Avia, hanaraka Ahy
25 febroary–03 martsa. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy-


“25 febroary–03 martsa. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“25 febroary–03 martsa. Matio 6–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
I Jesoa mampianatra eo amoron-dranomasina

I Jesoa mampianatra ny olona eo amoron-dranomasina, nataon’i James Tissot

25 febroary–03 martsa

Matio 6–7

“Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”

Rehefa miomana hampianatra ianao, dia atombohy amin’ny fanomanana ny tenanao izany. Halalino ny Matio 6–7, dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Izany dia hanampy anao handray fanambarana ny amin’ny fomba tsara indrindra hahafantarana ireo zavatra ilain’ny mpianatrao. Dia hadihadio avy eo ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra enti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara hoe inona no adinin-tsoratra masina ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra izay tsapan’izy ireo fa tena ilaina indrindra amin’izao fotoana izao. Amporisiho ny mpianatra hifampizara ny heviny.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 6–7

Raha mihaino sy mampihatra ireo fampianaran’ny Tompo isika dia hiorina eo amin’ny fototra mafy orina ny fiainantsika.

  • Inona no fampianarana manokana avy ao amin’ny Matio 6–7 izay hitondra tombontsoa betsaka indrindra ho an’ireo izay ampianarinao? Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andininy maromaro ao amin’ny Matio 6–7 izay mirakitra ireo fampianarana ireo. Afaka mifidy ny iray amin’ireo andininy ireo ny mpianatra mba hohalalininy mangina ary avy eo dia hanoratra izay mety ho fahamarinana ara-panahy nianaran’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Inona no fiantraikan’ireo fampianarana ireo teo amin’ny fiainantsika?

  • Nofaranan’ny Mpamonjy tamin’ny fanoharana izay mety hanampy ny mpianatrao hahatakatra tsaratsara kokoa ny maha-zava-dehibe ny fiainana araka ny fampianaran’ny Mpamonjy ny toriteniny (jereo ny Matio 7:24–27; jereo koa ny Helamàna 5:12). Mba hahitana maso io fanoharana io, dia afaka miara-miasa ny mpianatra mba hanorina fototra mafy orina amin’ny fampiasana kilalao hanorenan-javatra, kaopy, na zavatra hafa ary avy eo dia hitsapa ny tanjaky ny fototra naoriny. Azon’izy ireo atao koa angamba ny mametaka ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hampiharana ny fampianaran’ny Mpamonjy eo amin’ireo fitaovana entiny manorin-javatra. Nahoana ny fanaovana zavatra toy izany no manampy antsika hahatohitra ny oram-baratry ny fiainana?

Matio 6:5–13

Nampianatra antsika ny fomba hivavahana ny Mpamonjy.

  • Ny fandalinana ny Vavaka nampianarin’ny Tompo dia mety hanampy ny mpianatra hamantatra ny fomba azon’izy ireo hanatsarana ny vavaka ataony manokana amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Tompo. Afaka manasa azy ireo ianao mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo andian-teny ao amin’ny Matio 6:9–13 (na ny Lioka 11:1–4) izay nanaitra azy ireo. Rehefa misaintsaina ny tenin’ny Mpamonjy isika, dia inona no ianarantsika mikasika ny toe-tsaina tokony hananantsika rehefa mivavaka isika? Inona no ianarantsika momba ireo karazan-javatra tokony hoentin-tsika am-bavaka sy hivavahantsika ny momba azy? Mety hanitatra ny sain’ny mpianatra ny milaza amin’ny fomba hafa ny sasany amin’ireo andian-teny nampiasain’ny Mpamonjy ho toy ny zavatra izay mety holazainy ao anatin’ny vavaka ataony manokana. Ohatra, ny hoe “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay” dia azo lazaina amin’ny fomba hafa toy ny hoe “Mba ampio aho amin’ny ezaka ataoko mba hamelona ny fianakaviako.”

