Avia, hanaraka Ahy
28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19: “Indro, feno ny fifaliako”


“28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19: -Indro, feno ny fifaliako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Jesoa miseho amin’ny Nefita

Ny fahazavan’ny tarehiny dia namiratra taminy, nataon’i Gary L. Kapp

28 septambra–11 ôktôbra

3 Nefia 17–19

“Indro, feno ny fifaliako”

Ny fiomananao mba hampianatra dia tokony hanomboka amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy ny fandalinanao, ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra ihany koa izay hanampy anao eo am-panomananao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ao amin’ny 3 Nefia 17:1–3, ny Mpamonjy dia nanasa ny vahoaka mba hiverina any an-tokantranon’izy ireo ary “[hanomana] ny sain[’izy ireo]” mialoha ny hiverenana ho ampianarina indray. Azonao anontaniana ny mpianatra hoe ahoana no niomanan’izy ireo ho an’ny fifanakalozan-kevitra androany ary ny zavatra nosaintsainin’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

3 Nefia 17; 18:24–25, 28–32

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika mikasika ny fanompoana.

  • Manana fahafahana hanompo ny hafa avokoa isika rehetra, ary afaka hanao izany tsaratsara kokoa isika rehetra. Fomba iray hianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny ny Mpamonjy amin’ny fanompoana ny hafa ny mamaky tsotra izao ny 3 Nephi 17 ao an-dakilasy ary ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba haneho hevitra isaky ny mahita zavatra iray mampianatra momba ny fanompoana izy ireo. Inona no ianarantsika mikasika ny toetran’ny Mpamonjy ka mahatonga Azy ho ohatra tena tsara amin’ny fanompoana? Inona no fahamarinana mikasika ny fanompoana azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy? Afaka mijery hevitra fanampiny ianao ao amin’ny 3 Nefia 18:24–25 sy 28–32. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ana zavatra manokana izay tsapany avy amin’ny fanentanam-panahy fa tokony atao mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fanompoana.

    Sary
    i Jesoa mitso-drano ireo ankizy kely Nefita

    Jereo ny madinikareo, nataon’i Gary L. Kapp

3 Nefia 17:13–22; 18:15–25; 19:6–9, 15–36

Nampianatra antsika ny fomba hivavahana ny Mpamonjy.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra avy amin’ireo ohatra sy fampianarana maro mikasika ny vavaka ao amin’ny 3 Nefia 17–19, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Iza? Ahoana? Oviana? ary Nahoana? ary asao ny iray kilasy hitady valin’ireo fanontaniana ireo eo am-pijerevan’izy ireo ny momba ny vavaka ao amin’ireto andininy manaraka ireto: 3 Nefia 17:13–22; 18:15–25; ary 19:6–9, 15–36. Inona no hevi-baovao azon’ny mpianatra rehefa namaky ireo andininy ireo izy ireo? Ny teny nindramina avy amin’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia azo ampiana ao amin’ny fifanakalozan-kevitra. Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara izay ataony mba hampisy lanjany kokoa ny vavaka an’ny tena manokana sy iarahana amin’ny fianakaviana ataon’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 18:18–21).

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso fanontaniana hisaintsainana momba ny vavaka eo am-pamakiana ireo andininy ireo. Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara izay hevi-baovao azony momba ireo fanontaniana ireo. Na azonao atao ihany koa ny manasa olona vitsivitsy mba ho tonga vonona ao an-dakilasy hiresadresaka momba ny zavatra iray nianarany momba ny vavaka avy amin’ny 3 Nefia 17–19. Nentanina mba hanao inona izy ireo mba hahatonga ny vavaka ataony ho misy lanjany kokoa?

  • Nampianatra i Jesoa fa tokony hivavaka mandrakariva isika (jereo ny 3 Nefia 18:15–18). Ny lesona iray izay ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia mety hanampy ny kilasinao hahatakatra izay nampianariny. Ohatra, azonao fenoina rano ny fitoeran-javatra iray mba hanehoana ny fitaoman’i Satana. Ampidiro lalina tsara ao anatin’ny kaopy iray (izay maneho ny hoe mivavaka lalandava) ny mosara iray (izay maneho antsika). Ahodino hitsimbadika ilay kaopy dia atoseho hidina ao amin’ilay fitoeran-javatra feno rano izany. Tokony ho maina foana ao anatin’ilay kaopy ilay mosara, na dia hodidinin’ny rano aza. Inona no ampianarin’io lesona hampiasana zavatra azo tsapain-tanana io sy ny 3 Nefia 18:15–18 momba ny vavaka? (jereo ihany koa ny FF 10:5). Inona no dikan’ny hoe “mivavaka mandrakariva”? Afaka manampy antsika hanohitra ny fitaoman’i Satana amin’ny fomba ahoana ny vavaka? Azonao omena fotoana vitsivitsy ny olona ao amin’ny kilasy mba hanoratana izay tsapany fa hanentanan’ny Fanahy azy ireo fa tokony ataony mba hanatsarana ny vavaka fanaony.

