Avia, hanaraka Ahy
7–13 desambra. Môrônia 7–9: “Fa hanandratra anao kosa anie i Kristy”


“7–13 desambra. Môrônia 7–9: -Fa hanandratra anao kosa anie i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“7–13 desambra. Môrônia 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Môrônia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Minerva Teichert (1888–1976), i Môrônia: ilay sisa tavela tamin’ny Nefita, 1949–1951, peinture à l’huile sur masonite, 89 x 47 sentimetatra. Tranombakoky ny Zavakanton’ny Oniversitean’ny Brigham Young, 1969

7–13 desambra

Môrônia 7–9

“Fa hanandratra anao kosa anie i Kristy”

Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina ary raketo an-tsoratra ny hafany ho anao eo am-pamakianao ny Môrônia 7–9. Afaka samy ampianariny anao na ny zavatra izay mila fantarinao na izay mila hataonao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Mialoha ny namaran’i Môrônia ny rakitsoratra izay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe Bokin’i Môrmôna tamin’ny teniny farany dia nozarainy ny hafatra telo avy amin’i Môrmôna rainy: teny ho an’ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3) sy taratasy roa izay nosoratan’i Môrmôna ho an’i Môrônia. Mety hoe nampidirin’i Môrônia tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo hafatra ireo noho ny fahitany mialoha ny fitoviana eo amin’ny loza tamin’ny androny sy amin’ny antsika. Tafalatsaka vetivety tao anatin’ny apôstazia ny Nefita iray manontolo tamin’ny fotoana nanoratana ireo teny ireo. Maro tamin’izy ireo no “[namoy] ny fifakantiavany teo amin’ny izy samy izy” sy finaritra tamin’ny “zavatra rehetra afa-tsy izay tsara” (Môrônia 9:5, 19). Kanefa dia mbola nanana antony hananana fanantenana ihany i Môrmôna; izay mampianatra antsika fa ny fanantenana dia tsy midika hoe tsy firaharahiana na tsy fahafantarana momba ny olana misy eo amin’izao tontolo izao. Izany dia midika ho fananana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay manana hery lehibe lavitra sy maharitra mandrakizay lavitra noho ireny olana ireny. Izany dia midika hoe “[mihazona] ny zavatra tsara rehetra” (Môrônia 7:19). Izany dia midika hoe mamela ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy “ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandakizay ao an-tsainao” (Môrônia 9:25). Ary mandra-pahatongan’ny andro be voninahitry ny Fiavian’i Kristy Fanindroany, izany dia midika hoe tsy manatsahatra na oviana na oviana ny “asa [ilaina] hotontosain[tsika] isika … mba hahazoantsika mandresy ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra.” (Môrônia 9:6).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môrônia 7:12–20

Manampy ahy hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny fahazavan’i Kristy.

Feno hafatra manintona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny; ahoana ahafahantsika mahafantatra hoe inona no marina ary inona no diso? Ny tenin’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7 dia manome antsika fitsipika maromaro azontsika ampiasaina mba hialana amin’ny “[fitsarana] diso” (Môrônia 7:18). Rehefa mandalina ny Môrônia 7:12–20 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hanampy anao hahafantatra ny zavatra izay hampanakaiky anao an’Andriamanitra sy izay tsy hampanakaiky anao Azy. Mety hampiasa ireny fahamarinana ireny ianao mba hanampiana anao handajalanja ny hafatra sendra anao sy ny zavatra hiainanao amin’ity herinandro ity ka hanapa-kevitra raha manasa sy manainga anao hanao ny tsara ireny na tsia (jereo ny Môrônia 7:13).

Jereo koa ny “Juger les autres,” Sujets de l’Evangile, topics.ChurchofJesusChrist.org; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahazavana, fahazavan’i Kristy.”

Môrônia 7: 20–48

Afaka “[mihazona] ny zavatra tsara rehetra” aho amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy.

Rehefa avy nampianatra momba ny fanavahana ny tsara amin’ny ratsy i Môrmôna dia nametraka fanontaniana iray izay toa manan-danja amin’izao fotoana izao izy: “Ahoana no mety [ahafahana] mihazona ny zavatra tsara rehetra?”—indrindra rehefa mahasarika tokoa ny fakampanahin’ilay fahavalo (Môrônia 7:20). Afaka hita manerana ny ambin’ny toko 7 ny valin-tenin’i Môrmôna. Mandritra ny famakianao ny andininy 20–48 dia tadiavo ireo fahamarinana izay manampy anao hamantatra “ny zavatra tsara rehetra” anananao noho i Jesoa Kristy. Amin’ny fomba ahoana no hoe manampy anao hikatsaka izay zavatra tsara rehetra ny fananana finoana Azy? Ahoana no ahafahanao “mihazona” ny zavatra tsara misimisy kokoa?

