Boky torolalana sy antso
34. Fitantanam-bola sy fanamarinana ny fampiasam-bola


“34. Fitantanam-bola sy fanamarinana ny fampiasam-bola,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“34. Fitantanam-bola sy fanamarinana ny fampiasam-bola,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
ankizy mihazona valopy

34.

Fitantanam-bola sy fanamarinana ny fampiasam-bola

34.0

Teny fanolorana

Ny fahafolonkarena sy ny fanatitra dia mamela ny Fiangonana hanohy ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2). Masina ireny vola ireny. Maneho ny fahafoizan-tena sy ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana izy ireny (jereo ny Marka 12:41–44).

Isan’ireo fomba vitsivitsy ampiasana ny fahafolonkarena sy ny fanatitra hanohanana ny asan’ny Tompo ny:

  • Fanorenana sy ny fikolokoloana ireo tempoly, trano fiangonana, ary ireo trano hafa an’ny Fiangonana.

  • Fanohanana ireo hetsika sy asa ataon’ny Fiangonana sy ireo mpiangona ao aminy eo an-toerana.

  • Fizarana ny filazantsara manerana izao tontolo izao.

  • Fanohanana ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana, toy ny fanabeazana sy ny tantaram-pianakaviana.

  • Fanomezana sakafo, toerana hialofana, ary ireo zavatra hafa ilain’ireo olona sahirana.

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia manana adidy masina ny hanara-maso ny tahirim-bolan’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 72:9–10). Ireo mpikambana nahazo lalana ihany no afaka mampiasa ireo vola ireo mba hanatanterahan-javatra nahazoana lalana ao amin’ny Fiangonana. Tsy maintsy tanana an-tsoratra sy arovana tsara izany.

34.1

Mpitarika misahana ny fitantanam-bola ao amin’ny tsatòka

34.1.1

Fiadidian’ny tsatòka

Ireto manaraka ireto no andraikitra sahanin’ny filohan’ny tsatòka mahakasika ny fitantanam-bola eo anivon’ny tsatòka. Zarainy amin’ireo mpanolotsainy sy mpitambokiny ny ampahany amin’io asa io.

Ny filohan’ny tsatòka dia:

  • Mampianatra sy mitaona ny mpikambana handoa fahafolonkarena feno sy hanolotra amim-pahalalahan-tanana ireo fanatitra (jereo ny 34.3).

  • Maka antoka fa voatantana sy voatana an-tsoratra araka ny tokony ho izy ny volan’ny tsatòka (jereo ny 34.5).

  • Mijery isam-bolana ny tatitra ara-bola ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra.

  • Maka antoka fa mamantatra ny andraikiny mikasika ny vola masin’ny Fiangonana ny episkôpà sy ireo mpitarika rafitra ary ireo mpitamboky.

  • Manomana sy mitantana ny tetibolan’ny tsatòka isan-taona (jereo ny 34.6).

  • Maka antoka fa arahina ireo torolalana momba ny vatsim-bola ao amin’ny tsatòka (jereo ny 34.6.2).

  • Mihaona tsy tapaka amin’ny eveka tsirairay mba hiresaka momba ny fitantanam-bolan’ny paroasy.

  • Manamarina fa mahazo ny fanambarana ny fahafolonkaren’ireo mpikambana ny paroasy tsirairay isan-taona.

  • Maka antoka fa tsy zaraina na oviana na oviana ireo teny miafina mba hidirana ao amin’ny rafitry ny fitantanam-bolan’ny Fiangonana.

  • Maka antoka fa miorina ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka ary miasa araka ny tokony ho izy (jereo ny 34.7.1).

  • Afaka mamaly ireo fanontaniana mandritra ny fanamarinana ireo rejisitra ara-bolan’ny tsatòka (jereo ny 34.7).

  • Mijery ny rejisitra ara-bolan’ny tsatòka sy ny paroasy ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra (jereo ny 34.7).

  • Maka antoka fa manaja ny lalàna mihatra rehetra momba ny hetra ny tsatòka sy ny paroasy (jereo ny 34.8).

34.1.2

Ny mpitambokin’ny tsatòka

Omen’ny filohan’ny tsatòka andraikitra mba hanampy amin’ny firaketana ny fitantanam-bolan’ny tsatòka ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka. Manaraka tsara ireo fitsipika amin’izao fotoana izao ny mpitamboky mba hiarovana ny tahirim-bolan’ny Fiangonana sy mba hahazoana antoka fa marina tsara ireo rejisitry ny Fiangonana.

Ireto manaraka ireto ny andraikitra sahanin’ny mpitamboky:

  • Mirakitra an-tsoratra sy manatitra miaraka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izay vola rehetra voaray.

  • Mijery isam-bolana ny tatitra ara-bola ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra.

  • Manampy ny fiadidian’ny tsatòka amin’ny fanomanana ny tetibolan’ny tsatòka isan-taona (jereo ny 34.6.1 sy ny 34.6.2).

  • Manamarina raha toa ka efa nandefa ny tatitra fanambarana momba ny fahafolonkarena ny paroasy tsirairay.

  • Mandray anjara amin’ny fanaovana fanamarinana ny fampiasam-bola izay ataon’ny mpanamarim-bolan’ny tsatòka ary mandray fepetra enti-manitsy raha ilaina (jereo ny 34.7).

  • Manampy ny episkôpà amin’ny fanofanana ireo mpitambokin’ny paroasy.

Tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka ireo mpitamboky ary manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny fiantsoana ireo mpitambokin’ny tsatòka dia jereo ny 33.3.2 sy ny 33.3.3.

34.2

Mpitarika misahana ny fitantanam-bolan’ny paroasy

34.2.1

Ny episkôpà

Ireto manaraka ireto ny andraikitra sahanin’ny eveka mahakasika ny fitantanam-bola eo anivon’ny paroasy. Zarainy amin’ireo mpanolotsainy sy mpitambokiny ny ampahany amin’io asa io.

Ny eveka dia:

  • Mampianatra sy mitaona ny mpikambana handoa fahafolonkarena feno sy hanolotra amim-pahalalahan-tanana ireo fanatitra (jereo ny 34.3).

  • Maka antoka fa voatantana sy voatana an-tsoratra araka ny tokony ho izy ny volan’ny paroasy (jereo ny 34.5).

  • Mijery isam-bolana ny tatitra ara-bola ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra.

  • Maka antoka fa mamantatra ny andraikiny mikasika ny vola masin’ny Fiangonana ireo mpitarika rafitra sy ireo mpitamboky.

