Avia, hanaraka Ahy
17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita-


“17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Kristy eo anatrehan’i Pilato

Ecce Homo, nataon’i Antonio Ciseri

17–23 jona

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

“Vita”

Atombohy amin’ny famakiana ombam-bavaka ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary ny Jaona 19 ny fiomananao hampianatra. Tadidio fa afaka ny hanao fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ianao rehefa miaina mba ho mendrika ny Fanahy.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mety hanampy ny manoratra teny na andian-teny vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe mba hampahatsiahivana an’ny mpianatra ireo zava-nitranga tantaraina ao amin’ireo toko amin’ity herinandro ity. Angataho ny mpianatra hanoratra teny vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe izay mamariparitra ny zavatra tsapany rehefa mamaky momba ireo zava-nitranga ireo izy ireo. Nahoana izy ireo no nahatsapa izany?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

Ny fahavononan’i Jesoa Kristy hijaly dia mampiseho ny fitiavany ny Ray sy ny fitiavany antsika rehetra.

  • Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny fomba hanehoan’ny tantaran’ny nahafatesan’ny Mpamonjy ny fitiavany, dia manandrama manao asa tahaka ity: Omeo sarina fo vita amin’ny taratasy ny mpianatra tsirairay, dia asao izy ireo hanoratra eo amin’ny sary fon’izy ireo andian-teny avy ao amin’ny 1 Korintiana 13:4–7 izay mamariparitra ny fiantrana. Dia angataho izy ireo avy eo hamakafaka ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; na ny Jaona 19 dia hanoratra andinin-tsoratra masina vitsivitsy ao ambadik’ilay sary fon’izy ireo, izay maneho ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ilay fitiavana fariparitana ao amin’ilay andian-teny nofidin’izy ireo. Avelao hizara ny zavatra hitany izy ireo. Inona no zavatra niainana nanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fitiavan’ny Mpamonjy?

    Sary
    satroka tsilo

    “Nandrandrana satroka tsilo [ny miaramila], ka nasatrony ny lohany” (Marka 15:17).

  • Inona no azonao atao mba hamporisihana ny mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny zavatra nianarany tamin’ity herinandro ity? Asao ny mpianatra hitady hira iray ao amin’ny fihirana izay mamariparitra ireo zava-nitranga novakin’izy ireo na ny zavatra tsapany momba ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny Fanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Hiaraho mihira ny iray na ny maromaro amin’ireo hira ireo. Ahoana no ahafahan’ny fandalinana momba ireo ora farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy teto an-tany mitarika antsika hatoky sy hanarana Azy?

  • Afaka manampy ny mpianatra hahazo an-tsaina ireo zavatra nitranga izay novakiny tamin’ity herinandro ity ny sary namboarina (mety hanampy ny sary ato amin’ity hevitra hoenti-mandalina ity, sy ny ao amin’ny hevitra hoenti-mandalina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, na ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana). Afaka mizara ny mpianatra ho vondrona maromaro ianao angamba dia manome sary iray an’ny vondrona tsirairay. Afaka miara-mamaky ireo andinin-tsoratra masina mamariparitra ny zavatra haseho eo amin’ny sariny ireo vondrona. Afaka miresaka ny dikan’ireo andinin-tsoratra masina izy ireo ary mizara ny fomba nanampian’ilay sary azy ireo hahatakatra tsaratsara kokoa an’ireo andinin-tsoratra masina. Afaka mizara ny heviny amin’ny mpianatra rehetra ny vondrona tsirairay. Azonao atao koa ny mandefa ireo horonan-tsary hoe “Jésus est condamné devant Pilate” sy ny “Le Sauveur est flagellé et crucifié” (LDS.org).

  • Tsy ho afaka ny hiresaka ny antsipiriany rehetra momba ireo ora farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ianao, kanefa inty misy asa atao izay afaka manampy anao hiresaka ireo antsipirian-javatra izay manan-danja indrindra amin’ireo olona ampianarinao. Asao ny mpianatra tsirairay hifidy toko iray avy amin’ny vakiteny atao amin’ity herinandro ity dia handany minitra vitsivitsy hamaky tsara izany, hitady teny iray, na andian-teny iray, na singa iray izay mampianatra azy ireo zavatra manan-danja momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy. Omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra hitany sy hanazava ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo.

Matio 27:14–60

Nahita mialoha ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny Fanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana ireo mpaminany fahiny.

