Avia, hanaraka Ahy
10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18: -Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao-


“10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18: Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Fanasana Farany

Ary alina tamin’ izay, nataon’i Benjamin McPherson

10–16 jona.

Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18

“Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”

Vakio ny Matio 26; Marka 14; Lioka 22; ary Jaona 18, ka saintsaino ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao an-tsainao. Inona no hafatra ilain’ny mpianatrao ianarana?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara ireo zavatra nianaran’izy ireo tamin’ ity herinandro ity izay nanampy azy hahita fa misy dikany kokoa ny fanasan’ny Tompo. Inona no nataon’izy ireo ary inona no fiantraikan’izany eo amin’ny zavatra iainany rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 26:26–29; Lioka 22:19–20

Fahafahana mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy ny fanasan’ny Tompo.

  • Nahoana ny Mpamonjy no nanorina ny fanasan’ny Tompo? Nahoana isika no mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro? Inona ireo valinteny mety ho hitan’ireo mpianatra ao amin’ny Matio 26:26–29; Lioka 22:7–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79; ary ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 147–49? Ohatra, ny Miorim-paka ao amin’ny finoana dia mampianatra fa ny fanasan’ny Tompo dia fahatsiarovana ny sorona nataon’i Kristy, izay nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy. Afaka miara-mamaky ny vavaky ny fanasan’ny Tompo iianareo dia angataho ny mpianatra hitady ireo fanekempihavanana izay ataontsika ao anatin’ilay ôrdônansy. Ahoana no ahafahantsika manampy olona iray hafa hahatakatra ny hevitr’ireo fanolorantena ireo? Inona no tokony ho fiantraikan’ny fandraisantsika anjara amin’ny fanasan’ny Tompo eo amin’ny safidy ataontsika mandritra ny herinandro?

    Sary
    zatovovavy iray mandray ny fanasan’ny Tompo

    Manavao ireo fanekempihavanana nataontsika isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

  • Mety hahasoa ireo mpianatra ny mandre ny hevitry ny tsirairay momba ny fomba hahatsiarovana ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo sy mandritra ny herinandro (jereo ny F&F 6:36–37). Azonao atao angamba ny manasa azy ireo hizara izay zavatra manampy azy ireo sy ny fianakaviany hahatsiaro ny Mpamonjy sy hitandrina ireo fanekempihavanana. Inona avy ireo andininy ao amin’ny vakiteny ho an’ ity herinandro ity izay mampitombo ny fanajantsika ny fanasan’ny Tompo? Mba hahitana hevitra hafa momba ny fomba hahatsiarovantsika ny Mpamonjy, dia jereo ny Gerrit W. Gong, “Mahatsiaro Azy mandrakariva,” Ensign na Liahona, Mey 2016, 108–11.

  • Ity fifanakalozan-kevitra ity dia afaka ny ho fahafahana iray hitrandrahana miaraka amin’ireo mpianatra ny tandindon’ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no hanampian’ireo tandindona ireo antsika hifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ilay ôrdônansy? Inona no ampianarin’ireo tandindona ireo antsika momba Azy sy ny fifandraisantsika Aminy?

  • Amin’ny fiafaran’ny fifanakalozanareo hevitra momba ny fanasan’ny Tompo, dia azonao atao ny manome fotoana fohy ho an’ ireo mpianatra mba hisaintsainany sy hanoratany ny zavatra izay tsapany fa tokony hataony mba hiomanany ho amin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny herinandro manaraka. Mba hanatsarana ny maha-zavatra iainana ara-panahy ity traikefa ity, dia azonao atao ny mitendry hira iray ao amin’ny fihirana momba ny fanasan’ny Tompo mandritra ny fotoana hisaintsainan’ ireo mpianatra.

Matio 26:36–46

Lasa mitovy bebe kokoa amin’i Kristy isika rehefa misafidy ny hampilefitra ny sitrapontsika mba hanaiky ny sitrapon’ny Ray.

  • Ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanekena ny sitrapon’ny Ray dia afaka manampy ireo mpianatrao rehefa mila manao tahaka izany izy ireo. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra iray, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra tsirairay hiresaka momba ny fotoana iray izay nanekeny hanaraka zavatra iray izay fantany fa tian’ Andriamanitra hataony. Inona no namporisika azy ireo hanao izany zavatra izany? Asao ny mpianatra hamaky ny Matio 26:36–42 ka hisaintsaina ny antony naneken’ny Mpamonjy hampilefitra ny sitrapony mba hanekeny ny sitrapon’ny Rainy. Nahoana ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra no hitahy antsika amin’ny farany?

  • Mba hitrandrahana ny fitsipiky ny fanekena an’ Andriamanitra, dia azonao atao ny mangataka ny antsasaky ny mpianatra mba hamaky ny Môsià 3:19 ary ny antsasany ambiny mba hamaky ny 3 Nefia 9:20. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny dikan’ny hoe manaiky an’ Andriamanitra? Ahoana no fomba hanekentsika? Azon’ ireo mpianatra atao ny misaintsaina ny fomba ahafahan’ izy ireo mampilefitra ny sitrapony ho an’ Andriamanitra amin’ny herinandro ho avy. Ny teny nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny “Loharano fanampiny” koa dia azo ampidirina ao amin’ny fifanakalozanareo hevitra.

Matio 26:20–22, 31–35

Tokony handinika ny fiainantsika manokana isika mba hamaritana ny fomba hampiharana ny tenin’ny Tompo amintsika.