  • Manomana sy mitantana ny tetibolan’ny paroasy isan-taona (jereo ny 34.6).

  • Maka antoka fa arahina ireo torolalana momba ny vatsim-bola ao amin’ny paroasy (jereo ny 34.6.2).

  • Mihaona isan-taona amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba hahazoana ny fanambarana ny fahafolonkaren’izy ireo.

  • Maka antoka fa tsy zaraina na oviana na oviana ireo teny miafina mba hidirana ao amin’ny rafitry ny fitantanam-bolan’ny Fiangonana.

  • Afaka mamaly ireo fanontaniana mandritra ny fanamarinana ireo rejisitra ara-bolan’ny paroasy ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra (jereo ny 34.7).

34.2.2

Ny mpitambokin’ny paroasy

Omen’ny eveka andraikitra mba hanampy amin’ny firaketana ny fitantanam-bolan’ny paroasy ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy. Manaraka tsara ireo fitsipika amin’izao fotoana izao ny mpitamboky mba hiarovana ny tahirim-bolan’ny Fiangonana sy mba hahazoana antoka fa marina tsara ireo rejisitry ny Fiangonana.

Ireto manaraka ireto ny andraikitra sahanin’ny mpitamboky:

  • Mirakitra an-tsoratra sy manatitra miaraka amin’ny mpikambana iray ao episkôpà izay vola rehetra voaray.

  • Mijery isam-bolana ny tatitra ara-bola ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra.

  • Manampy ny episkôpà amin’ny fanomanana ny tetibolan’ny paroasy isan-taona (jereo ny 34.6.1 sy ny 34.6.2).

  • Maka antoka fa afaka mijery ny tatitra momba ny anjara biriky nentiny ireo mpikambana ary manampy raha ilaina izany.

  • Manampy ny eveka hanomana sy hirakitra ireo fanambarana ny fahafolonkarena.

  • Mandray anjara amin’ny fanaovana fanamarinana ny fampiasam-bola izay ataon’ny mpanamarim-bolan’ny tsatòka ary mandray fepetra enti-manitsy raha ilaina (jereo ny 34.7

Tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka ireo mpitamboky ary manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ny fiantsoana ireo mpitambokin’ny paroasy dia jereo ny 33.4.2 sy ny 33.4.3.

34.3

Anjara biriky

Mampianatra an’ireo mpikambana ny fitsipiky ny fahafolonkarena sy ny fanatitra hafa ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary mamporisika ny mpikambana hiaina ireo fitsipika ireo. Ireo olona tsy mpikamban’ny Fiangonana dia afaka mitondra anjara biriky ihany koa. Ny mpikamban’ny Fiangonana ihany anefa no afaka mandoa fahafolonkarena.

Amporisihina ny mpikambana hanefa ny anjara birikin’izy ireo en ligne any amin’ny toerana azo hanaovana izany (jereo ny donations.ChurchofJesusChrist.org). Azon’ny mpikambana atao ihany koa ny manome ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny anjara birikin’izy ireo sy ny taratasy fanoratana ny fahafolonkarena sy fanatitra hafa izay nofenoin’izy ireo (jereo ny 34.5.2).

34.3.1

Fahafolonkarena

Ny fahafolonkarena dia fanomezana ny iray ampahafolon’ny vola miditra amin’ny olona iray ho an’ny Fiangonan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4; ny zana-bola dia azo lazaina hoe vola miditra). Tokony handoa fahafolonkarena ny mpikambana rehetra manana fidiram-bola.

Efa hatry ny andro fahiny ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo no niaina ny lalàn’ny fahafolonkarena (jereo ny Genesisy 14:18–20; Levitikosy 27:30–32). Hoy ny Tompo hoe: “Ny fahafolonkaren’ny vahoakako … dia ho lalàna raikitra ho azy ireo mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4).

Masina amin’ny Tompo ny fahafolonkarena, ary manome voninahitra Azy amin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena ny mpikambana. Izany dia fanehoana finoana an’ Andriamanitra sy ny fampanantenana nataony. Ireo izay mandoa fahafolonkarena dia mahazo ity fampanantenana avy amin’ny Tompo ity: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy ny Tompon’ny Maro, raha tsy hovohako ho anareo ny varavaran’ny lanitra sy harotsako aminareo ny fitahiana izay tsy hisy ny toerana ampy handraisana izany” (Malakia 3:10).

34.3.1.1

Ny ampiasana ny volan’ny fahafolonkarena

Ampiasaina mandrakariva hanatanterahana ny tanjon’ny Tompo ireo fahafolonkarena izay nomena, araka ny toromarika nomen’ny Filankevitry ny fitantanana ny fampiasana ny fahafolonkarena (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120). Ny sasany amin’ireo tanjona ireo dia voalaza ao amin’ny 34.0.

34.3.1.2

Fanambarana ny fahafolonkarena

Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay ny eveka mandritra ireo volana vitsivitsy farany isan-taona mba handray ny fanambarana ny fahafolonkaren’ilay mpikambana. Amin’ireo toe-java-misy tsy dia fahita firy rehefa tsy eo ny eveka, dia afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsain’ny eveka ny filohan’ny tsatòka mba hanatanteraka io andraikitra io.

Asaina daholo ny mpikambana hihaona amin’ny eveka mba:

  • Hanambara amin’ny eveka hoe manao ahoana ny fanefan’izy ireo ny adidiny amin’ny maha-mpandoa fahafolonkarena azy ireo.

  • Haka antoka fa marina ny voalaza ao amin’ny firaketana ny anjara biriky nentin’izy ireo.

Raha azo atao dia tokony hanatrika avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana, anisan’izany ny zanaka.

Mandritra ny fanambarana ny fahafolonkarena dia maneho ny fankasitrahany ireo mpikambana noho ny fahatokian’izy ireo ny eveka. Izy ihany koa dia mampianatra ny fitsipiky ny fahafolonkarena, mamporisika ny mpikambana handoa fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana ary miresaka zavatra manan-danja hafa.

Ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra nomena andraikitra hisahana izany no manome ireo torolalana mikasika ny fanambarana ny fahafolonkarena.

Sary
fianakaviana miresaka amin’ny lehilahy iray

34.3.2

Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Mamporisika ny mpikambana mba hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fanatitra amin’ny ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana (jereo ny 22.2.2).

