Avia, hanaraka Ahy
15–21 aprily. Paska: -Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?-


“15-21 aprily. Paska: -Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“15-21 aprily. Paska,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Zaridainam-pasana

15–21 aprily

Paska

“Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?”

Rehefa miomana hampianatra ianao amin’ity herinandro ity, dia diniho hoe afaka mampiorina ny finoana an’ i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany amin’ny fomba ahoana ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny kilasinao amin’ny Alahadin’ny Paska.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Anontanio ny mpianatra ny fomba hamaliany ny fanontaniana toy ny hoe: “Inona no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” sy ny hoe “Ahoana no ahafahako mahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Kristy?” Namaky soratra masina ve izy ireo tamin’ ity herinandro ity izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

I Jesoa Kristy dia manafaka antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy mampatanjaka antsika amin’ny fahalementsika ary mampionona antsika ao anatin’ny fitsapana lalovantsika.

  • Takatr’ireo mpianatrao ve fa ankoatra ny fandresena ny fahotana sy ny fahafatesana dia afaka mampionona antsika ao anatin’ny fitsapana lalovantsika sy mampatanjaka antsika amin’ny fahalementsika ihany koa i Jesoa Kristy? Fomba iray hanampiana azy ireo hahita ireo fitsipika ireo ny manoratra ireto teny ireto eny amin’ny solaitrabe: Fahotana, Fahafatesana, Fitsapana, Fahalemena. Asaivo mamaky ny iray amin’ ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny mpianatra tsirairay ary misaintsaina ny fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika mba handresy na hiaritra ireo zavatra ireo. Afaka manoratra ny zavatra nianarany avy amin’ ireo soratra masina ireo eo ambanin’ny lohateny tsirairay ny mpianatra ary mizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

  • Inona no ampianarin’ny soratra masina momba ny sarany nefain’i Jesoa Kristy ho an’ny famonjena antsika? Ohatra, jereo ny Lioka 22:39–44; Môsià 3:7; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Inona no sarany nefain’ny Ray any An-danitra? (jereo ny Jaona 3:16).

    Sary
    Fanomboana an’i Kristy

    Ny fanomboana an’i Kristy, nataon’ i Louise Parker

  • Alohan’ny fiantombohan’ny fampianarana, dia manasà mpianatra vitsivitsy mba hitondra teny notsongaina avy tamin’ny lahatenin’ny fihaonambe izay mamariparitra ny fomba hitahian’ny Mpamonjy antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany (mba hahitana ohatra vitsivitsy, dia jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Mampivelatra ny fahatakarantsika ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’ ireo mpaminany maoderina? Ahoana no hampatanjahan’izy ireny ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny herin’ny Sorompanavotany?

  • Mety hanampy hampiseho ny fahasamihafana eo amin’ny hoe voadio avy amin’ny fahotana sy ny hoe lasa tanteraka ny lesona iray tsotra izay mampiasa zavatra mivaingana: Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo andalana vitsivitsy voalohany avy ao amin’ny Môrônia 10:32, kanefa asio diso tsipelina na diso fitsipi-pitenenana ao anatiny. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamafa ireo diso. Moa ve namaha ilay olana izany? Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ io soratra masina io sy ilay lesona mampiasa zavatra mivaingana momba ny mety ho fiantraikan’ny Sorompanavotana eo amintsika? Ity teny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity dia mety hanampy ihany koa: “Raha toa ka midika hoe famafàna ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika fotsiny ny famonjena, dia tsy mahatanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ho antsika noho izany ny famonjena—na dia mahagaga aoka izany aza. Ambony lavitra kokoa noho izany ny tanjony: Tiany ho tonga tahaka Azy ireo zanany lahy sy zanany vavy” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 108).

  • Afaka manampy antsika hahatakatra ny Sorompanavotan’ i Kristy ireo tantara sy fifanahafana. Ohatra, ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nizara tantara momba ny mpirahalahy anankiroa izay nihanika ny rindrin’ny lohasaha lalimbe iray tao amin’ilay lahateniny hoe: “Fahamarinana, fitiavana, famindrampo, no tafaraka soa” (Ensign na Liahona, mey 2015, 104–6).

Ireo vavolombelona ao amin’ny Testamenta vaovao dia nijoro ho vavolombelona fa nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

  • Avereno vakina ny fitantarana ao amin’ny soratra masina ny Paska voalohany, dia ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Afaka manasa mpianatra iray hitantara indray ilay tantara amin’ny teniny manokana ianao (jereo ny Jaona 20:1–17). Afaka mandefa horonan-tsary momba ny Baiboly ihany koa ianao, toy ny “Il est réssuscité” LDS.org).

