Avia, hanaraka Ahy
20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy-


“20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“20–26 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
lehilahy iray eo ambony hazo eo ampanatonan’i Jesoa

Zakaiosy eo amin’ilay hazo aviavy, nataon’i James Tissot

20–26 mey

Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

“Indro, ny Mpanjakanao avy”

Rehefa mamaky ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; ary Jaona 12 ianao dia eritrereto ireo fanontaniana azonao apetraka izay hanampy amin’ny fanomezana izay ilain’ireo mpianatrao. Hitaona anao ny Fanahy Masina mba hahafantatra hoe inona no fanontaniana sy fitsipika, tafiditra ao anatin’izany ireo izay voalaza ato amin’ity rindran-damina ity, izay tena hanome indrindra ireo zavatra ilaina ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Manasà mpianatra vitsivitsy, mandritra ny herinandro mialoha ny fotoam-pianarana, mba hiomana hizara zavatra iray niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ireo toko nasaina nohalalinina tamin’ity herinandro ity. Inona avy ireo fitahiana azon’izy ireo rehefa nandalina ny soratra masina izy ireo nandritra ilay herinandro?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Lioka 19:1–10

Mahafantatra antsika manokana ny Mpamonjy.

  • Mety efa nisy fotoana nahatsapan’ny mpianatrao ho tsy nisy mpijery na adino angamba teo amin’ny fiainany. Ny tantaran’i Zakaiosy dia afaka manampy azy ireo hahatakatra fa mahafantatra azy ireo sy miraharaha azy ireo Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ity tantara ity amin’ny fiainan’izy ireo, dia asao izy ireo haka sary an-tsaina ny tenany ho i Zakaiosy. Araka ny eritreritrao dia inona no nianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ny zavatra niainany? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ezaka nataon’i Zakaiosy momba ny fikatsahana ny Mpamonjy?

  • Mety hanampy ihany koa ny mangataka ny mpianatra hieritreritra ireo ohatra hafa ao amin’ny soratra masina izay niantsoan’ny Tompo olona tamin’ny anarany. (Ny ohatra vitsivitsy dia nomena ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nanamafy tamin’izy ireo fa mahafantatra azy ireo manokana ny Tompo.

Matio 21:1–11; Marka 11:1–11; Lioka 19:29–44; Jaona 12:12–16

I Jesoa Kristy no Mpanjakantsika.

  • Afaka mampiditra ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fiakaran’ny Mpamonjy tao Jerosalema ny asa atao tsotra iray: Afaka manao sary eny amin’ny solaitrabe ny zavatra mifandray amin’ny mpanjaka iray, toy ny satro-boninahitra na seza fiandrianana ny mpianatra maromaro, raha toa kosa ireo hafa ka miezaka mamantatra ny sary ataon’izy ireo. Ireo mpianatra hafa dia afaka manao sarina zanaka boriky sy sampan-kazo. Inona no ifandraisan’ireo zavatra ireo amin’ny mpanjaka iray? Ianao koa dia afaka mampiseho ny sary maneho ny fiakaran’ny Mpamonjy tao Jerosalema avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary manasa ny mpianatra hamaky ny Marka 11:1–11. Ahoana no naneken’ireo olona ireo an’i Jesoa ho ny Mpanjakany? Ahoana no hitsaohantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanjakantsika Azy amin’ny alalan’ny teny sy ny asa ataontsika?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa Mpanjakantsika i Jesoa Kristy, dia azonao atao ny mangataka azy ireo hijery ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “O, viens, toi, Roi des rois,” Cantiques, lah. 29, na hira iray hafa ao amin’ny fihirana momba an’i Jesoa amin’ny maha-Mpanjakantsika Azy. Teny inona avy ao amin’ilay fihirana no mampahatsiahy antsika an’ireo fahamarinana ao amin’ny Matio 21:1–11; Marka 11:1–11; Lioka 19:29–44; ary Jaona 12:12–16?

Matio 22:34–40

Ny didy roa lehibe indrindra dia ny hitia an’ Andriamanitra sy ny hitia ny hafa tahaka ny tenantsika.

  • Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra fa ny fampifantohana ny fiainantsika amin’ny zavatra hafa ankoatra ireo didy roa lehibe dia toy ny mitifitra zanatsipìka eo amin’ny rindrina fotsy dia manao sarina faritra hokendrena manodidina ireo zanatsipìka (jereo ny “Aiming at the Center,” Ensign na Liahona, jan. 2017, 4–5). Moa ve hanampy ny mpianatra hahatakatra ny Matio 22:34–40 ny famakafakana ny hevitr’io fifanahafana io? Fomba iray hanaovana izany ny famelarana taratasy lehibe iray eo amin’ny tany dia mamela ny mpianatra hifandimby handatsaka penina na pensilihazo eo amin’izany. Ary avy eo izy ireo dia afaka manao sarina faritra hokendrena rehefa mahavoa ilay taratasy ny penina na ny pensilihazon’izy ireo ary hanisy didy ho atao anaran’ny faritra nokendrena tsirairay avy. Rehefa avy miara-mamaky ny Matio 22:34–40 ianareo dia afaka manao sarina faritra hokendrena vaovao manodidina ireo faritra nokendrena hafa ianao dia hampitondra an’izany ny anarana hoe “Tiavo Andriamanitra dia tiavo ny namanao.” Ahoana ho hanampian’ny fifantohana amin’ireo didy roa lehibe antsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra hafa? Ahoana no hakantsika antoka fa mampifantoka ny fankatoavantsika amin’ireo didy roa ireo isika?

