Avia, hanaraka Ahy
Tovana A: Ahoana no hijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona amiko fa marina ny Bokin’i Môrmôna?


“Tovana A: Ahoana no hijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona amiko fa marina ny Bokin’i Môrmôna?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Tovana A,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Tovana A

Ahoana no hijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona amiko fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Mety efa renao ny fampanantenana nomen’i Môrônia ny olona rehetra izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna manao hoe: “raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarina[n’ny Bokin’i Môrmôna] aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4). Fa inona no dikan’ny hoe mahafantatra ny fahamarinana “amin’ny herin’ny Fanahy Masina”? Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa miresaka aminao ny Fanahy Masina?

Mety hanampy ny mahatsiaro fa ny Fanahy Masina dia mifandray amintsika amin’ny fomba tena hafa amin’ny fomba mahazatra fifandraisana mahazatra antsika. Saingy ny Rainao any An-danitra dia te hanampy anao hianatra hamantatra ny Fanahy. Nomeny ny Bokin’i Môrmôna ianao, izay hitantaran’ny mpanompo mahatoky maro ny zavatra niainan’izy ireo mahakasika ny feon’ny Tompo.

Ohatra, i Nefia dia niteny tamin’ireo rahalahiny fa ny Tompo dia niresaka tamin’izy ireo “tamin’ny feo tony sy malefaka,” izay tsy voatery ho feo afaka ny ho ren’izy ireo tamin’ny sofiny akory. Raha ny marina, i Nefia dia nilaza fa “donto” ireo rahalahiny ka tsy afaka “nahatsapa ny teniny” (1 Nefia 17:45, nampiana sora-mandry). I Enôsa dia namariparitra ny valim-bavaka azony hoe “ny feon’ny Tompo” tonga “tao an-tsai[ny]” (Enôsa 1:10). Ary saintsaino ireto teny ireto izay mamariparitra ilay feo tonga avy any an-danitra rehefa niseho tao an-tanin’ny Soafeno ilay Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty: “Tsy feo midridrodridro izany, sady tsy feo mafy koa; kanefa, … izany dia nanindrona azy hatrany amin’ ny aty fanahiny ary nampirehitra ny fony” (3 Nefia 11:3).

Mety efa niaina zavatra tahaka ireo angamba ianao, na mety ho hafa ny zavatra niainanao. Miresaka amin’ny fomba isankarazany ny Fanahy Masina ary afaka ny ho tonga amintsika tsirairay avy amin’ny fomba samy hafa ny fanambarana. Ary rehefa ao anatin’ny fiainantsika ny Fanahy, dia hahita ny fitaomany eo amintsika amin’ny fomba maro isika. I Paoly Apôstôly dia niresaka momba “ny vokatry ny Fanahy”, izay fahatsapana “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy ary fahononam-po” sy ny maro hafa (Galatiana 5:22–23).

Ireto misy fampianarana sy ohatra vitsivitsy hafa avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny Fanahy Masina. Eo am-pamakianao izany dia mety ho hitanao fa ny Fanahy Masina dia efa niresaka taminao mihoatra lavitra izay efa tsapanao, nijoro ho vavolombelona taminao fa tena tenin’ Andriamanitra marina ny Bokin’i Môrmôna.

Fankasitrahana sy fifaliana

Ny Bokin’i Môrmôna dia manomboka amin’ny fahitan’i Lehia mpaminany fahitana mahatalanjona. Ao amin’io fahitana io dia nomena boky iray izy ary nasaina hamaky izany. “Raha namaky izy” hoy ilay rakitsoratra, “dia heniky ny Fanahin’ ny Tompo.” Io zavatra niainana io dia nitarika an’i Lehia hidera an’ Andriamanitra noho ny “heri[ny] sy ny hatsara[ny] ary ny famindram-po[ny],” ary ny “fanahi[n’i Lehia] dia ravoravo tokoa, ary feno ny fony manontolo” (1 Nefia 1:12, 14–15).

