Boky torolalana sy antso
28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty


“28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
dobo fanaovana batisa

28.

Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty

28.0

Teny fanolorana

Ny fampiraisana ny fianakaviana haharitra mandrakizay dia tafiditra ao anatin’ny asan’Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2). Ireo ôrdônansy tanterahina any amin’ny tempoly dia manome fahafahana ny fianakaviana mba hiaraka mandrakizay ary hiaina fahafenoan’ny fifaliana eo anatrehan’ Andriamanitra.

Mba hiverenan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra any Aminy, dia tsy maintsy mibebaka ny tsirairay amin’izy ireo, sy tonga mendrika ny handray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, ary manaja ireo fanekempihavanana mifandray amin’ny ôrdônansy tsirairay. Ireto avy ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana:

  • Batisa.

  • Fandraisana ho mpikambana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny lehilahy).

  • Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly (tafiditra ao anatin’izany ireo ôrdônansy fiomanana).

  • Ny famehezana any amin’ny tempoly.

Fantatry ny Ray any An-danitra fa maro amin’ireo zanany no tsy handray ireo ôrdônansy ireo mandritra ny fiainan’izy ireo eto an-tany. Nanolotra fomba iray hafa ho azy ireo Izy mba handraisana ôrdônansy sy hanaovana fanekempihavanana Aminy. Azo tanterahina amin’ny alalan’ny fisoloana tena ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly. Midika izany hoe misy olona velona iray mandray ireo ôrdônansy amin’ny anaran’ilay olona efa maty. Ny olona iray efa maty izay any amin’ny tontolon’ny fanahy dia afaka misafidy ny hanaiky na handà ireo ôrdônansy izay notanterahina ho azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:19, 32–34, 58–59).

Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana dia tsy ilaina atao na tanterahina ho an’ireo olona izay tsy nanana fahafahana ny ho tompon’andraikitra teto amin’ity fiainana ity (jereo ny 18.1, 28.3.2, ary ny 28.3.3).

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia entanina mba hikaroka ireo havany efa maty izay mbola tsy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana. Avy eo dia manatanteraka ireo ôrdônansy amin’ny anaran’ireo havana ireo ny mpikambana. (Jereo ny Malakia 3:23–24; 1 Korintiana 15:29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2:1–3; 128:15–18; jereo koa ny 25.1 ato amin’ity boky torolalana ity.)

Raha tsy nanomana anarana fianakaviana hanatanterahana asa atao any amin’ny tempoly ny mpikambana (jereo ny 28.1.1), dia hisy anaran’olona efa maty izay mila ôrdônansy homena any amin’ny tempoly.

Amporisihina ny mpikambana mba handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay hamelan’ny toe-javatra iainany azy ireo, na izany mba hanatanteraka ôrdônansy isoloana tena ho an’ireo havany na ho an’olona izay omena any amin’ny tempoly ny anaran’izy ireo.

Voatahy ireo mpikamban’ny Fiangonana rehefa manatanteraka ôrdônansy ho an’ny maty any amin’ny tempoly. Rehefa manatanteraka ôrdônansy isoloana tena izy ireo, dia afaka misaintsaina ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo manokana tany amin’ny tempoly sy ny fanolorantenan’izy ireo hitandrina ireo fanekempihavanana ireo.

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia manampy ireo mpikambana hiomana mba hananan’izy ireo traikefa tsara amin’ny fanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly. Ataon’izy ireo izany amin’ny alalan’ny fampianarana ireo fotopampianarana fototra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fakana antoka fa takatr’ireo mpikambana ireo torolalana mikasika ity asa ity. Jereo ny toko faha-25 mba hahitana fampahalalana bebe kokoa.

