Avia, hanaraka Ahy
25–31 martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6: -Aza matahotra-


“25–31 martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6: -Aza matahotra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25–31 martsa. Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady:2019

Sary
I Kristy mamahana ny valalabemandry

Fahano izy ireo, nataon’i Jorge Cocco

25–31 martsa

Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6

“Aza matahotra”

Rehefa miomana hampianatra avy amin’ny Matio 14–15; Marka 6–7; ary Jaona 5–6 ianao dia tadiavo ireo hafatra izay manan-danja amin’ny mpianatrao. Rehefa manao izany ianao dia eritrereto ny fomba hanampiana ny mpianatra hanolo-tena hiaina zavatra manan-danja miaraka amin’ny soratra masina.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Fomba iray hanombohana ny fifanakalozan-kevitra momba ireo toko ireo ny fanasana mpianatra vitsivitsy mba samy hifidy toko iray avy amin’ireo izay tokony hovakina ary ho tonga amim-pahavononana hizara hafatra izay nanan-danja tamin’izy ireo avy amin’izany toko izany. Rehefa mizara izany izy ireo dia afaka mametraka fanontaniana na mizara hevitra ireo mpianatra hafa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 5:16–47

I Jesoa Kristy no Zanaka Malalan’ny Ray any An-danitra

  • Ao amin’ny Jaona 5, dia nanome hevi-baovao maro momba ny Tenany sy ny Rainy ary ny fifandraisany amin’ny Ray i Jesoa. Mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ireo zavatra ireo, dia ezaho zaraina ho vondrona maromaro izy ireo ary omeo minitra vitsivitsy hanaovany lisitra fahamarinana faran’izay betsaka araka izay hitany ao amin’ny andininy 16–47 momba ny toetran’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny fifandraisan’Izy Ireo. Asao ireo vondrona hifandimby hamaky ireo fahamarinana avy ao amin’ny lisitra nataony mandra-pahavoazara ny fahamarinana rehetra ao amin’ny lisitra tsirairay avy. Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ireo antsika hahatakatra bebe kokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra amin’ny fankatoavana nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny Ray?

  • Misy asa atao ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny Fianakaviana izay manasa ny mpianatra hanisy marika isak’izay mampiasa ny teny hoe Ray i Jesoa Kristy ao amin’ny Jaona 5. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany rehefa namita ilay asa atao izy ireo. Inona no hevi-baovao azon’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Malalany? Inona no zavatra ampianarin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay manampy antsika hahatakatra tsaratsara kokoa hoe iza ny Raintsika ary nahoana isika no mitsaoka Azy? Misy hevitra azo jerena ao amin’ny teny iditra ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ho an’ny “Andriamanitra” sy ao amin’ny teny iditra “Andriamanitra Ray” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 74–76. Azonareo atao ny miara-mihira, na mihaino, na mamaky, ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity, ny “Ô! ry Ray,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 84.

Matio 14:16–21; Marka 6:33–44; Jaona 6:5–14

Afaka mamadika ho goavana ny fanatitra omentsika ny Mpamonjy mba hanatanterahana ny tanjony.

  • Inona no afaka manampy ny mpianatra hahalala manokana ny maha-zava-dehibe ny fahagagana nataon’i Jesoa tamin’ny famahanany ireo olona dimy arivo? Azonao atao ny manontany ny fomba nampitombo ny finoan’izy ireo ny fahafahan’ny Mpamonjy mitahy azy ireo manokana tamin’ny alalan’ny famakiana ilay tantara momba ilay fahagagana. Efa nahatsapa ve izy ireo fa tsy ampy ny fitaovana na ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hanatanterahana tanjona iray na didy iray avy amin’ Andriamanitra? Efa nahatsapa ve izy ireo fa namadika ho goavana na nampitombo ny ezak’izy ireo ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo hanatanteraka zavatra izay toa tsy azo tanterahina?

    Sary
    mofo sy hazandrano

    Namahana olona 5.000 tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa i Jesoa.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatra hisaintsaina lalindalina kokoa momba ny fahagagana tantaraina ao amin’ireo andininy ireo? Antsipirian-javatra inona ao amin’io tantara io no mampitombo ny finoantsika ny Mpamonjy? Ahoana no fomba ahafahan’ny Mpamonjy mamahana antsika ara-panahy? Oviana isika no nofahanan’i Jesoa Kristy sy notohanany ?

Matio 14:22–33

Manasa antsika i Jesoa Kristy mba hamela ny tahotsika sy ny ahiahintsika mba hahafahantsika manatona Azy misimisy kokoa.

  • Ilay tantara ao amin’ny Matio 14:22–33 dia afaka manampy ny mpianatra mampitombo ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny faniriany hanaraka Azy. Asao ny mpianatra hamaky io tantara io sady hifantoka manokana amin’ny teny nolazain’i Kristy sy i Petera ary ireo apôstôly hafa. Ahoana no mety nanampian’ny tenin’i Jesoa an’i Petera hanam-pinoana mba handao ilay sambo kely dia handeha teo ambony rano? Azo ampiharina amintsika amin’izao fotoana amin’ny fomba ahoana ny fananaran’i Jesoa hoe “matokia” sy ny hoe “aza matahotra” (andininy 27). Inona no azontsika ianarana avy amin’i Petera mikasika ny dikan’ny hoe tonga mpianatr’i Jesoa Kristy sy ny fatokiana Azy?

