Avia, hanaraka Ahy
4–10 nôvambra. 1–6 Hebreo: ‘Jesoa Kristy, -loharanon’ny Famonjena Mandrakizay-’


“4–10 nôvambra. 1–6 Hebreo: ‘Jesoa Kristy, -loharanon’ny Famonjena Mandrakizay-’” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“4–10 nôvambra. 1–6 Hebreo,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Kristy miara-mijoro amin’ny ankizivavy kely iray sy lehilahy iray

Balsama an’i Gileada, nataon’i Anne Henrie

4–10 nôvambra

Hebreo 1–6

Jesoa Kristy, “loharanon’ny famonjena mandrakizay”

Zarao amin’ny mpianatrao ny fahatsapana sasantsasany voarainao avy amin’ny Fanahy Masina momba ny Hebreo 1–6. Mety hitaona azy ireo hikatsaka ny fahatsapana voarainy manokana rehefa mandalina ny soratra masina ny fanaovana izany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny mpianatra sasany izay tsy mizara hevitra matetika ao an-dakilasy dia mety mila fanasana manokana sy fotoana kely hiomanana fotsiny. Afaka mifandray amin’ny vitsivitsy amin’izy ireo iray na roa andro mialoha ianao ary mangataka azy ireo ho tonga amim-pahavononana hizara andininy iray avy ao amin’ny Hebreo 1–6 izay manan-danja amin’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Hebreo 1–5

I Jesoa Kristy no “loharanon’ny famonjena mandrakizay.”

  • Ahoana no fomba hamporisihanao ny mpianatra hizara soratra masina manan-danja momba an’i Jesoa Kristy izay hitan’izy ireo tamin’ny fandalinany samirery sy niaraka tamin’ny fianakaviana nandritra ity herinandro ity? Manorita tsanganana dimy eo amin’ny solaitrabe hanehoana ireo toko dimy voalohany ao amin’ny Hebreo. Asaivo soratan’ny mpianatra ao amin’ny tsanganana sahaza izany ireo andian-teny avy ao amin’ireo toko ireo izay mampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny andininy ahitana izany. Inona no fiantraikan’ny fahafantarana ireo zavatra momba ny Mpamonjy ireo eo amin’ny finoantsika Azy sy ny fahavononantsika hanaraka Azy?

  • Ny Hebreo 1–5 dia mampiasa sariohatra isan-karazany hamaritana ny Mpamonjy. Azonao atao tsara ny mampiasa ireo sariohatra ireo hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny iraka nampanaovina Azy. Ohatra, afaka mifandray amin’ny mpianatra maromaro andro vitsivitsy mialoha ianao ary mangataka azy ireo hitondra zavatra ao an-dakilasy, izay maneho ny iray amin’ireo famariparitana an’i Jesoa Kristy na ny iraka nampanaoviana Azy avy ao amin’ny Hebreo 1–5 (jereo indrindra indrindra ny Hebreo 1:3; 2:10; 3:1, 6; 5:9). Afaka manazava amin’ny mpianatra rehetra izy ireo ny zavatra ampianarin’ilay zavatra nentin’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy ary mamaky ny andininy mifandray amin’izany ao amin’ny Hebreo. Inona no fiantraikan’ny fahalalana ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo eo amin’ny fiainantsika?

Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8

Niaritra ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy mba hahafahany mahatakatra izay mahazo ireo olona mijaly sy manampy azy ireo.

  • Mety misy miaritra fitsapana ny sasany amin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao ary indraindray mahatsapa ho voahilika sy kivy. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8 angamba dia afaka hampiorina ny finoan’izy ireo fa afaka mitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy izy ireo mba hahazoana fanampiana. Fomba iray hanombohana fifanakalozan-kevitra toy izany ny manasa ny mpianatra hieritreritra olona iray fantatr’izy ireo izay mijaly sy mety ho very fanantenana. Inona no fahamarinana hitan’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo ka azon’izy ireo zaraina amin’izany olona izany? Afaka mizara ny fomba nampaherezan’ny Mpamonjy sy nanohanany azy ireo ihany koa ny mpianatra. Zarao mandritra ilay fifanakalozan-kevitra ilay teny nindramina tamin’ny Filoha John Taylor ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Ny Hebreo 2:9–18; 4:12–16 dia afaka manampy ihany koa ny olona izay mandinika ny fijaliana eto amin’izao tontolo izao ka manontany tena raha mahatsikaritra izany Andriamanitra na miraharaha izany akory aza. Azon’ny mpianatra atao tsara ny mamakafaka ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hitadiavana ireo fahamarinana izay hanampy amin’ny famaliana fanontaniana toy izany. Inona no ampianarin’izany mikasika ny fomba hamalian’ny Mpamonjy ny fahorian’ny olombelona? Mety hanampy ihany koa ny manasa ny mpianatra hizara ohatra avy amin’ny soratra masina ahitana olona notohanan’i Jesoa Kristy tao anatin’ny fijaliany (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”) na alefaso ilay horonan-tsary hoe “Des montagnes à gravir” (LDS.org). Iaraho miresaka ny zavatra ianarantsika mikasika ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika rehefa miatrika olana sarotra isika.

Hebreo 3:7–4:2

Afaka mahazo ny fitahian’ Andriamanitra ireo izay “[tsy] manamafy ny [fony].”

