Avia, hanaraka Ahy
14–20 desambra. Môrônia 10: “Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy,”


“14–20 desambra. Môrônia 10: -Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“14–20 desambra. Môrônia 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Mba hahafantaranareo, nataon’i Gary L. Kapp

14–20 desambra

Môrônia 10

“Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy”

Ireo olona ao amin’ny kilasinao dia mety nanana traikefa manan-danja tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity. Trandraho ireo traikefa ireo hamporisihana ny tsirairay ao amin’ny kilasy mba handalina ny soratra masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy haka sary an-tsaina fa hitsidika ny kilasy i Môrônia. Inona no ho lazain’izy ireo azy momba izay nosoratany ao amin’ny Môrônia 10? Moa ve misy andininy izay manan-danja manokana amin’izy ireo? Azon’izy ireo atao tsara ny mizara ny traikefa azony tamin’ireo andininy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Môrônia 10:3–7

Afaka mahafantatra ny fahamarinana aho amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

  • Afaka mandray hevi-baovao ny olona ao amin’ny kilasy raha mandalina tsara ny Môrônia 10:3–5 izy ireo. Mba hanampiana azy ireo dia azonao atao ny manoratra andian-teny manan-danja avy amin’ireo andininy ireo amina tapa-taratasy misaratsaraka ary manome ny olona tsirairay na vondrona mpianatra ny iray amin’izany. Asao izy ireo hisaintsaina na hifanakalo hevitra ny amin’izay dikan’ny andian-teny azony, tafiditra amin’izany ny zavatra azony atao mba hampiharana izany eo amin’ny fiainany. Dia azonareo atao avy eo ny mamaky miaraka ny Môrônia 10:3–5, ka mijanona kely rehefa tonga amin’ny andian-teny nohalalin’ny olona iray mba hahafahan’ny ilay olona mizara ny eritreriny.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny traikefa azony tamin’ny fampiharana ny fanasan’i Môrônia ao amin’ireo andininy ireo dia azonao asaina izy ireo haka sary an-tsaina fa miezaka mamporisika namana na olona ao amin’ny fianakaviana iray izy ireo mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no fomba hampiasan’izy ireo ny Môrônia 10:3–7? Inona no traikefa azon’izy ireo zaraina? Ahoana no fomba hahafahantsika manampy ny hafa hahatakatra ny dikan’ny hoe mahafantatra zavatra iray “amin’ny herin’ny Fanahy Masina”? (Môrônia 10:5).

Môrônia 10:8–25

“[Aza mandà] ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra.”

  • Nahoana ilay fananarana “mba tsy handavanareo ireo fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra”no manan-danja manokana amin’izao andro farany izao? (Môrônia 10:8). Amporisihio ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina io fanontaniana io eo am-pamakiany ny Môrônia 10:8–18. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hampatanjaka ny finoany ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia azonao asaina izy ireo mba hizara ohatra ana olona izay mampiasa ny fanomezam-pahasoavana voatanisa ao amin’ny Môrônia 10:9–16. Ny ohatra dia mety ho avy amin’ny soratra masina, ny tantaran’ny Fiangonana, na ny fiainany manokana. (Ireo ohatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna dia aroso ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Afaka mifanakalo hevitra ihany koa ianareo ny amin’ny hoe ireo fanomezam-pahasoavana sasany voasoritsoritra ao amin’ireo andininy ireo dia niseho tamin’ny fotoana niavian’ny Bokin’i Môrmôna. Nahoana no zava-dehibe ho an’ny olona iray izay mikatsaka fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ny mino ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy? Inona no ataontsika indraindray ka mahatonga antsika “[mandà]” ireo fanomezam-pahasoavana ireo eo amin’ny fiainantsika? Manampy antsika “[hanatona] an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” amin’ny fomba ahoana ireo fanomezam-pahasoavana ireo? (jereo ny Môrônia 10:30–33).

  • Fomba iray hafa hanadihadiana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voasoritsoritra ao amin’ireo andininy ireo ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Inona no atao hoe fanomezam-pahasoavana ara-panahy? Iza no omena azy ireo? Inona no antony hanomezana azy ireo? ary Ahoana no handraisantsika azy ireo? Dia asao ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka ao amin’ny Môrônia 10:8–25 mba hahitana valiny. (Ireo teny nindramina avy amin’ny Filoha Brigham Young sy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy ihany koa.) Ankoatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voatanisa ao amin’ny andininy 9–16 dia inona koa no “fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra” hafa azontsika na nitahiana antsika? (Môrônia 10:8). Azonao zaraina ny zavatra nampianarin’ny Loholona Bruce R. McConkie: “Ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia tsy mana-petra amin’ny isa ary tsy mana-pahatamperana amin’ny karazany. Ireo izay voatanisa ao amin’ilay teny nambara dia fanehoana fotsiny ihany ny firotsahana tsy manam-petran’ny fahasoavan’ Andriamanitra izay omen’ny Andriamanitra be fahasoavana ho an’ireo izay tia sy manompo Azy” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 371).

