Avia, hanaraka Ahy
13–19 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?-


“13–19 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: -Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“13–19 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
mpiasa ao amin’ny tanim-boaloboka

13–19 mey

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”

Rehefa mandalina ny Matio 19–20; Marka 10; ary ny Lioka 18 ianao dia eritrereto ombam-bavaka ny zavatra mety efa nianaran’ireo mpianatra na tsapany tao anatin’ny fandalinany manokana.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mety hanampy ny miresadresaka tsindraindray ny zavatra niainan’ny mpianatra izay mifandray amin’ny fanamafisana bebe kokoa tamin’ity taona ity ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Inona no zavatra niainana nahitam-pahombiazana azon’izy ireo zaraina? Inona no sakana na ny olana atrehan’izy ireo? Inona no torohevitra azon’izy ireo hifanomezana?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 19:3–9

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra.

  • Mihataka hatrany hatrany amin’ny fahamarinana mandrakizay ny hevitr’izao tontolo izao momba ny fanambadiana. Mba hanampiana ny mpianatrao hianatra mikasika ny hevitr’ Andriamanitra momba ny fanambadiana dia azonao asaina izy ireo hamaky ny Matio 19:3–9 sy hitanisa eo amin’ny solaitrabe an’ireo fahamarinana hitan’izy ireo mahakasika ny fanambadiana. Azon’izy ireo atao lisitra ihany koa ireo fahamarinana fanampiny hitan’izy ireo ao amin’ireto manaraka ireto: Genesisy 1:27–28; 1 Korintiana 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22; 49:15–17; 131:1–4; 132:19; ary ny Mosesy 3:18, 21–24. Ahoana no hanamafisana ireo fahamarinana ireo ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”? (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahatsapa ho vonona bebe kokoa ny hanazava na hiaro ny fampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana? Afaka manasa azy ireo ianao mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fanontaniana ren’izy ireo momba ny fampianaran’ny Fiangonana mikasika ny fanambadiana. Aorian’izay izy ireo dia afaka manome ny valin’ireo fanontaniana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra fantany momba ny drafitry famonjena sy ireo teny nolazaina nalaina tao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Matio 19:3–9, ary ireo fampianarana ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Asao ny mpianatra hilalao an-tsehatra ny fomba mety hanazavan’izy ireo ny zavatra inoantsika momba ny fanambadiana amin’ny olona iray izay mino zavatra hafa.

  • Ampidiro amin’ny alalan’ity teny nindramina avy amin’ny Loholona Robert D. Hales ity ny lohahevitra momba ny fanambadiana: “Tsy misy amintsika no manambady olona fanaperana; olona manana fahafahana hivoatra no vadiantsika” (“Miatrika ireo fanamby apetrak’izao tontolo izao ankehitriny,” Ensign na Liahona, nôv. 2015, 46). Asao ny mpianatra hieritreritra mpivady mahafinaritra azy ireo. Inona no zavatra tsara ananan’ireo mpivady ireo? Inona avy ireo zavatra tsara tian’ireo mpianatra ho hita ao amin’ny vady iray, ary inona ireo zavatra tsara tian’izy ireo ampitomboina mba ho lasa vady tsara. Eritrereto ihany koa ny teny nambara azonao ampiasaina avy amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fanambadiana mandrakizay” (Ensign na Liahona, nôv. 2008, 92–95) mba hanampiana ny mpianatra hikatsaka ny fanambadiana mandrakizay.

Sary
mpivady zokiolona eo anoloan’ny tempoly

Ampahany amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana mandrakizay

Matio 20:1–16

Afaka mahazo ny fiainana mandrakizay ny rehetra, na aloha toy ny ahoana na tara toy ny ahoana no hanekentsika ny filazantsara.

  • Inona no hanampy ireo mpianatrao hampihatra ireo fitsipika ao amin’ilay fanoharana momba ny mpiasa tao amin’ny tanim-boaloboka? Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao hanomana teatira hilalaovana ilay fanoharana mba haseho amin’ny iray kilasy. Aorian’ny filalaovana an-tsehatra dia afaka mizara ny zavatra tsapany momba ny karama azony sy ny anton’izany ireo olona milalao eo amin’ny toeran’ireo mpiasa. Inona no resahan’io fanoharana io momba ny fanjakan’ny lanitra? Inona no hevi-baovao fanampiny azon’ny mpianatra momba io fanoharana io avy amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Ireo mpiasa ao amin’ny tanim-boaloboka”? (Ensign na Liahona, mey 2012, 31–33).

Matio 19:16–22; Marka 10:17–27

Hitarika antsika hanakaiky Azy bebe kokoa ny Mpamonjy rehefa mangataka ny fanampiany isika.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hamantatra sy hampihatra ireo fitsipika ao amin’ilay tantaran’ilay tovolahy mpanan-karena? Fomba iray azo hanaovana izany ny mangataka azy ireo hamaky ny Marka 10:17–27 sy hieritreritra raha efa nanana fahatsapana tahaka ny an’ilay tovolahy mpanan-karena izy ireo. Inona no nanampy azy ireo hanaraka ny torohevitry ny Mpamonjy na dia sarotra aza izany? Misy olona ve ao an-dakilasy afaka mizara zavatra niainana izay nanontaniany hoe “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” (Matio 19:20) sy nahazo bitsiky ny Fanahy ho azy manokana mba hihatsara? Inona no novain’izany teo amin’ny fiainany?

