“25. Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2025).
“25. Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.
25.
Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana
25.0
Teny fanolorana
Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Mitahy ireo zanaky ny Ray any An-danitra ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Manasa ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra mba ho mendrika sy handray ireo fanekempihavanan’ny tempoly.
Ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay dia tafiditra ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2). Ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia fitaovana iray mba hampiraisana sy hamehezana ny fianakaviana ho mandrakizay (jereo ny Matio 16:19). Izany asa izany dia ahitana:
-
Fanaovana fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansy ho an’ny tenantsika manokana any amin’ny tempoly isika (jereo ny Isaia 55:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–23).
-
Famantarana ireo razambentsika efa nodimandry ary fanatanterahana ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra (jereo ny Malakia 3:23–24; 1 Korintiana 15:29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–18).
-
Fandehanana tsy tapaka any amin’ny tranon’ny Tompo, raha azo atao, mba hitsaohana an’ Andriamanitra sy hanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny razambentsika (jereo ny Lioka 24:52–53; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13–14).
Mitondra fitahiana lehibe ny fandraisana anjara amin’ity asa ity. Rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina ny mpikambana dia mahazo ny herin’ Andriamanitra. Mahita fifaliana izy ireo amin’ny fanompoana ao amin’ny tranon’ny Tompo amin’ny anaran’ireo razambeny.
Ity toko ity dia manome fitarihana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana momba ny fomba handraisana anjara amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Ahitana fampahalalana misimisy kokoa ao amin’ny “Temples,” “Proxy Baptism (Batisa isoloana tena)” sy ny “Histoire familiale” (Sujets et questions, Bibliothèque de l’Evangile).
25.1
Fandraisan’anjaran’ny mpikambana sy ny mpitarika amin’ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia manana tombontsoa sy andrakitra mahafaly mba hanampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviany ho mandrakizay. Miomana ny hanao fanekempihavanana izy ireo rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Miezaka mitandrina ireo fanekempihavanana ireo izy ireo.
Miezaka koa izy ireo mba hanampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra sy handray ireo fanekempihavanan’ny tempoly ary hiezaka ny hitandrina izany. Andraikitra voalohany sahanin’ny ray aman-dreny ny manampy ny zanany hahatsapa ny fifaliana sy hahazo ny fitahiana avy amin’ny fanaovana fanekempihavanana ho an’ny tenany manokana sy ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo havana efa nodimandry (jereo ny 2.1.3).
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia entanina mba hanao fikarohana mikasika ireo havany efa maty izay mbola tsy nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Avy eo dia manatanteraka ôrdônansy eo amin’ny toeran’ireo havana ireo ny mpikambana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18). Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ny olona dia afaka misafidy ny hanaiky na handà ireo ôrdônansy izay notanterahina ho azy ireo.
Amporisihina ihany koa ireo mpikambana mba hamantatra ny tantaran’ireo razambeny, izay afaka manatsara ny traikefany amin’ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo razambeny. Manasa ny hafa hanao toy izany koa ny mpikambana.
Maro ireo fitaovana afaka manampy ireo mpikambana amin’ny asa ataony any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Ny sasany amin’izany dia voafaritra ao amin’ny 25.4.1 sy ny 25.4.2.
25.1.1
Andraikitry ny olona tsirairay eo amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly
Ny mpikambana no manapa-kevitra manokana ny amin’izay fotoana hitsaohana any amin’ny tempoly sy ny hatetik’izany. Ireo mpitarika dia tsy mamaritra isa tratrarina na fomba fanaovana tatitra mikasika ny fitsaohana any amin’ny tempoly.
Ny mpikambana tsirairay sy ny fianakaviana izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia afaka manatrika fotoana any amin’ny tempoly izay tian’izy ireo. Afaka mamandrika fotoana ho an’ny tempoly izy ireo. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.orgraha hijery ny laharan-telefaonina hahazoana ny tompon’andraikitra tsirairay ao amin’ny tempoly.
25.1.2
Fikarakarana dia mankany amin’ny tempoly eo anivon’ny paroasy sy tsatòka
Ny rantsan’ny Fiangonana tsirairay dia voatendry ho ao anatin’ny distrikan’ny tempoly iray. Tsy amporisihina ny fandaminana fitsidihana tempoly ataon’ny paroasy na tsatòka any ivelan’ny faritry ny distrikan’ny tempoly voatendry hisy azy ireo.
Ny dian’ny paroasy sy ny tsatòka rehetra dia tokony harindra miaraka amin’ny tempoly. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.orgraha hijery ny laharan-telefaonina hahazoana ny tompon’andraikitra tsirairay ao amin’ny tempoly.
