Avia, hanaraka Ahy
1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9: -Hianao no Kristy-


“1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9: -Hianao no Kristy-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“1–14 aprily. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Fiovan’i Kristy tarehy

Ny fiovan-tarehy, nataon’i Carl Heinrich Bloch

1–14 aprily.

Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9

“Hianao no Kristy”

Inona no hafatra norenesinao na novakianao avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany izay afaka manamafy ny fotopampianarana ao amin’ireo toko ireo? Rehefa mandalina ianao, dia saintsaino ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ary raketo an-tsoratra izay zavatra rehetra tsapanao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny fomba iray azonao amporisihana ireo mpianatra mba handalina manokana sy handalina miaraka amin’ny fianakaviany ny soratra masina dia ny manasa azy ireo hizara isan-kerinandro ny fomba nitahiana ny fiainany noho ny fandalinany ny soratra masina. Ohatra, inona no fiantraikan’ny fandalinan’izy ireo an’ireo toko ireo teo amin’ny fanarahany ny fihaonamben’ny Fiangonana?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 16:13–17

Tonga amin’ny alalan’ny fanambarana ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

  • Misy amin’ireo mpianatrao ve no efa tsy maintsy nanazava tamin’olona hoe ahoana no ahafantarany fa marina ny filazantsara? Inona no nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 16:13–17 momba ny fomba handraisantsika fijoroana ho vavolombelona? Azonao zaraina ny fomba nahazoan’i Almà ny fijoroana ho vavolombelona ananany (jereo ny Almà 5:45–46) na ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Oliver Cowdery momba ny fanambarana (jereo ny F&F 6:14–15, 22–23; 8:2–3). Inona raha ny hevitrao no mety nolazain’i Petera na i Almà na i Oliver Cowdery raha nisy olona nanontany azy ireo hoe ahoana no ahafantarany fa marina ny filazantsara?

  • Mety hisy olona ao amin’ny kilasinao izay mivavaka mba hahazo fanambarana ho azy manokana, saingy tsy mahalala ny fomba hamantarana izany rehefa tonga ilay izy. Nampiasa zavatra iainana roa mahazatra ny Loholona David A. Bednar mba hampianarana momba ny fomba hahazoantsika fanambarana. Azonao atao ny mizara amin’ireo mpianatra ny fanazavana nomen’ny Loholona Bednar (jereo ny “Ny Fanahin’ny Fanambarana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 87–90. Inona koa ny fampianarana na tantara hafa ao amin’ny soratra masina izay azon’ireo mpianatrao eritreretina fa hanampy olona iray mba hamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana? (Ohatra, jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12; Galatiana 5:22–23; Enôsa 1:1–8; FF 8:2–3.)

Matio 16:13–19; 17:1–9

Tena ilaina ho an’ny famonjena antsika ireo fanalahidin’ny fisoronana.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra iray momba ny fanalahidin’ny fisoronana, dia afaka manoratra fanontaniana toy izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe ianao: Inona no atao hoe fanalahidin’ny fisoronana? Iza no mihazona ny fanalahidy? Ahoana no fomba hanomezana ireo fanalahidin’ny fisoronana? Azonao atao koa ny mizara andinin-tsoratra masina vitsivitsy izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo, toy ny Matio 16:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18–19; 128:8–11; 132:18–19, 59; ary Joseph Smith—Tantara 1:72. Ny mpianatra dia afaka mahita fanampiana fanampiny ao amin’ny Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 2.1.1; Lahatenin’ny Loholona Neil L. Andersen “Hery ao amin’ny Fisoronana” (Ensign na Liahona, nôv. 2013, 92–95); na Miorim-paka ao amin’ny finoana, 126–27. Omeo fotoana ireo mpianatra hikarohany ny valin’ny fanontaniana iray izay nofidiany. Avy eo dia afaka mifampianatra ny zavatra izay nianarany izy ireo.

  • Afaka manampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fanalahidin’ny fisoronana amin’izao andro farany izao ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny nandraisan’i Petera sy ireo apôstôly hafa ny fanalahidin’ny fisoronana teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Mba hahazoana fanentanam-panahy hanao fifanakalozan-kevitra toy izany, dia angataho ny antsasaky ny mpianatra mba handalina ny Matio 17:1–9 (jereo koa ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) ary ilay antsasany sisa mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110. Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra nianarany sy tsikariny izy ireo ary milaza ny zavatra mitovy eo amin’ireo tantara anankiroa .

  • Moa ve ireo mpianatrao mahatakatra ny fomba hitahian’ireo fanalahidin’ny fisoronana ny fiainan’izy ireo? Mba hanampiana azy ireo, dia azonao asaina izy ireo hijery ao amin’ny Boky torolalana 2, 2.1.1, ny lisitr’ireo olona izay mihazona ny fanalahidy. Iza avy ireo olona ireo ao amin’ny paroasy na tsatòka misy anao? Afaka manoratra ny anaran’izy ireo eny amin’ny solaitrabe angamba ianao na manasa ny sasany amin’izy ireo mba hiresaka amin’ny mpianatra. Ahoana no hampiasan’izy ireo ny fanalahidin’ny fisoronana izay nomena azy ireo mba hitondrana ny asan’ny fisoronana izay tafiditra ao amin’ny antsony? Ahoana no hitahiana antsika amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataon’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ireo?

