Avia, hanaraka Ahy
19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia: “Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy”


“19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia: -Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Jesoa Kristy mivavaka miaraka amin’ny Nefita

Vavaka nataon’i Kristy, nataon’i Derek Hegsted

19–25 ôktôbra

3 Nefia 274 Nefia

“Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy”

Ny fandalinana manokana ny 3 Nefia 274 Nefia no fomba tsara indrindra hiomanana hampianatra. Ireo fotopampianarana sy hevitra aroso ato amin’ity rindran-damina ity dia mety hanampy anao hamaly ireo bitsika ara-panahy voarainao rehefa mandalina ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fomba iray hamporisihana ireo mpianatra hizara hevi-baovao avy amin’ny fandalinany manokana ny manasa azy ireo hitady fihirana mifandray amin’ny fahamarinana iray izay nianarany tao amin’ny 3 Nefia 274 Nefia. Dia afaka mizara ny fihirana izay hitany izy ireo sy ny ifandraisan’ireo hira ireo amin’ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

3 Nefia 27:1–22

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia antsoina amin’ny anarany ary mifototra amin’ny filazantsarany.

  • Mety hampahalalina kokoa ny fankasitrahan’ny mpianatra ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fifanakalozana hevitra momba ny anaran’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra mba hitanisa anarana fikambanana isan-karazany ary hanoritsoritra ny zavatra ambaran’ireo anarana momba ireo fikambanana ireo. Dia azon’ny mpianatra vakiana avy eo ny 3 Nefia 27:1–12 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny anaran’ny Fiangonany. Afaka mizara ny fahatsapany ny dikan’izany hoe mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy izany koa izy ireo. Inona no dikan’ny hoe mitondra ny anarany eo amintsika?

  • Ity misy fomba iray hafa hifanakalozana hevitra momba ny maha-zava-dehibe ny anaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana hita ao amin’ny 3 Nefia 27:1–22 dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny anarana fenon’ny Fiangonana. Afaka misafidy teny iray ao amin’ilay anarana ny mpianatra ary hanazava ny fomba hanampian’ny teny tsirairay antsika hahafantatra hoe iza isika na inona no inoantsika. Afaka manampy ny teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny “loharanom-pitaovana fanampiny.” Nahoana no zava-dehibe ny mampiasa ny anaran’ny Fiangonana rehefa mizara ny zavatra inoantsika amin’ny hafa isika?

  • Rehefa avy nanazava ny Mpamonjy fa tsy maintsy “miorina amin’ny filazantsara[ny]” (3 Nefia 27:10) ny Fiangonany, dia nanoritsoritra ny filazantsarany Izy. Angamba azonao asaina ireo mpianatra mba hizara ny fomba mety hanazavany ny filazantsara amin’ny namana iray. Avy eo dia azonao asaina izy ireo mba hikaroka ao amin’ny 3 Nefia 27:13–22 ka hitady ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ny filazantsarany. Ahoana no hamintinantsika ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy? Rehefa mandalina ny famaritan’ny Mpamonjy ny filazantsara isika dia inona no hevi-baovao voaraintsika momba ny fomba hiainana ny filazantsara amin’ny fiainantsika andavanandro?

3 Nefia 29–30

Ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana fa efa mby tanteraka ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

  • Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny 3 Nefia 29–30 angamba ianao amin’ny firesahana momba ny famantarana. Ohatra, ireo mpianatra dia afaka milaza famantarana izay mampahafantatra antsika fa misy tafio-drivotra ho tonga na miova ny toetrandro. Avy eo dia afaka mamaky ny 3 Nefia 29:1–3 izy ireo mba hianarana ny hoe midika inona ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, izay nantsoin’i Môrmôna hoe “ireto filazana ireto” (jereo ihany koa ny 3 Nefia 21:1–7). Inona no hafatra omen’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 29:4–9 ho an’ireo izay “mamingavinga” na “handà” ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany? Amin’ny fomba ahoana ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro no mankahery ny finoantsika an’ireo zavatra izay vingavingaina na lavin’ny olon-kafa amin’izao androntsika izao? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hamaky ny fanasa nomen’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 30 ary hizara ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hanaiky io fanasana io.

4 Nefia

Mitarika amin’ny firaisan-kina sy fahasambarana ny fiovam-po amin’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany.

  • Ny tantara ao amin’ny 4 Nefia dia maneho ny fifaliana izay afaka ny ho tonga eo amin’ny fiainantsika (isika tsirairay na miaraka amin’ny fianakaviana na amin’ny maha-paroasy na tsatòka) rehefa miezaka ny hiova fo bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy isika. Angataho ireo mpianatra mba hikaroka ao amin’ny 4 Nefia 1:1–18 ary hanoratra eo amin’ny solaitrabe ireo fitahiana izay azon’ireo vahoaka rehefa niova fo tamin’ny Tompo izy rehetra. Inona no fiantraikan’ny fiovam-pon’izy ireo tamin’ny fomba fifampitondran’izy ireo? Angamba afaka mizara ny fomba nitondran’ny filazantsara fitahiana toy izany tamin’ny fianakaviany na tamin’ny paroasy misy azy ireo mpianatra. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa isika tsirairay dia afaka hiaina tahaka ireo vahoaka ao amin’ny 4 Nefia sy ny fomba ahafahantsika mamporisika ny hisian’ny firaisan-kina sy fifaliana lehibe kokoa eo amin’ireo olona manodidina antsika dia azonao vakiana ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Afaka manombatombana ny ezaka manokana ataony ireo mpianatra amin’ireo sehatra telo nofaritan’ny Loholona Christofferson.

  • Ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanavaka ny tenany ho Nefita sy Lamanita (sy “-ita” maro hafa) nandritra ny taonjato maro, saingy taorian’ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’izy ireo dia nanjavona ireo fanavahana ireo. Rehefa avy niaraka namaky ny 4 Nefia 1:17 dia angamba afaka mizara ny heviny momba ny karazana “-ita” na vondron’olona misy eo amin’ny fiarahamonina ireo mpianatra. Inona no azontsika atao mba handresena ny fisaraham-bazana toy izany ka tena ho lasa “iray, zanak’i Kristy”? (andininy 17).

  • Inona no azon’ireo mpianatra ianarana avy amin’ny 0faharavan’ny fiarahamonin’i Ziona voafariparitra ao amin’ny 4 Nefia? Azonao asaina izy ireo hikaroka ao amin’ny 4 Nefia 1:19–34 ary hitady ny zavatra namarana ny fahasambarana sy ny firaisankina niainan’ny olona tamin’ny 200 taona taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy. Fahamarinana inona ao amin’ireo andininy ireo no afaka manampy antsika hahafantatra toetra na fihetsika izay mila ovaina amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fiarahamonina misy antsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ny Môrmôna 1–6 dia manoritsoritra tranga izay nitarika tamin’ny faharavan’ny vahoakan’ny Nefita. Mba hanentanana ny mpianatra hamaky ireo toko ireo dia asao izy ireo hitady zavatra tsikaritr’izy ireo momba ny Nefita izay hitantsika mitranga amin’izao androntsika izao.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny anaran’ny Fiangonan’i Kristy.

Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard hoe:

“Nieritreritra lalina ny antony nanomezan’ny Mpamonjy ity anarana lava ity hiantsoana ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny aho. Toa lava tokoa izany, fa raha raisintsika ho famaritana amin’ny ambangovangony ny Fiangonana izany, dia lasa fohy sy mahafinaritra, ary mahitsy. Moa ve misy famaritana hafa mivantana kokoa sy mazava kokoa ary afaka maneho izany tsara kokoa kanefa voalaza ao anatin’ny teny vitsy mihoatra noho io?

“Ny teny rehetra dia mazava tsara ary manana ny lanjany manokana avokoa. Ny teny hoe Ny dia maneho ny toerana manokan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny eo anatrehan’ireo finoana hafa manerana an’izao tontolo izao.

Ny teny hoe Fiangonan’ i Jesoa Kristy dia manambara fa ity no Fiangonany [jereo ny 3 Nefia 27:8]. …

Ny Andro Farany dia manazava fa ity dia ilay Fiangonana nitovy tamin’ilay Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany saingy naverina tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao. Fantatsika fa nisy ny fahalavoana, na apôstazia, izay nitaky ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany marina sy feno amin’izao androntsika izao.

“Ny hoe Olomasinadia midika fa ny mpikambana ao aminy dia manaraka Azy sy miezaka manao ny sitrapony, mitandrina ny didiny, ary miomana indray ny hiaina eo Anatrehany sy eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra amin’ny fotoana hoavy. Ny Olomasina dia maneho tsotra fotsiny ireo izay mikatsaka ny hanao ny fiainan’izy ireo ho masina amin’ny fanaovana fanekempihavanana hanaraka an’i Kristy” (“Ny maha-zava-dehibe ny anarana,” Liahona, nôv. 2011, 80).

Hitaky inona ny fanorenana an’i Ziona?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “I Ziona dia Ziona noho ny toetra sy ny fahatokian’ireo mponina ao aminy [jereo ny Mosesy 7:18]. … Raha te-hanorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, any amin’ny sampantsika, ny paroasintsika, ny tsatòkantsika, dia tsy maintsy manatanteraka izany fitsipika izany. Ho ilaina ny (1) ho tonga iray fò sy iray saina; (2) ho tonga vahoaka masina, tsirairay sy miaraka; ary (3) hikarakara ny mahantra sy ny sahirana amin’ny fomba tena mahomby hany ka foana ny fahantrana eo anivontsika. Tsy afaka miandry anʼi Ziona ho tonga isika vao hanao ireo zavatra ireo—Tsy ho tonga i Ziona raha tsy mitranga ireo” (“Avia aty Ziona,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 38).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà fomba fampianarana isan-karazany. Mety ho mora ny mizatra mampiasa fomba fampianarana iray manokana, kanefa mety afaka misy akony amin’ny mpianatra samihafa ny fomba fampianarana samihafa. Eritrereto ireo fomba izay nampiasainao vao tsy ela, efa nampiasa tantara, lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana, sary, sy ny sisa ve ianao? (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).