly hoe, “Indrisy! olo-mahantra aho!” (Romana 7:24). Na dia eo aza ireo fahalemena izay iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany, dia afaka miaina fanantenana sy fiadanana isika rehefa mametraka ny fitokisantsika amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia hanampy anao hampihatra finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy mba handresenao ireo fahalemenao. 

Fiatrehana ireo fahalemena eto amin’ny fiainana an-tany

I Rivo dia mpikambana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Te hanaraka an’i Jesoa Kristy izy saingy mahatsapa fa tsy mahavita tsara ny tokony hataony amin’ny ankamaroan’ny fotoana. Matetika izy no manamelo-tena noho ireo fahalemeny sy ny fanahiany noho ny tsy fahatomombanany.

Eritrereto hoe mety ho mitovy amin’i Rivo ianao indraindray.

  • Ahoana no fomba ahafahan’ireo fahatsapana ireo manova ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny olon-kafa ihany koa?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mikatsaka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba handresenao ireo fahalemenao sy ireo tsy fahatomombananao?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “ny Tompo dia mahalala ny fahalementsika mety maty. Lavo daholo isika indraindray. Saingy fantany ihany koa ireo zava-dehibe vitantsika” (“Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 102). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia tsarovy ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson ary mitadiava fahamarinana afaka manampy anao rehefa mamantatra fahalemen’ny fiainana an-tany ianao. Saintsaino ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo mampitombo ny finoanao fa i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao.

Ny Apôstôly Paoly ihany koa dia niaina fahatsapana fahalemena sy tolona teo amin’ny “nofo” (Romana 7:18), na ny filan’ny nofo, sy ny “toetra anaty” (andininy 22), na ara-panahy.

Vakio ny Romana 7:14, 18–19, 24–25 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay hita any amin’ny Fanampiana ho an’ny fandalinana. Mitadiava teny sy andian-teny manoritsoritra ny eritreritra sy fahatsapan’i Paoly. Hevero ny hanisy marika izay hitanao. Mariho fa ao amin’ny andininy 24 “ity fahafatesana ity” dia milaza ny fahafatesana ara-panahy, na fisarahana amin’ Andriamanitra, izay vokatry ny fahotana.

  • Inona no mampitovy ny eritreritra sy fahatsapana nananan’i Paoly amin’izay mety ho nanananao?

  • Inona avy ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly?

Ny fahamarinana iray mety ho hitanao avy amin’ireo andininy ireo dia ny hoe i Jesoa Kristy dia afaka manafaka antsika amin’ny fambaboan’ny fahotana. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eo akaikin’ny Romana 7:24–25.

  • Tahaka ny zavatra izay nitranga tamin’i Paoly, dia nahoana no mety hanampy anao hahatsapa fanantenana kokoa ny fahatsiarovana io fahamarinana io rehefa mitolona amin’ireo fahalemenao manokana ianao?

Ny Bokin’i Môrmôna dia fitaovana mahery vaika azontsika ampiasaina mba hanamafisana ny fahatakarantsika ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny Baiboly (jereo ny 1 Nefia 13:40; 2 Nefia 3:12).

Ohatra, ao amin’ny 2 Nefia 4, i Nefia dia nizara fampianarana mitovy amin’ireo izay nohalalininao avy amin’i Paoly tao amin’ny Romana 7. Mariho fa ireo fanamarihana ambanin’ny pejy ao amin’ny Romana 7 dia misy toko sy andinin-tsoratra masina mifandray amin’ny 2 Nefia 4. Ny fampiasana ny fanamarihana ambanin’ny pejy dia mety ho fomba mahasoa hitadiavana toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mifandray amin’ny zavatra ianaranao ao amin’ny Baiboly.

Vakio ny 2 Nefia 4:17–20, 26–32, ary tadiavo ny nanehoan’i Nefia ny fahatsapany izay mitovy amin’ny an’i Paoly.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo teny na andian-teny nolazain’i Nefia no tena manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fampianaran’i Nefia anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mitolona amin’ny fahalemena na fisalasalana ianao?

Fampiasana ny Bokin’i Môrmôna mba hahatakarana tsara kokoa ny fahamarinana

Tahaka ny nanatsaran’ny 2 Nefia 4 ny fandalinanao ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Romana 7, dia misy andalan-tsoratra masina maro hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna afaka manampy anao hahatakatra sy ho tia kokoa ny fampianaran’i Paoly.

Manaova fanazaran-tena mampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hanatsarana ny fahatakaranao ireo fampianaran’i Paoly amin’ny alalan’ny fisafidianana roa na maromaro amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto avy ao amin’ny Romana mba hovakina. Avy eo dia ampitahao amin’ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mifandray aminy izy ireo (na mitadiava andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna avy aminao manokana mifandray amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny Topical Guide na koa Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Tadiavo ny fomba hanamarinan’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy hanazavany ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Romana.