Any amin’ny paroasy sasany dia afaka manome lalana ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ny eveka hanangona ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Rehefa mandray izany fanapahan-kevitra izany ny eveka dia mandinika ny isan’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay afaka manao izany sy ny fitandroana ny ain’izy ireo, ary ny fitahiana mety ho azon’ireo mpikambana izay mety tsy ho afaka ny hitondra anjara biriky amin’ny fomba hafa ankoatra izany.

Tokony handeha tsiroaroa ireo mpihazona ny fisoronana rehefa manangona ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Aterin’izy ireo haingana any amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà ireo fanatitra amin’ny ny fifadian-kanina.

Tsy tokony hanome karazana anjara biriky hafa, toy ny fahafolonkarena na fanatitra hafa, an’ireo mpanangona ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ireo mpikambana.

Hita ao amin’ny 22.5.2ny torolalana mikasika ny fampiasana ny vola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

34.3.3

Kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana

Ny anjara biriky arotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana dia ampiasaina voalohany indrindra hanefana ireo anjara biriky nanaovan’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno avy ao amin’ilay paroasy fanolorantena. Ny vola mihoatra ao amin’ny paroasy iray dia azo ampiasaina hanefana ny fanolorantena nataon’ireo misiônera hafa ao amin’ny tsatòka. Ny vola mihoatra ao amin’ny tsatòka iray dia azo ampiasaina ho an’ny tsatòka hafa ao anatin’ny filankevitra enti-mandrindra eo ambany fitarihan’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra izay miahy ilay filankevitra.

Ny vola avy ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana dia tsy tokony halefa mivantana any amin’ny misiônera tsirairay avy. Tsy tokony hampiasaina amin’izay hetsika mikasika ny asa fitoriana karakarain’ny paroasy na ny tsatòka ireo vola ireo.

Ireo anjara biriky narotsaka ao amin’ny kitapom-bola faobe ho an’ny asa fitoriana dia ampiasain’ny Fiangonana amin’ny asa fitoriana rehetra ataony amin’ny ankapobeny.

Ny vola narotsaka ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana izay mihoatra ny tokony ho ilain’ny tsatòka sy paroasy dia tokony halefan’ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka any amin’ny kitapom-bola faobe ho an’ny asa fitoriana any amin’ny foiben’ny Fiangonana na any amin’ny biraon’ny vondromparitra.

Ho fampahalalana bebe kokoa momba ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana sy ny fanohanana ara-bola ny asa fitoriana dia jereo ny 24.3.4.

34.3.4

Anjara biriky fanampiny

Azon’ny mpikambana ato ny mitondra anjara biriky ara-bola amin’ireo sokajin-javatra fanampiny nahazoana fankatoavana. Raha mampiasa ny taratasy fenoina ho an’ny fahafolonkarena sy fanatitra hafa ny mpanome dia soratan’izy ireo eo amin’ny fizarana hoe “Hafa”eo amin’ilay taratasy ny anaran’ilay sokajin-javatra.

Tsy tokony hametraka sokajin-javatra eo amin’ny fizarana hoe “Hafa” ny tsatòka sy ny paroasy mba hangatahana, na hanangonana, na hampiasana ireo vola amina tetikasa izay tsy nahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra. Mba hahafantarana ny lisitr’ireo sokajin-javatra nahazoana fankatoavana dia tokony hiresaka amin’ny mpitambokin’ny paroasy ny mpikambana.

34.3.5

Philanthropies (Fanaovana asa soa)

Ny fanaovana asa soa an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia departemanta ao amin’ny Biraon’ny Episkôpà Mpiahy. Io departemanta io dia mandrindra sy manamora ny fitondrana anjara biriky hanaovana asa soa an-tsitrapo ho an’ny Fiangonana sy ireo fikambanana mpanao asa soa mifandray aminy ary ny hetsika ataony, ankoatra ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa. Raha te hahazo fanampiana mikasika ny fomba fitondrana anjara biriky dia mifandraisa amin’ny biraon’ny Philanthropies:

Philanthropies

1450 North University Avenue

Provo, UT 84604-6080

Laharana an-tariby: 1-801-356-5300 or 1-800-525-8074

Email: philanthropies@ChurchofJesusChrist.org

34.3.6

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Fanomezana miendrika zavatra fa tsy vola ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafolonkarena

Raha ny mahazatra dia tsy mamporisika ny fanolorana fanomezana miendrika zavatra (fa tsy vola) ho fahafolonkarena sy fanatitra hafa ny Fiangonana. Tsara kokoa raha ireo mpikambana ihany no mivarotra ireo fananany dia avy eo mandoa fahafolonkarena sy ireo fanomezana hafa amin’ny alalan’ny vola. Na izany aza dia mety azo ekena ihany ny fanomezana miendrika zavatra fa tsy vola amin’ny toe-javatra sasantsasany. Mety ho fomba fanao mahazatra any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao ny fanomezana toy izany.

Ny Fiangonana dia manaiky (1) petra-bola fandraisana anjara amina orinasa na petra-bola hafa izay azo amidy avy hatrany ary (2) trano na tany azo amidy. Tokony handefa email any amin’ny donationsinkind@churchofjesuschrist.org ny mpikambana raha mila toromarika momba ny fomba hanaovana ireo fanomezana miendrika zavatra ireo. Raha maniry ny hanome zavatra hafa ny mpikambana dia mifandray amin’ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka mba hahazo fankatoavana alohan’ny hanomezana lalana ny eveka mba hanaiky ireo zavatra ireo.

Ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra miandraikitra izany ihany no manome ny rosian’ireo mpikambana izay nanolotra fanomezana miendrika zavatra fa tsy vola.

34.3.7

Tsy azo averina ireo anjara biriky natolotra

Rehefa atolotra ho an’ny Fiangonana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa dia an’ny Tompo izy ireny. Atokana ho Azy izany. Fanomezana an-tsitrapo ny anjara biriky rehetra toy izany. Rehefa atolotra izy ireny dia tsy azon’ny mpanome azy faritana ny zavatra ampiasana azy, ary tsy misy fihazonana fifehezana, na zom-pananana amin’ny endriny rehetra na fanantenana avy amin’ny mpanolotra mba hahazo tombontsoa hafa ankoatr’ireo fitahian’ny Tompo.

Mampahafantatra ireo izay mandoa fahafolonkarena sy fanatitra ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka fa tsy azo averina ireo anjara biriky ireo. Tsy azo averina ihany koa ny vola naloa mialoha tao amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana.