28.1

Torolalana ankapobeny mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy isoloana tena

Azo hanatanterahana ôrdônansy isoloana tena amin’ny anarany ireo olona efa maty izay 8 taona no ho miakatra tamin’ny fotoana nahafatesany. Azo tanterahina ho an’ny olona rehetra efa maty ny ôrdônansy isoloana tena raha vantany vao lasa ny 30 andro taorian’ny daty nahafatesan’izy ireo, afa-tsy izay zavatra voalaza ao amin’ny 28.3, raha toa ka feno ny iray amin’ireto fepetra manaraka ireto:

  • Mandefa ilay anarana hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly ny havana akaikin’ilay olona efa maty (ny vadiny tsy nisaraka taminy, na ny zanany efa olon-dehibe, na ny rainy na ny reniny, na ny iray tampo aminy).

  • Misy fanomezan-dalana hanatanterahana ireo ôrdônansy voaray avy amin’ny havana akaikin’ilay olona efa maty (ny vadiny tsy nisaraka taminy, na ny zanany efa olon-dehibe, na ny rainy na ny reniny, na ny iray tampo aminy).

Raha toa ka tsy misy feno ireo fepetra etsy ambony ireo na dia iray aza, dia 110 taona aorian’ny nahaterahan’ilay olona maty vao azo tanterahina ireo ôrdônansin’ny tempoly isoloana tena.

Mba hahazoana fanampim-pahalalana dia jereo ireto lahatsoratra manaraka ao amin’ny FamilySearch.org ireto (mba hahafahana mijery ireo lahatsoratra dia takina ny hidirana ao amin’ny FamilySearch.org):

28.1.1

Fanomanana anaran’olona efa maty hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly

Maro ireo loharanom-pitaovana azo ampiasaina mba hanampiana ny mpikambana hitady ireo havana efa maty izay mila ôrdônansin’ny tempoly tanterahina amin’ny anaran’izy ireo (jereo ny 25.4 sy ny 28.3). Ireto mpitarika manaraka ireto dia manampy ny mpikambana hianatra ny fomba hanomanana ireo anaran’ireo olona efa maty ao amin’ny fianakaviana mba hanatanterahana ôrdônansy any amin’ny tempoly:

  • Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.2)

  • Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.3)

  • Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.4)

Raha azo atao dia tokony hampidirina ao amin’ny FamilySearch.org ny fampahalalana mikasika ireo olona efa maty ao amin’ny fianakaviana mialoha ny hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny 25.4.2).

28.1.1.1

Fandefasana ireo anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviana

Rehefa mandefa anarana hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly isoloana tena, dia tokony anaran’olona izay misy rohim-pihavanana aminy ihany amin’ny ankapobeny no halefan’ireo mpikambana.

28.1.1.2

Fandefasana anaran’olo-malaza na vondrona tsy azo omena lalana

Amin’ny ankapobeny, ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony handefa anarana avy amin’ireto vondrona manaraka ireto any amin’ny FamilySearch.org :

  • Olo-malaza

  • Anarana nangonina avy amina tetikasa fisintonana fampahalalana izay tsy nahazoana fankatoavana

  • Ireo olona niharan’ny Famonoana Faobe natao tamin’ny Jiosy

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ity lahatsoratra manaraka ity ao amin’ny FamilySearch: “Can I do temple work for victims of the Jewish Holocaust? (Afaka manao asan’ny tempoly ho an’ireo olona niharan’ny Famonoana Faobe natao tamin’ny Jiosy ve aho?)

28.1.2

Iza no afaka mandray anjara amin’ireo ôrdônansy ho an’ny maty?

Ny mpikambana rehetra izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia afaka mandray anjara amin’ny batisa ho an’ny maty sy ny fandraisana ho mpikambana an’ireo izay efa maty. Afaka mandray anjara amin’ireo ôrdônansy rehetra ho an’ny maty ny mpikambana efa nandray fanafiana masina izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery. Jereo ny 26.3.

28.1.3

Fandraisana anjara ataon’ireo mpikambana manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina

Ny mpikambana manana fahasembanana dia afaka manao asa any amin’ny tempoly ho an’ny maty raha toa izy ireo ka:

  • Manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery (jereo ny 28.1.2).

  • Manana fahaizana ara-tsaina hahatakarana ilay ôrdônansy.