25.2
Mpitarika eo anivon’ny paroasy
25.2.1
Ny episkôpà
Ny episkôpà dia miara-miasa amin’ireo fiadidian’ny kôlejy sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo am-pitantanan’izy ireo ireo ezaka atao mahakasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, izay manampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Manao filankevitra matetika ireo mpitarika ireo.
Manana ireto andraikitra fanampiny manaraka ireto koa ny episkôpà:
-
Mandinika sy manome fankatoavana ny drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).
-
Maka antoka fa ny ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana dia voarindra mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy sy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.
-
Manara-maso ny fandrindrana ny fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly (jereo ny 25.2.8).
-
Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny toko 26).
Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka ny episkôpà mba hahitana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika misahana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.3 raha mila fampahalalana bebe kokoa).
25.2.2
Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana
Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana no mitantana ireo ezaka ataon’ny paroasy isan’andro mahakasika ny ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, izay manampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay (jereo ny 8.2.4 sy ny 9.2.4). Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitarika izany ezaka izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana no mitarika ny ezaka ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Miara-miasa izy ireo hitarihana ireo ezaka ireo miaraka amin’ny filankevitry ny paroasy eo ambany fandrindran’ny eveka.
Ireto manaraka ireto no andraikitr’ireo mpitarika ireo:
-
Manampy ny filankevitry ny paroasy mba hanao sy hanatanteraka drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy (jereo ny 25.2.6
-
Mangataka mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy mba hanampy ireo mpikambana voafaritra tsara ao amin’ny paroasy hahita sy hanomana ny anaran’ireo razambe efa maty hanaovana ireo ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny 25.4.1). Ireo ezaka ireo dia mifantoka indrindra amin’ireo izay nandray antso hanao asa fitoriana vao haingana sy ireo izay tsy nandray ny fanafiana masina.
-
Maka antoka fa voarafitra ny ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary atao tatitra mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy sy ny fivoriana enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy.
-
Mitantana ny asa iandraiketan’ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Raha tsy natao ny fiantsoana io mpitarika io, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany (jereo ny 25.2.3).
-
Manendry ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy hanompo any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch, raha azo atao izany any amin’ilay toerana (jereo ny 25.3.6).
Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiany avy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy. Miara-miasa ireo mpikambana roa ao amin’ny fiadidiana ireo. Maka antoka izy ireo fa misy ny fanaovana fivoriana enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.7).
25.2.3
Mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
Ny episkôpà dia mifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòka mba hamantarana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy na tsia. Raha manapa-kevitra izy ireo ny handroso io antso io, dia mifanakalo hevitra amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana ny episkôpà rehefa mamaritra hoe iza no hantsoina. Tokony ho mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka io olona io. Raha tsy natao ny fiantsoana io mpitarika io, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany.
Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia manohana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Misahana ireto andraikitra manaraka ireto koa izy:
-
Mandrindra miaraka amin’ireo mpitarika an’ireo rafitra eo anivon’ny paroasy ireo ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fiadidian’ny kôlejin’ny zatovo sy ny kilasin’ny zatovo.
-
Mitarika ireo fivoriana enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.7).
-
Manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy raha toa ka asaina amin’izany.
-
Manampy ny filankevitry ny paroasy mba hanao sy hanatanteraka drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).
-
Mampianatra ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Mandrindra ny ezaka ataon’izy ireo hanampiana ireo mpikambana hitady anaran’ireo razambe sy hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
-
Miara-miasa amin’ny mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy sy ireo misiônera mba hanampiana ireo izay mianatra ny filazantsara sy ireo mpikambana vaovao ary ireo mpikambana niverina nazoto mba handray anjara mavitrika amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 23.2 sy ny 23.3).
25.2.4
Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
Ny mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia manompo eo ambany fitarihan’ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Ny episkôpà no miantso ireo mpikambana ireo hanompo. Azo antsoina hanao izany na olon-dehibe na zatovo. Afaka manolotra izay afaka manompo ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona, sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana ary ny an’ny Zatovovavy.
Ireo mpanorohevitra dia mampianatra ny hafa amin’ny fomba tsotra ny fomba handraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay mampiray ireo fianakaviana ho mandrakizay. Mifantoka manokana amin’ny zatovo, ireo mpikambana vaovao sy niverina navitrika, ary ireo rahavavy sy rahalahy izay tsy mbola nandray ny fanafiana masina izy ireo. Ireto manaraka ireto no andraikitra sahanin’ireo mpanorohevitra:
-
Manampy ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.
