Avia, hanaraka Ahy
7–13 desambra. Môrônia 7–9: “Hanandratra anao kosa anie i Kristy”


“7–13 desambra. Môrônia 7–9: -Hanandratra anao kosa anie i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“7–13 desambra. Môrônia 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Môrônia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Minerva Teichert (1888–1976), Môrônia: ilay sisa tavela tamin’ny Nefita, 1949–1951, sary hoso-doko eo ambony masonite, 88 x 119 cm. Mozean’ny Tao-java-kanto an’ny Oniversiten’i Brigham Young, 1969

7–13 desambra

Môrônia 7–9

“Hanandratra anao kosa anie i Kristy”

Ny tanjonao dia ny hanampy olona hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra fa tsy hampianatra lesona fotsiny. Miomàna ho amin’ny Sekoly Alahady amin’ny famakiana ny Môrônia 7–9 ka ny mpianatra no ataovy ao an-tsaina, sady mitady ireo fitsipika izay hanampy azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra tsirairay mba hamerina hijery ny Môrônia toko 7, na 8, na 9 ary hitady fahamarinana izay manan-danja aminy. Dia azon’ireo mpianatra zaraina avy eo ilay fahamarinana hitany sy ny fomba nitahian’izany azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Môrônia 7:3–19

“Izay avy amin’ Andriamanitra dia manainga sy mitaona hanao ny tsara lalandava.”

  • Mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy isika. Mety hanampy ireo mpianatra ny fifanakalozana hevitra momba ireo fahamarinana ao amin’ny Môrônia 7:3–19 mba tsy hitsara “diso” (Môrônia 7:18). Mba hiomanana amin’izany fifanakalozan-kevitra izany dia afaka mikaroka ao amin’ireo andininy ireo ny antsasak’ireo mpianatra mba hitady ny torohevitra nomen’i Môrônia momba ny fomba hamantarana ny zavatra avy amin’ Andriamanitra, ary ny antsasany hafa dia afaka mitady ny fomba hamantarana izay avy amin’ny devoly. Afaka mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra hitany izy ireo ary hizara ohatra amin’ireo zavatra izay mitaona azy ireo “ hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra” (Môrônia 7:13). Ahoana no hampiharantsika ny torohevitr’i Môrmôna amin’ny fanapahan-kevitsika andavanandro? Ahoana no hahafahantsika manao safidy tsara no sady mbola maneho fitiavana an’ireo manodidina antsika izay tsy miaina ny filazantsara?

  • Betsaka ny olona no manontany tena hoe: “Ahoana no ahafantarako raha toa ka avy amin’ Andriamanitra na avy amin’ny eritreritro manokana ny bitsika iray? Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fanontaniana io dia azonao asaina ireo mpianatra mba hikaroka ao amin’ny Môrônia 7:13–16 ireo fitsipika izay afaka manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo. Ahoana no hanampian’ireo andininy ireo antsika hamantatra ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra? Mety hanampy ny manazava fa ny “Fanahin’i Kristy,” izay fantatra ihany koa amin’ny hoe fahazavan’i Kristy, dia lazaina ihany koa ho ny feon’ny fieritreretantsika indraindray. Ny teny nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy ihany koa.

Môrônia 7:21–48

Ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia mikatsaka finoana sy fanantenana ary fiantrana.

  • Mba hanampiana ireo mpianatrao hahatakatra tsara kokoa ny fifandraisan’ny finoana sy fanantenana ary fiantrana dia afaka maneho seza bory misy tongony telo ianao (na manehoa sarin’izany) dia angataho ireo mpianatra mba hieritreritra ny fomba itovian’ny finoana sy fanantenana ary fiantrana amin’ireo tongony telo ireo (jereo ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Azonao asaina avy eo izy ireo hisafidy iray amin’ireo toetra ireo ary hitady ny zavatra nampianarin’i Môrmôna momba izany ao amin’ny Môrônia 7:21–48. Ifanakalozy hevitra ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Nahoana isika no mila finoana sy fanantenana mba hahazoana ny fanomezampahasoavan’ny fiantrana? Ahoana no hampifandraisan’ny tsirairay amin’ireo toetra ireo antsika amin’i Jesoa Kristy? Nahoana ireo toetra ireo no zava-dehibe ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy? Inona no hitranga amintsika raha very ny finoantsika? ny fanantenantsika? ny fiantrantsika? Asao ireo mpianatra mba haka fotoana fohy hanoratana ny fahatsapana izay nananany.

Môrônia 8:4–21

Mety manampy antsika hanao safidy tsara ny fahatakarana ny fotopampianarana marina.

  • Mety tsy ho mila mifanakalo hevitra momba ny tsy mampety ny fanaovana batisa ankizy ny kilasinao saingy ireo tenin’i Môrmôna momba io lohahevitra io dia afaka manampy azy ireo hahita ny loza ateraky ny fotopampianarana sandoka amin’ny ankapobeny. Mba hanehoana ny fomba entin’ny Bokin’i Môrmôna “[manaporofo] ny mahadiso ny fotopampianarana sandoka” (2 Nefia 3:12), dia azonao asaina ireo mpianatra mba hamaky miaraka amin’ny vondrona na samirery ny Môrônia 8:4–21. Ny antsasak’izy ireo dia afaka mitady fotopampianarana izay tsapan’i Môrmôna fa tsy takatry ny olona, tafiditra amin’izany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny andininy 20) sy ny maha-tompon’andraikitra (jereo ny andininy 10). Ny antsasany hafa dia afaka mitady ny vokatry ny fahadisoan’ny olona. Afaka mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra hitany ny vondrona tsirairay. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny maha-zava-dehibe ny mianatra sy miaina ny fotopampianarana marina? Aiza no ahitantsika fanazavana marina momba ny fotopampianaran’i Kristy? Ahoana no hahafahantsika mahazo antoka fa marina ny fahatakarantsika ny fotopampianarana?

