“23. Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2025).
“23. Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
23.
Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika
23.0
Teny fanolorana
Tafiditra ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara (jereo ny 1.2 ao amin’ity boky torolalana ity; Matio 28:19–20). Tafiditra amin’izany:
-
Ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana, sy ny firotsahana ho misiônera.
-
Ny fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao sy ireo miverina mavitrika handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.
23.1
Mizara ny filazantsara
Tia antsika i Jesoa Kristy. Mizara ny filazantsarany amintsika Izy ary manasa antsika rehetra hanatona Azy. Afaka manao toy izany koa isika.
23.1.1
Mitia
Isika rehetra dia zanaky ny Ray any An-danitra izay tia an’ireo zanany amin’ny fomba tonga lafatra. Manome fahafahana ho an’ny tsirairay Izy ho heniky ny fitiavany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany (jereo ny Jaona 3:16; 2 Nefia 26:24–28; Almà 26:37; Fanekem-pinoana 1:3).
Fomba iray hanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny fitiavana sy ny fanompoana ireo zanany tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 22:36–39; 25:40). Izany fitiavana izany dia mitaona antsika hifankafantatra amin’ireo olona manodidina antsika sy hanolo-tanana ny olona avy amin’ny foto-piaviana sy ny kolontsaina ary ny finoana rehetra (jereo ny Asan’ny Apostoly 10:34; 2 Nefia 26:33; Jakôba 2:17). Mivavaka isika ary mikatsaka mba hanana fahafahana hizara ny filazantsara amin’ny hafa (jereo ny Almà 6:6; 8:10).
23.1.2
Mizara
Koa satria tia an’ Andriamanitra sy ireo zanany isika dia mandeha ho azy amintsika ny fitiavana te hizara ireo fitahiana izay nomeny antsika (jereo ny Jaona 13:34–35) sy hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Katsahintsika ny hanampy ny olona hahatsapa ny fifaliana izay tsapantsika (jereo ny Almà 36:24). Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia aingantsika ambony ny fahazavany (jereo ny 3 Nefia 18:24–25). Miresaka an-kahalalahana mikasika ny Mpamonjy sy ny fitaomany eo amin’ny fiainantsika isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2).
Mizara fitiavana, fahamarinana ao amin’ny filazantsara, fotoana, sy traikefa isika ary ireo fandaharan’asa ato am-piangonana mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra sy hanampiana azy ireo hanatona ny Mpamonjy. Zaraintsika amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy ireo zavatra ireo ho anisan’ny fifandraisana mivantana, sy an-jotra ary amin’ny fomba hafa.
Afaka mamorona toe-javatra tsotra hahafahan’ny mpikambana hizara amin’ny hafa ireo paroasy sy tsatòka. Fomba iray hanaovana izany ny fanaovana hetsika sy fiaraha-mientana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Share Ward Activities [Mampahafantatra ny hafa ireo fiaraha-mientan’ny paroasy]” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
Mifanankalo hevitra ihany koa ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka mba hamantarana (1) ireo zavatra ilain’ny fiarahamonina eo an-toerana sy (2) ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana hozaraina mba hahafahana mamaly ireo filàna ireo. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny “Share Church Resources [Mampahafantara ny hafa ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana]“ ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
23.1.3
Manasà
Manasa ny rehetra ny Mpamonjy handray ny Filazantsarany ary hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Almà 5:33–34). Amin’ny maha-mpianany antsika dia manaraka ny ohatra nasehony isika, amin’ny fanasana ny rehetra “hanatona an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).
Mivavaka isika mba hahazo fitaomam-panahy sy fitarihana amin’ny fomba hanasantsika ny hafa mba:
-
Ho avy ka hahita ireo fitahiana mety ho azo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany (jereo ny Jaona 1:37–39, 45–46).
-
Ho avy ka hanompo olona sahirana.
-
Ho avy ary hiombona amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.
Matetika ny hoe manasa dia midika tsotra fotsiny hoe mampandray anjara ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary ny mpiara-monina amintsika amin’ny zavatra izay efa ataontsika. Ohatra, hevero ny hanasa olona arakaraka ny zavatra ilain’izy ireo sy ny zavatra mahaliana azy ireo mba hanatrika:
-
Ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy fivoriana hafa isaky ny alahady. Isan’ireo traikefa sarobidy indrindra azontsika atolotra ny hafa ny fiarahana manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fanampiana azy ireo mba hahatsapa ho voaray tsara sy hahazo traikefa ara-panahy (jereo ny 3 Nefia 18:22–23).
