Seminera
1 Korintiana 6


1 Korintiana 6

“Tempolin’ny fanahy masina ny tenanareo”

Sary
Paragoay. Tovovavy iray sy tovolahy roa eo an-tokotanin’ny Tempolin’i Asuncion Paragoay.

Toa tsapa indraindray fa olana tsy manam-paharoa amin’izao androntsika izao ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fahotana ara-piraisana ara-nofo izay miely patrana. Kanefa tao amin’ny taratasiny izay nosoratany efa ho 2.000 taona lasa izay, dia nampianatra sy nampitandrina momba ireo fahotana ireo i Paoly. Nampahery sy nanitsy ireo Olomasina tao Korinto ireo fampianarana mafonja nataon’i Paoly, ka nampiverina azy ireo tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny maha zava-dehibe ny vatanao sy ny maha zava-dehibe ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena.

Fahadiovam-pitondrantena

Vakio ireto teny nambara manaraka momba ny fahadiovam-pitondrantena ireto. Omeo isa 1 ka hatramin’ny 5 ny teny tsirairay (1=mandà tanteraka, 2=mandà, 3=sady tsy manaiky no tsy mandà, 4=manaiky, 5=manaiky tanteraka).

  • Isika dia miaina ao anatina tontolo ahitana olona manana hevitra samihafa momba ny fihetsika sy ny zavatra atao azo ekena manoloana ny filàna ara-nofo.

  • Takatro ny fitsipiky ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena (izay fantatra ihany koa amin’ny hoe ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena).

  • Manana faniriana ny hiaina ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena aho.

  • Fantatro ny fomba hitahian’ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena ny fiainako.

  • Manana fanontaniana momba ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena aho.

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra fantatrao sy inoanao mikasika ny fitsipiky ny Tompo amin’ny fahadiovam-pitondrantena ary koa ny fanontaniana rehetra anananao momba izany. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia katsaho ny Ray any An-danitra mba hitarika anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Miezaha mamantatra sy mianatra fahamarinana afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa sy haniry hiaina ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena ary izay hanampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana sy olana anananao.

Mampianatra ny lalàn’ny Tompo momba fahadiovam-pitondrantena i Paoly

Tanàna midadasika sy manan-karena ary nahitana karazan-javatra izay nanjakan’ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo ny tanànan’i Korinto. Notanisain’i Paoly ho isan’ny fahotana fanaon’ny Korintiana ny fijangajangana (firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana), ny fanitsakitsaham-bady, ary ny fiarahan’ny samy lahy na ny samy vavy (jereo ny 1 Korintiana 6:9–10).

Vakio ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:18–20, ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mirakitra ny fampianaran’ Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondrantena sy ny toetra masin’ny vatan’olombelona.

Ny1 Korintiana 6:19–20 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ianao ao amin’ny lesona manaraka.

  • Inona no fahamarinana tsapanao fa tian’ny Tompo ho takatrao avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hahatakatra ireo fahamarinana ireo ianao?

  • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fahitanao ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena?

Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe: tempolin’ Andriamanitra ny vatantsika izay ahafahan’ny Fanahy Masina mitoetra.

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao dia mamoròna vetivety sary tsotsotra ahitana olona iray mijoro eo akaikin’ny tempoly. Tanisao manodidina ilay sary nataonao ny fitoviana misy eo amin’ny vatana sy ny tempoly. Fantaro ny antony mety hanampian’ity fampitahana ity anao hahatakatra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Afaka manampy anao hanao ity fampitahana ity ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fieritreretana ny vatantsika ho toy ny tempoly eo amin’ny fomba hitondrantsika ny vatantsika?

  • Inona no fiantraikan’ity fanoharana ny vatantsika ho toy tempoly ity amin’ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika mikasika ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Inona no fahamarinana momba ny Fanahy Masina izay ilaina takarina ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity? Nahoana?

  • Inona avy ireo antony heverinao fa mendrika hanaovana ezaka mba hananana ny Fanahy Masina hitoetra aminao?