34.4

Fihazonana ho tsiambaratelo ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa

Hazonina ho tsiambaratelo ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa naloan’ny mpanome iray. Ny eveka sy ireo izay nomena lalana handray an-tanana na hijery ireo anjara biriky ireo ihany no tokony hahafantatra izany. Tsy tokony hiresaka amin’ny fomba tsy mendrika na oviana na oviana ny toe-java-misy mahakasika ny fahafolonkarenan’ny mpikambana iray ny fiadidian’ny tsatòka sy ny episkôpà ary ny mpitamboky. Tsy tokony horesahin’izy ireo ihany koa ny fitambaran’ny fahafolonkarena na ny fanatitra hafa voaray.

34.5

Fitantanana ny volan’ny Fiangonana

Maka antoka ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka fa voatantana araka ny tokony ho izy ny volan’ny Fiangonana rehetra. Andraikitra masina amin’ny antson’izy ireo izany. Hazavaina ao anatin’ireto fizarana manaraka ireto ireo fitsipika ankapobeny. Amporisihina ny episkôpà sy ny mpitamboky mba hijery ilay horonan-tsary “Sacred Funds, Sacred Responsibilities” indray mandeha isan-taona farafahakeliny.

34.5.1

Fitsipiky ny fiarahana miasa tsiroaroa

Ny fitsipiky ny fiarahana miasa tsiroaroa dia mitaky olona roa, mpikambana iray ao amin’ny episkôpà sy mpitamboky iray, na mpikambana roa ao amin’ny episkôpà, mba hiara-hiasa amim-pahavitrihana rehefa mitana an-tsoratra sy mamoaka ny volan’ny Fiangonana. Io fitsipika io dia ilaina mba hiarovana ireo vola masina sy hiarovana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Tokony hiaro ary tsy hizara na oviana na oviana ny tenimiafin’izy ireo ny mpitarika (jereo ny 33.9.1.1).

34.5.2

Fandraisana fahafolonkarena sy fanatitra hafa

Nankinin’ny Tompo amin’ny eveka ny andraikitra masina handray sy hitana an-tsoratra ireo fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa avy amin’ny Olomasina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–33; 119). Ny eveka sy ny mpanolotsainy ihany no afaka mandray ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa. Na inona na inona miseho dia tsy tokony horaisin’ny vadiny na ireo olona hafa ao amin’ny fianakavian’izy ireo na ny mpitamboky na ny mpikambana hafa ao amin’ny paroasy ireo anjara biriky ireo. Ny hany zavatra maningana dia rehefa asaina manangona ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna (jereo ny 34.3.2).

Tokony hatao vonona ny ho azo aloa amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ireo seky. Ny vola voarain’ny episkôpà dia tokony hotanana an-tsoratra sy harotsaka haingana araka izay azo atao. Tsy tokony hapetrapetrak’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana tsy misy mpanara-maso ireo fanatitra.

34.5.3

Fanamarinana sy fitanana an-tsoratra ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa

Tokony hamarinina sy hotanana an-tsoratra ny alahady nandraisana izany ireo anjara biriky natolotra. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà sy mpitamboky iray na mpikambana roa ao amin’ny episkôpà no miara-manokatra ny valopy tsirairay. Manamarina izy ireo fa mitovy amin’ny vola voasoratra ao amin’ny taratasy fanoratana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa ny vola natsofoka tao anatin’ilay valopy. Tanan’izy ireo an-tsoratra araka ny tokony ho izy ny fanomezana tsirairay avy. Raha tsy mitovy ilay vola nomena sy ny vola voasoratra dia antsoin’izy ireo faran’izay haingana ilay olona nanome ny vola mba hamahana ilay olana.

34.5.4

Fandrotsahana ny vola avy amin’ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa

Tokony homanina ny fandrotsahana ny vola rehefa avy nalaina antoka fa mitovy amin’ny vola voaray ny vola notanana an-tsoratra.

Any amin’ny toerana izay ahitana banky azo androtsahana vola foana ao anatin’ny 24 ora, dia arotsaky ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà miaraka amin’ny olona iray hafa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ilay vola amin’iny andro nanokafana ny valopy nisy ny vola sy nanamarinana ny vola iny ihany.

Raha toa ka tsy misy banky azo androtsahana vola foana ao anatin’ny 24 ora ary mihidy ny banky isaky ny alahady dia manome andraikitra mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray ny eveka mba handrotsaka ilay vola ny andro manaraka hisokafan’izany. Araka ny mahazatra dia tokony ho mpikambana iray ao amin’ny episkôpà io olona io. Tompon’andraikitra amin’ireo vola ireo izy. Izy dia tokony:

  • Haka antoka fa any amin’ny toerana voaro tsara ireo vola mandra-pandrotsahana azy ireo.

  • Haka rosian’ny vola narotsaka ka ahitana ny daty sy ny totalin’ny vola narotsaka.

Ankoatra izany dia tokony hanatanteraka ity asa manaraka ity ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà sy ny mpitamboky iray na ny mpikambana roa ao amin’ny episkôpà ny alahady manaraka izany alohan’ny handraisana an-tanana ireo fanomezana tamin’io andro io:

  • Mampitaha ilay rosian’ny vola narotsaka amin’ny vola voarakitra an-tsoratra fa narotsaka tamin’ny herinandro lasa mba hanamarinana fa io totalim-bola io tokoa no narotsaka.

  • Manao sonia ilay rosian’ny vola narotsaka ary mampirina izany miaraka amin’ireo taratasy ahitana ny mombamomba ny fanomezana tamin’ny herinandro lasa.

34.5.5

Fiarovana ny volan’ny Fiangonana

Ny mpikambana izay tompon’andraikitra amin’ny volan’ny Fiangonana dia tsy mahazo mamela izany ao amin’ny trano fivoriana an’ny Fiangonana mandritra ny alina na mamela izany na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona tsy misy mpanara-maso toy ny hoe mandritra ireo fivoriana na fiaraha-mientana.

34.5.6

Tatitra momba ny fanomezana

Ireo tatitra momba ny anjara biriky natolotry ny mpanome ny fanomezana dia azo jeren’ny mpikambana rehetra ao amin’ny donations.ChurchofJesusChrist.org. Tokony hamporisika ny mpikambana ireo mpitarika mba hijery matetika ny tatitra momba ny fanomezana nomen’izy ireo. Any amin’ny toerana azo hanaovana izany dia azo jerena ihany koa ao amin’ny donations.ChurchofJesusChrist.org ireo fanambarana hetra ôfisialy avy ao amin’ny rantsana eo an-toerana na ny biraon’ny vondromparitra eo an-toerana.

