Avia, hanaraka Ahy
7–13 desambra. Môrônia 7–9: “Fa hanandratra anao kosa anie i Kristy”


“7–13 desambra. Môrônia 7–9: -Fa hanandratra anao kosa anie i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“7–13 desambra. Môrônia 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Môrônia manoratra eo amin’ny takela-bolamena

Minerva Teichert (1888–1976), Môrônia: Ilay Nefita sisa tavela, 1949–1951, sary hoso-doko eo ambony masonite, 89 x 47 sentimetatra. Mozean’ny Tao-java-kanto an’ny Oniversiten’i Brigham Young, 1969

7–13 desambra

Môrônia 7–9

“Fa hanandratra anao kosa anie i Kristy”

Ny fandalinana ombam-bavaka ny Môrônia 7–9 dia hanasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Hanampy anao hahatakatra ireo zavatra ilain’ny ankizy ao amin’ny kilasy ampianarinao Izy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampahatsiahivo ny ankizy ny zavatra iray izay nasainao tamin’ny leson’ny herinandro lasa mba hataony na zavatra iray mety nianarany tao amin’ny fianakaviany tamin’ity herinandro ity. Angataho izy ireo hizara ny zavatra nianarany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môrônia 7:33

Raha manana finoana aho dia afaka mahavita izay zavatra rehetra ilain’ Andriamanitra ataoko.

Ny ankizy izay manana finoana an’i Jesoa Kristy sy fahatokisana ny heriny dia afaka manatanteraka zavatra lehibe rehefa manompo Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny Môrônia 7:33 ary asao ny ankizy hitsangana rehefa maheno ny teny hoe “finoana.” Hazavao fa mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehefa mitandrina ireo didiny. Ampio ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra sasany izay tian’i Jesoa ataony, toy ny fankatoavana ny ray aman-dreny na ny fitenenana ny marina. Mijoroa ho vavolombelona fa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika hitandrina ireo didy

  • Mampisehoa sary vitsivitsy izay ahitana olona avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (na bokin-tsoratra masina hafa) eo am-panatanterahana zavatra manan-danja noho ny finoany an’ i Jesoa Kristy (jereo ohatra ny, Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 19, 70, 7881). Ampio ny ankizy hilaza ny tantara aseho eo amin’ilay sary. Lazao azy ireo fa noho ny fananan’ireo olona ireo finoana an’i Jesoa Kristy dia nahazo hery izy ireo hanatanteraka izay rehetra nilainy natao.

Môrônia 7:41

Ny hoe mino an’i Jesoa Kristy dia afaka mitondra fanantenana ho ahy.

Betsaka ny olona ao amin’izao tontolo izao no mahatsapa fa tsy manam-panantenana izy ireo. Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy ampianarinao hahita fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio sy hazavao amin’ny ankizy ny Môrônia 7:41 ary avelao izy ireo hanangana ny tanany rehefa maheno zavatra nolazain’i Môrmôna izay tokony hananantsika fanantenana. Lazao amin’ny ankizy ny fanantenana tsapanao noho i Jesoa Kristy.

  • Asaivo mieritreritra olona fantany izay sahirana amin’ny zavatra iray ny ankizy. Asao ny ankizy hanao sary ho an’ilay olona ka afaka mampahatsiahy azy ny tokony hananana finoana an’i Jesoa Kristy izany.

Môrônia 7:47

“Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Zavatra niainana inona teo amin’ny fiainanao no mety hanampy ny ankizy ho tsara fanahy sy handray ny hafa amim-pitiavana ny fihainoana azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo haverin’ny ankizy miaraka aminao izao fehezan-teny izao: “Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Ampio ny ankizy hieritreritra fomba izay nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany ho an’ny hafa (mety hanampy ny sary, toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 55, 8384). Ahoana no nanehoany ny fitiavany ho antsika? Iza no azontsika hanehoana fitiavana toy ny nataon’i Jesoa?

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny tenany eo am-panehoana fitiavana ho ana olona iray. Arosoy hevitra izy ireo ny hametraka ilay sary amin’ny toerana izay hampahatsiahy azy ireo ny hitia ny hafa toy ny nataon’i Jesoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môrônia 7:21–22, 25, 33

Voatahy aho rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy.

Naniry ny olona mba hahafantatra i Môrmôna fa tsy tapitra akory ny fahagagana rehefa nifarana ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tety an-tany. Raha mbola manam-pinoana an’i Jesoa Kristy hatrany isika dia afaka, miaraka amin’ny fanampiany, manao izay rehetra ilainy ataontsika, ka tafiditra amin’izany ny zavatra mahagaga.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo “zavatra tsara” izay azontsika amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, toy ny fananana fianakaviana mandrakizay, ny fiverenana any amin’ny Ray any An-danitra, ary ny voavela amin’ny fahotantsika. Dia asao izy ireo hamaky ny Môrônia 7:21–22 and 25 hitadiavana ny hoe ahoana no hahafahantsika mahazo ireo zavatra tsara rehetra ireo. Ahoana no fomba hahafahantsika mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ireo fampanantenana nomeny?

