Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 6:19–20


Fifehezana fotopampianarana: 1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny fanahy masina ny tenanareo”

Sary
Zatovo anankiroa miampita tetezana iray. Fararano izao. Toa miresaka ireo ankizilahy. Mandalo eo amin’ny farihy iray ilay tetezana. Avy lavitra ianao dia mahatazana saha sy fitaovana filalaovana.

Nandritra ny fandalinana ny 1 Korintiana 6, dia nianatra ny fenitra izay napetraky ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena sy ny maha zava-dehibe ny vatanao ianao. Ity lesona ity dia hanampy anao hampitombo ny fifehezanao ireo fampianarana ireo amin’ny alalan’ny fanomezana anao fahafahana hitadidiana ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Korintiana 6:19–20, sy hanazavana ny fotopampianarana, ary hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny trangan-javatra tena misy marina eo amin’ny fiainana.

Hazavao dia tadidio

Alaivo sary an-tsaina hoe ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy na ao amin’ny kôlejy no misy mpiara-mianatra zandriny anankiray manontany ny mpampianatra hoe, “Inona marina moa no atao hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?” Asain’ny mpampianatra mamaly ireo mpianatra hafa, ianao ao anatin’izany.

Ampiasao ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Korintiana 6:19–20, dia manaova drafitra ho an’ny zavatra izay azonao zaraina amin’ireo mpiara-mianatra mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fitsipika izay napetraky ny Tompo momba ny fahadiovana ara-nofo na ny fahadiovam-pitondrantena, ary inona no maha zava-dehibe izany.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20, ahoana no fomba mety hanazavanao amin’ny olona anankiray ny lalàn’ Andriamanitra momba nyfahadiovam-pitondrantena ary ny maha zava-dehibe izany?

Mba hanampiana anao hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe, “Tempolin’ny fanahy masina ny tenanareo,” dia hevero ny hamorona sary, sary maneho hevitra, na tamba-tsary entina maneho ity andalan-tsoratra masina ity sy ny fotopampianarana ampianariny. Ny sary izay foroninao dia tokony hiavaka nefa tokony ho feno fanajana sy fandalàna ny andinin-tsoratra masina sy ny fotopampianarana izay ampianariny ihany koa. Azonao atao ny mampiasa ny sarin’olona mijoro eo akaikin’ny tempoly nataonao tamin’ny sahanasa ho an’ny lesona miompana amin’ny 1 Korintiana 6. Ataovy azo antoka ny manoratra ny toko sy andinin-tsoratra masina hoe 1 Korintiana 6:19–20 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina eo akaikin’ilay sarinao.

Eo am-pijerena ilay sary noforoninao na nosafidianao, dia avereno ao an-tsaina ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny sorata masina mandrapahatsapanao fa tadidinao tsara daholo izy ireo.

Fizàrana mampihatra

Raketo fohifohy ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra fantatrao sy tadidinao momba ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tsy an-kijery ireo loharanom-pitaovana hafa. Rehefa vitanao izany, dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) mba hanamarinana ny fahalalanao sy hanampiana ny fampahalalana manan-danja izay mety tsy hitanao.

Saintsaino ity toe-javatra manaraka ity. Avy eo dia valio ireo fanontaniana manaraka izany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 fa tempolin’ Andriamanitra izay ahafahan’ny Fanahy mitoetra ny vatantsika. Ho solon’izay, azonao atao koa ny mamorona rafi-tantara hafa izay mifanaraka aminao kokoa na amin’ny tanora ao amin’ny aaritra misy anao.

Ny zatovolahy iray dia notezaina tamin’ny fahafantarana ireo fenitry ny Tompo momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, saingy rehefa tafiditra tao anatin’ny fiarahana matotra elaela izy, dia nahatsapa faniriana haneho ny fihetseham-pony amin’ny alalan’ny firosoana amin’ny firaisana ara-nofo amin’ilay olon-tiany. Misy olona ao amin’ny fianakaviany sy namany nanao firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana, ary hitany fa toa sambatra ihany izy ireo.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra fa “ny maha zava-dehibe mandrakizay ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia tsy hay takarina raha tsy ao anatin’ny sahan-kevitra manan-danjan’ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny zanany” (“Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 41).

  • Inona avy ireo lafiny manokana ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra izay tianao ho takatry ny olona sy hosaintsaininy ao amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 amin’ny fomba fijerinao manokana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fifandraisanao amin’ Ny Andriamanitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nosafidian’ Andriamanitra

Hevero ny hisafidy anankiray na maromaro amin’ireto loharanom-pahalalana izay notendren’ Andriamanitra manaraka ireto mba hikarohana ireo fahamarinana izay tokony hampiharina sy ahafahana manampy momba ilay rafi-tantara nosafidinao.

Valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no zavatra hitanao fa mety hanampy amin’ity rafi-tantara ity?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay mety hisafidianan’olona anankiray ny hanao asa amim-pinoana ao amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona avy ireo zavatra efa niainanao niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka mety hanampy anao hatoky Azy Ireo sy hanaraka ireo fampianarany?

2. Ataovy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

Fintino ny fomba ahafahana mampihatra ny fitsipika tsirairay amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara. Raha namorona rafi-tantara manokana ianao, dia ataovy azo antoka fa hampiditra famintinana fohy momba ilay toe-javatra ianao.