Ahoana raha misy olona tsy mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Nanamarika i Paoly rehefa nampianatra ny Korintiana fa efa nanao fahotana ara-piraisana ara-nofo ny sasany tamin’ireo mpikambana tao Korinto taloha (jereo ny 1 Korintiana 6:9–11). Saingy rehefa nibebaka sy natao batisa izy ireo dia nodiovina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Vakio ny 1 Korintiana 6:11, ary asio marika ireo teny na andian-teny nampiasain’i Paoly hanampiana ny Korintiana hahatakatra ny hery manadio avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay natao ho an’ny olona rehetra.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa afaka manadio antsika amin’ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo i Jesoa Kristy?

Tsarovy fa “tsy meloka sy tsy mila mibebaka ireo niharan’ny herisetra ara-nofo. Raha toa ka niharan’ny herisetra ara-nofo ianao dia fantaro fa tsy manan-tsiny ianao ary tia anao Andriamanitra. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe atokisana hafa, ary katsaho avy hatrany ny hahazo ny torohevitry ny evekanao. Afaka manohana anao ara-panahy izy ireo ary manampy anao amin’ny fahazoana fiarovana sy izay fanampiana ilainao” (“Pureté Sexuelle,” Jeunes, soyez-forts [kiboky, 2011], 36–37).

Vakio indray ny 1 Korintiana 6:19–20 ka tadiavo ny zavatra hafa nampianarin’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe “tsy tompon’ny tenanareo hianareo” sy ny hoe “olom-boavidy hianareo?

  • Misy fiantraikany amin’ny fomba fisainanao sy ny fomba itondranao ny vatanao amin’ny fomba ahoana ny sorona nataon’ny Mpamonjy?

Ny Loholona Jeffery R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy ny fifandraisana misy eo amin’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny sorona nataon’i Jesoa Kristy.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Ampahany manan-danja ao amin’ny hoe olona ny vatana. Ny fotopampianaran’ny Olomasin’ny andro farany izay miavaka sy manan-danja indrindra dia mampivoitra ny antony maha tena ratsy ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo. … Rehefa manararaotra ny vatan’ny olona iray hafa ny olona iray—izany hoe manararaotra ny fanahiny—dia maniratsira ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay nanavotra izany fanahy izany sy mahatonga ny fanomezana ny fiainana mandrakizay ho azo tanterahina. …

Aza milaza mihitsy hoe: “Handratra an’iza moa izany? Nahoana aho no tsy mahazo manana fahalalahana kely? Afaka mandika lalàna aho izao dia mibebaka avy eo.” Aza manao hadalana sy ratsy fanahy toy izany. Tsy afaka “manombo an’i Kristy indray amin’ny hazo fijaliana” ianao ka tsy ho voasazy [jereo ny Hebreo 6:6]. “Mandosira ny fijangajangana” [1 Korintiana 6:18], hoy ny hiakan’i Paoly, mandosira ny “zavatra toy izany” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6; nampiana fanamafisana], manampy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nahoana? Eny, noho ny antony iray izay noho ny fijaliana tsy hay refesina niaretan’ny vatana sy ny fanahin’ny Mpamonjy izao tontolo izao mba hahafahantsika mandositra [jereo indrindra fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20]. Ananany trosa amin’izany isika. Raha ny marina dia tokony hanome azy ny zava-drehetra noho izany isika.”

(Jeffrey R. Holland, “Personal Purity,” Ensign, Nov. 1998, 76)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ny fahafantaranao fa nijaly ho anao tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany Izy? Ahoana no ahafahan’ny fanekena izany mampitombo ny fanirianao sy ny fahafahanao mankatò Azy?

Tahaka ny niresahan’i Paoly tamin’ireo Olomasina Korintiana, ireo mpanompon’ny Tompo amin’izao androntsika izao dia manome torohevitra manan-danja mikasika ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena sy ny hery ananan’ny Mpamonjy hamela sy hanadio antsika. Vakio ny “Pureté Sexuelle,” Jeunes, soyez-forts (kiboky, 2011), 35–37, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile, hitadiavana fahamarinana afaka mampahery anao sy mamaly ny fanontanianao.