  • Mety hahasoa ireo mpianatrao angamba ny fanarahana ny ohatr’i Môrmôna ny amin’ny fanampiana olona hanao safidy tsara kokoa amin’ny fampianarana azy ireo ny fotopampianarana marina. Azonao atao izany amin’ny fanasana ireo mpianatra hieritreritra olona avy ao amin’ny soratra masina izay nanao safidy ratsy. Fahamarinana ara-potopampianarana inona no hanampy izany olona izany mba tsy hanao safidy ratsy indray? Omeo minitra vitsy ireo mpianatra mba hitadiavana soratra masina na teny nambara tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao tsy ela izay hanampy ilay olona hahatakatra ilay fahamarinana ara-potopampianarana. Dia azonao angatahina avy eo ireo mpianatra mba hizara ny zavatra hitany.

Môrônia 9:25–26

Afaka manana fanantenana ao amin’i Kristy isika na inona na inona toe-javatra iainantsika.

  • Ny hafatr’i Môrmôna voarakitra farany ho an’ny zanany ao amin’ny Môrônia 9:25–26 dia afaka manampy ny mpianatra hahita fanantenana ao amin’i Kristy, na dia ao anatin’ny toe-javatra toa tsy hananana fanantenana intsony aza. Angamba azonao atomboka amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hizara ireo antony nahatonga an’i Môrônia ho nahatsapa ho kivy izany. Dia azon’izy ireo vakina avy eo ireo andininy ireo ka hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana izay namporisihin’i Môrmôna mba hifantohan’i Môrônia. Amin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana ireo no “hanandratra” antsika amin’izao androntsika izao? Afaka mizara ny ohatry “ny [famindram-po] sy ny fahari-pon[ ’Andriamanitra]” izay efa hitany izy ireo. Na afaka mizara hevitra hifanampiana mba hihazonana ny Mpamonjy sy ny filazantsarany “hitoetra mandrakizay ao [an-tsaintsika]” izy ireo na dia rehefa miatrika fahakiviana aza isika (andininy 25).

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra hamaky ny Môrônia 10 dia afaka mandroso hevitra ianao hoe mety ho fotoana tsara izao handinihana ny fomba niainan’izy ireo famelombelomana ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny fandalinany tamin’ity taona ity.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Moa ve avy amin’ny Fanahy izany?

Mba hamaliana ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no hahafantarantsika ireo bitsika avy amin’ny Fanahy?” Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nindrana ny ao amin’ny Môrônia 7:13 ka niteny hoe: “Tsy mieritreritra aho hoe sarotra be izany. … Mitaona ny olona hanao ny tsara, hitsangana, hijoro, hanao izay tokony hatao, ho tsara fanahy, ho feno fangorahana ve ilay izy? Raha izany dia avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra ilay izy” (Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 260–61).

Finoana sy fanantenana ary fiantrana

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampitaha ny finoana, fanantenana, ary fiantrana tamin’ny seza bory misy tongony telo, ary nanazava fa ireo toetra telo ireo dia “mampitombina tsara ny fiainantsika … na dia eo aza ireo faritra mikitoatoana sy tsy milamina izay mety handalovantsika.

“Ny finoana sy fanantenana ary fiantrana dia mifameno, ary rehefa mitombo ny iray dia mitombo ihany koa ny hafa. Ny fanantenana dia avy amin’ny finoana, satria raha tsy misy ny finoana dia tsy misy fanantenana. Toy izany koa ny finoana dia avy amin’ny fanantenana, satria ny finoana -no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina.-

“Ny fanantenana dia sady iankinan’ny finoana no iankinan’ny fiantrana. Rehefa mampihena ny finoana ny tsy fankatoavana sy ny fahadisoam-panantenana ary ny fangatahana andro, dia eo ny fanantenana manohana ny finoantsika. Rehefa manahirana ny fiantrana ny fahasorenana sy ny tsy faharetana, dia mankahery antsika ny fanantenana ary mamporisika antsika mba hiraharaha ny mpiara-belona amintsika eny fa na dia tsy hiandrandrana valisoa aza izany. Rehefa mihamamiratra ny fanantenantsika dia mihalehibe ihany koa ny finoantsika. Rehefa mihamatanjaka ny fanantenantsika dia mihamadio koa ny fiantrantsika” (“The Infinite Power of Hope,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 21, 23–24).

“Ny fitiavana madion’i Kristy.”

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra dikany anankiroa ho an’ny andian-teny hoe “ny fitiavana madion’i Kristy”:

“[Ny iray dia] ilay karazam-pitiavana feno famindram-po sy famelan-keloka izay tokony hifanehoan’ireo mpanara-dia an’i Kristy. …

“[Ny dikany iray hafa dia ny] fitiavan’i Kristy antsika izay tsy nety levona sy lehibe indrindra ary nanavotra. … Raha tsy izany fiantrana izany—izany hoe ny fitiavany madio ho antsika—dia tsinontsinona isika” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 336).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hampivoatra ny fizakan-tena ara-panahy. “Rehefa mampianatra ianao dia ampio [ireo mpianatra] hahita amin’ny alalan’ny tenany manokana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara …, toy izay manome fampahalalana tsotra fotsiny. … Rehefa manana fanontaniana izy ireo dia indraindray tsara kokoa ny mampianatra azy ireo ny fomba ahitana valiny amin’ny alalan’ny tenany manokana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28). Ohatra, azonao asaina mijery ny Sujets de l’Évangile ao amin’ny topics.ChurchofJesusChrist.org ireo mpianatra izay ahitana fampahalalana tena manampy momba ny lohahevitra maro isan-karazany.