  • Afaka mikarakara ny tenany manokana na miaraka amin’ny havana iray na namana iray izay lehilahy raha lehilahy izy ireo, na vehivavy raha vehivavy izy ireo izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary afaka manolotra fanampiana raha ilaina.

Jereo ny 27.1.3 sy ny 27.2.1.3.

28.1.4

Famandrihana fotoana

Mety ilain’ny mpikambana ny mamandrika fotoana mialoha ny hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny olona efa maty. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org mahakasika ny fomba ahafahana mifandray amin’ny tempoly tsirairay sy ireo zavatra takina amin’ny famandrihana fotoana.

28.1.5

Fanampiana mikasika ny fandikan-teny an-tsoratra sy am-bava

Jereo ny 27.1.4.

28.1.6

Ny akanjo hanaovana rehefa mankany amin’ny tempoly

Jereo ny 27.1.5.

28.1.7

Fitaizana ny ankizy

Jereo ny 27.1.6.

28.2

Fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo olona efa maty

Ity fizarana manaraka ity dia manazava ireo ôrdônansy izay tanterahina amin’ny alalan’ny fisoloana tena any amin’ny tempoly ho an’ireo olona efa maty. Rehefa manatanteraka ôrdônansy isoloana tena dia tsy afaka manao ny fisoloana tena ny mpikambana iray raha tsy hoe lehilahy tany am-pahaterahana mitovy amin’ilay olona efa maty izay lehilahy tany am-pahaterahana, na vehivavy tany am-pahaterahana mitovy amin’ilay olona efa maty izay vehivavy tany am-pahaterahana.

Ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty dia tanterahina amin’ny ankapobeny araka izao filaharana manaraka izao:

  • Batisa

  • Fandraisana ho mpikambana

  • Fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy)

  • Ôrdônansy fiomanana

  • Fanafiana masina

  • Famehezana

Raha toa ka efa vita tsy araka ny tokony ho filaharany ny ôrdônansy ho an’ny maty dia tsy mila tanterahina indray izany. Lasa manan-kery izy ireo rehefa vita ireo ôrdônansy takina.

28.2.1

Batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty

Izay mpikambana rehetra manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia azo asaina mba hanompo ao anatina asa atao iray na maromaro ao amin’ny efitra fanaovana batisa. Ny sasantsasany amin’ireo asa atao ireo dia ahitana ny:

  • Firotsahana ho mpisolo tena ho an’ny batisa.

  • Firotsahana ho vavolombelon’ny batisa isoloana tena.

  • Firotsahana ho mpisolo tena ho an’ny fandraisana ho mpikambana.

  • Fanampiana ireo mpitsidika ny tempoly.

  • Fizarana akanjo sy servieta.

  • Fanampiana eo amin’ny firaketana ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny rafitry ny solosaina.

Raha irin’izy ireo dia afaka misafidy ny hanao batisa isoloana tena fotsiny ihany na ny fandraisana ho mpikambana isoloana tena fotsiny ihany ny mpikambana.

Azo asaina mba hanatanteraka batisa ho an’ny maty ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka koa dia azo asaina mba hisahana ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty.

Ny lehilahy izay efa nandray fanafiana masina ihany no azo asaina mba:

  • Ho mpiandraikitra ny firaketana eo amin’ny toerana fanaovana batisa.

  • Ho mpiandraikitra ny firaketana ny fandraisana ho mpikambana.

Mamandrika fotoana mialoha any amin’ny tempoly raha ny mahazatra ireo vondrona voarafitra toy ny fianakaviana, paroasy, ary tsatòka, izay maniry ny handray anjara amin’ireo ôrdônansy hatao ao amin’ny efitra fanaovana batisa (jereo ny 28.1.4). Tokony hisy olon-dehibe iray na maromaro izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery hiaraka amin’ireo vondrona ireo.

