Avia, hanaraka Ahy
26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6: “Mba tiako ny hahafahako mandresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka”


“26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6: -Mba tiako ny hahafahako mandresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“26 ôktôbra–1 nôvambra. Môrmôna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Môrmôna manoratra eo amin’ny takela-bolamena

I Môrmôna mamintina ireo takelaka, nataon’i Tom Lovell

26 ôktôbra–1 nôvambra

Môrmôna 1–6

“Mba tiako ny hahafahako mandresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka”

Eo am-pamakianao ny Môrmôna 1–6 dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy ireo olona ao amin’ny kilasy hijanona ho hahatoky, tahaka an’i Môrmôna amin’ny fotoana hisian’ny faharatsiam-panahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Indraindray ny mpianatra dia misalasala hizara ny heviny satria tsy nanam-potoana handaminana ny eritreriny izy ireo. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia omeo minitra vitsivitsy izy ireo hanoratana ireo hevi-baovao azony avy amin’ny fandalinana ny Môrmôna 1–6 tany an-tokantrano, dia asaivo mizara izy ireo avy eo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Môrmôna 1–6

Afaka miaina am-pahamarinana isika na dia eo aza ny faharatsiana manodidina antsika.

  • Betsaka amin’ireo olona amin’ny kilasinao no afaka mahatakatra ny zavatra niainan’i Môrmôna tamin’ny fiezahana hiaina amim-pahamarinana ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana. Azon’izy ireo atao angamba ny mizara izay nianarany avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna. Mba hanamorana an’izany fifanakalozan-kevitra izany dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hitady andininy izay hahitana taratra ny toetran’i Môrmôna ary hanao ny lisitr’ireo toetra ireo eny amin’ny solaitrabe (jereo ohatra ny, Môrmôna 1:2–3, 15–16; 2:1, 23–24; 3:1–3, 12, 17–22). Ahoana no nanampian’ireo toetra ireo an’i Môrmôna mba hijanona ho matanjaka ara-panahy? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izy ireo antsika mba ho lasa bebe tahaka an’i Môrmôna?

    Sary
    Nefita sy Lamanita miady

    Ady, nataon’i Jorge Cocco

  • Matetika mihitsy i Môrmôna no manoratra mivantana ho an’ny olona amin’izao fotoana misy antsika izao. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny teniny ho antsika ao amin’ny Môrmôna 3:17–22 sy 5:10–24? Omeo taratasy misy ny andian-teny hoe “Torohevitr’i Môrmôna ho antsika” misoratra eo aminy ny olona ao amin’ny kilasy, ary amporisiho izy ireo hitady hafatra ao amin’ireo andininy ireo izay mihatra amin’ny vanin’androntsika. Ahoana no fomba ahafahantsika mampihatra ny torohevitr’i Môrmôna mba hanampiana antsika hijanona ho matanjaka ara-panahy ao amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Raha mampianatra zatovo ianao dia azonao ampiasaina ny ohatr’i Môrmôna mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa afaka ny ho mpitarika marina izy ireo mandritra ny fahatanorany. Raha mampianatra olon-dehibe ianao dia azonao ampiasaina io ohatra io mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ireo fahafahana hanampiana ny zatovo mba ho mpitarika tsara. Ho fanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy sasany mba hanao famerenana ny Môrmôna 1 ary ny hafa mba hanao famerenana ny Môrmôna 2, ka hanamarika ireo fahafahana nomena an’i Môrmôna mba ho mpitarika fony izy mbola tanora be. Toetra inona no nananany ka nahatonga azy ho mpitarika lehibe? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ohatra hitany mikasika ny fiantraikany mahery vaika hoentin’ny ankizy sy ny zatovo miaina amim-pahamarinana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny miresadresaka momba ireo fahafahana ananany, na ananan’ireo tanora fantany mba ho mpitarika manana ireo toetra tahaka ny an’i Môrmôna.

Môrmôna 2:10–15

Mitaky fo torotoro sy fanahy manenina ny fibebahana.