-
Manampy ny mpikambana hiaina ireo fitahiana avy amin’ny fikarohana ireo razambeny sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
-
Mandray anjara ao amin’ireo fivoriana enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.7
-
Manompo any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch eo an-toerana rehefa tendrena hanao izany (jereo ny 25.3.6).
Ahitana ireo loharanom-pitaovana hanampiana ireo mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana voatanisa ao amin’ny 25.4.1 sy ny 25.4.2.
25.2.5
Ny filankevitry ny paroasy
Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy dia manao sy manatanteraka ombam-bavaka drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy. Mba hahitana fampahalalana momba izany drafitra izany dia jereo ny 25.2.6.
Azon’ny eveka atao ny manasa ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy mba hanatrika ireo fivoriana filankevitry ny paroasy.
Manana ireto andraikitra manaraka ireto ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy:
-
Manampy ny mpikambana tsirairay hiomana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny 27.1
-
Mamporisika ny zatovo sy ny olon-dehibe rehetra, anisan’izany ireo mpikambana vaovao, mba hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly (jereo ny 26.0).
-
Mamporisika ny mpikambana mba hitsaoka matetika any amin’ny tranon’ny Tompo raha mamela azy ireo hanao izany ny toe-javatra iainan’izy ireo.
-
Manasa ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana hianatra ny fotopampianarana sy ireo fitahiana avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay. Ity asa ity dia ahitana ny fianarana momba ireo razambe sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
-
Manohana ireo ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ny fotopampianarana momba ny asa fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay. Tafiditra ao anatin’izany ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly ary avy amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambeny efa nodimandry.
-
Mampianatra tsy tapaka ireo fitsipika mifehy ity asa ity mandritra ireo fivoriam-piangonana.
Jereo ny toko 26mba hahitana fampahalalana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.
25.2.6
Drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy
Ny paroasy tsirairay dia tokony hanana drafira tsotsotra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Io drafitra io dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, anisan’izany ny ankizy sy ny zatovo, hiomana hitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo ary handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana matetika raha mamela ny hanaovana izany ny toe-javatra iainan’izy ireo.
Ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia manampy ny filankevitry ny paroasy amin’ny fanaovana ilay drafitra. Manampy ihany koa ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Rehefa manao ilay drafitra izy ireo dia:
-
Mandinika ombam-bavaka ny zavatra ilain’ny mpikambana sy ireo loharanom-pitaovana misy.
-
Mamantatra ireo andraikitra horaisina mandritra ny taona.
-
Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hanatanterahana ilay drafitra sy ny fomba hizarana asa iandraiketana mifanaraka amin’izany.
Voatanisa etsy ambany ireo ohatra mampiseho ny zavatra azo ampidirina ao anatin’ilay drafitra:
-
Manampy ireo mpikambana voafaritra manokana hahatakatra ireo fitahiana avy amin’ny fitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo.
-
Manampy ireo mpikambana hiomana handray ireo fitahiana avy amin’ny ôrdônansin’ny tempoly.
-
Manampy ireo mpikambana hampiasa ny Ôrdônansy Vonona mba hahafahany mitondra ny anaran’ny razambe iray any amin’ny tempoly (jereo ny 25.4.1).
-
Manampy ny mpikambana hampiasa ny tranonkala na ny application FamilySearch mba hanampiana ny zavatra fantany momba ireo havana efa nodimandry izay mila ôrdônansy (jereo ny 25.4.1).
-
Mampandray anjara an’ireo mpikambana vaovao sy mpikambana niverina navitrika, ny zatovo ary ny ankizy amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Ny fanampiana amin’ny anaram-pianakaviana dia fomba tsotra ho an’ireo mpitarika mba hanampiana ireo mpikambana ireo hanomana anaram-pianakaviana handray ôrdônansy (jereo ny 25.4.1).
-
Ampio ireo ankizy ao amin’ny Kilonga hiomana handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy hitsaoka tsy tapaka ao amin’ny tranon’ny Tompo raha azo atao. Ny fiadidian’ny Kilonga dia tokony hanao Fivoriana fiomanana ho any amin’ny tempoly sy handray ny fisoronana isan-taona (jereo ny 12.1.7 sy ny 12.2.4).
Ny drafitry ny tempoly sy ny ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia tsy tokony hametraka isa tratrarina na fomba fanaovana tatitra mikasika ny fitsaohana any amin’ny tempoly (jereo ny 25.1.1).
