Avia, hanaraka Ahy
18–24 nôvambra. Jakoba: -Aoka ho mpankatò ny teny ianareo fa aza mpihaino fotsiny-


“18–24 nôvambra. Jakoba: -Aoka ho mpankatò ny teny ianareo fa aza mpihaino fotsiny-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18–24 nôvambra. Jakoba,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Abrahama mivavaka eo ivelan’ny lainy

Abrahama eo amin’ny sahan’i Mamre, nataon’i Grant Romney Clawson

18–24 nôvambra

Jakoba

“Aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mpihaino fotsiny”.

Mialoha ny hamakiana ity rindran-damina ity dia vakio ny Epistilin’i Jakoba ary henoy tsara ny bitsika izay voarainao. Inona avy ireo fitsipika izay hitanao fa hitahy sy hampiorina ny mpianatrao? Dia raiso ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra enti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara andininy avy ao amin’ny Jakoba izay nampientana azy ireo ho “mpankato ny teny” (Jakoba 1:22). Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara ny zavatra tsapany hoe ilainy ho atao ho azy ireo manokana na ho an’ny fianakaviana raha toa tsy mahakasika azy ireo manokana loatra izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Jakoba 1:5–6

Rehefa mangataka amim-pinoana isika dia manome malalaka Andriamanitra.

  • Ny fitsipika nampianarina ao amin’ny Jakoba 1:5–6 no nitarika an’i Joseph Smith ho amin’ny fiovam-piainana nisy traikefa ara-panahy iray, ary izy ireo dia nitondra fitahiana ho antsika tsirairay tamin’ny fomba samihafa. Azonao atao angamba ny manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe, ary miangavy ny mpianatra handalina izany amim-pahanginana: Inona no fiantraikan’ny Jakoba 1:5–6 teo amin’ny fiainanao? Inona no zavatra nampianarin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ireo andininy ireo anao mikasika ny fikatsahana fahendrena manoloana ny fanontaniana manokana anananao? (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10–17). Inona avy ireo traikefa izay nampianatra anao fa “marina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jakoba”? (Joseph Smith—Tantara 1:26) Asao ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo rehefa avy nandalina ireo fanontaniana ireo.

  • Azon’ny mpianatra atao tsara ny manambara amin’ny fomba filazan’izy ireo azy manokana ny Jakoba 1:5–6. Ahoana no fomba hanampian’izany azy ireo hahatakatra tsara kokoa ireo andininy ireo?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro fa Andriamanitra dia nampanantena hanome malalaka ho an’ireo zanany, raha manatona Azy amim-bavaka izy ireo, dia iangavio izy ireo hizara zavatra niainana izay nahatanteraka ny fampananatenana ao amin’ny Jakoba 1:5–6 teo amin’ny fiainan’izy ireo. Inona no zavatra nianaran’izy ireo rehefa nangataka ny Ray any An-danitra izy ireo hanamafy ireo fanontanian’izy ireo manokana mikasika ireo fahamarinan’ny filazantsara?

Jakoba 1:2-4; 5:7–11

Ny faharetana dia mitondra mankamin’ny fahatanterahana amin’ny farany.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fampianaran’i Jakoba mikasika ny faharetana ao amin’ireo andininy ireo, dia afaka manasa ny mpianatra ianao hizara ny zavatra niainany rehefa nila nanana faharetana izy ireo sy ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’izany traikefa izany. Avy eo izy ireo dia afaka mitady ao amin’ny Jakoba 1:2–4; 5:7–11 ireo fitsipika izay azon’izy ireo hampiharina eo amin’ny zavatra iainan’izy ireo. Afaka mahita fitsipika azo ampiharina ihany koa izy ireo ao amin’ilay horonan-tsary hoe “Persévérer avec patience” (LDS.org) na ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf “Mitozoa ao amin’ny faharetana” (Liahona, mey 2010, 56–59). Nahoana no ilaina ny faharetana rehefa miezaka hanatratra ny fahatanterahana isika? Inona no nanampy ireo mpianatra hampitombo ny faharetana teo amin’ny fiainan’izy ireo?

Jakoba 1:3–8, 21–25; 2:14–26

“Ny finoana tsy arahana asa dia maty.”

  • Ny fomba iray hifampiresahana ny fampianaran’i Jakoba mikasika ny finoana sy ny asa dia ny fizaràna ny mpianatra ho vondrona roa—ny iray mitady hoe nahoana ny finoana no mitaky asa, ary ny iray hafa ny hoe nahoana ny asa no mitaky finoana. Mba hahafahana manao izany dia azon’izy ireo vakina ny Matio 7:21–23; Jakoba 1:6–8, 21–25; 2:14–26; ary ny Joseph Smith—Tantara 1:19. Avy eo ny vondrona tsirairay dia afaka mizara ny zavatra hitan’izy ireo ary mifampiresaka mikasika ny antony samy ilàna ny finoana sy ny asa.