Sary
vehivavy manoratra

34.5.7

Fitantanana ny fandoavam-bola ataon’ny tsatòka sy ny paroasy

Tantanana ao amin’ny rafitry ny fitantanam-bolan’ny Fiangonana ny volan’ny tsatòka rehetra. Ny filohan’ny tsatòka no mitantana ny volan’ny tsatòka. Afaka manampy azy ireo mpanolotsainy sy ireo mpitamboky. Ilay mpanolotsaina izay filohan’ny kômitin’ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka dia tsy tokony handray anjara amin’ny firaketana an-tsoratra ny mikasika ny fandehan’ny volan’ny tsatòka.

Tantanana ao amin’ny rafitry ny fitantanam-bolan’ny Fiangonana ny volan’ny paroasy rehetra. Ny eveka no mitantana ny volan’ny paroasy. Afaka manampy azy ireo mpanolotsainy sy ireo mpitamboky.

Amin’ny ankapobeny dia atao amin’ny alalan’ny fandefasana vola amin’ny fomba elektrônika na amin’ny alalan’ny seky ny fandoavam-bola. Any amin’ny faritra sasany dia mety mahazo fankatoavana hampiasa karatra fakana vola any amin’ny banky ny rantsana.

Tsy misy vola holaniana azo ekena na azo aloa raha tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny mpiandraikitra mpiahy.

Tsy maintsy mpitarika roa nahazo lalana no manome fankatoavana ny fandoavam-bola tsirairay avy. Tsy maintsy mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny episkôpà ny iray amin’izy ireo. Na dia mety nahazo lalana hanome fankatoavana ireo fandoavam-bola aza ireo mpanolotsaina dia tsy maintsy mijery ny fandoavam-bola natao tsirairay avy ny filohan’ny tsatòka na ny eveka. Tsy tokony hanome fankatoavana fandoavam-bola ho an’ny tenany ireo mpitarika.

Takina ny fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny filohan’ny tsatòka mialoha ny hahafahan’ny eveka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na manao fankatoavana ny bishop’s order (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny tenany na ho an’ny fianakaviany. Takina ny fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mialoha ny hahafahan’ny eveka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na manao fankatoavana ny bishop’s order (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny filohan’ny tsatòka na ho an’ny fianakaviany. Jereo ny 22.5.1.2 mba hahitana torolalana.

Ny mpikambana iray izay mitaky famerenam-bola dia manome ny tahadikan’ny rosia na ny faktiora amin’ny endrika taratasy na elektrônika. Ampidiriny ao anatin’izany ihany koa ny antony sy ny tontalin’ny vola ary ny daty nividianan-javatra.

Raha misy vola naloa mialoha dia mandefa taratasy fangatahana fandoavam-bola ilay mpikambana, ary soratany ao anatin’izany ny antony sy ny tontalin’ny vola ary ny daty. Rehefa voaloa ilay vola nolaniana dia (1) manome rosia na faktiora manamarina ny vola lany ilay mpikambana ary (2) mamerina izay vola tsy lany. Tokony haverina harotsaka ny famerim-bola.

Ireo mpitarika sy mpitamboky dia tsy tokony hanome lalana ny hanaovana fandoavam-bola raha tsy efa nijery tsara ny fandaniana natao sy ireo rosia na faktiora.

Tsy azon’ny tsatòka sy ny paroasy atao ny manokatra kaonty any amin’ny banky na mitahiry vola kely hividianan-javatra.

34.5.7.1

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Fandoavam-bola amin’ny fomba elektrônika

Raha mampiasa fandoavam-bola amin’ny fomba elektrônika ny tsatòka na ny paroasy dia amporisihina ny mpikambana mba hampiditra ny mombamomba azy ireo manokana amin’ny kaontin’izy ireo amin’ny banky eo amin’ny fizarana Expense Reimbursement Account (Kaonty famerenana ny vola lany) ao amin’ny paramètres ao amin’ny Online Donations (Fanomezana atao en ligne) ao amin’ny donations.ChurchofJesusChrist.org. Ny paroasy na ny tsatòka dia tsy tokony hitahiry na oviana na oviana ny mombamomba ny kaontin’ny bankin’ny mpikambana amin’ny endrika taratasy na elektrônika.

34.5.7.2

Sary
sary famantarana, loharanon-kevitra azo isafidianana
Seky

Raha mampiasa seky ny tsatòka na ny paroasy dia tsy tokony hatao sonia ny seky iray raha tsy feno tanteraka. Tokony hampirimina any amin’ny toerana fampiriman-taratasy na lalimoara mihidy ny karinen-tseky sy ireo seky voasonia fa tsy nosoratana ny mari-bola. Tsy tokony hapetrapetraka eny ho eny tsy misy mpanara-maso izy ireny rehefa tsy hidina tsara any amin’ny toerana iray. Raha toa ka misy seky tsy mbola nanoratana mari-bola kanefa tsy hita, dia manao tatitra haingana ny laharan’ireo seky ireo any amin’ny foiben’ny Fiangonana na any amin’ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka na ny eveka.

34.5.7.3

Sary
sary famantarana, loharanon-kevitra azo isafidianana
Karatra fandoavam-bola

Raha mampiasa karatra fandoavam-bola ho an’ireo fandaniana ataon’ny rantsana eo an-toerana ny tsatòka na ny paroasy, dia azo ampiasaina handoavana vola eny amin’ny toeram-pivarotana na hisintonana vola izy ireny. Tafiditra ho azy ao amin’ny rafitry ny fitantanam-bolan’ny Fiangonana ny fividianan-javatra sy ny fisintonana vola natao tamin’ny karatra. Tokony hotanana an-tsoratra haingana araka izay azo atao ny zavatra rehetra nampiasana ny karatra. Raha tsy voatana an-tsoratra ireo fampiasana karatra ireo dia mety hatsahatra ilay karatra.

Tokony haverina ho aotra farafahakeliny isan-taona ny vola ao amin’ny karatra fandoavam-bola rehetra.

34.5.8

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Vata fitahirizam-bola

Ny biraon’ny vondromparitra dia manome torolalana an’ireo rantsana izay tsy afaka mampiasa kaontin’ny banky omen’ny Fiangonana.

