Avia, hanaraka Ahy
3–9 jona. Jaona 13–17: -Tomoera amin’ny fitiavako hianareo-


“3–9 jona. Jaona 13–17: -Tomoera amin’ny fitiavako hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“3–9 jona. Jaona 13-17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Fanasana Farany

Ho Fahatsiarovana Ahy, nataon’i Walter Rane

03–09 jona

Jaona 13–17

“Tomoera amin’ny fitiavako hianareo”

Rehefa mandalina amim-bavaka ny Jaona 13–17 ianao dia saintsaino ny fomba tsara indrindra azonao hanehoana fitiavana amin’ireo izay ampianarinao. Hitondra hevitra ao an-tsainao ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina sy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary ity rindran-damina ity ianao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny isa 13 ka hatramin’ny 17, izay maneho ireo toko ao amin’ny Jaona izay tokony hovakin’ny mpianatra amin’ity herinandro ity. Manasà mpianatra vitsivitsy hanoratra, eo akiakin’ny laharan’ny toko tsirairay, ny andininy izay hitan’izy ireo fa manan-ndanja ary tian’izy ireo horesahina miaraka.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 13:1–17

Ny Mpamonjy no ohatra ho antsika amin’ny fanompoana ny hafa amim-panetrentena.

  • Mba hanampiana ny mpianatrao hisaintsaina ny hevitra fonosin’ny fanasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany, dia afaka manasa mialoha ny mpianatra iray ianao mba hilalao eo amin’ny toeran’i Petera ao amin’io tantara io sy ho alain’ny mpianatra sisa am-bavany. Amporisiho ny mpianatra hamakafaka ny Jaona 13:1–17 sy hieritreritra fanontaniana manan-danja azon’izy ireo apetraka amin’i Petera. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’io tantara io ka mety hisy fiantraikany eo amin’ny fomba hanompoantsika ny hafa?

Jaona 13:34–35

Ny fitiavana no toetoetra mamaritra ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Inona no mety hamporisika ny mpianatra hanam-pitiavana kokoa? Azonao atao angamba ny manontany azy ireo hoe ahoana no nanahafany milaza fa mpanara-dia an’i Kristy ny olona iray mifanena amin’izy ireo. Inona avy ireo toetoetra tsikaritr’izy ireo eo amin’ilay olona? Afaka manasa azy ireo ianao hamakafaka ny Jaona 13:34–35 mba hianatra ny fomba azo hamantarana ny mpianatra marin’ny Mpamonjy. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fitiavana ho toetoetra mamaritra ny maha-mpianatra antsika? Inona no fiantraikan’izany fampianarana izany eo amin’ny fomba hitondrantsika ny hafa, anisan’izany ny fomba hitondrantsika azy ireo ao amin’ny tambazotra ifaneraserana?

  • Efa niara-nianatra zavatra betsaka momba ny fiainan’ny Mpamonjy ianareo tamin’ity taona ity, ka anisan’izany ireo ohatra maro tamin’ny fomba nanehoany ny fitiavany ny hafa. Mety ho fomba iray hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ilay didy ao amin’ny Jaona 13:34 ny fanoratana hoe Tahaka ny nitiavako anareo eo amin’ny solaitrabe ary mangataka ny mpianatra hitanisa ireo ohatra tadidiny avy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay maneho ny fitiavan’i Jesoa. Aorian’izay dia afaka manoratra hoe Mifankatiava eo amin’ny solaitrabe ianao ary mangataka ny mpianatra hanao lisitra ireo fomba azontsika hanarahana ny ohatra nanehoany fitiavana. Ny fihirana na ny fihainoana ny hira ao amin’ny fihirana hoe “Aimez vos frères,” Cantiques, lah. 200, na ny fijerena ny iray amin’ireo horonan-tsary ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka mameno tsara ity asa atao ity.

  • Raha tsy mahatsapa ho manam-pitiavana ny hafa amin’ny fomba miavaka isika, dia inona no azontsika atao mba hikatsahana ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana? Inona no zavatra fanampiny entin’ilay torohevitra ao amin’ny Môrônia 7:48; 8:26 mba hampitomboana ny fahatakarantsika io fanomezam-pahasoavana io? Iza no fantatsika fa mila mahatsapa ny fitiavantsika?

Sary
fianakaviana milalao

Ny fitiavana no toetoetra mamaritra ny mpianatr’i Kristy.

Jaona 14:16–27; 15:26; 16:7–15

Manampy antsika ho afaka hahatratra ny tanjontsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hianatra ny anjara asa samihafa tanan’ny Fanahy Masina, dia zarao ho vondrona maromaro izy ireo ary omeo ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay: Jaona 14:16–27; 15:26; ary ny 16:7–15. Asao ny vondrona tsirairay hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Fanahy Masina avy amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo. Ny mpianatra dia afaka manome ireo hevi-baovao fanampiny hitan’izy ireo teo am-pandalinany ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Oviana isika no nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina? Inona no zavatra na fitaovana jeren’ny maso azonao entina ao am-pianarana ka afaka hanampy ny mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny Fanahy Masina?

