Avia, hanaraka Ahy
27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21: -Ho tonga ny Zanak’ olona-


“27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21: -Ho tonga ny Zanak’ olona-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Fiaviana Fanindroany

Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’i Harry Anderson

27 mey–2 jona

Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21

“Ho tonga ny Zanak’ olona”

Aza adinoana ny manomboka ny fiomananao hampianatra amin’ny famakiana ombam-bavaka ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; ary ny Lioka 21. Mikatsaha fitaomam-panahy samirery, avy eo dia jereo ity rindran-damina ity mba hahazoanao hevitra fanampiny.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny vakiteny ho an’ ity herinandro ity, toy ny hoe ilay hazon’ aviavy, ilay lehilahy tsara fanahy sy ilay mpangalatra, ilay mpanompo mahatoky sy ilay mpanompo ratsy fanahy, ireo virijiny folo, ny talenta, ary ilay ondry sy ireo osy. Asao ny mpianatra hizara ireo fahamarinana niainaran’izy ireo avy amin’ ireo fanoharana ireo ka afaka manampy azy hiomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Inona no ataon’ izy ireo mba hampiharana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Joseph Smith—Matio 1:21–37

Ireo faminaniana momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia afaka manampy antsika hiatrika ny hoavy amim-pinoana.

  • Mety ho sarotra amin’ny mpianatra sasany ny mahatakatra ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Mety hanampy azy ireo ny miasa anaty vondrona ka mamantatra ireo famantarana izay hitany ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:21–37. Mety hanampy azy ireo ihany koa hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ireo famantarana ireo ny fampitahany izany amin’ny famantarana eny amin’ny lalana. Nahoana no zava-dehibe ireo famantarana eny amin’ny lalana? Inona no tian’izany holazaina mikasika ny famantarana momba ny Fiaviana Fanindroany? Azonao atao mihitsy aza ny manome taratasy miendrika famantarana eny amin’ny lalana ho an’ny vondrona tsirairay ary manasa azy ireo hanoratra famantarana izay mialoha ny Fiaviana Fanindroany eo amin’ny taratasy tsirairay. Avelao izy ireo hizara ny zavatra hitany, ary asao ny rehetra hifanakalo hevitra momba ny porofon’ny fisian’ ireo famantarana ireo eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny.

  • Ao amin’ny rindran-damina ho an’ ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana, dia nasaina ireo mpianatra mba hitady torohevitra ao amin’ ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fomba ahafahantsika tsy “[m]atahotra” mandritra ireo tranga izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany (jereo koa ny tenin’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Mampisehoa sary iray maneho ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny Ny Fiaviana Fanindroany, Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 66), ary asao ireo mpianatra hizara ireo andinin-tsoratra masina izay noraketiny an-tsoratra tamin’ny fandalinany manokana. Nahoana no fitahiana ho antsika ny mahafantatra momba ireo tranga izay hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Joseph Smith—Matio 1:26–27, 38–55; Matio 25:1–13

Tokony ho vonona hatrany isika ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

  • Na dia nangataka antsika ho vonona hatrany ho amin’ny Fiaviany Fanindroany aza ny Mpamonjy, dia mora ny lasa roboka anatin’ny fiainana andavanandro ka tsy mieritreritra loatra momba izany. Ilay fanoharana ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:26–27, 38–55 sy ny Matio 25:1–13 dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny hoe niomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany. Asao ny mpianatra hitady ireo fanoharana sy fampitahana ireo ka hizara izay zavatra ampianarin’ izany momba ny hoe niomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany. Angamba ny mpianatra iray na roa dia afaka tonga amim-pahavononana hizara fomba hafa kely hanehoana ny iray amin’ ireo fanoharana ireo.

  • Ny fanoharana momba ireo virijiny folo dia afaka manampy ireo mpianatra hieritreritra ny fiomanany ara-panahy hihaonany amin’ny Mpamonjy. Ny Loholona David A. Bednar dia nanome fanazavana momba io fanoharana io izay afaka manampy (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Ny mpianatra dia afaka mifanakalo hevitra momba ny zavatra azontsika atao eo amin’ny fiainantsika andavanandro mba hahatonga antsika ho miova fo tanteraka ho an’ny filazantsara. Nahoana isika tsirairay no mila miaina fiovam-po ho antsika manokana? Inona no entin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57 hanampiana ny fahatakarantsika io fanoharana io?

  • Azonareo atao ny miara-mihira fihirana momba ny Fiaviana Fanindroany ary mifanakalo hevitra momba ny hafatra izay ampianarin’ izany (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

Matio 25:14–46

Amin’ny fitsarana farany, dia hanao tatitra ny amin’ny fiainantsika amin’ny Tompo isika.