  • Ny Hebreo 3 sy 4 dia mirakitra fiangaviana ny Olomasina mba tsy hanamafy ny fony ka dia hanjary handà ireo fitahiana tian’ Andriamanitra omena azy ireo. Rehefa mamaky ny Hebreo 3:7–4:2 ianao sy ny mpianatrao dia hifanakalozy hevitra ireo fomba azo hampiharana amintsika ankehitriny ny zavatra niainan’ireo Isiraelita fahiny, tsy misy hafa tamin’ny azo nampiharana izany tamin’ireo Hebreo tany am-piandohan’ny Fiangonana (resaho ireo lesona hoenti-mandalina momba ireo andininy ireo ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Inona no mahatonga ny olona hanamafy ny fony amin’izao androntsika izao? Inona no azontsika atao hihazonana ny fontsika ho malefaka sy tia manoa ny sitrapon’ny Tompo? (jereo ny Etera 4:15; Almà 5:14–15).

Hebreo 5:1–5

Tsy maintsy voantson’ Andriamanitra ireo izay manompo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Tsy mpihazona ny fisoronana avokoa ny mpianatrao rehetra, kanefa mihatra amin’ireo rehetra izay mandray antso ao am-piangonana ilay hafatra avy ao amin’ny Hebreo 5 mahakasika ny maha-voantson’ Andriamanitra an’ ireo mpihazona ny fisoronana. Mba hanampiana ireo mpianatrao hahafantatra ny dikan’ny hoe “antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’i Arona,” dia asao izy ireo hamaky ilay tantara momba an’i Arona nandray ny antsony ao amin’ny Eksodosy 4:10–16, 27–31; 28:1. Inona avy ireo hevitra avy ao amin’io tantara io izay manampy antsika hahatakatra ny Hebreo 5:1–5? Oviana ireo mpianatra, anisan’izany ireo mpitarika ao amin’ny paroasy, no nahazo fanamafisana fa nantsoin’ Andriamanitra hanatanteraka antso iray manokana ny olona iray? Ahoana no fomba nanampian’izany fanamafisana izany azy ireo hanohana olona iray amin’ny antsony amin’ny fomba tsaratsara kokoa? (Mety ho tsara ny mangataka ny mpianatra tsy hamoaka antsipirian-javatra mety hanahirana.) Mety hisy ihany koa mpianatra izay afaka mijoro ho vavolombelona fa nanome fitaomam-panahy azy ireo Andriamanitra teo am-panatanterahany ny antsony manokana.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Moa ve ireo mpianatrao efa nahatsapa ho toy ny “vahiny sy mpivahiny tety ambonin’ny tany” (Hebreo 11:13) satria tsy mitovy amin’ny an’ireo manodidina azy ireo ny zavatra inoany? Lazao azy ireo fa rehefa mamaky ny Hebreo 7–13 izy ireo dia hahita ohatra amin’ireo olona izay nandray tamim-pahatokiana sy nanaiky ny fampanantenan’ Andriamanitra na dia tsy nanam-pinoana aza ny olona maro manodidina azy ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Hebreo 1–6

Fantatr’i Jesoa Kristy hoe toy ny ahoana izany miaritra fijaliana izany.

Nampianatra ny Filoha John Taylor hoe: “Tena nilaina, fony teto an-tany ny Mpamonjy, ny -[tsy maintsy nakana fanahy Azy] tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika,- sy ny -[fahaizany] miara-mitondra ny fahalementsika,- [jereo ny Hebreo 4:15] mba hahatakatra ny fahalemena sy ny tanjaka; ny fahatanterahana sy ny tsy fahatanterahan’ny toetran’ny olombelona izay lavo sy mampalahelo; ary hanatanteraka ny zavatra izay nahatongavany teto amin’izao tontolo izao, tsy maintsy niatrika ny fihatsaram-belatsihy, sy ny fahalotoana, sy ny fahalemena, ary ny hadalan’ny olona, nifanehitra tamin’ny fakam-panahy sy ny fitsapana tamin’ny endriny rehetra, ary nandresy izany, dia lasa -mpisoronabe … mahatoky- [jereo ny Hebreo 2:17] Izy mba hifona ho antsika ao amin’ny fanjakan’ny Rainy izay maharitra mandrakizay. Fantany ny fomba hanombantombanana sy hanomezana lanja sahaza ny toetran’ny olombelona, satria Izy, izay efa niaina ny toe-javatra izay iainantsika, dia mahafantatra ny fomba hananana faharetana sy hahatakarana ny fahalemena sy ny rofintsika, ary afaka mahatakatra tanteraka ny halalina, sy ny tanjaky ny fahoriana ary ny fitsapana tsy maintsy lalovan’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka noho ny fananany fahatakarana sy traikefa, dia afaka mizaka izany Izy toy ny ray sy zokilahy” (Enseignements des présidents de l’Eglise: John Taylor [2001], 204).

Santionany amin’ireo olona ao amin’ny soratra masina izay nampaherezin’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mamorona tontolo hahatsapana ny Fanahy. Rehefa manao izay hisian’ny tontolo feno filaminana sy fitiavana ianao ao amin’ny efitrano hampianaranao dia ho mora kokoa ho an’ny Fanahy ny hikasika ny fon’ireo izay ampianarinao. Inona no azonao atao mba hanasana ny fitaoman’ny Fanahy ho ao amin’ny efitrano hampianaranao? Afaka manova ny fipetrahan’ny seza ve ianao na mampiasa sary na hira mba hanasana ny Fanahy? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15.)