Sary
sarivongan’i Petera mihazona fanalahidy

Ireo fanalahidin’ny fisoronana no fahefana hitarihana ny fampiasana ny fisoronana.

Marka 9:14–30

Rehefa mikatsaka finoana lehibe kokoa isika, dia tokony hihazona ny finoana izay efa ananantsika aloha.

  • Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampiasa ny tantaran’ny raim-pianakaviana iray izay nitady fahasitranana ho an’ny zanany mba hampianarana ny fomba tokony hanatonantsika ny Tompo rehefa tsapantsika fa tsy ampy ny finoantsika (jereo ny “Tompo ô, mino aho,” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–95). Misy hevi-dehibe telo avy amin’io lahateniny io ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Afaka mizara ireo mpianatra ho vondrona efatra angamba ianao ary manendry ny vondrona iray mba hifanakalo hevitra momba ny Marka 9:14–30 ary ny tsirairay avy ireo vondrona hafa mba hifanakalo hevitra momba ny iray amin’ireo fanamarihana telo voalazan’ny Loholona Holland. Afaka mitady hafatra ao amin’io tantara ao amin’ny soratra masina io izy ireo, izay afaka manampy azy ireo hampitombo ny finoany. Ny vondrona tsirairay dia afaka mizara amin’ny mpianatra ambiny ny hevi-baovao vitsivitsy izay nipoitra avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataony.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra handalina any an-tokantrano amin’ity herinandro ity, dia lazao azy ireo fa ny rindran-damina manaraka ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy azy ireo sy ny fianakaviany hanao Paska manan-danja kokoa. Ankoatra izany, dia azonao lazaina fa ny alahadin’ny Paska dia mety ho fotoana tsara ho azy ireo mba hanasana ireo mpikambana malaindaina na namana hafa finoana mba ho tonga any am-piangonana.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9

Mahazo fanomezam-pahefana ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny.

“Ireo vondrona fanampiny rehetra ao amin’ny paroasy sy tsatòka dia miasa eo ambany fitarihan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka, izay mihazona ireo fanalahidy ahafahana miahy. Ireo filohan’ny vondrona fanampiny sy ireo mpanolotsainy dia tsy mandray fanalahidy. Mahazo fanomezam-pahefana izy ireo hiasa ao amin’ny antsony” (Boky torolalana 2, 2.1.1).

Fanamarihana telo izay manampy antsika hahazo finoana bebe kokoa.

Rehefa avy namerina nizara ny tantara ao amin’ny Marka 9:14–29 ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra hoe:

“Ny tsara ho marihana voalohany mikasika io tantara io dia rehefa teo anatrehan’ny fanamby tokony hanehoana finoana, dia nanamarina ny tanjany aloha ilay raim-pianakaviana, avy eo vao niaiky ny tsy fahatanterahany. Ny fanambarany voalohany dia marina ary tsy nisy fisalasalana: -Tompo ô, mino aho.- Te hiteny amin’ireo rehetra izay maniry hanana finoana bebe kokoa aho hoe tsarovy io lehilahy io! Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. … Mifikira amin’izay efa fantatrareo ary mijoroa mafy mandra-pahatongan’ny fahalalana fanampiny. … Tsy ny halehiben’ny finoanao na ny halalin’ny fahalalanao no zava-dehibe—fa ny fahamarinan-toetra asehonao mikasika ny finoana anananao sy ny fahamarinana izay efa fantatrao.

“Ny tsara ho marihina faharoa dia misy fiovana kely amin’ilay voalohany. Rehefa tonga ny olana ka mipetraka ny fanontaniana, rehefa mikatsaka finoana ianao dia aza atomboka amin’ny hoe hatraiza ny tsy fanananao finoana, aza atomboka amin’ny -tsy finoanao.- … Tsy mangataka anareo aho hilaza ho manana ny finoana izay tsy anananareo. Ny tena angatahiko aminareo dia ny hiorim-paka amin’ny finoana izay tena anananareo. … Aoka ianao ho marina araka izay ilaina momba ny ahiahinao; rakotra azy ireny ny fiainana ary manana karazana ahiahy foana isika rehetra. Saingy raha te ho sitranina ianao sy ny fianakavianao dia aza avela hanembantsembana ny finoana ireo ahiahy ireo ka tsy hahafahany miteraka fahagagana. …

“Zavatra iray farany tsara ho marihana: rehefa tonga ny ahiahy na ny olana, dia aza matahotra mangataka fanampiana. Raha mila izany isika, ka feno fanetren-tena sy hitsim-po tahaka an’ity ray ity, dia afaka mahazo izany. Izany faniriana lehibe izany dia faritan’ny soratra masina hoe -omban’ny fikasana marina,- atao -amin’ny finiavan’ny fo manontolo, tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’ Andriamanitra- [2 Nefia 31:13]. Ijoroako ho vavolombelona fa ho valin’ io karazana fitalahoana io dia handefa fanampiana avy amin’ireo andaniny roa amin’ny voaly Andriamanitra mba hanatanjahana ny finoantsika” (Tompo ô, Mino aho” Ensign na Liahona, mey 2013, 93–94).

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona. Ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona dia afaka ny ho fomba mahery vaika iray hanasana ny Fanahy. Ohatra, mandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny Matio 16:13–17, dia azonao atao ny manontany hoe: “Inona no zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy izay nampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny maha Mpamonjy Azy?” (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32.)