Avia, hanaraka Ahy
12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26: “Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo]”


“12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26: -Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Kristy miseho amin’ireo Nefita

Sary maneho an’i Kristy miseho amin’ireo Nefita nataon’i Andrew Bosley

12–18 ôktôbra

3 Nefia 20–26

“Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo]”

Avelao ny Fanahy hitarika ny fandalinanao ny 3 Nefia 20–26. Hanampy anao hamantatra fitsipika izy tena hanan-danja amin’ny olona ampianarinao Izy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Rehefa avy namaky miaraka ny 3 Nefia 23:1 ianareo dia azonao anontaniana ny mpianatra ny zavatra nokarohan’izy ireo rehefa namaky ny soratra masina izy ireo tamin’ity herinandro ity. Inona no hitan’izy ireo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

3 Nefia 20:25–41; 21:9–11, 22–29

Hanao asa iray lehibe sy mahatalanjona Andriamanitra amin’ny andro farany.

  • Niresaka momba ana “asa lehibe sy mahatalanjona” (3 Nefia 21:9) izay hataon’ Andriamanitra amin’ny andro farany ny Mpamonjy. Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara izay nianarany momba izany asa izany rehefa nandalina ireo toko ireo tany an-tokantrano izy ireo. Ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto dia afaka manentana ny fifanakalozan-kevitra: Inona no voalazan’ny Mpamonjy fa hitranga amin’ny andro iray any amin’ny hoavy? (jereo manokana ny 3 Nefia 20:30–32, 39–41; 21:22–29). Nahoana ireo zavatra ireo no nantsoiny hoe “lehibe” sy “mahatalanjona”? Inona no zavatra hitanao fa maneho ny fitrangan’izany asa izany? Ahoana no handraisantsika anjara amin’izany?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny nanampian’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fahatanterahan’ilay asa lehibe sy mahatalanjon’ny Tompo dia azonao aseho ny sarin’ny Mpaminany ary azonao asaina ny iray kilasy hamaky ny 3 Nefia 21:9–11 mba hitadiavana teny na andian-teny izay mampahatsiahy azy ireo ny fiainana sy asa fanompoan’i Joseph Smith. Ohatra, ahoana no “[nanomezan’ny Tompo azy] fahefana mba hitondrany [ny filazantsara] any amin’ny Jentilisa”? (andininy 11). Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa ny asa fanompoan’i Joseph Smith dia efa nambaran’ny Mpamonjy mialoha? (jereo ihany koa ny 2 Nefia 3).

  • Azonao ampiana ihany koa ny olona ao amin’ny kilasy mba hahitan’izy ireo ny tenany ao amin’ilay asa lehibe natao faminaniana ao amin’ireo toko ireo amin’ny alalan’ny famakiana ny 3 Nefia 20:25–27. Raha ilaina dia mariho fa rehefa manao fanekempihavanana amin’ny Tompo isika dia lasa taranak’i Abrahama. Amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika dia ahoana no fomba hahafahantsika mitahy “ny firenena rehetra amin’ny tany”? (andininy 25). Afaka misaintsaina izany fanontaniana izany ny olona ao amin’ny kilasy eo am-pamakian’izy ireo ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary mizara ny eritreritr’izy ireo.

3 Nefia 23; 26:1–12

Tian’ny Tompo isika hanadihady ny soratra masina.

  • Manambara inona amintsika momba ny fahatsapan’ny Mpamonjy mikasika ny soratra masina ny fomba nifandraisany tamin’ireo Nefita ? Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilsy hianatra momba izany dia azonao angatahana ny antsasak’izy ireo hamaky ny 3 Nefia 23 ary ny antsasany hafa hamaky ny 3 Nefia 26:1–12; dia azon’izy ireo atao avy eo ny mifampizara izay hitany. Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny hevitra ananany momba ny fomba fampisehoana amin’ny Tompo fa manan-danja amintsika ny soratra masina. Ohatra, inona no mahasamy hafa ny manadihady ny soratra masina sy ny mamaky izany fotsiny? (jereo ny 3 Nefia 23:1).

3 Nefia 24:1–6

Ny Tompo dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika.

  • Ny fitaovam-panampiana azo jerena dia mety hanatsara ny fifanakalozan-kevitra momba ny 3 Nefia 24:1–6. Ohatra, azonao atao ny mampiseho vola madinika na savony eo am-pamakian’ny mpianatra ireo andininy ireo mba hianarana ny ifandraisan’ireo zavatra ireo amin’ny Mpamonjy sy ny iraka nampanaovina Azy. Azonao zaraina amin’ny iray kilasy ihany koa ny fanazavana momba ny hoe mandrendrika volafotsy sy ny savonin’ny mpanasa lamba ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Amin’ny fomba ahoana ny Tompo no “tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy tahaka ny savonin’ny mpanasa lamba”? (andininy 2). Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika mikasika ny fomba fanadiovan’ny Mpamonjy antsika?

3 Nefia 24:7–18

Mamindra fo amin’ireo izay miverina any Aminy Andriamanitra.