  • Ny Matio 14:22–33 dia ahitana teny sy andian-teny izay afaka mitaona ny mpianatra hampihatra finoana lehibe kokoa an’ny Mpamonjy. Angataho izy ireo hitady izany teny sy andian-teny mitaona fanahy izany, dia soraty eny amin’ny solaitrabe, ary ifanakalozy hevitra ny zavatra nosoratany. Afaka mampifandray ny tenany amin’ny zavatra niainan’i Petera ve ny mpianatra? Afaka mamporisika azy ireo ianao mba hieritreritra sy hizara zavatra niainana izay nanaovan’izy ireo asa, tahaka an’i Petera, mba hanaraka ny Mpamonjy, na dia tsy mbola fantatra aza izay ho vokany. Inona no zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ilay zavatra niainana? Ahoana no fomba namonjen’i Jesoa Kristy azy ireo tao anatin’ny fotoana nampatahotra sy nampiahiahy azy ireo?

Jaona 6:22–71

Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia tsy maintsy vonona ny hino sy hanaiky ny fahamarinana isika na dia amin’ny fotoana mahasarotra ny hanaovana izany aza.

  • Ireo zavatra nitranga ao amin’ny Jaona 6 dia afaka manome fomba fijery tena manampy rehefa ahiahian’ny olona ny fotopampianarana, na ny tantara, na ny lalàna mifehy ny Fiangonana. Ao amin’io toko io ny sasany amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa dia tsy nety nanaiky ny fampianarany fa Izy no Mofo Velona ary tsy afaka ny ho voavonjy izy ireo raha tsy amin’ny alalan’ny fanaovany sorona ny nofony sy ny rany ihany. Mba hanampiana ny mpianatrao hampihatra io tantara io eo amin’ny fiainany dia afaka manoratra fanontaniana tahaka izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe ianao ary mangataka ny mpianatra hitady ny valin’izany ao amin’ny andininy 22–71: Inona no nandrasan’ny olona? (Jereo ny andininy 26). Inona kosa no natolotr’i Kristy azy ireo? (Jereo ny andininy 51). Inona no tsy takatry ny olona? (Jereo ny andininy 41–42, 52). Inona avy ireo fomba sasantsasany azontsika isafidianana ny hiara-handeha amin’i Kristy na dia manana fanontaniana aza isika? Asao izy ireo hisaintsaina ny fanontaniana napetraky ny Mpamonjy sy ny teny navalin’i Petera ao amin’ny andininy 67–69. Inona avy ireo fotopampianarana, na ôrdônansy, na “tenin’ny fiainana mandrakizay” hafa mety tsy ho hita raha tsy ao amin’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny ihany? Asao ny mpianatra hizara ny fomba nitahian’ireo fotopampianarana sy ôrdônansy ireo azy ireo sy ny fianakaviany. Mba hahazoana hevi-baovao avy amin’ny Apôstôly amin’izao andro maoderina izao dia asao ny mpianatra iray hamaky ny teny nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mety hahatsapa ho entanim-panahy hamaky ireo andinin-tsoratra masina ho an’ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro ho avy ny mpianatra raha manazava ianao fa afaka manatsara ny zavatra iainan’izy ireo rehefa mihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ireo zava-mitranga izay hitan’izy ireo ao. Amporisiho izy ireo mba ho tonga hanatrika ny fotoam-pianarana manaraka amim-pahavononana hizara ny hevi-baovao azony.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 14–15; Marka 6–7; Jaona 5–6

“Hianareo koa va mba te hiala?”

Rehefa avy nindrana ny Jaona 6:68–69 ny Loholona M. Russell Ballard dia nampianatra hoe:

“Ho an’ny sasany ny fanasan’i Kristy mba hino sy hijanona dia mafy hatrany—na sarotra ekena. Ny mpianatra sasany dia sahirana manakatra fitsipika na fampianarana manokana iray ao amin’ny Fiangonana. Ny hafa kosa dia mahita olana eo amin’ny tantarantsika na ny tsy fahalavorarian’ireo mpikambana sy mpitarika sasany taloha sy ankehitriny. Ny hafa indray mahita fa sarotra ny miaina fivavahana izay mitaky fahafoizan-tena. Farany, ny sasany dia lasa -ketraka amin’ny fanaovan-tsoa- [F&F 64:33]. Noho ireo antony ireo sy ny antony hafa dia misalasala ny amin’ny finoany ny mpikambana sasany, manontany tena raha toa ka tokony hanaraka ireo izay -nihemotra, ka tsy niara-nandeha- tamin’i Jesoa intsony.

“Raha misy aminareo miahiahy ny amin’ny finoany, dia apetrako aminy ilay fanontaniana napetrak’i Petera hoe: -Hankany amin’iza moa ianareo?- …

“… Mialoha ny handraisanareo izany safidy mampidi-doza ara-panahy ny hiala izany, dia mamporisika anareo aho mba hijanona ka hieritreritra tsara mialoha ny hamelanareo na inona na inona zavatra izay nahatonga anareo hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny tany am-boalohany. Mijanòna dia diniho ny zavatra izay efa tsapanareo tato sy ny antony nahatsapanareo izany. Eritrereto ireo fotoana izay efa nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminareo momba ny fahamarinana mandrakizay” (“Hankany amin’iza moa isika?” Ensign na Liahona, nôv. 2016, 90–91).

Manatsara ny fampianarantsika

Mihainoa. “Fihetsika maneho fitiavana ny fihainoana. … Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra lazain’ny olona ao amin’ny kilasinao. Rehefa mandinika tsara ny hafatra ampitainy am-bava sy ampitainy amin’ny fomba hafa ianao dia hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ilainy sy ny olany ary ny faniriany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 34).