Avia, hanaraka Ahy
4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5: -Ny finoanao no nahasitrana anao-


“4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5: -Ny finoanao no nahasitrana anao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“4–10 martsa. Matio 8–9; Marka 2–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Jesoa nanasitrana lehilahy kilemaina iray

Ny fanasitranana eo ambanin’ny elany, nataon’i Jon McNaughton

4–10 martsa

Matio 8–9; Marka 2–5

“Ny finoanao no nanasitrana anao”

Ny fiomananao hampianatra dia manomboka rehefa mandalina omban’ny vavaka ny Matio 8–9 sy ny Marka 2–5 ianao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka hanatsara ny fandalinanao ary hitondra ireo hevitra hoenti-mampianatra ankoatra ireo izay efa atolotra eto.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Afaka mitondra sary vitsivitsy maneho ireo zava-nitranga ao amin’ny Matio 8–9 sy ao amin’ny Marka 2–5 ianao (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 4041, na ao amin’ny LDS.org) na ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ireo zava-nitranga ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ny fahagagana tsirairay avy. Inona no hafatra hitany tao amin’ireo fahagagana ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 8–9; Marka 25

Mitranga araka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ny fahagagana.

  • Mety nahita hevi-baovao mahery vaika nandritra ny fandalinany manokana an’ireo fahagagana ao amin’ireo toko ireo ny mpianatrao (jereo ny lisitra ahitana ireo fanasitranana ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao ny mpianatra hizara ny hevi-baovao azony amin’ny namana mpiara-miasa iray na na amin’ny kilasy iray manontolo.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny fahagagana dia afaka mamaky ny sasantsasany amin’ireo fanasitranana mahagaga ao amin’ny Matio 8–9 sy ao amin’ny Marka 25 ianao dia hitady ny finoan’ilay olona nositranina na ny an’ny hafa. (Raha toa ianareo ka tsy manam-potoana hanaovana fifanakalozan-kevitra momba ireo fahagagana rehetra, dia anontanio an’ny mpianatra izay zavatra tena nanan-danja indrindra tamin’izy ireo.) Mety hanatsara ny fifanakalozan-kevitra ataonareo ny sasany amin’ireto soratra masina ireto: Môrmôna 9:15–21; Etera 12:12–16; Môrônia 7:27–37; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:8. Mampianatra inona momba ny finoana sy ny fahagagana ireo fanasitranan’ny Mpamonjy ao amin’ireo soratra masina ireo? Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahagagana.”

  • Mety hisy olona ao amin’ny kilasinao izay manana finoana ary nikatsaka fahagagana, saingy tsy nitranga araka izay niriany ilay fahagagana. Inona no ampianarin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba an’izany? Tao amina lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Accepting the Lord’s Will and Timing,” dia niresaka momba ny torohevitra nomeny ny mpivady iray izay niaina toe-javatra tahaka izany ny Loholona David A. Bednar (Ensign, aog. 2016, 31–35; jereo koa ny 2 Korintiana 12:7–10; F&F 42:43–52). Efa nahita fitahiana tonga teo amin’ny fiainany na teo amin’ny fiainan’ny hafa ve ny mpianatra rehefa tsy nitranga ireo fahagagana niriana?

  • Rehefa mamaky momba an’ireo fahagagana ao amin’ny Matio 8–9 sy ao amin’ny Marka 25 isika, dia mety hanontany tena ny olona sasany raha toa mbola afaka hitranga amin’izao fotoana ny karazan-javatra toy izany. Nanoritsoritra ny vaninandro iainantsika i Môrônia ho toy ny fotoana izay “hilazana fa efa nitsahatra ny fahagagana,” saingy nampanantena ihany koa izy fa Andriamanitra dia mbola Andriamanitry ny fahagagana, satria Andriamanitra dia “Ilay tsy miova” (Môrmôna 8:26; 9:18–21; jereo ihany koa ny Môrônia 7:27–29). Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatrao hampitombo ny finoany ny herin’ Andriamanitra mba hitahy ny fiainany? Azonao atao ny mangataka azy ireo hizara ohatra amin’ny fahagagana izay natrehany maso. Azonao atao ihany koa ny mizara fitantarana fahagagana avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

Sary
vehivavy mikasika ny somotra-viavin-damban’i Jesoa

Matoky ny Tompo, nataon’i Liz Lemon Swindle

Matio 8:23–27; Marka 4:35–41

Manana ny hery hitondrana fiadanana eo anivon’ny tafion-drivotry ny fiainana i Jesoa.

  • Mety mahafantatra ny sasany amin’ireo olana hatrehan’ny mpianatrao ianao. Koa satria isika rehetra dia samy mandalo fitsapana indraindray eo amin’ny fiainantsika, dia afaka mampiorina ny finoan’ny mpianatra ny fijerena indray ny tantara ao amin’ny Marka 4:35–41 fa ny Mpamonjy dia afaka mitondra fiadanana ho azy ireo. Omeo taratasy iray avy ny olona tsirairay ary asaivo soratany amin’ny lafiny iray ny fizahan-toetra iray niainany. Angataho izy ireo hanoratra ao amin’ny lafiny ambadik’ilay taratasy ny zavatra iray avy amin’ny Marka 4:35–41 izay hanentana azy ireo mba hitodika amin’ny Mpamonjy mandritra ny fizahan-toetra azy. Amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany, raha tsy manahirana azy ireo ny manao izany.