Dinihin’ny eveka ilay drafitra ka ankatoaviny. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy no mandray an-tanana ny fanatanterahana izany. Manao tatitra ny fivoaran’izany izy ireo mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy. Mitondra fanovana ao amin’ilay drafitra koa izy ireo rehefa ilaina izany.
25.2.7
Fivoriana enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
Tanterahina tsy tapaka ny fivoriana fohy, tsotsotra, enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Ny mpitarika misahana ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy no mitarika ireo fivoriana ireo.
Tafiditra ao anatin’ireo olona hafa asaina:
-
Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona ary ny Kilonga nomena andraikitra hanao izany.
-
Ny mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona (na ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra na ny an’ny diakona raha toa ka tsy misy mpisorona ao amin’ilay paroasy).
-
Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra.
-
Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
Mifampidinika toy ny mpandray anjara mitovy lenta ireo rehetra manatrika izany, ka tafiditra ao anatin’izany ny zatovo. Ireo fivoriana ireo dia mifantoka amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay sy ny fomba ahafahan’izy ireo ho voatahy rehefa mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana izy ireo. Mifantoka manokana amin’ny zatovo, ireo mpikambana vaovao sy niverina navitrika, ary ireo rahavavy sy rahalahy izay tsy mbola nandray ny fanafiana masina izy ireo. Matetika ireo fivoriana no miresaka ireto lohahevitra manaraka ireto:
-
Ny fomba hanatanterahana ny drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).
-
Ny fomba hanampiana mpikambana voafaritra manokana ao amin’ny paroasy hiomana handray ny ôrdônansin’ny tempolin’izy ireo.
-
Ny fomba hanampiana mpikambana voafaritra manokana ao amin’ny paroasy amin’ny ezaka ataon’izy ireo mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.
Azo tanterahina mivantana ireo fivoriana ireo na atao avy lavitra. Ny fandrindrana dia azo atao ihany koa amin’ny fomba hafa toy ny amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, na ny hafatra an-tsoratra ataona vondrona.
Miezaha manaraka ireo fitsipiky ny asa sy ny maha-tompon’andraikitra ao amin’ny 4.4.5. Ny olona iray ao amin’ilay fivoriana dia azo omena andraikitra hirakitra an-tsoratra sy hampahatsiahy an’ilay vondrona ireo asa nomanina hatao.
Afaka misafidy ny hanao ny fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny filankevitry ny sampana ireo sampana kely.
25.2.8
Fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly
Eo ambany fitarihan’ny eveka dia azo alamina ny fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly mba hanampiana ireo mpikambana hanao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo. Atao amin’ny fotoana ivelan’ireo fivoriana mahazatra amin’ny alahady ireo fampianarana ireo, amin’ny fotoana izay mety amin’ireo mpikambana. Azo atao any amin’ny trano fiangonana izy ireo na any an-trano.
Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy dia misafidy ombam-bavaka ireo mpikambana hasaina hanatrika ny fampianarana tsirairay. Izany fampianarana izany dia mety tena hanampy ireto olona manaraka ireto:
-
Mpikambana vaovao
-
Mpikambana miomana ny handray ny fanafiana masin’izy ireo na hofehezina
-
Mpikambana niverina navitrika ao am-piangonana
-
Mpikambana efa nandray fanafiana masina izay tsy nanavao ny fahazoan-dalan’izy ireo hidirana ny tempoly nandritra ny fotoana naharitra
Miantso mpampianatra iray na mihoatra izany hisahana ny fiomanana ho any amin’ny tempoly ny episkôpà. Ireo lesona sy ireo torolalana momba ny fandrindrana ny fampianarana dia hita ao amin’ny Endowed from on High: Temple Preparation Seminar Teacher’s Manual (Nandray ny fanafiana masina avy any ambony: Seminera fiomanana ho any amin’ny tempoly, Bokin’ny mpampianatra). Omena ny tahadikan’ny Miomana hiditra ao amin’ny tempoly masina ireo mpandray anjara. Mba hahitana loharanom-panampiana ho an’ny fandalinan’ny tena manokana sy ireo lesona dia jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org.
25.3
Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka
25.3.1
Fiadidian’ny tsatòka
Ny filohan’ny tsatòka dia mihazona ireo fanalahidin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka. Izy sy ireo mpanolotsainy dia manana ireto andraikitra manaraka ireto mba hanampy amin’ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay:
-
Manampy ny mpikambana mba hiomana hanao fanekempihavanana masina rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo (jereo ny 27.1
-
Mamporisika ny mpikambana rehetra, indrindra fa ireo rahavavy sy rahalahy tokan-tena ary ireo izay tsy mbola nandray ny fanafiana masina, mba hanana fahazoan-dalana manan-kery sy hitsaoka matetika araka izay azo atao ao amin’ny tranon’ny Tompo rehefa mamela azy ireo hanao izany ny toe-javatra iainan’izy ireo.