  • Mba hianarana mikasika ny fahasamihafan’ny alahelo mitarika amin’ny fibebahana sy ny alahelo izay tsy mitarika amin’izany dia azonareo vakiana miaraka ny Môrmôna 2:10–15 ary ifanakalozana hevitra ny fanontaniana toy ireto: Inona no anjara asan’ny “alahelo” ao amin’ny fibebahana? Inona no maha-samy hafa ny “alahelo … mankamin’ny fibebahana” sy ny “alahelon’ny voaozona”? Toe-tsaina sy fihetsika inona no afaka manampy antsika hanana “fo torotoro sy fanahy manenina”?

Môrmôna 3:12

Afaka mitia ny hafa isika na dia tsy miombon-kevitra amin’ny safidy nataony aza.

  • Tahaka an’i Môrmôna, olona maro amin’ny kilasinao no mifandray akaiky amin’olona izay tsy mitovy zavatra inoana amin’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hampiasanao ny zavatra niainan’i Môrmôna mba hampianarana ny mpianatra momba ny fitiavana ny hafa na dia eo aza ireo fahasamihafana? Azonareo vakiana miaraka ny Môrmôna 3:12 ary resadresahana ireo fotoana izay nanehoan’i Môrmôna fitiavana ho an’ireo izay nandà ny hafany ary nikomy mivantana tamin’ Andriamanitra (jereo ohatra ny, Môrmôna 1:16–17; 2:12). Inona no traikefa avy amin’ny fiainana manokan’ny mpianatra izay azon’izy ireo zaraina mikasika ny fitiavana ireo izay tsy mitovy finoana na soatoavina amin’izy ireo? Ny tenin’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia ahitana torohevitra fanampiny.

Môrmôna 6:17

Mamelatra ny sandriny handray antsika i Jesoa Kristy.

  • Ho an’ireo izay mety tsy manana fanantenana fa afaka ny ho voavela heloka izy ireo dia afaka manome fahatokiana ny famariparitan’i Môrmôna ny Mpamonjy “[m]amelatra ny sandriny mba handray anareo”. Azonareo vakiana miaraka ny Môrmôna 6:17 ary azonao aseho ny sarin’i Jesoa Kristy maninjitra ny sandriny (toy ny ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 66). Inona no ampianarin’io andininy io momba ny fahavononan’ny Mpamonjy mba hanampy antsika? Azonareo atao ihany koa ny mihira fihirana izay mampianatra hafatra mitovy amin’izany, toy ny “Venez à Jésus! Il vous appelle” (Cantiques, lah. 62). Azonao zaraina ihany koa ny zavatra niainan’ny Filoha Russell M. Nelson izay ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny,” ary azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy hifanakalo hevitra momba ny fomba hahafahantsika mahafantatra fa azo atao ny fibebahana.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Azonao angatahana ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra momba izay ho soratany ao anatin’ny taratasy iray ho an’ny olona any amin’ny hoavy any. Ao amin’ny Môrmôna 7–9 dia mamaky isika fa, taonjato maro lasa izay dia nanoratra ho an’ny androntsika i Môrmôna sy Môrônia.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fitiavana ireo izay tsy mitovy finoana amintsika.

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Tokony harahintsika rehetra ny fampianaran’ny filazantsara hoe mitia ny namana sy manalavitra ny fifandirana. Ireo mpanaradia an’i Kristy dia tokony ho ohatra amin’ny fahalalam-pomba. Tokony ho tia ny olon-drehetra isika, hahay hihaino, ary haneho fahalianana amin-kitsimpo mikasika ny zavatra inoan’izy ireo. Na dia tsy miombon-kevitra aza isika dia tsy tokony hanafintohina. Ny fanehoantsika hevitra sy ny filazana ataontsika mikasika ny lohahevitra mampiady hevitra dia tsy tokony hiteraka fifandirana. Tokony ho hendry isika rehefa manazava sy mijoro amin’ny fotokevitsika sy rehefa mitaona ny hafa. Rehefa manao izany dia hangatahantsika ny hafa mba tsy ho tafintohina noho ny zavatra inoantsika amin-kitsimpo sy ny fiainantsika amin-kalalahana ny fivavahantsika. Mamporisika antsika rehetra izahay hampihatra ilay fitsipika volamena an’ny Mpamonjy hoe: -Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany- (Matio 7:12).