Lioka 18:9–14

Tokony hatoky ny famindram-pon’ Andriamanitra isika, fa tsy ny fahamarinan’ny tenantsika manokana.

  • Ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy izay mampitaha ny vavaka nataon’ny Fariseo iray amin’ny vavaka nataon’ny mpamory hetra iray dia afaka manampy anao hanamafy ilay fomba fisainana izay angatahan’ny Tompo mba hananan’ireo izay mikatsaka ny hanaraka Azy. Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra io fanoharana io amin’izao androntsika izao dia afaka manasa azy ireo ianao hamerina hanoratra ny vavaka nataon’ilay Fariseo amin’ny alalan’ny fampiasana antsipirian-javatra maoderina kanefa miresaka io fomba fisainana io ihany. Azon’izy ireo atao toy izany koa ny vavak’ilay mpamory hetra ary avy eo izy ireo dia hizara ny zavatra nosoratany. Inona no hifandraisan’ny andininy 15–17 sy ny 18–24 amin’izay ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’io fanoharana io?

  • Ahoana no ahafahan’ireo andininy ireo mankahery ireo izay ampianarinao mba hijanona ho manetry tena tahaka ilay mpamory hetra? Mety afaka hanampy angamba ity teny nambara manaraka mahakasika ireo andininy ireo ity, izay nolazain’ny Loholona Dale G. Renlund: “Mazava ny hafatra ho antsika: manakaiky kokoa an’ Andriamanitra ny mpanota iray izay mibebaka noho ny olona mihevi-tena ho marina sy ho mpitsaratsara fahatany” (“Ilay Mpandry Tsarantsika,” Ensign na Liahona, mey 2017, 31).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatrao handalina ny Matio 21–23; Marka 11–12; Lioka 19–20; ary ny Jaona 12, dia anontanio izy ireo hoe: “Inona no hataonao raha herinandro sisa no anananao mba hiainana?” Lazao azy ireo fa ireo toko ireo dia mampahafantatra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy tao anatin’ilay herinandro farany teo amin’ny fiainany.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

Ny fanambadiana dia fototry ny drafitr’ Andriamanitra.

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namoaka an’ity fanambarana ity mahakasika ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy:

“Mamporisika ny rehetra izahay mba hahatsiaro ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra tamin’ny nahariany ny tany ary ny nanomezany ny fahaterahantsika eto an-tany sy ireo zavatra iainana ety amin’ny maha-zanany antsika [jereo ny Genesisy 1:27–28; 2:24]. … Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia napetrak’ Andriamanitra ary fototry ny drafiny ho an’ny zanany mba ho soa ho an’ny fiaraha-monina. …

“… Miandry antsika hanohana sy hitandrina ny didiny Andriamanitra na dia eo aza ireo fomba fihevitra na fironana mifanohitra amin’izany eo amin’ny fiaraha-monina. Mazava ny lalàn’ny fitondrantena nataony: tsy azo atao ny firaisana ara-nofo raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mpivady ara-dalàna ihany” (“LDS Church Instructs Leaders Regarding Same-Sex Marriage,” 10 jan. 2014, mormonnewsroom.org).

Fanazavana fanampiny mikasika ny fanambadiana

“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia mety hanampy amin’ny firesadresahana ny antony hampitandreman’ireo mpaminan’ny Tompo amin’izay zavatra mifanohitra amin’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Mety hanampy koa ireto tolokevitra manaraka ireto:

  • Ny fanambadiana dia rafi-pisainana maharitra mandrakizay. Fianakavian’ Andriamanitra isika rehetra, ary ny drafiny dia ny hivadian’ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny hamehezana azy ireo mba hahafahany miaina ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay (jereo ny Genesisy 2:18, 21–24; 1 Korintiana 11:11).

  • Ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra dia didina ny mpivady mba hihabetsaka sy hameno ny tany (jereo ny Genesisy 1:28) ary hitaiza ny zanak’izy ireo amim-pahamarinana.

  • Ny tanjona faratampon’ny drafitr’ Andriamanitra dia ny fisandratana, na ny fiainana mandrakizay, eo anatrehan’ Andriamanitra, toerana izay hahafahan’ny mpivady mahazo fitohizan-taranaka sy fifaliana mandrakizay (jereo ny FF 132:19–21). Ny drafitr’ Andriamanitra no hany fomba hahatratrarana ny fisandratana (jereo ny FF 131:1–4).

  • Ny Tompo dia miandry antsika haneho fitiavana sy fangorahana an’ireo izay mamporisika na mandray anjara amin’ny zavatra hafa ankoatra ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fanambadiana, toy ny fanaovana tokantrano imaso na ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy (jereo ny mormonandgay.lds.org). Ny fangorahana marina dia ahitana ny fanaovana izay tsara indrindra azontsika atao mba hanasa amim-pitiavana sy amim-paharetana azy ireo hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra, izay hany drafitra mitondra fifaliana marina. Ny fanohanana na ny fankatoavana ireo safidy hafa ankoatra ny drafitr’ Andriamanitra dia manimba kokoa fa tsy manampy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mila ny talenta sy ny fahaizana miavaka anananao Andriamanitra. “Afaka mitahy ny zanak’ Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ny fampiasanao ny fitiavanao ny hafa sy ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra anao ary ireo zavatra niainanao teo amin’ny fiainana. Rehefa manompo amim-pahatokiana ianao sy mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra dia hampivoatra anao Izy ary hitombo ny fahazainao mampianatra ny filazantsara araka ny fomban’ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).