-
Maka antoka fa ampianarina tsy tapaka mandritra ireo fivorian’ny tsatòka ny fotopampianarana sy ny fitahiana avy amin’ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay (araka izay voafaritra ao amin’ny 1.2.4).
-
Mamporisika ny mpikambana hamantatra ireo razambeny ary hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
-
Manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny toko 26
Mandritra ny fihaonany tsy tapaka amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona tsirairay dia miresaka momba ny ezaka ataon’ny paroasy mba hampiray ny fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 8.3.1). Afaka manatrika izany ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana ilay kôlejy.
25.3.2
Ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka
Ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka dia ahitana:
-
Ny fiadidian’ny tsatòka.
-
Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka.
-
Ireo filankevitra avo nomena andraikitra hiara-hiasa amin’ireo kôlejin’ny loholona.
Ireo mpitarika ireo dia mampianatra sy manohana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny ezaka ataon’izy ireo mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.2). Azo atao ho ana vondrona ny fampianarana na atao ho an’ny olona tsirairay. Azo asaina ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy handray izany fampianarana izany.
Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fivorian’io kômity io dia jereo ny 29.3.8.
25.3.3
Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo
Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba hampianatra sy hanohana ireto olona manaraka ireto amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hampiray ny fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana:
-
Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona
-
Ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy
-
Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka
-
Mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Azo atao ny manome andraikitra ny mpikambana iray fanampiny ao amin’ny filankevitra avo hitarika ireo ezaka ireo. Na izany aza dia manana ireo andraikitra ireo ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo rehetra any amin’ireo paroasy sy kôlejy nampiandraiketina azy ireo.
Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo dia afaka manampy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy mba hampianatra ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo dia azon’ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka ampiana.
Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo handrindra ny ezaka atao an-tsitrapo mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 25.4.3). Azo omena andraikitra hanara-maso ny asa any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch izy na ny mpikambana iray hafa ao amin’ny filankevitra avo (jereo ny 25.3.6).
25.3.4
Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka
Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka, ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka dia mampianatra sy manohana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy mahakasika ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny ezaka ataony mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 9.2.4).
25.3.5
Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka
Ny mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka dia manohana ny ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana manerana ny tsatòka. Izy ireo dia manompo eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny mpikambana iray na mihoatra izany ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana ny ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.
Ireo mpanorohevitra ireo dia manohana ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hampianatra ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy mikasika ny ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.3.3 sy ny 25.3.4). Azo omena ireto andraikitra manaraka ireto koa izy ireo:
-
Manampy amin’ny fampianarana sy ny fanohanana ireo mpikambana ao anatin’ireo antso omena mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
-
Manampy amin’ny fandrindrana ny ezaka ataon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo (jereo ny 25.4.3).
-
Manompo any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch (jereo ny 25.3.6).
25.3.6
Ivon-toeran’ny FamilySearch
Raha misy ireo loharanom-pitaovana dia afaka manorina ivon-toeran’ny FamilySearch iray na mihoatra ny tsatòka. Ireo ivon-toerana ireo dia natao hanampiana ny mpitsidika hamantatra sy hanangonana fampahalalana ary hampiraisana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay velona sy efa maty amin’ny alalan’ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly. Afaka mampiasa ireo ivon-toerana ireo na iza na iza.
Miantso mpandrindra iray ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch ny filohan’ny tsatòka mba hanara-maso ireo ezaka atao any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch tsirairay. Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy amin’ny ankapobeny no miandraikitra ny ivon-toerana tsirairay. Tokony hisokatra amin’ny fotoana maha-afaka ny olona ireo ivon-toeran’ny FamilySearch. Ireo ivon-toeran’ny FamilySearch eo akaikin’ny tempoly dia afaka manamboatra ny fandaharam-potoany mba hifanaraka amin’ny fandaharam-potoan’ny tempoly eo an-toerana.
Ny hany tranga maningana dia misy ivon-toeran’ny FamilySearch lehibe sasany izay ny Fiadidian’ny Vondromparitra no manara-maso azy ireo.
25.3.7
Mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Ny mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch dia mandamina ny fampandehanan-draharaha isan’andro ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch. Manompo eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo voatendry izy. Ny andraikiny dia mety ahitana ireto voatanisa eto ambany ireto:
-
Manampy ireo mpikambana hanomana anaram-pianakaviana mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ôrdônansy ao amin’ny tranon’ny Tompo.