3 Nefia 18:1–12

Afaka ny ho voky ara-panahy isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 18, dia azonao zaraina ho ao anaty vondrona ny olona rehetra ary omena ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto mba ho vakiana sy resadresahana ny vondrona tsirairay: Matio 26:26–28; 3 Nefia 18:1–12; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79; 27:1–4. Aorian’ny famakiana ny andalan-tsoratra masina nampandraiketina azy ireo dia afaka mieritreritra fanontaniana iray na roa momba ny fanasan’ny Tompo izay voavaly ao amin’ireo andininy novakiany ny vondrona tsirairay, dia azon’izy ireo atao ny manoratra ny fanontaniany eo amin’ny solaitrabe. Dia azon’ny olona ambiny hafa atao avy eo ny mikaroka ao amin’ny soratra masina mba hamaliana ireo fanontaniana. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy resadresahana ny fomba hahafahan’izy ireo mahazo traikefa masina kokoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

  • Inona no dikan’ny hoe “voky” rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika? (jereo ny 3 Nefia 18:4–5, 9; 20:9). Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hifanakalo hevitra momba an’io fanontaniana io miaraka amin’ny namana iray eo am-pamakian’izy ireo miaraka ny 3 Nefia 18:1–12. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsaina ny fotoana farany nahatsapany ho “voky” ara-panahy rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo. Angamba azon’izy ireo atao ny miresadresaka momba ireo zavatra izay mety hanakana na hanelingelina antsika amin’ny hoe “voky” avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ary mizara hevitra ny amin’ny fomba handresena ireo sakana ireo.

3 Nefia 19:9–15, 20–22

Mikatsaka ny fanomezana ny Fanahy Masina ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Hevero ny hanontany ny olona ao amin’ny kikasy ny zavatra iray izay tena irian’izy ireo. Vonona hanao inona izy ireo mba hahazoana izany zavatra izany? Izany dia mety hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra izay “nirian[’ny mpianatra roa ambin’ny folo] indrindra” ao amin’ny 3 Nefia 19:9–15 sy 20–22. Nahoana izany no nanan-danja ho azy ireo? Nahoana izany no manan-danja ho antsika? Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mikatsaka amin-kitsim-po ny fananana ny Fanahy Masina ho namana?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Nilaza ny Tompo hoe “lehibe ny tenin’i Isaia” (3 Nefia 23:1). Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 20–26 dia azonao lazaina izy ireo fa ao amin’ireo toko ireo dia nanazava ny teny “lehibe” sasany izay nolazain’i Isaia i Jesoa. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny antony maha-lehibe an’ireo tenin’i Isaia ireo. Amporisiho izy ireo mba ho vonona hizara izay nianarany rehefa ho avy amin’ny alahady manaraka.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny lanjan’ny vavaka.

Ny Loholona RichardG. Scott dia nijoro ho vavolombelona momba ny lanjan’ny vavaka:

“Mivavaka amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Zanany Malala isika. “Tena mahomby ny vavaka rehefa miezaka ny hadio sy hankatò isika miaraka amin’ny antony mendrika ary vonona ny hanao izay angatahiny. Mitondra fitantanana sy fiadanana ny vavaka amim-panetrentena sy mahatoky.

“Aza miahiahy ny amin’ny fanehoana ny fahatsapanao izay mitavozavoza. Miresaha fotsiny amin’ny Rainao izay mangoraka sy malemy fanahy. Zanany sarobidy ianao izay tiany tanteraka ary tiany ampiana ianao. Rehefa mivavaka ianao dia fantaro fa eo akaiky ny Ray any An-danitra ary mihaino Izy.

“Ny fanalahidy irain’ny vavaka mivoatra dia ny fianarana mametraka ny fanontaniana tokony hapetraka. Diniho ny hanova ny fangatahana ireo zavatra tadiavinao amin’ny fikatsahana amin’ny fo ireo zavatra izay tiany ho anao. Ary rehefa mahafantatra ny sitrapony ianao dia mivavaha mba ho tantanana ianao ka hanana ny hery hanatanterahana izany.

“Mety nahatsapa ianao fa nanalavitra ny Raintsika, mety ho maro no anton’izany. Na inona na inona anton’izany, rehefa miangavy ny fanampiany ianao dia hitarika anao Izy mba hanao izay hampiverina ny fahatokianao fa eo akaikinao Izy. Mivavaha na amin’ny fotoana tsy anananao faniriana ny hivavaka aza. Indraindray dia mety manao fihetsika tsy mety ianao, toy ny zaza, ary mahatsapa ianao fa tsy afaka manatona ny Rainao miaraka amina olana. Amin’izany fotoana izany indrindra no tena ilainao ny mivavaka. Aza mieritreritra mihitsy fa tsy mendrika ny hivavaka ianao.

“Manontany tena aho hoe tsy ho azontsika saintsainina tokoa angamba ny halehiben’ny herin’ny vavaka raha tsy rehefa miatrika olana mavesatra sy tampoka isika ka mahatsapa fa tsy manan-kery hamahana izany. Dia hitodika any amin’ny Ray isika ao anatin’ny fiaikena amim-panetrentena fa miankina tanteraka Aminy isika. Manampy izany amin’ny fahitana toerana manokana izay hahafahana maneho am-bava ny fahatsapantsika araka izay halavany sy halaliny tadiavina” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign na Liahona, mey 2007, 8).

Manatsara ny fampianarantsika

Miezaka hanana fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Raha toa ka misy olona mila raisina ho namana ao amin’ny kilasinao, dia diniho ny fomba hahafahanao manampy azy mba ho tamana ao an-dakilasy. Ohatra, azonao asaina ny olona iray ao amin’ny kilasy mba hipetraka eo akaikin’io olona io sy haka azy ho namana.