  • Mety hanamafy orina ny finoan’ireo izay ampianarinao ny mahafantatra fa nilaza mialoha ny maro tamin’ireo zava-nitranga tao anatin’ireo ora farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy teto an-tany ireo mpaminany fahiny. Fomba iray hanampiana ny mpianatra hianatra ireo faminaniana ireo sy hahita ny fomba naha-tanteraka azy ireo ny fanomezana an’ny olona tsirairay ny iray na ny maromaro amin’ireo soratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mangataka azy ireo hitady ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Matio 27 izay mampiseho ny fomba nahatanterahan’ireo soratra masina. Afaka manao tabilao mampifandray ireo faminaniana amin’ny fahatanterahan’izany ianao. Afaka mandroso sosokevitra amin’ny mpianatra ianao mba hanoratan’izy ireo ireo andinin-tsoratra masina ahitana ireo faminaniana eo amin’ny sisin’ny soratra masin’izy ireo ao amin’ny Matio 27. Inona no ianarantsika avy amin’ireo faminaniana ireo? Ahoana no hampatanjahan’ireo faminaniana ireo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Matio 27:27–49; Marka 15:16–32; Lioka 23:11, 35–39; Jaona 19:1–5

Tsy afaka manakana ny asan’ Andriamanitra ny fanoherana.

  • Mety efa niaina fanoherana, toy ny hoe notsaratsaraina na nesoesoina, ny sasany amin’ireo mpianatrao rehefa niresaka ny zavatra inoany na niezaka niaina mifanaraka amin’ny zavatra inoany. Atombohy amin’ny fangatahana mpianatra vitsivitsy hizara zavatra niainana izay nitrangan’izany ny fifanakalozan-kevitra ataonareo. Inona no navalin’izy ireo izany? Asao ny mpianatra hamaky ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary ny Jaona 19 izay mitantara ny fanenjehana natrehan’ny Mpamonjy. Inona ireo karazana fanoherana izay atrehan’ny asan’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’ny Mpamonjy izay afaka manampy antsika hiatrika fanoherana amin’izao androntsika izao? Ireo soratra masina hafa afaka manampy antsika rehefa miatrika fanoherana dia ahitana ny Matio 5:10; Romana 12:14; 2 Timoty 3:10–12; Almà 1:19–28; ary ny 3 Nefia 12:10–12. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Lioka 23:34–43

Manolotra fanantenana sy famelan-keloka ho antsika ny Mpamonjy.

  • Hanampy ny mpianatrao ve ny hamaky ilay tantaran’ny Mpamonjy nangataka ny Ray hamela ny helok’ireo miaramila sy nanome fanantenana an’ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana? Zarao ho vondrona roa ny mpianatra dia omeo andraikitra ny vondrona iray hamaky ny Lioka 23:34–38   ary ilay vondrona iray hafa hamaky ny Lioka 23:39–43. Afaka mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo ny mpikambana ao amin’ny vondrona tsirairay ary avy eo dia mizara ny heviny amin’ny mpianatra rehetra. Ahoana no hahafahantsika manaraka ny ohatry ny Mpamonjy?

  • Mba hanampiana izay mpianatra ao amin’ny kilasinao mety manana olana amin’ny famelana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa dia zarao ilay teny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; ary ny Jaona 20–21 mandritra ny herinandro manaraka, dia angataho izy ireo hieritreritra ny zavatra holazain’izy ireo amin’ny olona iray izay nilaza hoe “mila mahita aho vao mino.” Lazao azy ireo fa ny vakiteny amin’ny herinandro manaraka dia hanampy azy ireo hiresaka momba io olana io.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

Sary maneho ny fanenjehana, ny fijaliana, ary ny fahafatesan’i Jesoa.

Faminaniana taloha momba ny fitsarana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy.

Ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny famelan-keloka

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Mifandray akaiky tokoa amin’ny andraikitsika mba hibebaka ny fananana hatsaram-panahy mba hamela ny hafa hanao toy izany koa—tokony hamela heloka tahaka ny hamelana antsika mihitsy isika. Mandray anjara amin’ny fitsipika fototra indrindran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika amin’izany. Azo antoka fa ny fotoana tena feno voninahitra indrindra tamin’io zoma nampidi-doza io, rehefa nihovitrovitra ny zava-boahary ary rovitra ny voalin’ny tempoly, dia ilay fotoana feno famindram-po tsy hay lazaina izay nilazan’i Kristy hoe: -Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.-Amin’ny maha-mpanelanelana antsika Azy amin’ Andriamanitra dia mbola manao izany fiangaviana izany hatrany Izy amin’izao fotoana izao, ho anao sy ho ahy.

“Teto, tahaka ny tamin’ny zavatra rehetra, dia nametraka ny fenitra tokony arahantsika i Jesoa. Fohy loatra ny fiainana ka tsy tokony holaniana amin’ny fifandrafiana sesilany. Tsy tiantsika hahatadidy ny fahotantsika Andriamanitra, ka noho izany dia misy fahadisoana goavana amin’ny fiezahantsika tsy an-kiato ny mahatsiaro ny fahotan’ny hafa” (“The Peaceable Things of the Kingdom,” Ensign, nôv. 1996, 83).

Manatsara ny fampianarantsika

Misintòna hery avy amin’ny Mpamonjy. “Na dia miezaka aza ianao mba hiaina tsara kokoa toy ny niainan’ny Mpamonjy sy hampianatra tsara kokoa mba ho tahaka ny Mpamonjy, dia tsy azo ihodivirana ny mety tsy hahombiazanao indraindray. Aza kivy fa avelao aza ny fahadisoanao sy ny fahalemenao hampitodika anao any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 14).