Romana

Bokin’i Môrmôna

Romana

Romana 8:5–7

Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 9:39; Môzià 3:19

Romana

Romana 8:28

Bokin’i Môrmôna

Almà 36:3

Romana

Romana 11:26

Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 9:19–21

Romana

Romana 12:1

Bokin’i Môrmôna

Ômnia 1:26

Romana

Romana 12:2

Bokin’i Môrmôna

Almà 5:57

Romana

Romana 12:21

Bokin’i Môrmôna

Almà 37:33–35

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Nanamafy ny fahatakaranao ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Romana tamin’ny fomba ahoana ireo andinin-tsoratra masina avy amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Saintsaino ny zavatra niainanao tamin’ny fahitana ny fahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy anao amin’ny fandalinanao ny Baiboly. Katsaho ny hampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hanampy anao rehefa manohy ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao ianao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy ahy handresy ireo fahalemeko eto amin’ny fiainana an-tany?

Raha mbola nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Maro ny olona no kivy satria tsy mahomby foana izy ireo. Fantatr’izy ireo tsara mihitsy fa “mety ihany ny fanahy fa ny nofo no malemy” [Matio 26:41]. Niara-nanandra-peo tamin’i Nefia izy ireo ka nanao hoe, “Malahelo ny fanahiko noho ny fahotako” [2 Nefia 4:17]. …

Rehefa mieritreritra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika aho, fotoana fohy talohan’io Alahadin’ny Paska voalohany io, dia te hanandratra ny feoko sy hihiaka fiderana ho an’ Ilay Andriamanitra Avo indrindra sy ho an’ny Zanany Jesoa Kristy!

Nivoha ny vavahadin’ny lanitra!

Nivoha ny varavaran’ny lanitra!

Anio sy ho mandrakizay, dia ho an’ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina ny fahasoavan’ Andriamanitra [jereo ny 3 Nefia 9:19–20]. I Jesoa Kristy no nanazava ny lalana ahafahantsika manatratra ny fivoarana izay tsy hain’ny sain’olombelona takarina [jereo ny 1 Korintiana 2:9].

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 110)

Kristianina ve isika raha mampiasa boky hafa ankoatra ny Baiboly?

Ao amin’ilay horonantsary hoe “Are We Christian’ (mari-potoana 0:00 hatramin’ny 2:15) ny Loholona Gary J. Colean, raha mbola mpikambana tao amin’ny Fitopololahy, dia nanoritsoritra ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy hahatakatra tsara kokoa ny fahamarinana sy hanamafy ny maha Kristianina azy. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Amin’ny fomba ahoana no iarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa ary hanehoan’izy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra ho antsika?

Ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) dia nanazava hoe:

Sary
Sary tapaka hatreo amin’ny soroka an’ny Filohan’ny Fiangonana OAF Harod B. Lee.

Ny Raintsika any An-danitra mandrakizay, izay miahy mandrakariva ny amin’izay mahasoa ara-panahin’ireo zanany, dia nanome antsika boky soratra masina fanampiny, fantatra amin’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna, ho fiarovana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay nosoratana sy nolazaina tamin’ny alalan’ireo mpaminany araka izay nandidian’ny Tompo azy ireo. …

… Amin’ny alalan’io vavolombelona faharoa io dia afaka mahafantatra mazava tsara kokoa ny hevitr’ireo fampianaran’ireo mpaminany fahiny isika, ary indrindra, ny an’ilay Mpampianatra sy ireo mpianany fony izy ireo mbola velona sy nampianatra teto anivon’ny olombelona. Izany dia tokony hanentana ireo rehetra izay mikatsaka marina ny fahamarinana mba handray ireo boky soratra masina roa ireo ka handalina azy ireo ho toy ny boky iray, ka hahatakatra ny tena fifandraisan’izy ireo marina toy ny hahatakarantsika izany.

(Harold B. Lee, Ye Are the Light of the World [1974], 89, 91)

Nahoana i Paoly no nilaza fa tsy maintsy manaiky ny anaran’i Jesoa isika vao hovonjena?

NyRomana 10:1–13 dia voatonona matetika mba hiarovana ny foto-kevitra fa mila manaiky ny anaran’i Jesoa Kristy fotsiny isika mba ho voavonjy. Ny Mpamonjy anefa dia nanohitra io fotopampianarana io manokana rehefa nilaza Izy hoe, “Tsy izay rehetra manao amiko hoe, Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 7:21).

Ankoatra izany, dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansin’ny batisa i Paoly tany am-piandohan’ny epistiliny ho an’ny Romana (jereo ny Romana 6:1–6), ary nampianatra ihany koa ny maha-zava-dehibe ny asa tsara sy ny fiovam-po izy (jereo ny Romana 2:1, 3, 6–13, 25–29).

Ary koa, ny teny hoe “miaiky” ao amin’ny Romana 10:9 dia azo adika hoe “fanekempihavanana,” ary ny teny hoe “miantso” ao amin’ny Romana 10:13 dia azo adika ho “mampiasa anarana” (jereo ny James Strong, The New Strong’s Exhaustive Concordance of the Bible, araka izay hita ao amin’ny http://lexiconcordance.com/greek/3670.html; http://lexiconcordance.com/greek/1941.html). Ireo teny ireo dia mety miresaka ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fitondrana eo amintsika ny anaran’i Kristy, izay mifanaraka amin’ny fampianaran’i Paoly hafa (jereo ny Galatiana 3:27; Romana 6:14–22) ary koa ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, toy ny Môzià 5:1–9.