-
Mandrindra ireo fiaraha-mientana ataon’ny ivon-toerana mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo mpitsidika eo amin’ny fiarahamonina hahita ireo razambeny.
-
Miara-miasa amin’ny (1) mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay tendrena hanohana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary (2) ny manam-pahaizana manokana momba ny teknôlôjia eo anivon’ny tsatòka mba hanome ny zavatra ilain’ny ivon-toerana sy hihazonana ny loharanom-pahalalana misy ao amin’izany.
Ny Torolalana momba ny fampandehanana ny ivon-toeran’ny FamilySearch dia manolotra fitarihana mikasika ny fomba fampandehanana ny ivon-toeran’ny FamilySearch.
25.3.8
Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny Vondromparitra
Afaka miantso mpanoro hevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny Vondromparitra ireo Fiadidian’ny Vondromparitra. Raha ahafahana manao izany ny toe-javatra misy, dia azo atao ny miantso olona iray na mpivady ho an’ny filankevitra enti-mandrindra tsirairay. Manompo mandritra ny telo hatramin’ny dimy taona eo raha ny mahazatra ireo mpanorohevitra.
Azo atao ny manome andraikitra olona iray na mpivady mpanorohevitra mba hanohana ny ezaka ataon’ireo mpanorohevitra hafa ao amin’ny vondromparitra izay voatendry handrindra ireo filankevitra enti-mandrindra ao amin’ilay faritra.
Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia afaka manome andraikitra Fitopololahin’ny Vondromparitra handrindra ny asan’ireo mpanorohevitra ireo mandritra ny filankevitra enti-mandrindra. Tokony hifanaraka amin’ny zavatra ifantohan’ny vondromparitra ny asan’ireo mpanorohevitra.
Araka ny toromarika omen’ny Fiadidian’ny Vondromparitra na ny Fitopololahin’ny Vondromparitra nomena andraikitra hisahana izany, dia manampy ireo filohan’ny tsatòka ireo mpanorohevitra mba hanatanteraka ny andraikiny mba hanampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.3.1). Ireo mpanorohevitra dia manampy ny filohan’ny tsatòka amin’ny fampianarana ireo olona izay manompo amin’ireto antso manaraka ireto mikasika ny andraikitr’izy ireo:
-
Mpikambana ao amin’ny filankevitra avo
-
Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka
-
Ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka
-
Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka
-
Mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Ireo mpanorohevitra dia azo omena andraikitra hanampy ireo fiadidian’ny tsatòka hanomana ireo mpikambana mikasika ny fitsaohana any amin’ireo tempoly vao nambara ao anatin’ilay vondromparitra. Ireo andraikitra hafa dia mety ahitana ny fampianarana ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka mikasika ireo fitsipika sy fomba fanao eo amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Tafiditra ao anatin’ireo:
-
Ny fomba fanampiana ireo mpikambana izay vao sambany hanao batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena (jereo ny 23.2).
-
Ny fomba hanampiana ireo mpikambana izay miomana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina (jereo ny 25.2.8, 27.2, 27.3, ary ny 27.4).
-
Ny fomba handaminana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka sy paroasy (jereo ny 25.3).
-
Ny fomba hanohanana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo anatrehan’ireo andraikitr’izy ireo (jereo ny 25.2.2
-
Ny fomba ahafahan’ny fandraisana anjara amin’io asa io mitahy ny ankizy sy ny zatovo (jereo ny 10.2.4, 11.2.4, ary ny 12.2.4).
-
Ny fomba hanaovana fivoriana enti-mandrindra mahomby (jereo ny 25.2.7).
-
Ny fomba hanampiana ireo mpitarika ao amin’ny paroasy hametraka drafitra mahomby momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).
Mba hahitana torolalana mifandray amin’ity asa ity dia jereo ny Formation des dirigeants à l’œuvre de l’histoire familiale et du temple.
25.4
Ireo loharanom-pitaovana ho an’ny tantaram-pianakaviana
25.4.1
Loharanom-pitaovana an-jotra
Ny FamilySearch dia manolotra loharanom-pitaovana hanampiana ireo mpikambana hamantatra sy hanomana anaram-pianakaviana mba hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ireo ôrdônansy ho an’ireo razambeny efa nodimandry. Mampiray ireo fianakaviana ho mandrakizay ireo ôrdônansy ireo. Ahitana ireto manaraka ireto ny loharanom-pitaovana ao amin’ny FamilySearch:
-
FamilySearch.org. Ity no tranonkalan’ny Fiangonana hanampiana ireo mpikambana hitady sy hanomana ny anaran’ireo razambeny hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly.