  • Mety hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ireo vavolombelon’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ireo mpianatrao raha toa izy ireo ka maka sary an-tsaina fa izy ireo dia mpisolovava na mpanao gazety izay manao fanadihadiana momba ny filazana fa nitsangana tamin’ny maty i Kristy. Asao izy ireo hitady olona ao amin’ny soratra masina izay azo atao vavolombelona (jereo ny Matio 28:1–10; Lioka 24:13–35; Jaona 20:19–29; 1 Korintiana 15:3–8, 55–58). Azon’izy ireo atao mihitsy aza ny manoratra famintinana fohy ny amin’ny zavatra mety nolazain’ireo olona ireo rehefa nijoro teo amin’ny lapan’ny fitsarana izy ireo na rehefa nalaina am-bavany mba havoaka amin’ny fampahalalam-baovao.

  • Fomba iray hahalalim-paka ny fankasitrahantsika ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ny mieritreritra ny fomba hanazavantsika ny zavatra inoantsika amin’ny hafa. Ahoana no hizaran’ireo mpianatra ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ireto toe-javatra manaraka ireto: misy olona iray ao amin’ny fianakaviana hita fa manana aretina sarotra tsaboina; misy namana namoy ny olona iray akaiky azy; misy mpiray monina manontany ny antony hankalazanao ny Paska. Amporisiho izy ireo hijery ny soratra masina (toy ireo izay ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”) rehefa manomana ny valiny izy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny.

Manome antsika fanantenana sy fifaliana i Jesoa Kristy.

  • Afaka manana fanantenana sy mifaly isika rehetra noho ny Mpamonjy. Azonao atao ny mamaky ny Jaona 16:33 ary mifanakalo hevitra momba ny fomba hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika mba ho faly na dia eo aza ny fitsapana lalovantsika. Ahoana no efa nahazoantsika fifaliana sy fanohanana nandritra ny fizahan-toetra nolalovantsika?

  • Ny famakiana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ i Petera ao amin’ny 1 Petera 1:3–11 dia afaka mampitombo ny fananten’ireo mpianatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana ireo andininy ireo sy hiara-hiasa tsiroadroa mba hahitana soratra masina hafa izay milazalaza ihany koa ny fomba hahazoana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanantenana”). Azon’izy ireo atao ny mampiasa ireo soratra masina izay hitany mba hanaovana peta-drindrina hapetaka any an-tranony na atao en ligne (jereo ohatra ireo sary misy teny nambara izay manentana ny fanahy ao amin’ny LDS.org). Afaka mieritreritra ny toe-javatra iainan’ireo olona ao amin’ny fianakaviany na ny namany izay mety mila mahatsapa fanantenana bebe kokoa ny mpianatra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Inona no hanentana ireo mpianatra hamaky ny Matio 18 sy ny Lioka 10? Azonao lazaina azy ireo fa ireo toko ireo dia ahitana ny fanoharana roa amin’ireo fanoharana tsy hay hadinoina indrindra nataon’ny Mpamonjy, ary samy mampita lesona manan-danja izy roa ireo momba ny hoe ahoana no tokony hifampitondrantsika.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Paska

Soratra masina momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Lahateny momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Hira momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Mety tia mihira ny sasany amin’ireto fihirana ireto ny mpianatra sady mamaky ny soratra masina miaraka amin’izany izay misoratra eo ambanin’ny pejy. Ny mpianatra sasany dia mety efa nianatra ny hira sasany nandritra ny fandalinana ny soratra masina nataony niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’ ity herinandro ity. Amporisiho izy ireo hizara ny traikefany.

  • “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 12

  • “Où pourrais-je chercher?” Cantique, no. 68

  • “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44

  • “Velona i Jesoa” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 

Manafaka antsika i Jesoa Kristy.

Tamin’ny taona 1741, i George Frideric Handel dia nanoratra oratorio iray momba an’i Jesoa Kristy izay mitondra ny lohateny hoe Mesia. Napetrak’i Handel hoe ny tombony azo amin’ny fanaovana fampisehoana momba ny Mesia dia hatao fanomezana mba handoavana ny saram-pamotsorana ireo olona mibaby trosa izay voatana ao amin’ny fonja natokana ho an’ny olona manan-trosa. Olona 140  mahery izay voafonja noho izy ireo tsy afaka nandoa ny trosany no nafahana vokatr’izany. Izao no nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson raha nanao fanamarihana momba izany izy: “Raha tsy nisy ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, dia ho lasa nanan-trosa tsisy fanafahana isika rehetra, tahaka ireo olona izay tao amin’ny fonja natokana ho an’ny olona manan-trosa ireo. I Jesoa Kristy Tompo Mpanavotra antsika dia tonga mba hanefa ny trosa izay tsy tokony efainy satria isika dia nanana trosa tokony nefaintsika kanefa tsy afaka nandoa izany.”

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho fitaovan’ny Fanahy. Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia tsy ny hanao famelabelarana fa hanampy ny hafa kosa handray ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ilay tena mpampianatra. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10.)