-
Hetsika manokana ataon’ny Fiangonana, toy ny fitsofandrano ny zaza sy ny batisa.
-
Fiaraha-mientan’ny paroasy sy tsatòka, anisan’izany ireo fiaraha-mientan’ny Kilonga sy ny zatovo (jereo ny “Share Ward Activities [Mampahafantatra ny hafa ireo fiaraha-mientan’ny paroasy]” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile).
-
Fiaraha-mientana ao an-tokantranontsika.
-
Fandaharan’asan’ny Fiangonana, toy ny seminera, institiota, tantaram-pianakaviana, kilasy fianarana momba ny fizakan-tena, ary ireo tetikasa JustServe.org (raha misy).
-
Lesona miaraka amin’ireo misiônera.
Raha mila hevitra na loharanom-pitaovana bebe kokoa, dia jereo ny:
-
“Fizarana ny filazantsara” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
-
Ny fizarana“Miray hina amin’ny mpikambana” ao amin’ny toko 9 ao amin’ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Rehefa mitia sy mizara ary manasa tahaka ny nataon’i Kristy isika dia ho asian’ Andriamanitra tranga azo araraotina eny amin’ny lalantsika eny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:3–5, 8). Ny ezaka rehetra atao mba hiaina ireo fitsipiky ny fitiavana sy ny fizarana ary ny fanasana dia tsara, na mihaona amin’ny misiônera na tsia ny olona iray na miditra ho mpikamban’ny Fiangonana na tsia.
Ireo fitsipiky ny fitiavana sy ny fizarana ary ny fanasana dia mihatra ihany koa amin’ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika.
23.2
Fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao
Ny fikambanana amin’ny Fiangonana dia sady mahafinaritra no sarotra ho an’ny olona maro. Mitondra fitahiana lehibe izany, kanefa koa mitaky fanamboarana hifanaraka amin’ny finoana vaovao sy fahazarana vaovao ary fifandraisana vaovao (jereo ny 1 Tesaloniana 1:6).
Ny mpikambana vaovao tsirairay dia mila finamanana, sy fahafahana manompo ary sakafo ara-panahy. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia manolotra ny fitiavantsika sy ny fanohanantsika an’ireo mpikambana vaovao isika (jereo ny Môzià 18:8–10). Ampiantsika izy ireo hahatsapa ho isan’ny Fiangonana. Manampy azy ireo isika mba handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (jereo ny 23.4.1) ary ho lasa “[m]iova fo ho an’ny Tompo” lalina kokoa (Almà 23:6). Manampy azy ireo isika ho “[voafahana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara, … tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy” (Môrônia 6:4).
Afaka manampy ireo mpikambana vaovao ihany koa isika:
-
Hianatra sy hiaina ny fifaliana entin’izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany.
-
Hianatra ny fomba hamantarana ireo bitsika avy amin’ny Fanahy.
-
Hanana fahazarana hanao vavaka sy fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy iarahan’ny mpianakavy.
-
Hizara ny filazantsara amin’ny fianakavian’izy ireo sy ny naman’izy ireo.
-
Hitady anarana razambe ary hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo (jereo ny 25.4).
-
Hivoatra amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo andraikitra ao am-piangonana sy ny fandraisana anjara amin’ireo fahafahana maro hanaovana zavatra izay atolotry ny Fiangonana.
23.3
Manamafy orina ireo mpikambana miverina mavitrika
Misy mpikambana sasany nisafidy ny hitsahatra tsy handray anjara intsony ao am-piangonana. “Fa ho an’ny toa azy,” hoy ny Mpamonjy, “no hanohizanareo ny fiahianareo; satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana azy; ary ianareo no ho fitaovana amin’ny fitondrana ny famonjena ho azy” (3 Nefia 18:32). Ireo teny ireo dia mihatra amin’ireo rehetra izay ilaina anaovana fanompoana mitohy, na inona na inona antony.
