Avia, hanaraka Ahy
11–17 nôvambra Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy-


“11–17 nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 nôvambra. Hebreo 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Melkizedeka manome tsodrano an’i Abrahama

Nitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka, nataon’i Walter Rane

11–17 nôvambra

Hebreo 7–13

“Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy”

Rehefa mamaky ny Hebreo 7–13 ianao dia saintsaino ny hafatra nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina Hebreo. Jereo ihany koa ny hafany ho anao sy ny olona ampianarinao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Manasà mpianatra vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana mba ho vonona hizara andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Hebreo 7–13 izay manampy azy ireo “hanatona [an’ Andriamanitra] amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana” (Hebreo 10:22).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Hebreo 7:1–22

Mitondra mankany amin’ny fisandratana ny fananana fiainana mendrika ny fanekempihavanana sy ireo fitahiana avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Fomba iray hamakafakana ity toko ity ny fanasana ny mpianatra hanoratra fehezan-teny marina maromaro eny amin’ny solaitrabe momba ny Fisoronana Melkizedeka (mba hahitana hevitra dia afaka mamaky ny “Fisoronana Melkizedeka” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana,) izy ireo. Aorian’izay izy ireo dia afaka mikaroka ao amin’ny Hebreo 7:1–22 mba hahitana andian-teny izay manohana ireo fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Azon’izy ireo atao koa ny mampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina mba hitadiavana soratra masina hafa manohana izany.

  • Ao amin’ny Hebreo 7:11 i Paoly dia nanontany hoe: “Ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’i Arona?” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe nahoana isika no mila ny Fisoronana Melkizedeka ankoatra ny Fisoronana Aharôna? Azon’ny mpianatra atao tsara ny mitady ireo valim-panontaniana azo omena ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana, “Fisoronana Aharôna” sy “Fisoronana Melkizedeka.” Azonao atao koa ny manasa azy ireo hieritreritra ireo fitahiana azontsika noho ireo fisoronana roa ireo (jereo koa ilay teny nindramina tamin’ny Rahavavy Sheri L. Dew ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Ahoana no nahazoan’ny mpianatra ireo fitahiana ireo?

Hebreo 8–10

Maneho an’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy taloha sy maoderina.

  • Na dia tsy manatitra sorona biby aza isika dia mandray anjara amin’ny ôrdônansy amin’izao fotoana izao, izay mampitodika ny fanahitsika any amin’ny Kristy amin’ny fomba mitovy amin’izany, ary manolotra “fantsona nankatoavina izay ahafahan’ireo fitahiana sy ny herin’ny lanitra mirotsaka eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay” (David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 60). Azonareo atao tsara ny miara-mamakafaka antsipirian-javatra sasantsasany momba ny ôrdônansy fahiny izay resadresahina ao amin’ny Hebreo 8–10 sy ny hevitr’izany ara-tandindona. Ohatra hoe: Maneho inona ny ran’ny ombilahy sy ny osilahy? (jereo ny Hebreo 9:13–14). Maneho an’iza ilay mpisoronabe? (jereo ny Hebreo 9:24–26). Afaka manampy ilay horonan-tsary hoe “Sacrifice et Sainte-cène” (LDS.org). Ahoana no nitahian’ireo ôrdônansy maoderina antsika sy nanampian’izany antsika hitodika any amin’i Jesoa Kristy? Inona no azontsika atao mba hahatonga ireo ôrdônansy ireo ho manan-danja kokoa sy mifantoka kokoa amin’ny Mpamonjy?

Hebreo 10:34–3811

Ny finoana dia mitaky ny fitokiana amin’ny fampanantenan’ Andriamanitra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fampianaran’i Paoly momba ny finoana, dia azonao atomboka izany amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hieritreritra ny fomba hamariparitan’izy ireo ny finoana ao anaty fehezan-teny iray. Dia iaraho mamaky sy mifanakalo hevitra avy eo ny famaritana nomen’i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:1. Avy eo ianao dia afaka mizara ny mpianatra ho vondrona kely maromaro dia manome andraikitra ny vondrona tsirairay handalina mikasika ny iray amin’ireo olona voalaza ao amin’ny Hebreo 11. Afaka mampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina ny mpianatra mba hamakina ny zavatra niainan’ilay olona ao amin’ny Testamenta Taloha, ary aorian’izay dia afaka mizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra hitan’ilay vondrona ny solontena iray avy amin’ny vondrona tsirairay. Ahoana no nanehoan’ireo olona ireo fa nahatsapa “fahazoana antoka ny zavatra antenaina” izy ireo? (Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 11:1). Iza no olona hafa mahatoky azon’ny mpianatra zaraina? Oviana isika no nampihatra finoana amin’ireo fampanantenana izay tsy mbola tanteraka?

  • Mety hahafinaritra ny mamorona kilalao mba hanampiana ny mpianatra hianatra momba ny finoana avy amin’ny Hebreo 11. Ohatra hoe afaka mizara ny mpianatra ho ekipa roa ianao dia mametraka fanontaniana momba ny finoana izay voavaly ao amin’ny Hebreo 11 (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hahitana ohatra). Mahazo isa ny ekipa voalohany mahita valinteny tohanan’ireo soratra masina. Angataho ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka manampy azy ireo hahatakatrabebe kokoa ny finoana.