Môrônia 10: 30–33

Afaka ny ho tanteraka aho amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no tsapanao fa hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao hanaiky ny fanasan’i Môrônia mba “[h]anatona an’i Kristy ary hatao tanteraka ao Aminy”? (Môrônia 10:32). Angamba ny fanombohana amin’ny fihirana hira mikasika an’io lohahevitra io, toy ny “Viens et suis-moi!” (Cantiques, no. 61), dia afaka manasa ny Fanahy ho ao amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo, ary ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizara izay fifandraisana hitany eo amin’ilay hira sy ireo fahamarinana hita ao amin’ny Môrônia 10:30–33. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny dikan’ny hoe manatona an’i Kristy? Midika inona ny hoe “tanteraka ao amin’i Kristy”? (jereo ihany koa ny FF 76:50–53, 69). Zarao ny fahatsapanao momba ny dikan’ny hoe “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa,” (FF 76:69), ary amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny azy ireo.

  • Koa satria ity no fifanakalozan-kevitra farany momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity dia azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny sasany amin’ny zavatra izay tsapany sy nianarany rehefa nandalina io boky io izy ireo. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy amin’ny fanaovana izany dia azonareo vakiana miaraka ny Môrônia 10:32–33, dia asaivo misaintsaina mandritra ny minitra vitsivitsy ny olona ao amin’ny kilasy ny amin’ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo mba hanatona an’i Kristy. Azonao anontaniana hoe: Ahoana no nanampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika mba hanana fitiavana an’ Andriamanitra lehibe kokoa? Ahoana no nanampian’izany antsika mba hiantehitra tanteraka kokoa amin’ny fahasoavan’i Kristy? Ahoana no nanampian’izany antsika mba “tsy [h]andà” ny herin’ny Mpamonjy? Asao ny olona ao amin’ny kilasy hijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny maha-vavolombelon’i Kristy an’ilay boky.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hiandrandra ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny taona ho avy, dia azonao atao famerenana ny Môrônia 10:9–16 ary azonao hazavaina fa ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia miharihary ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika dia hahita ny nampiasana ireo fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra mba hanatanterahana ny asany amin’ny andro farany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fisehoan’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fijoroana ho vavolombelon’ny Filoha Brigham Young mikasika ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

Finoana. Rehefa mino ireo fitsipiky ny Filazantsara ianao ka mahazo finoana, izay fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra, dia manampy finoana hatrany izy, ka ny finoana dia miampy finoana. …

Ny fanomezam-pahasoavan’ny fanasitranana. Eto aho mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ny lehilahy, vehivavy, ary ankizy aman-jatony maro izay nositranina tamin’ny herin’ Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ary maro izay teo am-bavahoana ny ho faty no hitako tafarina indray; ary niverina tao amin’ny vatany ny fanahin’ny sasany. Mijoro ho vavolombelona aho fa nahita ny marary nositranina tamin’ny fametrahan-tanana, araka ny fampanantenan’ny Mpamonjy. …

Faminaniana, fanambarana, ary fahalalana. Ny lehilahy sy vehivavy tsirairay dia afaka ny ho mpanambara, ary hanana ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa, izay fanahin’ny faminaniana, ary afaka mahita mialoha ny fihevitra sy sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, mifady ny ratsy, ary misafidy izay tsara” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 252–53).

“Hihazonanareo ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra.”

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nitantara ny fomba nitahiana ny reniny noho ny fikatsahana fanomezam-pahasoavana ara-panahy: “Tamin’ny nahalasa ny vadiny, dia tena nandeha ila ilay reniko nananon-tena. Tena nivavaka izy mba hahazoana ny zavatra nilainy hanatontosany ny andraikiny hitaizana ireto zanany kely anakitelo! Nikatsaka izy, mendrika izy, ary dia voatahy izy! Nivaly tamin’ny fomba maro ny vavaka nataony, anisan’izany ny fandraisana fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Nanana maro izy, fa ny iray niraikitra tao an-tsaiko dia ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana, fijoroana ho vavolombelona, ary fahendrena” (“Spiritual Gifts,” Ensign, Sept. 1986, 72).

Manatsara ny fampianarantsika

Manokàna fotoana mba hizaran’ny olona ao amin’ny kilasy zavatra. “Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia tsy hoe mahatsapa ny Fanahy sy mampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona fotsiny izy ireo fa mamporisika koa ireo olona hafa ao amin’ny kilasy mba hahita ireo fahamarinana amin’ny alalan’ny tenany manokana” (Mampianatra araka ny fomban’i Kristy, 30).