Ireo mpikambana izay tsy mandray anjara feno dia mora tafaverina kokoa raha toa ka manana fifandraisana matanjaka amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Afaka manampy azy ireo handresy olana ny fitiavantsika sy fanohanantsika. Tahaka ireo mpikambana vaovao, mila namana sy fahafahana manompo ary sakafo ara-panahy koa izy ireo. Ny fahazoana an-tsaina ny zavatra iainan’izy ireo sy ireo fanamby atrehan’izy ireo dia afaka manampy antsika hanompo azy ireo amim-pitsinjovana sy amim-pitiavana.
23.4
Fanatanterahana fivoriana enti-mandrindra ho an’ny misiônera isan-kerinandro
Isan-kerinandro dia fivoriana fohy sy tsotsotra no tanterahina handrindrana ireo ezaka atao hizarana ny filazantsara. Ny tanjon’ireo fivoriana ireo dia ny hanampy ireo izay ampianarina sy ireo mpikambana vaovao ary ireo mpikambana niverina navitrika hanao sy hitandrina fanekempihavanana. Raha toa ka misy mpitarika ny asa fitoriana voantso ao amin’ny paroasy dia izy no mitarika ireo fivoriana ireo. Raha tsy izany dia ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay manao ny anjara asan’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy no mitarika.
Tafiditra ao anatin’ireo olona hafa asaina:
-
Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona ary ny Kilonga nomena andraikitra hanao izany.
-
Ireo misiôneran’ny paroasy.
-
Ny mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona (na ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra na ny an’ny diakona raha toa ka tsy misy mpisorona ao amin’ilay paroasy).
-
Mpikambana iray ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra.
-
Ireo misiônera amin’ny fotoana feno.
Ny fivoriana enti-mandrindra ny asa fitoriana isan-kerinandro dia mifantoka amin’ny zavatra ilain’ny isam-batan’olona. Matetika ny fandaharam-potoana no ahitana ireto zavatra manaraka ireto:
-
Ny fomba hanampiana ireo izay ampianarin’ny misiônera
-
Ny fomba hanampiana ireo izay natao batisa vao haingana
-
Ny fomba hanampiana ireo fianakaviana izay ny ampahany ihany no mpikambana sy ireo mpikambana niverina navitrika
-
Ny fomba hahitana olona betsaka kokoa mba ho ampianarina
Ny tatitra momba ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ireo sosokevitra ao amin’ny fizarana “Fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro” ao amin’ny toko faha-13 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, ary ireo fanontaniana etsy ambany dia afaka manampy amin’ny fitarihana ireo drafitra isan-kerinandro.
-
Ahoana no ahafahantsika manampy ny isam-batan’olona hiangona, sy hiaina zavatra mankahery, ary hanorina finamanana?
-
Ahoana no ahafahantsika manohana ny drafitry ny paroasy amin’ny fizarana ny filazantsara?
-
Ahoana no ahafahan’ny filankevitry ny paroasy manampy, ary iza no hanao ny fandrindrana miaraka amin’izy ireo?
Azo tanterahina mivantana ireo fivoriana ireo na atao avy lavitra. Ny fandrindrana dia azo atao ihany koa amin’ny fomba hafa toy ny amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, na ny hafatra an-tsoratra ataona vondrona.
Miezaha manaraka ireo fitsipiky ny asa sy ny maha-tompon’andraikitra ao amin’ny 4.4.5. Ny olona iray ao amin’ilay fivoriana dia azo omena andraikitra hirakitra an-tsoratra sy hampahatsiahy an’ilay vondrona ireo asa nomanina hatao.
Afaka misafidy ny hanao ny fandrindrana isan-kerinandron’izy ireo mandritra ny filankevitry ny sampana ireo sampana kely.
Jereo fa misy santionana fandaharam-potoan’ny fivoriana sy ohatra hafa amin’ny fandrindrana ao amin’ny “Idées pour les réunions hebdomadaires de coordination missionnaire” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
23.4.1
Ny lalan’ny fanekempihavanako sy tatitra momba ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana
Ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fitarihana ireo fifanakalozan-kevitra mandritra ireo fivoriana fandrindrana ny asa fitoriana isan-kerinandro:
-
Ny lalan’ny fanekempihavanako. Ity loharanom-pitaovana ity dia manampy ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mandritra ny 12 ka hatramin’ny 24 volana voalohany aorian’ny batisa na aorian’ny fiverenana ho mavitrika ao amin’ny filazantsara. Ny Ny lalan’ny fanekempihavanako dia hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
-
Tatitra momba ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana Mampiasa ity loharanom-pitaovana ity ny mpitarika eo anivon’ny paroasy mba hiraketana sy hijerena ny fivoaran’ireo mpikambana vaovao sy mpikambana miverina mavitrika ary ireo olona izay ampianarin’ireo misiônera. Azon’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy jerena sy havaozina ao amin’ny appli Outils pour les membres sy ny Loharanom-pitaovana ho an’ny Mpitarika sy ny Mpitamboky (LMM) ny Fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Afaka miditra sy manavao ny firaketana ny Fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny appli Torio ny Filazantsarako ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno.