“Rehefa mifanohitra amin’ny fenitra arahantsika ny fironan’ny daholobe sy ny lalàna dia tokony hoekentsika amim-pahalalam-pomba izay voka-dratsiny ary haneho fahalalam-pomba isika amin’ireo fahavalontsika” (“Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Liahona, nôv. 2014, 27).

Azo atao ny fibebahana.

Nitantara izao zavatra niainana manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson:

“Tamin’ny taon-dasa, raha nandeha fiara hamonjy fihaonamben’ny tsatòka iray izaho sy ny Loholona David S. Baxter, dia nijanona tao amin’ny trano fisakafoanana iray izahay. Taty aoriana, rehefa niverina tao amin’ny fiaranay izahay dia nanatona anay ny vehivavy iray izay niantso anay. … Nanontany izy raha toa loholona ao amin’ny Fiangonana izahay. Eny hoy izahay. Saika notantarainy avokoa ny mombamomba ny fiainany feno zava-doza, izay novesaran’ny fahotana. Izao izy dia 28 taona, ary mampalahelo izy. Mahatsapa ho tsy misy lanjany izy, ary tsy misy tanjona ny fiainany. Teo am-piresahany dia nanomboka nipoitra ny fahatsaran’ny fanahiny. Tao anatin’ny fitalahoana feno tomany dia nanontany izy raha toa mbola misy ny fanantenana ho azy, mba hialany amin’ny fahakiviana misy azy.

“-Eny,- hoy izahay, -misy ny fanantenana. Mifamatotra amin’ny fibebahana ny fanantenana. Afaka miova ianao. Afaka “manat[ona] an’i Kristy, ary hatao tanteraka ao Aminy” ianao- [Môrônia 10:32]. Namporisika azy mafy izahay mba tsy hanemotra izany [jereo ny Almà 13:27; 34:33]. Nitomany tamim-panetrentena izy ary nisaotra anay tamin-kitsim-po.

“Rehefa nanohy ny dianay izaho sy ny Loholona Baxter dia nisaintsaina momba izay zavatra niainana izay izahay. Tsaroanay ilay torohevitra nomena ny fanahy feno fahakiviana avy amin’i Aharôna manao hoe: -Raha mibebaka amin’ny fahotanao rehetra ianao ary miankohoka eo anoloan’ Andriamanitra sy miantso ny anarany amim-pinoana … dia handray ny fanantenana izay irinao ianao- [Almà 22:16]. …

“… Hambarako amin’ilay vehivavy 28 taona tafalatsaka tao anaty fahotana sy amin’isika tsirairay avy fa tena misy ny fitahiana mamin’ny fibebahana. Izany dia tonga amin’ny alalan’ny fiovam-po tanteraka amin’ny Tompo sy ny asany masina.

Ankoatra izay dia nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Tsaroantsika ihany koa ireo olona feno fahotana izay nokarakarain’i Môrmôna, ilay mpitarika feno fanahiana azy ireo, izay nilaza hoe: -Nefa indro, tsy nombam-panantenana aho, satria nahalala ny fitsaran’ny Tompo izay hihatra aminy; satria tsy nibebaka tamin’ny helony izy, fa niady kosa ho an’ny ainy, tsy niaraka tamin’ny fiantsoana an’ Ilay efa nahary azy- (Môrmôna 5:2)” (“Repentance and Conversion,” Ensign na Liahona, mey 2007, 102, 104).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitranga ao an-trano ny fivoarana ara-panahy. Mandany 165 ora isan-kerinandro any ivelan’ny fiangonana ny olona ao amin’ny kilasinao. Mandritra izany fotona izany izy ireo dia manana ny traikefany ara-panahy manokana izay mampianatra azy ireo momba ny filazantsara. Mametraha fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hizara ireo zavatra nianarany nandritra ny herinandro sy niaraka tamin’ny fianakaviany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 18).