  • Mety hahazo tombony avy amin’ny fandalinana ohatra izay ahitana ny Mpamonjy mivavaka amin’ny Rainy ireo olona ampianarinao, toy ny Matio 26:36–42 sy ny Jaona 17. Afaka manasa ny mpianatra ianao handalina ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo, ka hitady ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe: “Inona no ianarantsika momba ny vavaka avy amin’ny fomba nivavahan’ny Mpamonjy?” sy ny hoe “Ahoana no hampitoviantsika bebe kokoa ny vavaka ataontsika amin’ny ny an’ny Mpamonjy?” Mba hahitana ohatra tena tsara hafa amin’ny vavaka dia jereo ny Enôsa 1:3–17; Almà 31:26–35; 33:3–11.

  • Manana zavatra niainana azonao zaraina mahakasika ny vavaka ve ianao? Ny fizaranao ny zavatra niainanao dia mety hamporisika ny mpianatra hanao toy izany koa. Ny Filoha Thomas S. Monson dia nizara zavatra niainana maromaro mifandray amin’ny vavaka tao anatin’ilay hafatra nozarainy hoe “Eritrereto ireo fitahiana” (Ensign na Liahona, nôv. 2012, 86–89). Afaka miresadresaka fitsipika avy amin’io hafatra io sy avy amin’ireo teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianareo. Ny teny iditra hoe “Vavaka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ihany koa dia mety hanampy.

Matio 7:7–11

Mamaly vavaka ny Ray any An-danitra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hampatanjaka ny finoany fa hihaino sy hamaly ny vavaka ataon’izy ireo Andriamanitra, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe mangataka, mitady, ary mandondòna. Dia asao avy eo ny mpianatra hikaroka ao amin’ny soratra masina ireo olona izay “nangataka,” “nitady,” ary “nandondona” (mba hahitana ohatra dia jereo ny 1 Nefia 11:1; Etera 2:18–3:6; Joseph Smith—Tantara 1:11–17). Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo mikasika ny fahazoana ny valin’ny vavaka ataontsika?

  • Ny mpianatr’i Jesoa, ao amin’ireo andininy ireo dia naminavina ireo antony sasantsasany izay mety omen’ny olona mba tsy hikatsahana ny fahamarinana avy amin’ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina fa manana namana izy ireo izay tsy malaina ny hikatsaka fitarihana na fitahiana avy amin’ny Tompo. Inona no mety holazain’ny mpianatra mba hamporisihana io namana io? Ahoana no mety hampiasan’izy ireo ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:7–11?

Matio 7:15–20

Afaka mamantatra ny mpaminany marina sy ny mpaminany sandoka amin’ny alalan’ny voany isika.

  • Angamba efa sendra ny fotokevitra diso sy ny fitaky ny fahavalo ny mpianatra ao amin’ny kilasinao, na tao amin’ny internet na avy amin’ny loharano hafa. Mety efa nahare ny hafa nitsikera ny mpanompon’ny Tompo koa izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny fomba hanavahana ny mpaminany sy ny fampianarana sandoka amin’ireo marina? Afaka mampiseho voankazo maromaro ianao dia manontany ny zavatra azontsika vinaniana momba ny hazo niavian’izy ireo. Ahoana no hanampian’ io fampiharana io antsika hahatakatra ny Matio 7:15–20? Afaka miara-mamaky ny vitsivitsy amin’ireo hafatra faramparany avy amin’ireo mpaminany velona ihany koa ianareo. Inona no “voa” na ny vokatra azo avy amin’ny fanarahana ny torohevitr’izy ireo?

    Sary
    voankazo

    Afaka mahafantatra ny mpaminany marina amin’ny voany isika.