  • Vakio amin’ny ankizy ny Môrônia 7:33 ary angatahao izy ireo mba hihaino ny zavatra afaka vitantsika rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy isika. Raha tsapanao fa azo atao ny mizara azy dia mizarà zavatra niainana izay nanampian’ny finoana anao hanatanteraka izay nasain’ Andriamanitra nataonao. Ampio ny ankizy hieritreritra sy hizara ohatra avy amin’ny fiainany manokana. Nampiova zavatra tamin’ny fomba ahoana ny finoana tao amin’ireo ohatra ireo?

Môrônia 7:40–41; 9:25–26

Afaka manana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy aho na dia mandritra ireo fitsapana sarotra aza.

Niatrika toe-javatra nahakivy i Môrmôna sy Môrônia, saingy nahita fanantenana tao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy izy ireo. Ahoana no fomba hahafahanao manampy ny ankizy hahita fanantenana ao amin’i Kristy rehefa kivy izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra olana vitsivitsy izay mety hahatonga ny olona hahatsiaro ho kivy na very. Asao ny ankizy hamaky ny Môrônia 7:40–41 sy ny 9:25–26 hitadiavana zavatra izay mety hanampy ny olona iray mahatsapa fahakiviana. Lazao azy ireo ny nanampian’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany anao nandritra ny fotoan-tsarotra.

  • Asao ny ankizy hanoratra hafatra ho an’ny olona iray izay mahatsiaro ho kivy mba hanampiana azy hahita fanantenana ao amin’i Kristy, tahaka ny nataon’i Môrmôna ho an-janany Môrônia 9:25–26. Amporisiho ny ankizy hampiasa teny na andian-teny avy ao amin’ireo andininy ireo ao amin’ny hafany.

  • Fenoy rano ny fitoeran-javatra mangarahara iray, dia andatsaho zavatra roa ao anatiny, zavatra mitsinkafona ny iray, ary milentika ilay iray hafa. Ampitahao amin’ny olona manana fanantenana ao amin’’i Kristy ilay zavatra mitsinkafona. Vakio miaraka ny Môrônia 9:25. Amin’ny fomba ahoana no “hanandrat[an’i Kristy antsika]” rehefa miatrika fitsapana sarotra isika? Ampio ny ankizy hieritreritra fomba hahafahany “[mampi]toetra mandrakizay ao an-tsain[y]” ny Mpamonjy sy ireo fampianarany feno fankaherezana.

Môrônia 7:45–48

“Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Ny fampitomboana ilay fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana dia tanjona maharitra mandritra ny fiainana manontolo. Amin’ny fomba ahoana no hanentananao ny ankizy mba hikatsaka ny fitiavana madion’i Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara ny heviny mikasika ny dikan’ilay teny hoe “fiantrana.” Dia asao ny iray amin’ireo ankizy hamaky ny Môrônia 7:45 avy eo. (Raha sarotra takarina loatra ny teny sasany ao amin’io andininy io dia ampio ny ankizy hijery ny dikan’izany ao amin’ny rakibolana.) Angataho ny ankizy hiresaka momba ny olona izay fantany fa ohatra tsara amin’ny fananana fiantrana. Nahoana ny fiantrana no antsoina hoe “ny fitiavana madion’i Kristy”? (Môrônia 7:47). Inona no ampianarin’ny andininy 48 antsika mikasika ny fomba hahafahantsika ho feno fiantrana? Amporisiho ny ankizy tsirairay avy hivavaka mba hanana fiantrana amin’ity herinandro ity ary hitady fomba hanehoana fiantrana amin’ny hafa.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba nampisehoan’i Jesoa fiantrana (jereo ohatra ny Lioka 23:34; Jaona 8:1–11; Etera 12:33–34). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

  • Asaivo manoratra anaran’ny olona fantany amin’ny taratasy ny ankizy ary asaivo mampiditra izany ao anaty harona kely na fitoeran-javatra izy ireo. Asao izy ireo hitondra mody ny fitoeran-javany, hisafidy anarana iray isan’andro, ary hanao zavatra izay mampiseho fitiavana ho an’io olona io. Amin’ny lesona manaraka iray dia asao izy ireo hizara ny zavatra niainany tamin’ny fanompoana ireo olona ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hieritreritra olona iray izay mety eo am-pikatsahana finoana na fanantenana lehibe kokoa ao amin’i Jesoa Kristy. Asao ny ankizy hizara amin’io olona io zavatra iray nianarany tao an-dakilasy androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Ampahany iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy ny ankizy mba haneho fanajana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hira iray na amin’ny alalan’ny fampisehoana sary irain’i Jesoa.