23.5
Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka
23.5.1
Fiadidian’ny tsatòka
Ny filohan’ny tsatòka no mihazona ny fanalahidy eo anivon’ny tsatòka hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manome fitarihana ankapobeny amin’ireo ezaka ireo izy sy ireo mpanolotsainy. Maka antoka izy fa resahana tsy tapaka mandritra ireo fivoriana ao amin’ny tsatòka io asa io.
Mazàna isam-bolana dia mihaona amin’ny filohan’ny misiôna ny filohan’ny tsatòka mba handrindrana ireo ezaka atao eo amin’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy ary ny misiônera amin’ny fotoana feno. Ireo olona hafa afaka manatrika dia ahitana:
-
Ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny an’ny misiôna.
-
Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra.
-
Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka.
-
Ireo misiônera notendren’ny filohan’ny misiôna.
23.5.2
Ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka
Ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka dia ahitana:
-
Ny fiadidian’ny tsatòka.
-
Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka.
-
Ireo filankevitra avo nomena andraikitra hiara-hiasa amin’ireo kôlejin’ny loholona.
Ireo mpitarika ireo dia mampianatra ary manohana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana any amin’ny paroasy eo amin’ny asa fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika (jereo ny 23.6.2). Azo atao mitambatra maromaro ny fampianarana na atao mandeha tsirairay. Azo asaina ireo mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy handray izany fampianarana izany.
Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fivorian’io kômity io dia jereo ny 29.3.8.
23.5.3
Mpikambana ao amin’ny filankevitra avo
Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka mampiandraikitra mpikambana ao amin’ny filankevitra avo hampianatra sy hanohana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ireo mpitarika ny asa fitoriana any amin’ny paroasy. Azo atao ny manome andraikitra ny mpikambana iray fanampiny ao amin’ny filankevitra avo hitarika ireo ezaka ireo. Na izany aza dia manana ireo andraikitra ireo ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo rehetra any amin’ireo paroasy sy kôlejy nampiandraiketina azy ireo.
23.5.4
Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka
Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka, dia mampianatra sy manohana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy eo amin’ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mavitrika.
23.6
Mpitarika eo anivon’ny paroasy
23.6.1
Episkôpà
Ny episkôpà dia mifandrindra miaraka amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mitarika ny ezaka ataon’ny paroasy eo amin’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manao filankevitra matetika ireo mpitarika ireo.
Maka antoka ny episkôpà fa resahina sy arindra ireo ezaka ireo mandritra ny fivoriana filankevitry ny paroasy sy ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. Ny episkôpà dia mijery ihany koa ary maneho fankatoavana ny drafitry ny paroasy ho an’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika (jereo ny 23.6.6).
Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka ny episkôpà mba hahitana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (jereo ny 23.6.3 raha mila fampahalalana fanampiny).
Ny eveka no manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana vaovao izay ampy taona ahafahana mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena (jereo ny 26.5.1). Izy ihany koa no manao tafa sy dinika amin’ireo rahalahy ao anatin’ny sokajin-taona sahaza hahazoana mandray ny Fisoronana Aharôna (jereo ny 38.2.9.1 Afaka manatanteraka ireo tanjona roa ireo ao anatin’ny tafa sy dinika iray ihany izy. Raha ny tokony ho izy dia ao anatin’ny herinandro nandraisana ilay mpikambana ho mpikambana no hanatanterahany io tafa sy dinika io. Afaka manome andraikitra ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny eveka na ny filohan’ny sampana mba hanao ity tafa sy dinika ity. Aorian’izay ny eveka dia mandroso sosokevitra ny hampiasana ny Fanampiana amin’ny anaram-pianakaviana mba hanampiana ilay mpikambana vaovao hanao printy ny anaran’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry izay hanaovan’ilay mpikambana vaovao ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny “Fanampiana amin’ny anaram-pianakaviana“ ao amin’ny 25.4.1).
