Avia, hanaraka Ahy
Tovana B: “Fahamarinana tsotra sy sarobidy”


“Tovana B : -Fahamarinana tsotra sy sarobidy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Tovana B,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Tovana B

“Fahamarinana tsotra sy sarobidy”

Ny Bokin’i Môrmôna dia nomaniny hivoaka amin’ny andro farany, fotoana mampihanaka ny fisafotofoan-kevitra ara-potopampianarana, na ny faharamarinana mandrakizain’Andriamanitra. Anisan’ny tanjona masin’ilay boky, araka ny nahitan’i Nefia izany dia ny “hampitoetra ny fahamarinan’[ny Baiboly],” sy “hampahafantatra ny zavatra tsotra sy sarobidy” izay very an-jato taonany maro, ary “hampahafantatra amin’ ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra fa ny Zanakondrin’Andriamanitra no Zanaky ny Ray Mandrakizay sy Mpamonjy izao tontolo izao” (1 Nefia 13:40).

Manambara ireo fahamarinana mandrakizay izay very nandritra ny apôstazia ny Bokin’i Môrmôna ary manampy tenivavolombelona faharoa amin’ireo fahamarinana maro ampianarina ao amin’ny Baiboly. Indreto misy vitsivitsy amin’ireny fahamarinana ireny. Tadiavo ireny ary koa ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy hafa eo am-pandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Ny Andriamanitra

  • Olona misaraka miavaka tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina, kanefa iray tanjona (jereo ny 3 Nefia 11:32, 36).

  • Manana vatana azo tsapain-tanana ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty (jereo ny 3 Nefia 11:10–17).

Soratra masina fanampiny momba ny Ny Andriamanitra: 2 Nefia 31:6–8; Etera 12:41

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

  • Nijaly ho an’ny fahotantsika sy ny fahoriantsika i Jesoa Kristy koa noho izany dia hainy ny fomba hanampiana antsika (jereo ny Almà 7:11–13).

  • Afaka ny ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 10:32–33).

Soratra masina fanampiny momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy: 1 Nefia 10:6; 2 Nefia 2:6–9; Jakôba 4:11–12; Môzià 3:1–19; Almà 34:8–16

Ny Drafitry ny famonjena

  • Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia ampahany nanan-danja ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 2:22–27).

  • Nilaina ny fifanoherana mba ahafahantsika mampiasa ny fahafahana misafidy (jereo ny 2 Nefia 2:11–16).

  • Hotsaraina arakaraka ny zavatra nataontsika sy ny fanirian’ny fontsika isika (jereo ny Almà 41:3–7).

  • Sarintenin’ny fahoriana manjo ireo izay tsy mibebaka ny “farihy afo sy solofara” (jereo ny 2 Nefia 9:16–19; Môzià 3:24–27).

Soratra masina fanampiny momba ny famonjena: 2 Nefia 9:11–26; Almà 22:12–14; 34:31–35; 42:1–26

Ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ ny Laoniny

Soratra masina fanampiny momba Apôstazia: 1 Nefia 13:1–9, 24–29; 2 Nefia 27–28

Soratra masina fanampiny momba ny Famerenana amin’ny laoniny: 1 Nefia 14:7–12; 22:7–11; 2 Nefia 3:7–24; 25:17–18

Mpaminany sy fanambarana

  • Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaninany rehetra (jereo ny Môzià 13:33–35).

  • Tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fahalalana fahamarinana ara-panahy (jereo ny Almà 5:45–47).

  • Tsy mirakitra ny tenin’Andriamanitra rehetra ny Baiboly (jereo ny 2 Nefia 29:10–13).

  • Tsy nitsahatra tamin’izao fotoana izao ny fanambarana avy amin’Andriamanitra (jereo ny Môrmôna 9:7–9).

Soratra masina fanampiny momba ny mpaminany: 1 Nefia 22:1–2; Môzià 8:16–18; Helamàna 13:24–33

Soratra masina fanamapiny momba ny fanambarana: Jakôba 4:8; Almà 12:9–11; 17:2–3; Môrônia 10:5

Fisoronana

  • Efa voantso sy voaomana hatramin’ny fanorenana izao tontolo izao ireo mpihazona ny fisoronana (jereo ny Almà 13:1–3).

  • Tsy maintsy mandray fahefana avy amin’Andriamanitra mba hitory filazantsra ny olona iray (jereo ny Môzià 23:17).

Soratra masina fanampiny momba ny fisoronana Môzià 18:17–20; Almà 13; Helamàna10:7

Ôrdônansy sy fanekempihavanana

Soratra masina fanampiny momba ny ôrdônansy: Môzià 18:8–17; 21:33–35; Almà 13:16; 3 Nefia 18:1–11; Môrônia 2–6; 8:4–26

Soratra masina fanampiny momba ny fanekempihavanana: 2 Nefia 11:5; Môzià 5:1–9; Almà 24:17–18

Fanambadiana sy fianakaviana

  • Tokony hifankatia ny mpivady (jereo ny Jakôba 3:5–7).

  • Tokony hanabe ireo zanany ho an’ny Tompo ny ray aman-dreny (jereo ny 1 Nefia 7:1).

Soratra masina fanampiny momba ny fanambadiana sy fianakaviana: 1 Nefia 1:1; 2 Nefia 25:26; Jakôba 2:23–28; Enôsa 1:1; Môzià 4:14–15; 3 Nefia 18:21

Ireo didy

  • Hanomana lalana ny Tompo mba ahafahantsika manantanteraka ireo didiny (jereo ny 1 Nefia 3:7).

  • Mitahy antsika Andriamanitra raha mitandrina ireo didiny isika (jereo ny Môzià 2:22–24).

Soratra masina fanampiny momba ireo didy: 1 Nefia 17:3; 22:30–31; Almà 37:13, 35; 50:20