Matio 23:13–33

Ho voaro isika rehefa miala amin’ny fanarahana mpitarika jamba.

  • Moa ve ireo mpianatrao hahazo tombontsoa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ilay andian-teny hoe “mpitarika jamba” izay nampiasan’ny Mpamonjy hamariparitana an’ireo Fariseo jamba ara-panahy sy ireo mpanora-dalàna? (Matio 23:16). Afaka mieritreritra fomba iray ianao mba hanehoana hoe manao ahoana izany manaraka olona iray tsy mahita izany. Na azon’ny mpianatra soratana eny amin’ny solaitrabe ny toetoetran’ny mpitarika jamba iray, araka izay voafariparitra ao amin’ny Matio 23:13–33. Mba hanampiana ilay lisitra dia jereo ireo soratra masina fanampiny izay mampianatra momba ny fahajambana ara-panahy, toy ny 2 Korintiana 4:3–4; 2 Nefia 9:28–32; ary ny Jakôba 4:14. Ahoana no hahafantarantsika ny mpitarika jamba sy ialantsika amin’izy ireo?

  • Azonao atao ny manampy ny mpianatra hahatakatra fa nifantoka kokoa tamin’ny volamena sy ireo fanomezana tao amin’ny tempoly ireo mpanora-dalàna sy Fariseo fa tsy tamin’ny tena lanjan’ny tempoly marina (jereo ny Matio 23:16–22). Mba hanaovana izany dia zarao ilay fanoharana momba ilay voahangy sy ilay boaty izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no mety hahavariana antsika ka tsy hahazo ny tena fitahiana avy amin’ny tempoly? Avy amin’ny fanasan’ny Tompo?

Sary
lehilahy roa mivavaka ao amin’ny tempoly

Ilay mpamory hetra nibebaka sy ilay Fariseo mihevi-tena ho marina ao amin’ny tempoly, nataon’i Frank Adams

Jaona 12:42–43

Afaka manakana antsika tsy ho lasa mpianatra mahery fo an’i Jesoa Kristy ny dera avy amin’ny olona.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Naminany ny Mpamonjy fa amin’ny andro farany dia mety ho voafitaka na dia “ny olom-boafidy” aza (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:22). Mba hanampiana ny mpianatra hahazo fitaomam-panahy hamaky ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; ary ny Lioka 21 amin’ny herinandro manaraka,dia azonao lazaina azy ireo fa ho hitan’izy ireo ao amin’ireo toko ireo ny zavatra faran’izay manan-danja hialana amin’ny fitaka amin’izao andro farany izao.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

Mahafantatra anareo tsirairay avy ny Ray any An-danitra.

Nanambara ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa efa nahafantatra anareo tsirairay Andriamanitra … efa hatry ny ela dia ela (jereo ny F&F 93:23). Nitia anareo nandritra ny fotoana ela dia ela Izy. Tsy vitan’ny hoe mahafantatra ny anaran’ireo kintana rehetra fotsiny Izy (jereo ny Salamo 147:4; Isaia 40:26); fa fantany koa ny anaranareo sy ny alahelonareo ary ny fifalianareo rehetra!” (“Remember How Merciful the Lord Hath Been,” Ensign na Liahona, mey 2004, 46).

Ohatra amin’ireo fotoana niantsoan’ny Mpamonjy olona tamin’ny anarany.

Fanoharana momba ilay voahangy sy ilay boaty.

Nizara ity fanoharana ity ny Filoha Boyd K. Packer: “Nahita an’ilay voahangy lafatra indrindra ihany nony farany ny lehilahy iray mpivarotra izay mitady firavaka sarobidy. Ny mpanao asatanana mahay indrindra no nasainy nandrafitra boatina firavaka faran’izay tsara sy nanosona lamba velory manga tao anatin’izany. Narantiny ny voahangy lafo vidiny mba hankafizan’ny hafa ny hareny. Nijery teo izy rehefa tonga nijery izany ny olona. Vetivety dia niala teo tamin’alahelo izy. Ilay boaty no nahafinaritra azy ireo, fa tsy ilay voahangy” (“The Cloven Tongues of Fire,” Ensign, mey 2000, 7).

Manatsara ny fampianarantsika

Aza miezaka ny hampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny lesona. “Misy zavatra maro tokony hifanakalozana hevitra ao anatin’ny lesona tsirairay, saingy tsy ilaina ny mampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny fotoam-pianarana iray mba handona ny fon’olona iray—hevi-dehibe iray na roa matetika dia ampy. Rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny mpianatra ianao dia hampian’ny Fanahy mba hahafantatra izay fitsipika na tantara na soratra masina hanan-danja manokana amin’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).