  • Ny fanoharana ny amin’ny talenta sy ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy dia afaka mitaona antsika hieritreritra ny tatitra momba ny fiainantsika izay hataontsika amin’ny Tompo amin’ny Fitsarana Farany. Azonareo atao ny miara-mamaky ireo fanoharana ary manasa ny mpianatra tsirairay hizara fanontaniana iray izay mety hapetraky ny Mpamonjy rehefa manome ny tatitra momba ny fiainantsika isika. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hanomana ireo fomba izay hanaovany asa araka ny fahatsapana izay voarainy nandritra ny fifanakalozan-kevitra.

    Sary
    ondry sy osy

    Nampiasa ny ondry sy ny osy i Kristy mba hampianarana momba ny Fitsarana Farany (jereo ny Matio 25:31–33).

  • Azonao atao ny miverina mijery miaraka amin’ ireo mpianatra ny famaritana ny Fitsarana Farany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitsarana Farany,” scriptures.lds.org. Avy eo dia azonao angatahina ireo mpianatra mba hijery soratra masina vitsivitsy momba ny hoe hanao ahoana ny Fitsarana Farany, toy ny Almà 5:17–25. Mitaona antsika hanao inona ireo soratra masina ireo mba hiomanana amin’ izany andro izany?

  • Mba hitaomana ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny Matio 25:34–40, dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hizara ohatra ny amin’ny olona izay mampiseho ilay fangorahana izay voalazalaza ao amin’ ireo andininy ireo. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana hoe iza no mety mila ny fanompoany. Inona avy ireo fomba mandaitra ahafahantsika mamahana ny noana, mampitafy ny mitanjaka, ary mamangy ny marary?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny Jaona 13–17 mandritra ny herinandro manaraka, dia asaivo mieritreritra izy ireo hoe inona no holazainy amin’ny zanakalahy iray na zanakavavy iray alohan’ny handehanany hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Ho hitantsika ao amin’ny Jaona 13–17 ireo torolalana farany nomen’ny Mpamonjy ho an’ireo mpianany talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21

Hira mikasika ny Fiaviana Fanindroany

  • “Mifalia,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 64

  • “Ndao ry zanaky ny Tompo,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 58

  • “O viens Toi Roi des rois,” Cantiques, no. 29

  • “Oui, je crois en Christ,” Cantiques, no. 71

  • “Oh, quel bonheur,” Cantiques, no. 123

Ny diloilon’ny fiovam-po.

Nanome ity fanazavana azo omena momba ny fanoharana momba ny virijiny folo ity ny Loholona David A. Bednar manao hoe:

“Raiso ho toy ny soliky ny fiovam-po ilay solika [jereo ny Matio 25:4–9]. …

“Tia tena sy tsy te hizara ve ireo virijiny dimy hendry, sa nampiseho marina izy ireo fa tsy afaka indramina ny soliky ny fiovam-po? Azo omena olona iray hafa ve ny tanjaka ara-panahy izay azo avy amin’ny fankatoavana tsy tapaka ny didy? Azo afindra amin’ny olona iray izay mila izany ve ny fahalalana azo avy amin’ny fandalinana amim-pahazotoana sy ny fisaintsainana ny soratra masina? Azo afindra amin’ny olona iray izay miaina fahoriana na olana goavana ve ny fiadanana entin’ny filazantsara amin’ny Olomasin’ny Andro Farany? Ny valiny mazava ho an’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo dia tsia.

“Araka ny nohamafisin’ireo virijiny hendry araka ny tokony ho izy dia tsy maintsy ‘mividy ho an’ny tenantsika’ny tsirairay amintsika. Tsy namariparitra fifanarahana ara-barotra ireo vehivavy nentanim-panahy ireo fa nanamafy ny andraikitsika tsirairay mba hihazona ny fanalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika hiredareda sy hahazo ny fanampin-tsoliky ny fiovam-po betsaka. Azo indray mitete isak’izay mandeha ity solika sarobidy ity—-andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [ary] fitsipika anampy fitsipika- (2 Nefia 28:30), amim-paharetana sy tsy an-kijanona” (“Miova fo ho ao amin’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 109).

Aza matahotra.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Na dia mety hiangona aza ny rahon’ny orambaratra, na dia hirotsaka amintsika aza ny orana, dia hampionona sy hanohana antsika ary hitondra hafaliana ao am-pontsika rehefa mandeha am-pahitsiana sy mitandrina ny didy ny fahalalantsika ny filazantsara sy ny fitiavana ny Raintsika any an-danitra ary ny Mpamonjy antsika. …

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala, aza matahotra. Matokia. Mamiratra toy ny finoanareo ny hoavy” (“Matokia,”Ensign na Liahona, mey 2009, 92).

Manatsara ny fampianarantsika

Alao antoka fa mampianatra fotopampianarana marina ianao. “Manontania tena tsy tapaka hoe: -Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra ampianariko an’ireo mpianatro mba hanorina finoana an’i Kristy, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary handray ny Fanahy masina?-” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).