Avia, hanaraka Ahy
21–27 desambra. Krismasy: “Ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony”


“21–27 desambra. Krismasy: -Ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“21–27 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely, tao an-tranon’omby

Indrony Zanakondrin’Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

21–27 desambra.

Krismasy

“Ho tonga eo amin’ izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony”

Ny vanim-potoan’ny Krismasy no fotoana hisaintsainana sy hanehoana fankasitrahana noho ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika. Mandritra ny famakianao sy ny fandinihanao momba ny nahaterahany sy ny fiainany amin’ity herinandro ity, dia saintsaino hoe tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny fandaliananao ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny maha-Mpamonjy izao tontolo izao Azy. Raketo an-tsoratra ny fahatsapana ananao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Miainga amin’ny bokin’i Nefia ka hatramin’ny bokin’i Môrônia, ny Bokin’i Môrmôna dia voatokana ho amin’ny tanjona masina izay voafintina eo amin’ny pejin-dohaten’ny boky: “Mba handresen-dahatra ny [olon-drehetra] fa i Jesoa no Kristy.” Nisy mpaminany iray nahita azy fony Izy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana, ary ny iray hafa kosa nahita ny nahaterahany sy ny asa fanompoany tao anaty fahitana. Nisy mpaminany teo amin’ny manda iray nanambara ireo famantarana ny amin’ny fahaterahany sy ny fahafatesany, ary nisy iray hafa nandohalika teo anatrehan’ny vatany izay efa nitsangana tamin’ny maty ka nikasika ireo olatra teny amin’ny tanany sy ny tongony ary ny lanivohany. Izy rehetra dia nafantara izao fahamarinana manan-danja izao: “Tsy misy lalana na fomba izay hahafahana mamonjy ny olona raha tsy amin’ny alalan’ny ran’ny soropanavotan’i Jesoa Kristy izay ho avy … hanavotra izao tontolo izao” (Helamàna 5:9).

Noho izany mandritra ity vanim-potoan’ny Krismasy ity, raha mankalaza ny hatsarany sy ny fitiavan’Andriamanitra ny mpino rehetra maneran-tany noho ny nandefasany ny Zanakalahiny, dia saintsaino hoe tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny Bokin’i Môrmôna ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Saintsaino, eo am-pieritreretanao momba ny nahaterahany, ny fomba nanovan’ny antony niaviany sy ny fomba niaviany ny fiainanao. Afaka miaina fifaliana marina avy amin’ny Krismasy ianao avy eo—dia ilay fanomezana izay nomen’i Jesoa Kristy anao izany.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Nefia 11:13–36; Môzià 3:5–10; Helamàna 14:1–13; 3 Nefia 1:4–22

Tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy ahy.

Fomba fanao ny mamaky ny tantaran’ny nahaterahan’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao isaky ny andron’ny noely, saingy afaka mahita faminaniana mampihetsi-po mahakasika io tranga masina io ihany koa ianao ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra hoe, hita ao amin’ny 1 Nefia 11:13–36; Môzià 3:5–10; Helamàna 14:1–13; ary 3 Nefia 1:4–22 ireo faminaniana momba ny fahaterahana sy ny fanompoan’ny Mpamonjy. Inona no fahatsapana momba an’i Jesoa Kristy tonga tao aminao rehefa namaky ireo andalan-tsoratra masina ireo ianao ary nandinika izay mety ho dikan’ireo famantarana tamin’ny fahaterahany? Amin’ny fomba ahoana no hampatanjahan’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpaminany tany Amerika fahiny ny fijoroana ho vavolombelonao ny amin’i Kristy sy ny iraka notanterahany?

Jereo koa ny Matio 1:18–252; Lioka 2.

2 Nefia 2:6; Almà 7:7–13; 11:40; Helamàna 5:9; 14:16–17

I Jesoa Kristy no Mpanavotra ny zanak’olombelona rehetra.

Tsy ho nanana antony hankalazana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy isika raha tsy teo ny sorona manavotra nataony, izay tamin’ny alalan’izany no anavotany antsika amin’ny fahotantsika sy amin’ny fahafatesana, ampiononany antsika ao amin’ny fahoriana, ary anampiany antsika mba “hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32). Inona no nianaranao avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity momba ny herin’ny Mpamonjy amin’ny fanavotana anao? Misy tantara na fampianarana ve mety ho manan-danja aminao? Saintsaino hoe inona no ampianarin’ireto ohatra manaraka ireto anao momba ny ira-pamonjena notanterahan’ny Mpamonjy: 2 Nefia 2:6; Almà 7:7–13; 11:40; sy Helamàna 5:9; 14:16–17. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanehoana ny fankasitrahanao?