-
Application Arbre familial. Maro amin’ireo fiasa ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch no hita ihany koa ao amin’ity application ho an’ny finday ity.
-
Ôrdônansy vonona. Ity fitaovana ity dia manome fomba tsotra hahazoana anaram-pianakaviana na anarana hafa hoentina any amin’ny tempoly. Hita ao amin’ny FamilySearch.org sy ny application Arbre familial izany.
-
Fanampiana amin’ny anaram-pianakaviana. Mampiasa ity fitaovana an-jotra ity ireo mpitarika mba hanampiana ireo mpikambana vaovao sy ireo mpikambana niverina navitrika, ary koa ireo zatovo, hanomana sy hanao printy mora foana ireo karatra misy ny anaram-pianakaviana ho an’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny fisoloana tena.
-
Application Memories. Ity application ho an’ny finday ity dia manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana hahita sy hizara ary hitahiry ireo tantara sy sarin’ireo razambe.
Jereo ireo application an’ny FamilySearch ho an’ireo application rehetra misy.
25.4.2
Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay
Ny boky kely Ny Fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay dia manampy ny olona hanangona sy hitahiry ireo anaram-pianakaviana sy tantara. Io boky kely io koa dia afaka manampy ireo mpikambana mba hanomboka hanomana anaran’olona ao amin’ny fianakaviana hanatanterahana ôrdonansin’ny tempoly.
Ny tahadikan’io boky kely io dia azo hafarana ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.
25.4.3
Atrik’asa an-tsitrapo momba ny tantaram-pianakaviana
Ny application Get Involved na ny zava-misy atolotra Handray anjara ao amin’ny FamilySearch.org dia mamela ireo mpilatsaka an-tsitrapo handray anjara amin’ireto andraikitra manaraka ireto:
-
Firaketana anarana faobe, izay dingana atao mba hampidirana fampahalalana avy amin’ny raki-tantara natao sora-tanana ho ao anatin’ny tahiry fototra iray izay azo zahana ao amin’ny FamilySearch.org.
-
Mandinika ireo firaketana mba hijerena ny fahamarinany.
-
Manatsara ny fahamarinan’ny hazon’ny tetiarana.
Ireo izay mandray anjara amin’ireo andraikitra ireo dia manome fahafahana ny tenany sy ny hafa mba hahita ireo razambeny sy hanatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.
Na iza na iza dia afaka mandray anjara amin’ireo atrik’asa an-tsitrapo ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Get Involved na ny zava-misy atolotra Handray anjara ao amin’ny FamilySearch.org. Afaka ny ho zavatra iainana tena mampivelatra izany ho an’ireto olona manaraka ireto:
-
Zatovo
-
Tanora
-
Mpikambana izay tsy afaka mamonjy ara-dalàna ireo fivoriam-piangonana
-
Mpikambana vaovao
-
Ny besinimaro
Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba handrindra izany asa izany.
25.5
Fanolorana na fiantsoana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly
25.5.1
Fanolorana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly
Ireo olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly dia hita amin’ny alalan’ireto fomba manaraka ireto:
-
Mpikambana hitan’ny eveka na ny mpitarika iray hafa ao amin’ny paroasy
-
Mpikambana izay nanatona ny eveka hiresaka momba ny fanompoana
-
Mpikambana natolotry ny filohan’ny tempoly, na ny vadin’ny filohan’ny tempoly na mpitarika iray hafa ao amin’ny tempoly
-
Mpikambana izay miomana ho misiônera na misiônera nahavita asa fitoriana vao tsy ela (jereo ny toko 24).
Ny anaran’ireo olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly dia alefa amin’ny alalan’ny fampiasana ny Recommend Temple Worker tool (fitaovana hanolorana mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly). Io fitaovana io dia azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ny fiadidian’ny tempoly ampiasaina. Hazavaina etsy ambany ny dingana arahina amin’ny fandefasana ireo anarana.
Rehefa mahita olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tempoly, dia alefan’izy ireo any amin’ny eveka ny anaran’ilay olona amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Recommend Temple Worker tool.
Rehefa mahita olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly ny eveka na mandray fanolorana olona avy amin’ny filohan’ny tempoly, dia mifampiresaka amin’io mpikambana io izy mikasika ilay fahafahana manompo. Mamerina mamaky ireo zavatra takina amin’ireo mpiasa any amin’ny tempoly izy (jereo ny 25.5.2). Raha toa samy mahatsapa ny eveka sy ilay mpikambana fa mety izany fahafahana manompo izany, dia fenoin’ny eveka ny taratasy fanolorana olona ary alefany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Recommend Temple Worker tool. Ilay mpikambana dia tokony hahatakatra fa rehefa lasa ny taratasy fanolorana olona dia tsy midika akory izany fa ho antsoina izy na homena andraikitra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly.