  • Ilay hira hoe “Maître, la tempête lance,” Cantiques, lah. 56, dia notsoahina avy tamin’ny tantara ao amin’ny Matio 8:23–27 sy Marka 4:35–41. Mety hahita tononkira ao amin’ilay hira izay mifandray amin’ny andian-teny ao amin’ny soratra masina angamba ny mpianatra. Afaka mampiseho sary izay maneho ilay zava-nitranga ihany koa ianao (jereo nyBoky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 40) dia resadresaho izay fotoana asehon’ilay mpanakanto ao amin’ilay tantara. Inona koa ireo fomba hafa azonao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’io fahagagana io sy ny herin’izany?

Marka 2:1–12

Ny famonjena ireo izay very dia mitaky ny ezaka ataontsika ao anatin’ny firaisankina.

  • Ny tantaran’io fahagagana io dia mampianatra ny lanjan’ny fiaraha-miasa amim-piraisankina mba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny fanavotana ireo izay sahirana ara-panahy na ara-batana. Ny hafatry ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong izay mitondra ny lohateny hoe “Manavotra ao anatin’ny firaisankina” (Ensign na Liahona, nôv. 2014, 14–16) dia azo ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba io fahamarinana io. Asao ny mpianatra iray mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hijery indray ilay tantara avy amin’ny soratra masina ary avy eo dia hizara ny zavatra nampianarin’ny Loholona Wong. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Marka 2:1–12 momba ny lanjan’ny fiasana ao anatin’ny firaisankina mba hanavotra ireo izay mila fanampiana? (Jereo koa ny Marka 3:24–25).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny Matio 10–12; Marka 2; ary ny Lioka 711 mandritra ny herinandro ambony dia lazao azy ireo fa hahita ao amin’ireo toko ireo ny torohevitra sasany izay afaka manampy azy ireo hanatanteraka ny antsony sy andraikiny ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 8–9; Marka 2–5

Nanasitrana ny marary ny Mpaminany Joseph Smith.

Tamin’ny volana jolay 1839, dia nipetraka tao anaty sarety, tao anaty tranolay, ary nanorim-ponenana tamin’ny tany tao akaikin’i Commerce, Illinois ny Olomasina marobe izay voaroaka avy tao Missouri. Betsaka no narary mafy ary i Joseph sy i Emma Smith dia tena reraka be noho ny fiezahana nanampy azy ireo. Namariparitra ny zava-nitranga tamin’ny 22 jolay i Wilford Woodruff: “Andro nisehoan’ny herin’ Andriamanitra izany. Betsaka ny Olomasina narary teo amoron’ny Renirano [Mississippi] na avy amin’ny ilany havia na ny havanana, ary i Joseph dia nandeha teo anivon’izy ireo, dia nandray ny tanan’izy ireo, ary dia nandidy azy ireo tamin’ny feo mafy tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba hitsanganan’izy ireo avy eo amin’ny fandriany ka ho sitranina, dia niarina avy tamin’ny fandriany izy ireo dia sitrana tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. … Fotoana tena niravoravoana marina tokoa izany” (Wilford Woodruff, Diary, 22 jolay, 1839, Church History Library).

Nampitony tafiodrivotra iray ny Loholona Franklin D. Richards.

Ny Loholona LeGrand Richards, mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nilaza ny zavatra iray niainan’ny Loholona Franklin D. Richards raibeny, izay mpitarika ny andiana Olomasina Britanika iray niampita ny Ranomasimbe Atlantika tamin’ny 1848 mba hankao Etazonia: “Ny sambo izay notaingenan’ny [Loholona Richards] dia notandindomin-doza [vokatry ny tafiodrivotra nahery vaika iray], hany ka nanatona azy ny kapitenin’ilay sambo dia niangavy azy mba hangataka fanampiana amin’ny Tompo ho an’ilay sambo sy ho an’ny mpandeha. Ary rehefa nahatadidy i Dadabe fa efa nahazo fampanantenana amin’ny fananana fahefana amin’ny zava-boary izy, dia nankeo amin’ny tokotanin-tsambo izy, dia nanangana ny tanany nanondro ny lanitra dia nibedy ny ranomasina sy ireo onja, ka dia nitony avy hatrany izany” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1941, 84).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona matetika. Ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy amin-kitsimpo mikasika ireo fahamarinana ara-panahy, dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay ampianarinao. Tsy ilaina ho be haingon-teny na atao lava be ny fijoroanao ho vavolombelona. Izany ohatra dia mety ho fijoroana ho vavolombelona tsotra momba ny fahagagana amin’ny fananana ny filazantsara eo amin’ny fiainanao.