Mifandrindra amin’ny mpitarika hafa ny episkôpà mba hakana antoka fa omena fahafahana hanompo ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Ny fahafahana manao zavatra toy izany dia afaka manampy ireo mpikambana ireo hitombo ara-panahy sy hahatsapa ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny asa fanompoana dia afaka manampy ireo mpikambana ihany koa hahatsapa fifaliana sy hanorina fifandraisana akaiky amin’ireo hafa ao amin’ny paroasy.
Ireo fahafahana manompo ireo dia tokony hifototra amin’ny zavatra ilain’ilay mpikambana sy ny fahaiza-manaony. Amin’ny tranga sasany dia mety ny hanomezana antso. Amin’ny tranga hafa, dia tsara kokoa ny fanomezana andraikitra tsotsotra tsy ôfisialy loatra.
23.6.2
Fiadidian’ny Kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana
Ireo fiadidian’ny kolejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia mitarika ireo ezaka isan’andro ataon’ny paroasy hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika (jereo ny 8.2.3 sy ny 9.2.3). Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitarika izany ezaka izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana no mitarika ny ezaka ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Miara-miasa izy ireo hitarihana ireo ezaka ireo miaraka amin’ny filankevitry ny paroasy eo ambany fandrindran’ny eveka.
Ireto manaraka ireto no andraikitr’ireo mpitarika ireo:
-
Manampy mitaona ny fanahin’ireo mpikambana hitia ireo zanak’ Andriamanitra, sy hizara ny filazantsara, ary hanasa ny hafa handray ireo fitahian’ny Mpamonjy (jereo ny 23.1).
-
Maka hevitra amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana mikasika ny fomba hizarana ny filazantsara. Mifampiresaka mikasika ny fomba ahitana olona ho ampianarin’ireo misiônera sy ny fomba hanohanana ireo olona izay ampianarina. Mifandinika mikasika ny zavatra ilain’ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika, ary mikasika ny fomba hanolorana fanampiana.
-
Manendry rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo ho an’ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika (jereo ny 21.2.1). Azo atao koa ny manendry rahalahy sy rahavavy mpanompo ho an’ireo olona ampianarin’ireo misiônera (mifandrindra amin’ireo misiônera rehefa manao izany). Raha azo atao, dia mpikambana izay naman’ireo olona ireo, na izay afaka manorina finamanana akaiky amin’izy ireo no tendren’ny mpitarika. Amporisihan’ny mpitarika ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo hanolotra fitiavana sy fanohanana tahaka ny an’i Kristy.
-
Manome fahafahana ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika hanompo ka ho rahalahy na rahavavy mpanompo. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fanompoana dia jereo ny fizarana 21.
-
Manampy ny filankevitry ny paroasy hanana drafitra ho an’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika (jereo ny 23.6.6).
-
Mitarika ny asan’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy. Raha tsy misy ny fiantsoana io mpitarika io, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany (jereo ny 23.6.3).
Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia samy manome andraikitra ny olona iray ao amin’ny fiadidiana hanampy amin’ny fitarihana ireo ezaka ireo. Miara-miasa ireo olona roa avy amin’ireo fiadidiana ireo. Manatrika ny fivoriana fandrindrana fanao isan-kerinandro izy ireo (jereo ny 23.4).
23.6.3
Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy
Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka ny episkôpà mba hahitana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy. Raha manapa-kevitra izy ireo ny handroso io antso io, dia mifanakalo hevitra amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo rehefa mamaritra hoe iza no hantsoina.
Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy dia tokony ho mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Raha tsy misy mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy voantso dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany.
Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy dia manohana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny asa fitoriana. Misahana ireto andraikitra manaraka ireto koa izy:
-
Mandrindra ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana sy ny mpitarika ao amin’ny paroasy, sy ny misiôneran’ny paroasy ary ny misiônera amin’ny fotoana feno. Mety ho tafiditra amin’izany ny fandrindrana ireo ezaka hampianarana, ny fotoana hanaovana batisa, ary ny ezaka hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao. Mety ho tafiditra amin’izany koa ny fanomanana fomba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hizara ny filazantsara.