  • Mariho fa ireo fampianarana mikasika ny fahafolonkarena ao amin’ny 3 Nefia 24:8–12 dia setrin’ilay fanontaniana ao amin’ny andininy 7 manao hoe: “Ahoana no hiverenanay [amin’ny Tompo]?” Inona no ifandraisan’ny “[fiverenana] amin[’ny Tompo]” sy ny fandoavana fahafolonkarena? Ny olona ao amin’ny kilasy dia mety hizara ny nahazoany ireo fitahiana voatanisa ao amin’ny andininy 10–12 rehefa nandoa fahafolonkarena izy ireo. Ahoana no fomba hanampian’ireo fahamarinana ireo ny olona iray izay manana olana amin’ny fandoavana fahafolonkarena?

  • Inona ilay toe-tsaina voalazalaza ao amin’ny 3 Nefia 24:13–15 izay hita matetika ao amin’izao tontolo izao ankehitriny? Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra ho lazainy ny olona iray izay mahatsapa fa mora kokoa na tsara kokoa ny fiainana ho an’ireo izay tsy mitandrina ireo didy. Araka ny 3 Nefia 24, ahoana no hitahian’ny Tompo an’ireo izay manompo Azy? Azonao amporisihana ihany koa izy ireo mba hitady ohatra ao amin’ny 3 Nefia 22. (Jereo ihany koa ny Môzià 2:41; Almà 41:10.)

3 Nefia 25:5–6

Tokony hitodika any amin’ireo razambetsika ny fontsika.

  • Mba hanehoana ny hoe mampitodika ny fontsika amin’ny razambetsika dia azonao asaina ny olona iray ao amin’ny kilasy mba hitodika hanome lamosina ny iray kilasy ary hamariparitra ireo olona ao an-dakilasy avy amin’ny fitadidiana azy ireo fotsiny (taiza no nipetraka ranona, inona no akanjo nanaovan-dranona, sy ny sisa). Dia afaka mitodika amin’ny iray kilasy izy avy eo ary manandrana indray. Inona no afaka ampianarin’izany ohatra izany amintsika momba ny fampitodihana ny fontsika amin’ireo razambetsika amin’ny alalan’ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana? Aorian’ny famakiana ny 3 Nefia 25:5–6 dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mizara ny hoe ahoana no nitodihan’ny fon’izy ireo tamin’ny razambeny. Azonao asaina ihany koa ny manam-pahaizana amin’ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy mba hampahafantatra azy ireo ny fitaovana sasany amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Amin’ny fomba ahoana no ifandraisan’ity asa ity amin’ny fanangonana an’ Isiraely izay voalazalazan’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ao amin’ny 3 Nefia 274 Nefia dia mamaky isika momba ny “vahoaka sambatra [indrindra] teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.” (4 Nefia 1:16). Arosoy hevitra ny mpianatra fa ny famakiana ireo toko ireo dia afaka manampy antsika hianatra ny fomba hahitana fahasambarana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny fianakaviantsika.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Izao tokoa no andro farany, ary ny Tompo dia manafaingana ny asany amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. Ary raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao. Afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara!

“Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra izao isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, ao amin’ny lafin’ny voaly anankiroa, dia mendrika ny hahare ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. …

“… Eritrereto izany! Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isikano manana tombontsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientam-po tokoa izany! …

“Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindraho anareo. Izany no iraka nanirahana anareo ety an-tany” (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fanatsarana sy fanadiovana.

Ny volafotsy dia hita fa mifangaro amin’ireo mineraly hafa ao amina akora maro mitambatambatra. Fahiny, ny mpandrendrika volafotsy dia manatsoaka ny volafotsy amin’ny fametrahana ireo akora ireo ao anaty lafaoro lehibe iray izay mirehitra be mihitsy. Izany dia hahatonga ny loto (loto sy mineraly tsy ilaina) hipoitra eo ivelan’ireo akora narendrika. Ilay mpandrendrika dia manala ny loto ka volafotsy madio no tavela, izay mora fantatra avy amin’ny hoe miavaka ilay izy rehefa manjelanjelatra.

Ny mpanasa lamba dia olona manadio sy manafotsy lamba. Ilay lamba dia atsoboka ao anaty rano mifangaro amin’ny “savonin’ny mpanasa lamba,” izay natao mba hanesorana menaka sy loto. Raha mbola lena iny ilay lamba dia mikapoka sy manitsakitsaka ilay izy ny mpanasa lamba mba hanesorana ireo loto. (Jereo ny “Refiner’s Fire and Fuller’s Soap,” New Era, June 2016, 6–7.)

Manatsara ny fampianarantsika

Ny olona no ampianaro fa tsy ny lesona. “Ny fomba fandraisanao ny olona dia manan-danja tahaka ny zavatra ampianarinao azy ireo ihany koa. Indraindray mety hanakana antsika tsy haneho ny fitiavantsika an’ireo ampianarintsika ny fampibahanana ao an-tsaintsika ny hoe hizara lesona. Raha mitranga aminao izany dia mieritrereta fomba ahafahanao mifantoka amin’ny zavatra tena manan-danja” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).