34.5.9

Fihazonana ny rejisitra ara-bola

Tokony hihazona rejisitra ara-bola ara-dalàna sy marina ny tsatòka sy sampana tsirairay. Ireo rejisitra ireo dia manampy ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka hanao tatitra sy hiaro ny vola masin’ny Fiangonana. Ilaina ihany koa ireo rejisitra marina ho an’ny:

  • Fanomanana ny tetibola.

  • Fitantanana ny vatsim-bola.

  • Fanomezana fampahalalana momba ireo mpikambana mikasika ny anjara biriky ara-bola entin’izy ireo.

  • Famaliana ireo fanontaniana mandritra ny fanamarinana ny fampiasam-bola.

Mba hahitana fampahalalana momba ny fampiasana sy ny fitehirizana rejisitra sy tatitra dia tokony hijery ireo torolalana avy amin’ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra ireo mpitamboky. Tokony hazonina mandritra ny telo taona farafahakeliny ankoatra ilay taona diavina ny rejisitra ara-bola. Mety mitaky ny fitehirizana izany elaela kokoa ny lalàna eo an-toerana.

34.6

Tetibola sy vola mivoaka

Ilay fandaharan’asa fanomezana vatsim-bola dia manolotra vola avy amin’ny kitapom-bola faoben’ny Fiangonana mba hanefana izay vola ilaina ho an’ireo hetsika sy fandaharan’asan’ny tsatòka sy ny sampana. Io fandaharan’asa io dia manafoana ny filana ny fandraisana anjara biriky avy amin’ny mpikambana hanampiana ny tetibola. Nampisy ny vatsim-bola ny fandoavana tamim-pahatokiana ny fahafolonkarena.

Raha ilaina dia tokony hahenan’ny mpitarika sy hatao tsotsotra ireo fiaraha-mientana mba tsy handaniana mihoatra noho ny vatsim-bola. Tokony ho tsotra sy tsy dia mandany vola na tsy hampiasana vola mihitsy aza ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana.

34.6.1

Tetibolan’ny tsatòka sy paroasy

Mandrindra ny tetibola isan-taona ny tsatòka sy paroasy tsirairay ary manatontosa asa amin’ny alalan’izany. Ny filohan’ny tsatòka no mitantana ny tetibolan’ny tsatòka ary ny eveka no mitantana ny tetibolan’ny paroasy. Afaka manome andraikitra mpanolotsaina iray ny tsirairay amin’izy ireo mba hiandraikitra izay tetibola eo ambany fitarihan’izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny manome andraikitra mpitamboky iray mba hanampy amin’ny fanomanana sy ny fanaraha-maso ny tetibola.

Manomboka manomana tsara ny tetibola mialoha ny fiantombohan’ny taona tsirairay ny fiadidian’ny tsatòka sy ny episkôpà. Voatanisa etsy ambany ny torolalana momba izany:

  • Mamerina mijery ny vola lany tamin’ny taona lasa mba hahazoana antoka fa voadinika ireo fandaniana miverimberina.

  • Mangataka ireo vondrona mba hanome ny tombantomban’ny tetibola holaniany amin’ny antsipiriany.

  • Mandrafitra ny tetibola amin’ny alalan’ny fampiasana fomba fandrafetana tetibola nahazoana fankatoavana. Tokony haka antoka rehefa mandrafitra ny tetibola fa ny vola kasaina havoaka dia tsy mihoatra ny vatsim-bola andrasana.

Ireo fitaovana fikirakirana ny tetibola izay hita ao amin’ny rafitry ny fitantanam-bolan’ny Fiangonana dia tokony hampiasaina any amin’ny toerana ahitana izany.

34.6.2

Vatsim-bola

34.6.2.1

Fanomezana vatsim-bola

Isaky ny telo volana no hanomezana ny vatsim-bola ary mifototra amin’ny isan’ny mpanatrika ao anatin’ireto sokajy manaraka ireto:

  • Fivoriana fanasan’ny Tompo

  • Zatovolahy

  • Zatovovavy

  • Ankizy 7–10 taona ao amin’ny Kilonga

  • Tanora tokan-tena

Zava-dehibe ny manao tatitra marina sy ara-potoana momba ny isan’ny mpanatrika ny fivoriana (jereo ny 33.5.1.1).

Alohan’ny fanomezana vatsim-bola isaky ny telo volana dia mahazo fampahalalana mikasika ny tontalin’ny vola hozaraina ny filohan’ny tsatòka. Avy eo izy dia mamaritra ny vola tokony homena ireo paroasy. Miara-miasa amin’ny eveka amin’ny fanehoana firaisan-kina sy fahavononana hiara-hiasa izy mba hakana antoka fa mahazo vola ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny tsatòka sy ny paroasy. Raha misy fiovana tsy nampoizina izay afaka manamarina ny fanovana ilay vatsim-bola nomena tany am-boalohany dia manao izay hisian’ny fanovana ara-drariny ny filohan’ny tsatòka.

Manara-maso ny fizarana ny vatsim-bola ao amin’ny paroasy ny eveka. Maka antoka izy fa mahazo vola ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ireo rafitra.

Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa mifandanja tsara ny habetsaky ny vatsim-bola sy ny fiaraha-mientana ataon’ny zatovolahy sy ny zatovovavy ary ampy ny vatsim-bola ho an’ireo ankizy ao amin’ny Kilonga.

34.6.2.2

Fampiasana ny tetibola araka ny tokony ho izy

Maka antoka ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka fa ampiasaina amim-pahendrena ny vatsim-bola. Tokony hampiasaina mba hitahiana ny olona sy hampivelarana ireo tanjon’ny filazantsara ny kitapom-bola. Maka antoka koa ny mpitarika fa tsy mihoatra ny vatsim-bola ananana ny fandaniana rehetra.

Tokony hampiasaina mba handoavana ny vola ilaina amin’ireo fiaraha-mientana sy fandaharan’asa ary boky sy kojakoja ilaina rehetra ny vola omena ny tsatòka sy ny paroasy. Raha ny mahazatra dia tsy tokony handoa vola ny mpikambana mba handraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientana. Tsy tokony hanome fitaovana, na vatsy, na hofan-javatra, na vola fidirana amin’ny zavatra iray ihany koa izy ireo, na saram-pitaterana aloan’ny tenany manokana amin’ny fanaovana dia lavitra. Afaka mitondra sakafo ny mpikambana raha tsy enta-mavesatra ho azy ireo ny fanaovana izany (jereo ny 20.6.1).