-
Mitarika ny fivoriana fandrindrana fanao isan-kerinandro (jereo ny 23.4).
-
Manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy raha toa ka asaina amin’izany.
-
Manampy ny filankevitry ny paroasy hamolavola sy hampihatra ny drafitry ny paroasy ho an’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika (jereo ny 23.6.6).
-
Mitady fahafahana hanampiana ireo misiônera amin’ny fotoana feno mba hahatontosa ny tanjon’izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara sy fanorenana fifandraisana amin’ny mpikambana. Raha ankatoavina dia azo ampidirina ao anatin’izany ny fiarahana misakafo amin’ny mpikambana (tsara kokoa raha fianakaviana izay ny olona sasany ao aminy ihany no mpikambana ary mpikambana vaovao na miverina ho mavitrika, raha azo atao; jereo ny 24.6.2.3).
-
Miara-miasa amin’ny mpitarika sy ireo mpanorohevitry ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy mba hanampiana ireo izay mianatra ny filazantsara sy ireo mpikambana vaovao ary ireo mpikambana miverina mavitrika hirotsaka amin’ireo ezaka atao ho an’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.
23.6.4
Misiôneran’ny paroasy
Ireo misiôneran’ny paroasy dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy hiaina ilay fifaliana avy amin’ny fizarana ny filazantsara izay voasoritra ao amin’ny 23.1. Izy ireo dia manompo eo ambany fitarihan’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay misahana an’io andraikitra io. Ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka manolotra mpikambana izay mety afaka manompo.
Ireo misiôneran’ny paroasy dia mampianatra amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra ny fomba hitiavana ny hafa, sy hizarana ny finoany, ary hanasana ny hafa handray ireo fitahiana entin’ny filazantsara. Manampy ireo mpikambana koa izy ireo hanompo ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika.
Ireo misiôneran’ny paroasy dia mandray anjara amin’ny fivoriana fandrindrana fanao isan-kerinandro (jereo ny 23.4).
23.6.5
Filankevitry ny paroasy sy filankevitry ny zatovon’ny paroasy
Ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika dia tokony resahina matetika mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy. Azon’ny eveka atao ny mangataka ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay manao io anjara asa io), na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona, na ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hitarika ireo fifanakalozan-kevitra ireo. (Jereo ny 23.4.)
Ny filankevitra dia afaka miresaka momba ny drafitry ny paroasy entina hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Mandrindra ireo asa ampanaovina manerana ireo rafitra izy ireo.
Ireo loharanom-pitaovana toy ny Ny lalan’ny fanekempihavanako sy ny tatitra momba ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia afaka manampy mandritra ireo fifanakalozan-kevitra ireo (jereo ny 23.4.1).
Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny filankevitry ny paroasy dia jereo ny 29.2.5
Ny filankevitry ny zatovo eo anivon’ny paroasy dia mifantoka manokana amin’ireo zatovo izay:
-
Vaovao sy mpikambana niverina navitrika.
-
Ao anatina fianakaviana izay ny ampahany ihany no mpikambana.
-
Ampianarin’ireo misiônera.
-
Naman’ny Fiangonana avy amin’ny finoana na fivavahana hafa.
23.6.6
Drafitry ny paroasy entina mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika
Ny paroasy tsirairay dia tokony hanana drafitra tsotra entina hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Io drafitra io dia afaka manampy amin’ny fitarihana fivoriana sy asa fanompoana ary fiaraha-mientana. Mety ahitana drafitra sy hevitra izy io entina:
-
Manampy ny rehetra hahatsapa ho voaray tsara amin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ao amin’ny paroasy.
-
Manampy ireo mpikambana hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fizarana ny filazantsara.
-
Manohana ny olona izay ampianarin’ireo misiônera.
-
Manampy ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika hivoatra ara-panahy.
Manampy ny filankevitry ny paroasy ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana hamolavola ilay drafitra. Manampy ihany koa ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy. Dinihan’ny eveka izany ka ankatoaviny.
Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy no mandray an-tanana ny fampiharana ilay drafitra. Manao tatitra mikasika ny fivoarana izy ireo mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy. Mitondra fanovana ao amin’ilay drafitra koa izy ireo rehefa ilaina izany.