Avia, hanaraka Ahy
21–27 desambra. Krismasy: “Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony”


“21–27 desambra. Krismasy: -Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’ i Môrmôna 2020 (2020)

“21–27 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Josefa, sy i Maria, ary i Jesoa zazakely ao an-tranon’omby

Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

21–27 desambra

Krismasy

“Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony”

Eo am-pandalinanao ny fahaterahan’i Jesoa Kristy amin’ity herinandro ity dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatrao hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Mety hanampy ny hevitra sasany ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatra mba handeha tsiroaroa na ao anatina vondrona kely ka hizara ny fomba nanamafisana orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany noho ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Nefia 11:13–23; Helamàna 14:1–13; 3 Nefia 1:4–22

Teraka mba ho Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no hampiasanao ny Bokin’i Môrmôna mba hampianarana ireo mpianatra momba ilay tranga masin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy? Ny fomba iray dia ny mizara ny kilasy ho vondrona telo sy ny manome ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hovakiany miaraka: 1 Nefia 11:13–23; Helamàna 14:1–13; ary 3 Nefia 1:4–22. Asaivo mifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’ireo soratra masina ireo momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy ireo vondrona. Avy eo ny vondrona tsirairay dia afaka mizara amin’ny mpianatra ambiny ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra. Nahoana no manan-danja ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy avy amin’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Zava-dehibe ny mahafantara ny momba ny fahaterahan’i Kristy, saingy tena ilaina tokoa ny mahafantatra ny antony nahaterahany. Ahoana no hanampianao ireo izay ampianarinao hisaintsaina ny hery manavotr’i Jesoa Kristy? Angamba afaka mizara ny sasany amin’ireo tantara na andinin-tsoratra masina nianarany tamin’ity herinandro ity ireo mpianatra (jereo ny rindran-damina tamin’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Amporisiho izy ireo hizara ny fomba nampahalalina kokoa ny fankasitrahany ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny hery manavotra ananany noho ireo zavatra nianarany.

  • Mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ireo fanomezana nomen’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hiresaka momba ireo fanomezana miavaka azony tamin’ny Krismasy. Ahoana no hanehoantsika fankasitrahana noho ireo fanomezana voaraintsika? Avy eo ireo mpianatra dia afaka mamaky ilay tenin’ny Filoha Thomas S. Monson hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny ary hifanakalo hevitra momba ireo fanomezana efatra voalazan’ny Filoha Monson. Inona no anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ireo fanomezana ireo? Ahoana no ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika ny Ray any An-danitra noho ireo fanomezana ireo?

  • Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny Krismasy dia asao ireo mpianara mba hilalao an-tsehatra na hihira hiran’ny Noely. Azonao fakafakaina ihany koa ireo loharanom-pitaovana voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.; 2 Nefia 25:23, 26; 33:4, 10

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

  • Koa satria efa hifarana ny fandalinanareo ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny Sekoly Alahady dia azonao atao ny manome fahafahana ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity. Mba hitarihana fifanakaozan-kevitra dia azonareo vakina miaraka ny 2 Nefia 25:23, 26 sy ny 33:4, 10, ary koa ampahany avy amin’ny teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny pejin-dohateny. Afaka mizara tantara na andinin-tsoratra masina izay nitondra anao ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ihany koa ianao ary avy eo dia hanome minitra vitsy an’ireo mpianatra mba hizara ny tantarany na ny andinin-tsoratra masiny manokana. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna, ary asao ny mpianatra sasany mba hanao torak’izany koa.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra hanomboka hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia afaka mizara andininy tena tianao na zavatra niainana izay mitaona fanahy nanananao nandritra ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Loharanom-pitaovana momba ny Krismasy.