28.2.2

Fanafiana masina (tafiditra ao anatin’izany ny ôrdônansy fiomanana)

Rehefa manatanteraka fanafiana masina isoloana tena ho an’ny maty, dia tanterahina sy raketina mitokana ilay ampahany ahitana ny ôrdônansy fiomanana (jereo ny 27.2). Izay olona mpikambana efa nandray fanafiana masina ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia afaka mirotsaka ho mpisolo tena mba handray ireo ôrdônansy ireo.

28.2.2.1

Fanamarinana ireo ôrdônansy ilaina mba hahafahana mandray ny fanafiana masina

Ny olona efa maty iray dia tokony ho efa vita batisa sy noraisina ho mpikambana, na tamin’ny fotoam-pahavelomany izany na tamin’ny alalan’ny fisoloana tena, vao azo atao ny fanafiana masina amin’ny anarany ka tafiditra ao anatin’izany ilay ampahany ahitana ny ôrdônansy fiomanana.

Indraindray rehefa avy nandray fanafiana masina tamin’ny alalan’ny fisoloana tena ny olona efa maty iray, dia aty aoriana vao hita fa tsy hita ny fanamarinana ny nanaovana batisa sy nandraisana ho mpikambana azy fony fahavelony. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany dia tsy maintsy atao batisa sy raisina ho mpikambana amin’ny alalan’ny fisoloana tena ilay olona. Tsy ilaina ny hamerenana indray ny fanafiana masina aorian’ilay batisa sy fandraisana ho mpikambana natao tamin’ny alalan’ny fisoloana tena.

28.2.3

Famehezana amin’ny vady sy famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny

Any amin’ny tempoly, ireo olona efa maty dia azo fehezina amin’ireo vadiny izay novadiny fony fahavelony (jereo ny 38.4.1.3 raha toa mbola velona ny iray amin’ireo vadiny ary ny 38.4.1.7 raha toa ka efa samy maty ireo vadiny anankiroa). Azo fehezina amin’ireo olona efa maty koa ireo zanany mbola velona na ireo zanany efa maty (jereo ny 38.4.2.2). Ny mpikambana efa nandray fanafiana masina ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia afaka mirotsaka ho mpisolo tena ho an’ireo ôrdônansin’ny famehezana.

Ireo ôrdônansin’ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny ôrdônansy fiomanana ary ny fanafiana masina dia notanterahina amin’ny ankapobeny, na nandritra ny fahavelomana izany na tamin’ny alalan’ny fisoloana tena, izay vao azo fehezina amin’ny vadiny na ny ray aman-dreniny ilay olona efa maty (jereo ny 28.2). Na izany aza, ny olona iray izay maty talohan’ny faha-8 taonany na tsy tompon’andraikitra fony fahavelony dia tsy mila mandray ôrdônansy hafa mialoha ny hamehezana azy amin’ny ray aman-dreniny (jereo ny 18.1, 28.3.2, ary ny 28.3.3).

Sary
efitrano famehezana

28.3

Ireo toe-javatra manokana

Ity fizarana ity dia manazava ireo toe-javatra izay tsy ahafahana mampihatra ny sasantsasany amin’ireo torolalana ao amin’ny 28.1 .

28.3.1

Zaza maty talohan’ny nahaterahana (zaza rano sy zaza afaka tao an-kibo)

Tsy ilaina ny manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo zanaka maty talohan’ny nahaterahany. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.7.3.

28.3.2

Zaza maty talohan’ny naha-feno valo taona azy

Ny zaza dia avotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary “voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10). Noho izany antony izany dia tsy misy batisa na fanafiana masina atao ho an’ny zaza maty talohan’ny naha-feno 8 taona azy. Ny famehezana amin’ny ray aman-dreny anefa dia azo tanterahina ho an’ny ankizy izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na ho an’ny ankizy tsy nandray izany ôrdônansy izany fony fahavelony (jereo ny 18.1).

28.3.3

Olona maty izay nanana fahasembanana ara-tsaina

Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia azo tanterahina ho an’ny olona efa maty izay fantatra fa tompon’andraikitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:71). Ireo ôrdônansin’ny tempoly koa dia azo tanterahina ho an’ny olona izay tsy fantatra na tompon’andraikitra na tsia.