Efa niaina zavatra toy izany ve ianao? Efa nahatonga ny fonao ho heniky ny fankasitrahana ny hatsaran’ Andriamanitra sy ny famindram-pony ve ny famakianao ny Bokin’i Môrmôna? Efa nisy andinin-tsoratra masina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ve nahatonga ny fanahinao ho ravoravo? Ireo fahatsapana ireo no fitaoman’ny Fanahy, izay mijoro ho vavolombelona aminao fa tonga avy amin’ Andriamanitra ireo teny izay vakinao ary mampianatra ny fahamarinany.

Fiovam-po

Rehefa avy nanao lahateny miavaka momba ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy i Benjamina Mpanjaka (jereo ny Môzià 2–4), dia te hahafantatra izy raha toa ny olony ka “nino ny teny izay efa nolazainy taminy.” Namaly izy ireo hoe nino ny hafatra nolazainy izy ireo. Nahoana? “Noho ny amin’ ny Fanahin’ ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am-ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môzià 5:1–2).

Mety efa nahatsikaritra zavatra mitovy amin’izany tao am-ponao angamba ianao teo am-pamakianao ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra hoe, mety efa nahatsapa ho notaomim-panahy ianao ny ho lasa olona tsaratsara kokoa, ny hiala amin’ny fahotana, na ny hanao zavatra feno hatsaram-panahy ho an’olona. Io ilay vavolombelona ara-panahy tadiavinao fa avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra ilay boky. Satria araka izany nampianarin’i Môrmôna, “Ny zavatra tsirairay izay manainga sy mitaona hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy, dia avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra” ” (Môrônia 7:13; jereo koa ny 2 Nefia 33:4, 10; Almà 19:33; Etera 4:11–12).

Saina lasa mahatakatra

Tamin’i Almà naniry ny hanampy ny Zôramita mba hanao “fanandramana amin’ny teni[ny]”, ary hahafantatra mivantana raha toa ka marina ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona, dia nampitahainy tamin’ny voa iray ny tenin’ Andriamanitra: “Raha manisa toerana ianareo mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo,” hoy izy nanazava, “dia indro hanomboka handrobona ao an-tratranareo izy; ary rehefa tsapanareo ireo fihetsiny mandrobona, dia hanomboka hiteny anakampo ianareo hoe—Tsy azo ihodivirana ny maha tsy maintsy voa tsara azy, na ny teny dia tsara, satria manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy” (Almà 32:27–28).

“Manisy toerana” ao am-ponao ho an’ny tenin’ny Bokin’i Môrmôna ianao rehefa mamela azy ireny hitondra fiantraikany eo amin’ny fiainana sy hitarika ny safidinao. Ary ahoana no “[hampivelaran’ireo teny ireo] ny fanahi[nao]” sy “[hanazavany] ny fahazavan-tsai[nao]”? Mety ho tsapanao fa lasa matanjaka kokoa ara-panahy ianao. Mety hahatsapa ho be fitiavana kokoa sy misokatra kokoa amin’ny hafa ianao. Mety ho tsikaritrao ihany koa fa mahataka-javatra amin’ny fomba tsaratsara kokoa ianao, indrindra fa ireo zavatra ara-panahy, efa hila ho toy ny hoe misy hazavana mamiratra mihitsy ao an-tsainao. Ary mety hiombon-kevitra ianao fa “fy” ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna. Ny fahatsapana toy izany dia afaka manampy anao hahatakatra fa tena nahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ny amin’ny fahamarinana tokoa ianao, araka ny nambaran’i Almà hoe: “Moa va izany tsy zava-misy? Lazaiko aminareo, Eny, satria izany dia fahazavana; ary na inona na inona fahazavana dia tsara, satria azo avahana izy, noho izany dia tsy maintsy fantatrareo fa tsara izany” (Almà 32:35).

Tsy mila manontany tena ianareo

Santionany amin’ireo fomba ifandraisan’ny Fanahy amintsika fotsiny ireo. Mbola misy maro hafa ankoatra izany. Mitadiava hatrany fahafahana hihaino ny feon’ny Fanahy, dia handray ny tenivavolombelony tsy tapaka sy manamafy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ianao.

Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo. Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith, ary ity no Fiangonan’ny Tompo. Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina.” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95).