Ny mpikambana izay te handrotsaka anjara biriky fanampiny any amin’ny Fiangonana dia tsy afaka mandefa izany ao amin’ny volan’ny tsatòka na paroasy. Mamporisika azy ireo kosa anefa ny mpitarika mba handrotsaka ilay vola ao amin’ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, na kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana, na ny fanampiana olona, na ireo sokajin-javatra hafa fandrotsahana fanomezana nahazoana lalana.

Ny fandaniana amin’ny fanorenana trano, ny fikojakojana, ny finday, ny fitaovana, ny solosaina, ary ny dia ataon’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana dia aloa amin’ny volan’ny Fiangonana maneran-tany araka ny torolalana izay misy amin’izao fotoana izao.

34.6.2.3

Tetibola ambiny

Tsy tokony hampiasaina ny tetibola ambiny. Averina any amin’ny tsatòka ny ambin’ny tetibola nampiasain’ny paroasy. Averina amin’ny Fiangonana ny ambin’ny tetibola nampiasain’ny tsatòka.

Ny zavatra maningana dia azon’ny tsatòka sy paroasy tazonina izay vola ambiny raha toa ka ilaina hanaovana fiaraha-mientana manokana izay ilaina amin’ny taona manaraka izany, toy ny hoe fihaonamben’ny zatovo. Na izany aza dia tsy tokony hatao ny mitazona ampahany be dia be amin’ny vatsim-bolan’ny tsatòka na ny paroasy ao anatin’ny taona iray mankany amin’ny taona manaraka.

34.6.3

Fiantohana ara-bola ny fiaraha-mientana sy fitaovana manokana

34.6.3.1

Ireo fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka sy ireo tsatòka mitambatra

Amporisihina ny mpitarika eo an-toerana mba hikarakara fiaraha-mientana eo anivon’ny tsatòka sy iarahan’ny tsatòka maro izay manome fahafahana ny hampivelatra ny firaisan-kina sy ny finamanana, indrindra eo anivon’ny zatovo sy ireo tanora tokan-tena. Maka antoka tsara ny mpitarika fa manomana vola ampy hanohanana fiaraha-mientana vitsivitsy eo anivon’ny tsatòka sy iarahan’ny tsatòka maro izy ireo.

Ny famatsiam-bola ho an’ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana ataon’ny tsatòka mitambatra dia azo avy amin’ireo famatsiam-bola avy amin’ireo tsatòka mpandray anjara. Ny famatsiam-bola ho an’ireo fiaraha-mientana ataon’ny vondromparitra dia mety ho azo avy amin’ny tetibolan’ny foiben’ny Fiangonana rehefa nahazoana lalana.

34.6.3.2

Fiaraha-mientana manokana sy fitaovana manokana

Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo fiaraha-mientana manokana sy fitaovana manokana dia jereo ny toko 20.

34.7

Fanamarinana ny fampiasam-bola

34.7.1

Kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka

Manendry kômity iray hisahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka. Maka antoka io kômity io fa atao araka ny lalàn’ny Fiangonana ny fitantanana ny volan’ny tsatòka sy ny paroasy. Mandrafitra izany ny iray amin’ireo mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka izay filohan’ny kômity ary mpikambana roa hafa ao amin’ny tsatòka izay manana fahalalana mikasika ny lafiny ara-bola na azo hofanina mikasika izany. Tokony hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ireo rahalahy na rahavavy ireo.

Amin’ny ankapobeny ilay mpanolotsaina izay filoha dia tsy tokony hanome fankatoavana fandoavam-bola na handray anjara amin’ny fihazonana rejisitra ara-bola eo anivon’ny tsatòka.

Tsy tokony ho ireo mpanamarina ny fampiasam-bola no mpikambana ao amin’ny kômity. Ary tsy tokony hitana ny rejisitra ara-bolan’ny tsatòka na ny paroasy ihany koa izy ireo.

34.7.2

Mpanamarina ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka

Miantso mpanamarina ny fampiasam-bolan’ny tsatòka roa farafahakeliny ny filohan’ny tsatòka na ilay mpanolotsainy izay filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka. Tokony hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ireo rahalahy sy rahavavy ireo. Raha azo atao dia tokony ho olona manana traikefa eo amin’ny lafin’ny haitoebola sy fanamarinana ny fampiasam-bola izy ireo. Tokony hahazo fankatoavana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo izy ireo. Na izany aza dia tsy tohanana izy ireo. Ny filohan’ny tsatòka no manapaka raha toa ka hatokana izy ireo na tsia.

Azo atao mpanamarina ny fampiasam-bolan’ny tsatòka ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo. Tsy azo antsoina ho mpanamarina ny fampiasam-bola anefa ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka sy ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka. Afaka manana antso hafa ihany koa ireo mpanamarina ny fampiasam-bola ireo.

34.7.3

Fanamarinana ny fitantanam-bola

Manamarina ny rejisitra ara-bolan’ny tsatòka sy ny paroasy ary ny ivon-toeran’ny FamilySearch indroa isan-taona ireo mpanamarina ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka. Manamarina ny rejisitra ara-bolan’ireo toerana fialamboly an’ny Fiangonana indray mandeha isan-taona ihany koa izy ireo. Fotoana hamporisihana sy hanohanana ary hanofanana amin’ny halemem-panahy ireo izay nantsoina hitantana ireo volan’ny Fiangonan’ny Tompo izany.

Maka antoka ireo mpanamarina ny fampiasam-bola fa:

  • Voatana an-tsoratra araka ny tokony ho izy ny fahafolonkarena sy ny anjara biriky hafa.

  • Ampiasaina sy tantanana ary arovana araka ny tokony ho izy ny volan’ny Fiangonana.

  • Feno tsara sy marina ireo rejisitra ara-bola.

Ny mpiandraikitra amin’ny fisoronana miahy ilay rantsana sy ny mpitamboky nampiandraiketina ny lafiny ara-bola dia tsy maintsy manana fotoana malalaka hamaliana ireo fanontaniana mandritra ny fanamarinana ny fampiasam-bola.

Mamerina mandinika ny fanamarinana ny fampiasam-bola efa vita rehetra ny filohan’ny tsatòka sy ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka. Rehefa vita ny fandinihan’izy ireo izany dia manao sonia ireo fanamarinana ny fampiasam-bola ny filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka sy ny filohan’ny tsatòka. Azo soniavina sy alefa alohan’ny hanitsiana ireo tranga maningana rehetra ireo fanamarinana ny fampiasam-bola. Maka antoka ny filohan’ny tsatòka sy ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka fa voahitsy avy hatrany izay mety ho tranga maningana amin’ny fanamarinana ny fampiasam-bola.