Ny fanomezana ny Mpamonjy

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Mandinika ireo zavatra mampiavaka ny Krismasy aho. Ireo fanomezana goavam-be, voafono amin’ny fomba raitra sy lafo, avo lenta ary mitondra ny soratra hoe: -Ho an’ilay olona izay manana ny zava-drehetra.- Tamin’ny zavatra iray novakiako toy izany dia nahatsikaritra trano 370 m² aho voahididina ruban ngeza be ary nisy teny fiarahabana toy izany izay milaza hoe: -Arahabaina tratry ny Krismasy.- Anisan’ireo zavatra hafa ny klioba voarakotra diamondra ho an’ny mpilalao golf, fitsangatsanganana an-tsambo any Caraïbes ho an’ny mpizaha tany, ary fitsangatsanganana any amin’ny Alpes Suisses ho an’ny mpitsangatsangana. Toa mifanaraka amin’ny lohahevitry ny sarimiaina iray momba ny Krismasy izay izany, izay naneho ireo Magy telolahy nandeha tany Betlehema niaraka tamin’ny boaty misy fanomezana teo amin’ny ramevany. Hoy ny iray hoe: -Tsarovy tsara izao lazaiko izao ry Balthazar, ny fanolorana fanomezana izay santarintsika amin’izao dia hiparitaka ka tsy ho voafehy intsony any aoriana any!- …

“Ao anatin’ny minitra vitsy dia ndeha avelantsika any aloha ny lisitr’ireo zavatra amin’ny Krismasy, miaraka amin’ireo fanomezana tsy fahita amin’ny andavanandro. Andao mihitsy aza avelantsika any ny voninkazo ho an’i Neny, ny karavato miavaka ho an’i Dada, ny saribakoly mahafatifaty, ny lamasinina misiotsioka, ny bisikileta efa nandrasana hatry ny ela … ka andao isika hampitodika ny eritreritsika amin’ireo fanomezana nomen’ Andriamanitra izay maharitra. Nisafidy efatra fotsiny aho tao anatin’ny lisitra lavabe: …

“Voalohany, ny fanomezan’ny fahaterahana. Nomena antsika tsirairay avy izany. Izany dia ny fahafahantsika hiala ny fonenantsika tany an-danitra ka hitoetra ao anatin’ny vatana ary haneho amin’ny alalan’ny fiainantsika ny fahamendrehantsika sy ny maha-voafidy antsika mba hiverina any Aminy sy any amin’ireo olon-tiantsika ary any amin’ny fanjakana iray antsoina hoe selestialy indray andro any. … Andraikitsika ny maneho ny fankasitrahantsika amin’ny alalan’ireo zavatra ataontsika amin’ny fiainantsika. …

“Faharoa, ny fanomezan’ny fiadanana. Ao amin’ity tontolo be kotaba iainantsika ity, ny tabataban’ny fifamoivoizana sy ny feo maherin’ireo doka amin’ny haino aman-jery ary ireo zavatra tsy maintsy enjehina ao amin’ny androntsika, manginy fotsiny ireo olana eo amin’izao tontolo izao, dia miteraka aretin-doha mampanaintaina ary mamparefo ny herintsika hiatrika zavatra. …

“Mahatakatra ny fo mikorontana rehetra ary manome ny fanomezan’ny fiadanana Ilay novesarana alahelo sy zatra fangirifiriana. -Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo- (Jaona 14:27). …

“Fahatelo, ny fanomezan’ny fitiavana. -Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?- hoy ilay mpahay lalàna niresaka tamin’i Jeoa. Dia namaly haingana i Jesoa hoe: -Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“-Izany no didy lehibe sady voalohany.

“-Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao- (Matio 22:36–39. …

“Fahefatra, ny fanomezan’ny fiainana, dia ny tsy fahafatesana. Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra dia ahitana ilay fanehoana fitiavana marina. Ireo rehetra mamintsika, dia ny fianakaviantsika, ny namantsika, ny fifaliantsika, ny fahaizantsika, ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, dia ho foana raha tsy eo ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo. Anisan’ireo eritreritra sy asa soratra tena mamy indrindra eo amin’izao tontolo izao ilay teny masina milaza fahamarinana manao hoe: -Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay- (Jaona 3:16)” (“Gifts,” Ensign, mey 1993, 59–62).

Manatsara ny fampianarantsika

Tsy maninona ny miteny hoe “tsy fantatro.” Raha toa ka tokony hanao izay tsara indrindra vitanao ianao hamaliana izay fanontaniana ananan’ireo mpianatrao momba ny filazantsara, dia tsy andrasan’ny Tompo aminao ny hahaizanao ny zava-drehetra. Rehefa tsy hainao ny valiny dia valio amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra mba hiaraka hikaroka valiny ao amin’ny soratra masina ka hizara ny zavatra hitany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,24.)