Raha hijery fampahalalana fanampiny momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ohatra amin’ny andro maoderina momba ny zatovo miaina izany dia jereo ny horonantsary hoe “Je choisis d’être pur” (4:19) na “La chasteté: Quelles sont les limites?” (3:59) hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitsipika nianaranao avy amin’ny 1 Korintiana 6 sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina izay nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Raha manana fanontaniana na ahiahy momba ny fahadiovam-pitondrantena ianao izay tsy novalina ato amin’ity lesona ity, dia aiza no azonao itodihana hahazoana valiny?

Makà fotoana kely hisaintsainana ny bitsiky ny Fanahy Masina mikasika ny zavatra asain’ny Tompo hataonao noho ireo zavatra niainanao androany.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

1 Korintiana 6:19. Nahoana no zava-dehibe ny fahitako ny vatako ho toy ny “tempolin’ny Fanahy Masina”?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra momba ny fiantraikan’ny fahitana ny vatantsika ho toy ny tempolin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Noho ny vatanao izay ampahany manan-danja tahaka izany amin’ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra dia tsy mahagaga raha toa izany ka nofaritan’i Paoly Apôstôly hoe “tempolin’ Andriamanitra” [1 Korintiana 3:16; jereo koa ny 6:19]. Isaky ny mijery fitaratra ianao dia jereo ho toy ny tempolinao ny vatanao. Izany fahamarinana izany—izay tokony hananantsika fankasitrahana isan’andro—dia afaka ny hisy fiantraikany tsara amin’ireo fanapahan-kevitra raisinao mikasika ny fomba hikarakaranao ny vatanao sy ny fomba hampiasanao azy.

(Russell M. Nelson, “Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 107)

Ahoana no fomba hakan’i Satana fanahy antsika mba hampiasantsika amin’ny fomba ratsy ny vatantsika?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fitaka ataon’i Satana sy ny maha-zava-dehibe ny vatana.

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Satria tena ivon’ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana sy ny fivoarantsika ara-panahy ny vatana, dia mikatsaka ny hanembantsembana ny fivoarantsika i Losifera amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika mba hampiasa ny vatantsika tsy araka ny tokony ho izy. …

Ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia fahotana mampahory sy fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny vatantsika. Ho an’ireo izay mahafantatra sy mahatakatra ny drafitry ny famonjena, ny fandotoana ny vatana dia fikomiana (jereo ny Môzià 2:36–37; [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana] 64:34–35) ary fandavana ny maha-isika antsika marina amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika. Rehefa mijery mihoatra ny fiainana an-tany sy mijery ny mandrakizay isika, dia mora ny manavaka fa tsy maharitra ary tsy misy akory ny fiarahana ho toy ny namana mandrakariva mody atolotry ny fahavalo.

(David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 43)

I Susan W. Tanner, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia niresaka momba ny sasany tamin’ireo fomba ataon’ny fahavalo hakana fanahy antsika hampiasa amin’ny fomba ratsy ny vatantsika.

Sary
Sary ôfisialin’i Susan W. Tanner taloha, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, 2003. Navoaka tamin’ny aprily 2008.

Maka fanahy ny maro i [Satana] mba handotoana io fanomezana mahafinaritry ny vatana io amin’ny alalan’ny fahalotoam-pitondrantena, tsy fahamaotinana, fanaranam-po, ary fiankinan-doha. Mamitaka ny olona sasany hanao tsinontsinona ny vatany izy; ny sasany alainy fanahy hidera ny vatany. amin’ireo tranga roa ireo dia mitaona izao tontolo izao izy mba hihevitra ny vatana ho toy ny zavatra fotsiny. Manoloana ny laingan’i satana maro momba ny vatana, dia te hanandratra ny feoko aho anio ho fanohanana ny fahamasinan’ny vatana. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny vatana dia fanomezana tokony horaisina amim-pankasitrahana sy amim-panajana.

(Susan W. Tanner, “The Sanctity of the Body,” Liahona, nôv. 2005, 13)