  • Rehefa avy mandalina ny fampianaran’i Paoly momba ny finoana ao amin’ny Hebreo 10:34–3811 dia moa ve ny mpianatra hahazo tombontsoa avy amin’ny fianarana momba ny finoana avy amin’ny loharanom-pitaovana hafa? Afaka manendry mpianatra maromaro mialoha ianao handalina fanontaniana iray momba ny finoana tahaka izao manaraka izao: Inona no atao hoe finoana? Ahoana no fomba hampitomboantsika finoana? Inona no fitahiana azontsika rehefa mampihatra finoana? Inona no mitranga rehefa misafidy ny tsy hampihatra finoana isika? Ary rehefa tonga any an-dakilasy izy ireo avy eo dia afaka mizara ny zavatra nianarany. Na afaka manasa ny mpianatra ianao mba hiara-hiasa ao anatina vondrona maromaro mba hitady ny valiny. Mety ho isan’ny loharanom-pitaovana azon’izy ireo ampiasaina ny Almà 32:21–43; Etera 12; “La foi en Jésus Christ,” Sujets de l’évangile, topics.lds.org; ary ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Finoana.” Rehefa avy mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia angataho izy ireo hieritreritra izay mety ho ataony mba hanamafisana orina ny finoany. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny.

  • Ilay torohevitra nomena ireo Olomasina Hebreo izay nalaim-panahy “[h]ihemotra” tamin’ny finoany dia mety ho manan-danja ho an’ireo mpianatra izay mety sahirana amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona. Mba hamantarana io torohevitra io dia afaka mamaky ny Hebreo 10:34–38 sy ny teny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny mpianatra. Nahoana ny olona eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no manary ny fatokiany (jereo ny Hebreo 10:35) ny Tompo sy ny filazantsarany? Inona no azontsika atao mba hampiorenana sy hihazonana finoana sy fatokiana mba “[hahazoana] izay lazain’ny teny fikasa[n’ Andriamanitra]”? (Hebreo 10:36) .

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mety efa fantatry ny mpianatra tsara ny zavatra niainan’i Joseph Smith rehefa namaky ny Jakoba 1:5, izay nitarika ho amin’ny Fahitana Voalohany. Asao izy ireo hitady hevi-baovao momba ny Jakoba 1:5 rehefa mamaky izany amin’ity herinandro ity ao anatin’ny sahan-kevitra mivelatra kokoa izay nozarain’i Jakoba.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Hebreo 7–13

Fanontaniana momba ny finoana avy ao amin’ny Hebreo 11.

Afaka mahazo ny fitahiana avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka ny olona rehetra.

Hoy ny Rahavavy Sheri L. Dew, mpanolotsaina taloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Afaka mahazo ny fitahiana avy amin’ny fisoronana ny lehilahy sy ny vehivavy marina rehetra. Afaka mandray ny Fanahy Masina daholo isika, mahazo fanambarana ho an’ny tena manokana, ary mahazo fanafiana masina any amin’ny tempoly, izay hahazoantsika hery ho -fiadiana-. Ny herin’ny fisoronana dia manasitrana sy miaro ary mitondra fanefitra ho an’ny olo-marina rehetra amin’ny herin’ny haizina” (“It Is Not Good for Man or Woman to Be Alone,” nôv. 2001, 13).

“Koa aza manary ny fahasahianareo.”

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Eny, sarotra tokoa ny lalana—mialoha ny hidiranao ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana sy mandritra ny fotoana hiezahanao hiditra ho mpikambana, ary aorian’ny nahatafidiranao. Saingy efa tahaka izany foana ny fisehony araka ny voalazan’i Paoly, kanefa aza mihemotra. Aza mikoropaka sy mitsoaka an-daharana. Aza manary ny fatokianao. Aza adino ny zavatra efa tsapanao. Aza ahiahiana ireo traikefa azonao taloha. …

“Misy fitandremana sy fandinihana tokony hatao amin’ny fanapahan-kevitra lehibe rehetra, kanefa raha vantany vao misy fahatsapana dia mitandrema amin’ny fakam-panahy hiala amin’ny zavatra tsara. Raha tsara izany tamin’ny fotoana nivavahanao mikasika izany ka natoky sy niaina ho an’izany ianao dia tsara izany amin’izao fotoana izao. Aza kivy rehefa mihamafy ny faneriterena. … Atreho ireo antony hanananao fisalasalana. Fehezo ny tahotrao. -Koa aza manary ny fahasahianareo. Araho hatrany ny drafitra marina ho an’ny fiainanao ary jereo ny hakanton’ny fiainana izay haseho anao” (“Cast Not Away Therefore Your Confidence,” Ensign, mar. 2000, 6).

Manatsara ny fampianarantsika

Vakio aloha ny Soratra Masina. Ny soratra masina no tokony ho loharano voalohany hanaovanao ny fandalinanao sy ny fiomananao. Ny tenin’ny mpaminany maoderina dia afaka mameno ireo soratra masina nankatoavina (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17).