34.7.4

Ireo mpanamarina ny fampiasam-bola eo anivon’ny Vondromparitra sy ireo mpanampy mpanamarina ny fampiasam-bola eo anivon’ny Vondromparitra

Manaraka ny toromarika ao amin’ny Guide to the Area Audit Program (Torolalana momba ny Fandaharan’asa fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny Vondromparitra) ny Fiadidian’ny Vondromparitra rehefa miantso mpanamarina ny fampiasam-bola eo anivon’ny vondromparitra na mpanamarina ny fampiasam-bola mpanampy eo anivon’ny vondromparitra.

34.7.5

Fahaverezana na fangalarana na fanodinkodinana na fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny volan’ny Fiangonana

Tokony hampahafantarina avy hatrany ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka raha toa ka:

  • Nisy volan’ny Fiangonana very na nisy nangalatra.

  • Nanodinkodina na nampiasa ny volan’ny Fiangonana tsy araka ny tokony ho izy ny mpitarika iray.

Mampahafantatra izany an’ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola. Mampahafantatra ny mpanara-maso eo anivon’ny vondromparitra izy raha toa ka any ivelan’i Etazonia sy i Kanadà ilay rantsana.

Andefasan’ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana (na ny mpanamarina eo anivon’ny vondromparitra) taratasy fanaovana tatitra momba ny fahaverezam-bola ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola. Maka antoka tsara eo ambany fitarihan’ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana (na ny mpanara-maso eo anivon’ny vondromparitra) ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola fa fakafakaina tsara araka ny tokony ho izy ilay olana. Maka antoka ihany koa izy fa nofenoina araka ny tokony ho izy sy nalefa ny taratasy manambara ny fahaverezan’ny vola.

Rehefa vita ilay famakafakana, ary raha voafaritry ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana fa nanodinkodina ny volan’ny Fiangonana na ny fananany ny mpitarika iray na ny mpiasan’ny Fiangonana iray, dia tokony hodinihina ny handraisana fepetra mikasika ny maha-mpikambana azy. Misy torolalana momba izany ao amin’ny 32.6.3.3.

Raha fantatra fa misy fampiasana vola tsy araka ny tokony ho izy mihoa-pampana dia mampandre ny Fiadidian’ny Vondromparitra koa ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola.

34.7.6

Mpitamboky eo anivon’ny tsatòka na mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka nomena andraikitra hisahana ny lafiny ara-bola

Ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra ny mpitambokin’ny tsatòka na ny mpitamboky mpanampin’ny tsatòka izay nomena andraikitra hisahana ny fitantanam-bola mba hampianatra ireo mpitarika ao amin’ny paroasy mikasika ny fitsipika mifehy ny fitantanam-bola araka ny tokony ho izy. Izy ihany koa dia mampianatra azy ireo mikasika ny fomba fanatanterahan-javatra mifandray amin’ireo tranga maningana fantatra avy amin’ireo fanamarinana ny fampiasam-bola.

34.7.7

Ho fanampim-panazavana

Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola, sy ny mpanamarina ny fampiasam-bola ary ireo fomba fanatanterahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola dia jereo ny Centre d’aide ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ireo kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka dia afaka mandefa fanontaniana any amin’ny mpanamarina ny fampiasam-bola mpanampy eo anivon’ny vondromparitra.

34.8

Hetra

Ny fampahalalana momba ny hetra ato amin’ity fizarana ity dia mihatra amin’i Etazonia sy Kanadà ihany. Raha mila fampahalalana bebe kokoa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana any Etazonia sy Kanadà dia tokony hifandray amin’ny Tax Administration Division (Sampan-draharaha misahana ny hetra) izy ireo:

Tax Administration

50 East North Temple Street, Room 2276

Salt Lake City, UT 84150-0022

Telefaonina: 1-801-240-4405 na 1-800-453-3860, poste 2-4405

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana any ivelan’i Etazonia sy i Kanadà dia mifandray amin’ny biraon’ny vondromparitra mba hahazoana valim-panontaniana momba ny hetra.

34.8.1

Fanafahana amin’ny fandoavana hetra

Ny Fiangonana raha ny mahazatra dia tsy mandoa hetra amin’ny varotra, fananana sy ny vola miditra ary ireo hetra hafa satria fikambanana ara-pivavahana izy. Ny trano Fiangonana sy ireo fananana hafa an’ny Fiangonana dia natao hampiasaina hanaovana fitsaohana sy fianarana filazantsara ary fiaraha-mientana hafa misy ifandraisana amin’ny Fiangonana. Maka antoka tsara ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy fa ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana dia tsy ampiasaina mba hanaovana hetsika ara-pôlitika na varotra na fampiasam-bola araka ny voalaza ao amin’ireo ohatra ao amin’ny 35.5.6.1 sy 35.5.6.3. Ny fanaovana izany dia handika ireo lalàna nanafahana ny fandoavana hetra amin’ny fananan’ny Fiangonana.

Zava-dehibe ny fanarahan’ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy paroasy ireo torolalana ireo mba hiarovana ny tsy fandoavan’ny Fiangonana hetra. Mety hisy fiantraikany amin’ireo rantsan’ny Fiangonana hafa ny tsy fanajan’ny tsatòka na paroasy iray io tsy fandoavan’ny Fiangonana hetra io.

34.8.2

Hetra amin’ny varotra sy hetra amin’ny fampiasan-javatra novidina

Miovaova araka ny firenena sy ny faritany ireo lalàna momba ny hetra amin’ny varotra sy ny hetra amin’ny fampiasan-javatra novidina sy ny fihatran’izany eo amin’ny Fiangonana. Mifandray amin’ny Sampan-draharaha misahana ny hetra an’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra miandraikitra izany ireo mpitarika mba hijerena raha toa ka tsy mandoa na tsy maintsy mandoa karazana hetra toy izany ny Fiangonana.

34.8.3

Hetra aloa amin’ny fananan-tany

Ny Sampan-draharahan’ny Fiangonana misahana ny hetra no miandraikitra ny tsy fandoavana hetra amin’ny fananan-tany rehetra ary mandoa ireo hetra takina rehetra amin’ny fananan-tany. Tsy misy asa takina avy amin’ireo mpitarika eo an-toerana mikasika izany.