Raha toa ka fantatra mazava tsara fa nanana fahasembanana ara-tsaina ary tsy nanana fahafahana ny ho tompon’andraikitra ny olona efa maty iray, dia ilay famehezana amin’ny ray aman-dreny ihany no hany ôrdônansy tanterahina (jereo ny 38.2.4). Izany dia tsy tanterahina raha tsy hoe tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana ilay olona na tsy nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny izy fony fahavelony. Tsy ilaina tanterahina ireo ôrdônansin’ny tempoly hafa na dia niaina hatramin’ny faha-8 taonany na mihoatra izany aza ilay olona.

28.3.4

Olona izay heverina ho maty

Azo tanterahina ho an’ny olona iray izay heverina ho maty ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tsy azo tanterahina ireo ôrdônansy raha tsy 10 taona taorian’ilay fotoana niheverana ilay olona ho maty na nanambarana ara-dalàna ilay olona ho maty. Io fitsipika io dia mihatra amin’ny olona izay:

  • Tsy hita popoka na very an-dranomasina.

  • Nanjavona tao anatin’ny toe-javatra izay nahitana fahafatesana niharihary saingy tsy nisy vata-mangatsiaka hita.

Amin’ireo tranga hafa rehetra mahakasika ny olona tsy hita popoka, dia tsy azo tanterahina ireo ôrdônansin’ny tempoly raha tsy efa lasa ny 110 taona taorian’ny nahaterahan’ilay olona.

Ny filohan’ny tsatòka dia afaka mifandray amin’ny Departemanta misahana ny tempoly mikasika izany fitsipika izany:

Email: TempleDepartment@ChurchofJesusChrist.org

28.3.5

Ny olona izay nesorina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy na nangataka ny hamafana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy

Raha misy olona nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana na nangataka ny hiala tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony talohan’ny nahafatesany, dia takina ny fahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany izay vao azo tanterahina ireo ôrdônansin’ny tempoly, isan’izany ny famerenana ireo fitahiana amin’ny laoniny raha azo atao, ho azy ireo. Afaka mangataka izany fankatoavana izany ny olona iray ao amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fanoratana taratasy any amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany herintaona aorian’ny nahafatesan’ilay olona. Tokony hanazava ny toe-java-misy ny votoatin’izany taratasy izany. Tsy misy taratasy fenoina manokana. Afaka manampy amin’izany fangatahana izany ny eveka na ny filohan’ny tsatòka raha ilaina.

28.3.5.1

Fampidirana olona efa maty izay tsy mbola nandray ny fanafiana masina ho mpikamban’ny Fiangonana indray

Azo ampidirina ho mpikamban’ny Fiangonana indray ny olona nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana na nangataka ny hiala tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ilaina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany araka ny voalaza ao amin’ny 28.3.5. Tsy ilaina fehezina amin’ny ray aman-dreniny indray ireo olona efa maty ireo raha toa izy ireo ka teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na efa nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny fony fahavelony.

28.3.5.2

Famerenana ireo fitahian’ny tempoly ho an’ny olona efa nandray ny fanafiana masina

Ireo olona efa maty izay mbola tsy nandray ny fanafiana masina ka nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana na niala tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony ary taty aoriana dia nampidirina ho mpikambana indray tamin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia tsy afaka mandray ny fisoronana sy ireo fitahian’ny tempoly raha tsy amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famerenana ireo fitahiana. Ny olona toy izany dia tsy averina tendrena ao amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana na omena fanafiana masina indray, satria ireo fitahiana ireo dia averina amin’ny alalan’io ôrdônansy io.

Araka ny voalaza ao amin’ny 28.3.5 dia takina ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany rehefa hanatanteraka io ôrdônansy io ho an’ny maty. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana io ôrdônansy io ho an’ny velona dia jereo ny 32.17.2