  • Manasà mialoha mpianatra vitsivitsy mba handalina ny iray amin’ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aroso ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” (na izay lahateny hafa tamin’ny fihaonambe fantatr’izy ireo) mikasika ny Fanahy Masina. Avelao izy ireo hizara fohifohy ny zavatra nianarany niaraka tamin’ny rehetra. Inona no zavatra hanampian’ireo hafatra ireo ny zavatra efa nianarantsika momba ny Fanahy Masina tao amin’ny Jaona 14–16?

Jaona 15:1–12

Raha mitoetra eo amin’ny Mpamonjy isika dia hamoa voa be sy hanana fifaliana.

  • Inona no zavatra nianaran’ny mpianatra tamin’ity herinandro ity avy amin’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy momba ny voaloboka sy ny sampany? Mitondrà zava-maniry kely ao am-pianarana dia ampiasao izany mba hanampiana ny mpianatra hahazo sary an-tsaina ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy. Rehefa avy miara-mamaky ny Jaona 15:1–12 ianareo dia azonareo resadresahina ny dikan’ny hoe “[mitoetra] ami[n’i Kristy]” (Jaona 15:4). Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao hizara ny fomba nahafantarany fa marina ny Jaona 15:5. (Jereo koa ny teny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”)

Jaona 17

Miray hina tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary tian’Izy Ireo ny hiraisantsika hina koa.

  • Angamba ianao tsy ho afaka ny hampianatra ireo fahamarinana manan-danja rehetra hita ao amin’ny Jaona 17 ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra atao ao anatin’ny fotoam-pianarana iray, kanefa inty misy fomba iray hanampiana ny mpianatra hamantatra ny maro ain’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo hevitra nalaina tao amin’ny Jaona 17, tahaka ireto:

    • Ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy

    • Ny fifandraisan’i Jesoa Kristy amin’ny Rainy

    • Ny fifandraisantsika amin’izao tontolo izao

    • Ny fifandraisantsika amin’ny maha-mpianany antsika

    Asao ny mpianatra tsirairay hifidy ny iray amin’ireo hevitra ireo dia hamaky ny Jaona 17, mba hitady ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany. Mangataha mpianatra maromaro hizara ny zavatra nianarany.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny Matio 26; Marka 14; Lioka 22; ary ny Jaona 18 mandritra ny herinandro manaraka, dia afaka milaza amin’izy ireo ianao fa hamaky mikasika ny iray amin’ireo fotoana tena lehibe indrindra ao amin’ny drafitra lehiben’ny famonjen’ Andriamanitra izy ireo ao amin’ireo toko ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Jaona 13–17

Horonan-tsary ao amin’ny LDS.org momba ny fitiavana.

  • “La préparation de Thomas S. Monson: Il apprit la compassion dans sa jeunesse”

Ny Fanahy Masina.

Mitoetra ao amin’i Kristy.

Rehefa nilaza fa ny teny hoe mitoetra dia ahitana ny hevi-teny hoe fijanonana maharitra sy fanoloran-tena ny Loholona Jeffrey R. Holland, dia nampianatra izy hoe:

“Ny dikan’io [teny] io izany dia hoe -mijanona—fa mijanona mandrakizay.- Izany no fanasana avy amin’ny hafatry ny filazantsara. … Manatòna, kanefa manatòna mba hijanona. Manatòna amim-pinoana sy faharetana. …

“Hoy i Jesoa hoe: -Raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona- [Jaona 15:5]. Mijoro ho vavolombelona aho fa izany no fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. I Kristy dia zava-drehetra ho antsika ka tokony -hitoetra- ao Aminy mandrakariva isika, tsy voahozongozona, amim-pahatokiana, mandrakizay. Mba hampitsiriana ny voan’ny filazantsara sy hitahian’izany ny fiainantsika dia tsy maintsy mifatotra Aminy mafy isika, dia ny Mpamonjy antsika rehetra, ary amin’ny Fiangonany, izay mitondra ny anarany masina. Izy no voaloboka izay loharanon-kery tena izy ho antsika ary ilay hany loharanon’ny fiainana mandrakizay. Tsy vitan’ny hoe haharitra fotsiny isika raha mitoetra ao Aminy fa hahomby sy handresy ihany koa amin’ny asany masina izay tsy handiso fanantenana antsika mihitsy” (“Abide in Me,” Ensign na Liahona, mey 2004, 32).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny Fanahy. “Tsy misy olombelona mpampianatra afaka manolo ny Fanahy na manam-pahaizana sy traikefa toy ny inona aza izy. Saingy afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika mba hanampy ny zanany hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Mba hanatanterahana izany dia asaintsika mba ho ao amin’ny fiainantsika ny fitarihan’ny Fanahy ary amporisihintsika ireo izay ampianarintsika mba hanao izany koa. … Ankoatra izany, ny hira masina, ny soratra masina, ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany, ny fanehoana fitiavana sy fizarana fijoroana ho vavolombelona, ary ireo fotoana handinihan-tena mangina dia afaka manasa daholo ny fanatrehan’ny Fanahy ” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).