1 Nefia 6:4; 19:18; 2 Nefia 25:23, 26; 33:4, 10

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Ilay lohateny hoe “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy” dia mihoatra ny hoe lohateny fotsiny ho an’ny Bokin’i Môrmôna; izany dia fanambarana ny amin’ny tanjona masina ananany. Saintsaino ny zavatra ianaranao avy amin’ireto soratra masina ireto ny amin’ny anjara asa sahanin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy: 1 Nefia 6:4; 19:18; sy 2 Nefia 25:23, 26; 33:4, 10.

Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diarinao ny fomba nampanatonan’ny Bokin’i Môrmôna anao tamin’i Kristy. Mety hanampy ireto fiantomboham-pehezan-teny manaraka ireto:

  • “Toy izao ny zava-baovao nianarako momba ny Mpamonjy tamin’ity taona ity …”

  • “Nanova ny fomba … ny famakiako ny [andinin-tsoratra masina momba ny Mpamonjy]”

  • “Ny olona tiako indrindra [na tantara] tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra ahy fa ny Mpamonjy …”

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

1 Nefia 11:13–23; Môzià 3:5–10; Helamàna 14:1–13; 3 Nefia 1:4–22

Mety ho tian’ny ankizy ny manao kisarisary ny zavatra reny eo am-pamakianao ireo tantaran’ny fahaterahana sy ny fanompoan’i Jesoa Kristy ao amin’ny 1 Nefia 11:13–23; Môzià 3:5–10; Helamàna 14:1–13; sy 3 Nefia 1:4–22. Avy eo dia azonao averina tantaraina ireo tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ireo sary nataon’izy ireo.

“Izy ilay Fanomezana.”

Mba hanampiana ny fianakavianao hifantoka amin’ilay fanomezana nomen’ny Ray any An-danitra antsika tamin’ny alalan’ny nandefasany ny Zanakalahiny, dia azonao atao ny manao anaty fonosana ny sarin’i Kristy ho toy ny fanomezan’ny Krismasy. Azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny miresaka momba ny fanomezana Krismasy tian’izy ireo indrindra izay efa azona na antenainy ho azo. Afaka manala ny fonon’ilay sarin’i Kristy izy ireo avy eo ary mifanakalo hevitra ny amin’ny maha-fanomezana sarobidy Azy ho antsika.

Mety hahasoa ny fianakavianao ihany koa ny mieritreritra “fanomezana” iray tian’izy ireo omena ny Mpamonjy; toy ny hoe miezaka mba ho tsara fanahy kokoa amin’ny hafa na manao asa mba handresena fahazaran-dratsy iray. Hevero ny hanasa ireo olona ao amin’ny fianakaviana hanoratra ny hevitr’izy ireo, hanao izany anaty fonosana ho toy ny fanomezana, ary hametraka ny fanomezan’izy ireo manodidina ny sarin’ny Mpamonjy.

Ny fanahin’ny Krismasy

Mety hahafinaritra ny manomana hetsika izay azon’ny fianakavianao hatao amin’ireo andro mialoha ny Krismasy mba hahatsapana ny Fanahin’i Kristy; toy ny manompo ny hafa na ny miara-mihira fihirana fanao amin’ny Krismasy.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. “Rehefa manohy ny fanaraha-maso mikasika ny fanasana iray mba handray andraikitra ianao, dia mampiseho amin’ny [olona ao amin’ny fianakavianao] fa miraharaha azy ireo sy miraharaha izay fitahiana entin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manome azy ireo fahafahana mba hizara ny zavatra niainany koa ianao izay manamafy orina ny fanolorantenany sy manome azy ireo fahafahana mba hifanohana ao anatin’ny fiainana ny filazantsara” (mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).

Sary
anjely iray mampiseho an’i Nefia an’i Maria virjiny ao anatin’ny fahitana

Ny fahitan’i Nefia momba an’i Maria virjina nataon’i Judith A. Mehr