  • Mandre lesona maro momba ny filazantsara isika eo amin’ny fiainantsika, kanefa indraindray alaim-panahy isika hieritreritra fa ireo lesona ireo dia natao indrindra indrindra ho an’ny olona hafa. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny Matio 26 dia afaka manampy antsika handresy ny fironana ho amin’ izany. Mba hanombohana izany fifanakalozan-kevitra izany, dia azonao atao ny mizara ny mpianatra hivondrona tsiroaroa dia angataho ny olona iray isaky ny vondrona mba hamaky ny Matio 26:20–22 ary ny hafa kosa hamaky ny andininy 31–35. Asao izy ireo hijery ny fahasamihafan’ny valintenin’ ireo mpianatra ao amin’ireo tantara roa ireo. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny fomba nampiharan’ ireo mpianatra ny tenin’ny Mpamonjy? Mba hianarana misimisy kokoa, dia jereo ny nampiasan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ny Matio 26:21–22 ao amin’ ilay hafany hoe “Moa izaho va izany, Tompoko” (Ensign na Liahona, nôv. 2014, 56–59).

Matio 26:36–46

Nanatanteraka Sorompanavotana tsisy fetra ho antsika i Jesoa Kristy.

  • Asao ireo mpianatra hizara ireo hevi-baovao izay hitany, tamin’ny fandalinana ny soratra masina nataony manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany, momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Ny Matio 26 dia milazalaza ny zavatra nitranga tao Getsemane, kanefa moa ve takatr’ireo mpianatrao ny lanjan’ izany eo amin’ny fiainan’ izy ireo? Mba hanampiana azy ireo, dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe: Inona no nitranga tao Getsemane? sy ny hoe Nahoana izany no manan-danja amiko? Afaka miasa tsirairay na anaty vondrona kely ireo mpianatra mba hahitany ny valiny ao amin’ny Matio 26:36–46; Almà 7:11–13; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Azon’ izy ireo atao koa ny mitady valiny ao amin’ny lahatenin’ny Loholona C. Scott Grow “Ny fahagagan’ny Sorompanavotana” (Ensign na Liahona, mey 2011, 108–10).

  • Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Jakôba dia miantso ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy hoe “sorompanavotana tsisy fetra” (2 Nefia 9:7). Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ izany, dia azonao atao ny mizara ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary mangataka ireo mpianatra hanao ny lisitr’ireo fomba izay maha tsisy fetra ny zavatra entin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Afaka mamaky ihany koa ireto soratra masina manaraka ireto izy ireo ka manampy ny lisitra nataony: Hebreo 10:10; Almà 34:10–14; Fotopampianara sy Fanekempihavanana 76:24; ary ny Mosesy 1:33. Ahoana no anehoantsika ny fankasitrahantsika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra hanohy ny famakiana, dia azonao atao ny manontany azy ireo raha fantany ireo zavatra fito izay nolazan’ i Jesoa rehefa teo ambony hazofijaliana Izy. Lazao azy ireo fa hahita ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy izy ireo amin’ny famakiana ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary ny Jaona 19.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18

Horonan-tsary momba ny Baiboly (LDS.org).

“La dernière cène”

Ny fampileferana ny sitrapontsika mba hanaiky ny an’ny Ray.

Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nampianatra hoe: “Rehefa mampilefitra ny sitraponao mba hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra ianao, dia manome Azy ilay hany zavatra azonao omena Azy marina, izay tena fanananao omenao Azy. Aza miandry ela loatra vao hitady ilay alitara na hanomboka hametraka ny sitraponao atao fanatitra eo ambonin’ izany!” (“Remember How Merciful the Lord Hath Been,” Ensign na Liahona, mey 2004, 46).

Ilay Sorompanavotana tsisy fetra

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Tsy manam-petra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotan’i [Jesoa Kristy]. Tsisy fetra koa izany mba hahafahan’ny olona rehetra ho voavonjy amin’ilay fahafatesana tsy manam-piafarana. Tsisy fetra izany araka ny voambolana noho ilay fijaliany lehibe. Tsisy fetra izany eo amin’ny lafin’ny fotoana satria namarana ilay fomba arahana hanaovana sorona biby taloha. Tsisy fetra izany raha eo amin’ny halehibeny—notanterahana indray mandeha ho an’ny rehetra izany. Ary tsy hoe mipaka hatrany amin’ny olona maro tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa mipaka ihany koa hatrany amin’ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariany. Izany dia tsisy fetra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’ny olombelona na ny fahatakaran’ny olombelona.

“I Jesoa Kristy no hany afaka nanolotra sorompanavotana tsy misy fetra toy izany satria nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty Izy. Noho izany lova tsy manan-tsahala izany dia Olona tsy misy fetra i Jesoa” (“The Atonement,” Ensign, Nôv. 1996, 35).

Nampianatra ny Filoha Heber J. Grant hoe: “Tsy vitan’ny hoe tonga i Jesoa mba ho fanomezana ho an’izao tontolo izao, fa tonga ihany koa Izy mba ho fanatitra ho an’ny isam-batan’olona. … Maty teo Kalvary ho antsika tsirairay Izy ary ny rany dia hamonjy antsika araka ny fepetra. Tsy ny firenena na ny fiarahamonina na ny vondrona manontolo, fa ny olona tsirairay” (“A Marvelous Growth,” Juvenile Instructor, des. 1929, 697).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijery amin’ny fijerin’ Andriamanitra. Miezaha mijery ireo mpianatrao tahaka ny fijerin’ Andriamanitra azy ireo, ary ny Fanahy dia hampiseho anao ny lanja masin’izy ireo sy ny fahafahany avy amin’ Andriamanitra hahavita zavatra manan-danja. Rehefa manao izany ianao, dia hahazo fitarihana amin’ny ezaka ataonao mba hanampy azy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).