  • Mba hanampiana ny mpianatra handalina misimisy kokoa ilay andian-teny mendrika ho tadidy hoe “Ny finoana tsy arahan’asa dia maty” (Jakoba 2:26), dia azonao atao ny manoratra ity fehezan-teny ity eny amin’ny solaitrabe: Ny finoana tsy misy asa dia toy ny tsy misy . Asao ny mpianatra hieritreritra fomba mahomby hamenoana io fehezan-teny io, ary avelao izy ireo hanoratra ny heviny eny amin’ny solaitrabe. Mety hahazo tombontsoa ny mpianatra rehefa manao io asa atao io tsiroaroa na ao anatina vondrona kely maromaro. Ny tantara notantarain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny” dia afaka mampitombo ny fahatakaran’izy ireo an’ity fitsipika ity. Inona no azontsika atao mba hahafahana manao zavatra hatrany araka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Jakoba 2:1-9

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho tia ny olona rehetra isika, na inona na inona toe-javatra misy azy ireo.

  • Mba hanentanana ny mpianatra haneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny olon-drehetra na eo aza ny toe-javatra misy ny hafa na ny endrika ivelany, dia afaka mangataka ny mpianatra ianao hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny Jakoba 1:9–11; 2:1–10; 5:1–6. Ifampiresaho ny fanontaniana toy izao: Inona no dikan’ny hoe “mizaha tavan’olona”? (Jakoba 2:9) Fa nahoana isika indraindray no mandray ireo mpanam-bola, na olo-malaza na matanjaka amin’ny fomba hafa noho ny fandraisantsika an’ireo tsy manana? Ahoana no hahafahantsika miala amin’ny fitondrana mitanila ataontsika amin’ny hafa izay mifototra amin’ny toe-javatra misy azy ireo? Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo mpanaradia mahatoky ny Mpamonjy ho lasa tena mpanankarena indrindra amin’ny rehetra? (jereo ny Jakoba 2:5).

Jakoba 3

Ny teny izay ampiasaintsika dia mety hanana hery handratra na hitahy ny hafa.

  • Ireo sariohatra mahery vaika nampiasain’i Jakoba dia afaka hanampy hampahatsiahy sy hampientana antsika hampiasa teny—na ambara na an-tsoratra—mba hampiorina ny hafa. Diniho ny hanasana ireo mpianatra hamaky ny Jakoba 3 ary hikaroka ireo sariohatra izay mamariparitra hoe amin’ny fomba ahoana no hampiasana ny fiteny handratrana na hitahiana ny hafa; mety ho tian’ny mpianatra sasany ny manao ny sarin’ireo sariohatra. Ahoana no hanehoan’ireo sariohatra ireo ny torolalana nomen’i Jakoba ao amin’ity toko ity? Ohatra, inona no mety hitovian’ny teny avoakantsika amin’ny afo? Inona no sariohatra izay tonga ao an-tsain’ny mpianatra hanehoana ny hery mampivoatra izay azon’ny fiteny entina? Azonao asaina ny mpianatra handalina ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo torohevitr’i Jakoba.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny mpianatra hamaky ny 1 sy 2 Petera, dia asao izy ireo hikaroka ireo fampianarana ara-potopampianarana ao amin’ireo epistily ireo izay takatra kokoa noho ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny. Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ireo fampianarana ireo mijoro ho vavolombelona ny amin’ny asa faminaniana nataon’i Joseph Smith?

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Jakoba

Finoana sy asa.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

“Misy angano Jiosy fahiny iray mikasika ny mpanao savony iray izay tsy nino an’ Andriamanitra. Indray andro raha niara-nandeha an-tongotra tamin’ny raby iray izy dia nilaza hoe: -Misy zavatra tsy azoko ity. Efa an’arivon-taonany maro no nisian’ny fivavahana. Kanefa na aiza na aiza jerenao dia ahitana faharatsiana, kolikoly, tsy fahamarinan-toetra, tsy rariny, fijaliana, hanoanana ary herisetra. Toa tsy nampivoatra an’izao tontolo izao mihitsy ny fivavahana na dia kely aza. Noho izany dia manontany anao aho hoe: inona ary no soa entin’izany?-

“Tsy namaly aloha ilay raby fa nanohy nandeha an-tongotra niaraka tamin’ilay mpanao savony. Nony farany izy ireo dia nanakaiky toeram-pilalaovana iray izay nahitana ankizy feno vovoka nilalao tao anatin’ny loto.

“-Misy zavatra tsy azoko ity,- hoy ilay raby. ‘Jereo ireto ankizy ireto. Efa an’arivon-taonany no nisian’ny savony kanefa mbola maloto ihany ireto ankizy ireto. Inona ary no soa entin’ny savony?-

“Namaly ilay mpanao savony hoe: ‘Tsy rariny kosa ry raby ny hanomezana tsiny ny savony noho ireto ankizy maloto ireto. Tsy maintsy ampiasaina ny savony alohan’ny hahafahan’izany manatanteraka ny tanjony.-

“Nitsiky kely ilay raby ary niteny hoe, -Marina izany- (“Ny marina amin’ny finoana no ho velona,” Liahona, apr. 2017, 4).

Manatsara ny fampianarantsika

Entano ny mpianatra hanorina tontolo feno fanajana. “Ampio ny mpianatrao hahatakatra fa ny tsirairay amin’izy ireo dia mitondra zavatra izay misy fiantraikany amin’ny zavatra tsapa ao amin’ny kilasy. Amporisiho izy ireo hanampy anao hanorina tontolo feno fahalalahana, sy fitiavana ary fanajana mba hahafahan’ny olona tsirairay mahatsapa fahatokiana rehefa mizara ny zavatra niainany sy mametraka ny fanontaniany ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany”.(Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15).