Dinihin’ny filohan’ny tsatòka avy eo ilay taratasy fanolorana olona. Raha toa ka ankatoavin’ny filohan’ny tsatòka ilay taratasy fanolorana olona, dia alefany any amin’ny filohan’ny tempoly mba hodinihina amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Recommend Temple Worker tool izany.
Ireo mpikambana izay nantsoina na notendrena mba ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly raha ny mahazatra dia manolo-tena ny hanompo isan-kerinandro amin’ny fotoana efa voafaritra any amin’ny tempoly. Tokony hosorohin’ireo mpitarika ny fanomezana antso fanampiny izay hanembantsembana ny fahafahan’ireo mpikambana manompo any amin’ny tempoly.
Ny fitaovana Recommend Temple Worker tool koa dia mampiseho amin’ireo eveka sy filohan’ny tsatòka ny lisitra ahitana ireo mpikambana rehetra avy amin’ny paroasin’izy ireo na ny tsatòkan’izy ireo izay miasa any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao.
25.5.2
Fepetra takina ho an’ireo mpiasa any amin’ny tempoly
Ireo mpiasa ao amin’ny tempoly dia manampy amin’ny fanatanterahana ôrdônansy na manampy amin’ireo asa fampandehanan-draharaha ao amin’ny tempoly, toy ireo asa any amin’ny birao, ny fanasana lamba, na ny asa fanaovana zaridaina. Ny mpikambana iray dia tsy maintsy mahafeno ireto fepetra manaraka ireto mba hahafahana manolotra azy ho mpiasa ao amin’ny tempoly:
-
Mipetraka ao amin’ny distrikan’ny tempoly misy ilay tempoly izay hanompoany.
-
Efa nandray ny fanafiana masina, mitandrina ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly, ary mihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.
-
Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.
-
Manana toe-batana afaka manatanteraka ny asa nampandraiketina azy any amin’ny tempoly. Ny mpiasa iray izay manompo ireo mpitsidika na manatanteraka ôrdônansy dia tsy maintsy afaka manao izany ara-batana ka tsy mila fanampiana.
-
Mendri-kaja eo anivon’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina.
-
Mahay miara-miasa amin’olon-kafa.
-
Azo ianteherana ary salama tsara.
-
Tsy misy fanamarihana natao tao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ankehitriny.
Ankoatra izay dia maka antoka ny amin’ireto zavatra manaraka ireto ny eveka:
-
Raha toa ka niharan’ny famerana ny zo maha-mpikambana ny olona iray teo aloha, dia tsy azo aroso ho mpiasa ao amin’ny tempoly izy raha tsy afaka dimy taona taorian’ny nanesorana ilay famerana ny zo maha-mpikambana. (Jereo ny 32.11.3 sy ny 32.16.1.)
-
Raha toa ka nesorina tsy ho mpikambana ny olona iray mbola tsy nandray fanafiana masina, na raha toa ka niala tsy ho mpikambana ilay olona, dia tsy azo aroso ho mpiasa any amin’ny tempoly izy raha tsy afaka dimy taona taorian’ny namerenana azy ho mpikamban’ny Fiangonana indray. (Jereo ny 32.11.4, 32.14.9, 32.16.1 ary ny 32.16.2.)
-
Raha toa ka nesorina tsy ho mpikambana ny olona iray efa nandray fanafiana masina, na raha toa ka niala tsy ho mpikambana ilay olona, dia tsy azo aroso ho mpiasa any amin’ny tempoly izy raha tsy afaka dimy taona taorian’ny fandraisana ny famerenana ireo fitahiana amin’ny laoniny. (Jereo ny 32.11.4, 32.14.9 ary ny 32.17.2.)
25.5.3
Fiantsoana sy fanokanana ireo mpiasa any amin’ny tempoly
Rehefa voarain’ny filohan’ny tempoly ilay taratasy fanolorana olona ho mpiasa any amin’ny tempoly, dia manao tafa sy dinika amin’io olona io ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tempoly na ny olona iray izay omeny andraikitra. Ilay olona manatanteraka ny tafa sy dinika dia miantso araka izay hitaoman’ny fanahy ireo izay afaka ny ho mpiasa any amin’ny tempoly ary manokana azy ireo.