Jereo koa ny Fanekempinoana 1:13

Môrônia 7:44–48

“Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Nanao fanamarihana ny Filoha Dallin H. Oaks manao hoe: “Ny antony tsy maha levona mandrakizay ny fiantrana sy ny antony maha lehibe kokoa ny fiantrana noho izay mety ho asa tena tsara indrindra notanisainy dia satria ilay fiantrana , -ny fitiavana madion’i Kristy- (Môrô. 7:47), dia tsy asa iray fa toetry ny tena. … Ny fiantrana dia toe-tena ahatongavan’ny olona iray” (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 34). Mandritra ny famakianao ny Môrônia 7:44–48 dia saintsaino ny famariparitan’i Môrmôna ny hoe fiantrana ary henoy ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina; afaka manampy anao Izy hahita fomba azonao hivoarana. Nahoana isika no mila finoana sy fanantenana mba handraisana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana?

Môrônia 9:9

Afaka alaina amiko ve ny fahadiovam-pitondrantenako sy ny hasiko?

Ny filazalazan’i Môrmôna ny amin’ireo fahotana mahatsiravina nataon’ny Nefita dia nitondra ny sasany tamin’ny fiheverana diso fa ireo izay niharan’ny herisetra na fanararaotana ara-nofo dia nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Nanazava anefa ny Loholona Richard G. Scott fa tsy izany no izy. Nampianatra izy hoe, “Amin’ny fomba manetriketrika no ijoroako ho vavolombelona fa tsy tompon’andraikitra ianao ary tsy tokony hahatsapa tena ho meloka rehefa niharan’ny herisetra, na fanolanana, na fanolanan’olom-pady, tsy tamin’ny nahim-ponao” (“Healing the Tragic Scars of Abuse,” Ensign, May 1992, 32).

Môrônia 9:25–26

Afaka manana fanantenana ao amin’i Kristy aho na dia eo aza ny toe-javatra misy ahy.

Nasain’i Môrmôna tsy halahelo ny zanakalahiny rehefa avy nilazalaza ny amin’ny faharatsiana hitany izy. Inona no nahafinaritra anao tamin’ny hafatra feno fanantenana nosoratan’i Môrmôna? Midika inona aminao ilay hoe “fa hanandratra anao kosa anie i Kristy”? Inona avy ireo toetran’i Kristy sy fitsipiky ny filazantsarany izay “mitoetra ao an-tsainao” ka manome fanantenana anao? (Môrônia 9:25).

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanantenana ny fahazavan’ andriamanitra,” Liahona, mey 2013, 70, 75–77.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môrônia 7:5–11

Nahoana araka ny Môrônia 7:5–11 no manan-danja ny manao ny zavatra tsara noho ny antony tsara? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra raha mivavaka sy mankatò ny didin’Andriamanitra amin’ny “finiavana marina” na tsia isika? (andininy 6).

Môrônia 7:12–19

Ahoana no ahafahan’ny torohevitr’i Môrmôna hanampy antsika hanao safidy tsara ny amin’ny fomba fampiasantsika ny fotoantsika sy ny olona iarahantsika mandritra izany? Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hikaroka ao an-trano sy “mihazona” (Môrônia 7:19), na mitana, zavatra izay mitaona azy ireo “hanao tsara sy ho tia an’Andriamanitra ary hanompo Azy” (Môrônia 7:13). Derao izy ireo amin’ireo zavatra tsara hitan’izy ireo.

Môrônia 7:29

Rehefa vita ny famakiana io andininy io dia azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny miresaka momba ireo fahaganana niainan’izy ireo na ireo fomba hafa nahatsapan’izy ireo ny fisian’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Môrônia 8:5–26

Inona no tsy takatr’ireo Nefita, izay nanao batisa ny ankizy madinika, momba ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy? Inona no zavatra ianarantsika momba ny Sorompanavotana avy amin’ny fampianaran’i Môrmôna?

Môrônia 8:16–17

Inona no dikan’ny hoe manana “fitiavana tanteraka”? Ahoana no hanampian’izany antsika handresy ny tahotra? Amin’ ny fomba ahoana no hanampian’izany antsika hampianatra ny fahamarinana amim-pahasahiana? Ahoana no fomba hampitomboantsika izany?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà mozika hanasana ny Fanahy sy hampianarana fotopampianarana. “Manana hery tsy misy fetra hanetsika [antsika] ho any amin’ny ara-panahy ambony kokoa ny mozika” (“Préface de la Première Présidence,” Recueil de Cantiques, x). Ny fihirana mahakasika ny finoana toy ny “Aimez vos frères” (Cantiques 200) dia mety hanatsara ny fifanakalozan-kevitra momba ny fiantrana hita ao amin’ny Môrônia 7:44–48.

Sary
Jesoa Kristy

Sarin’i Kristy ilay Mpamonjy, nataon’i Heinrich Hofmann