  • Ny Matio 7:15–20 dia afaka mampiorina ny finoan’ny mpianatra ny iraka masina nampanaovina ny Mpaminany Joseph Smith. Inona avy ireo vokatra azo avy amin’ny asa notanterahan’i Joseph Smith? Mba hahitana hevitra vitsivitsy, dia jereo ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Joseph Smith” (Ensign na Liahona, nôv. 2014, 28–31). Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fifanahafana nampiasain’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:15–20 mba hijoroana ho vavolombelona amin’ireo namantsika sy ny fianakaviantsika momba ny Mpaminany Joseph?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amin’ity herinandro ity, rehefa mandalina ireo fahagagana maro notanterahan’ny Mpamonjy ny mpianatra, dia asao izy ireo hisaintsaina ireo ohatra amin’ny fahagagana amin’izao andro maoderina izao, na lehibe na kely, izay niainan’izy ireo na ren’izy ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 6–7

Hira ampiasaina ao an-dakilasy.

  • Inona no fitsipika mifandray amin’ny vavaka izay ianaran’ny mpianatra avy amin’ny tonon’ny “La prière”? (Cantiques, lah. 81).

  • Ny famakiana, na ny fihirana, na ny fihainoana ny “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 100, dia mety hanampy ny mpianatra hieritreritra ny sasany amin’ireo voa hahafantarantsika fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith (jereo koa ny F&F 135:3; “Joseph Smith,” Sujets de l’Evangile, topics.lds.org).

Tantara momba ny vavaka.

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nitantara momba ny vavaky ny mpianakavy izay nataon’ny fianakaviany talohan’ny nandehanany tany Californie. Nilaza tamin’izy ireo ny dokotera mpitsabo biby iray fa tsy hahatratra hariva intsony ny ombin’izy ireo dia ho faty. “Ilay zanakay lahikely no nanao ny vavaka. Taorian’ny nangatahany tamin’ny Ray ny -hitsimbina an’i Dada amin’ny dia ataony sy hitahy anay rehetra,- dia nanomboka nanao fitalahoana avy amin’ny fo izy. Hoy izy hoe: -Ray any An-danitra ô! Mba tahio i Bossy, ilay ombivavy mba ho afaka hitsangana sy ho sitrana.”

“Nitantara izany zava-nitranga izany aho tany Californie dia nilaza hoe: -Tokony mianatra izy fa tsy mahazo izay zavatra rehetra angatahantsika amin’ny vavaka amin’ny fomba tsotra toy izany isika.-

“Nisy tokoa ny lesona tokony nianarana kanefa izaho no nianatra izany, fa tsy ny zanako lahy. Rehefa niverina aho ny alahady dia efa -tafatsangana sy salama-” i Bossy (“Ny vavaka sy ireo bitsika,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 45).

Ny Rahalahy Mangal Dan Dipty, izay mpikamban’ny Fiangonana avy any Inde dia nilaza hoe: “Fony aho mbola zaza dia nivavaka tsy tapaka tany amin’ny fiangonana Loteriana Alemana aho. Nandeha tany an-tendrombohitra izahay mba hivavaka matetika. Indray andro avy orana, dia kotsa tanteraka ny rehetra tao anatin’ilay vondron’ny mpivavaka, ary nanolotra vavaka tena avy amin’ny fo ny iray tamin’ireo mpitandrina nitalaho tamin’ny Tompo mba hampitsahatra ilay orana. Tena talanjona izahay fa nitsahatra tokoa ilay orana. Izay no fotoana nanombohako nino an Andriamanitra sy ny vavaka” (“My Journey as a Pioneer from India,” Ensign, jolay 2016, 67).

Mba hahitana tantara hafa momba ny vavaka, dia jereo ny fizarana hoe Feon’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny Ensign na Liahona.

Manatsara ny fampianarantsika

Aza matahotra ny fahanginana. “Mitaky fotoana ny famaliana fanontaniana tsara. Mitaky fisaintsainana sy fikarohana ary fanentanam-panahy izany. Ny fotoana atokanao hiandrasana ireo valin’ny fanontaniana dia afaka ny ho fotoana masina hisaintsainana. Sorohy ny fakam-panahy hanapitra haingana izany fotoana izany amin’ny alalan’ny famaliana ny fanontaniana napetrakao ihany na amin’ny alalan’ny fiampitana any amin’ny zavatra hafa” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 31).