Avia, hanaraka Ahy
16–22 nôvambra. Etera 6–11: “Mba hanafoanana ny ratsy”


“16–22 nôvambra. Etera 6–11: -Mba hanafoanana ny ratsy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“16–22 nôvambra. Etera 6–11,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
eny ambonin’ny ranomasina ny sambofiaran’ny Jaredita

Hitondra anareo hiakatra indray avy ao amin’ny halalin’ny ranomasina Aho, nataon’i Jonathan Arthur Clarke

16–22 nôvambra

Etera 6–11

“Mba hanafoanana ny ratsy”

Tsarovy fa ireo rakitsoratra hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana ho an’izao androntsika izao. Eo am-piomananao hampianatra dia jereo ao anatin’ireo tantara ara-tsoratra masina ireo ny fitsipika izay afaka hankahery ireo olona ao amin’ny kilasy amin’ny fiatrehana ireo olona eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hizara zavatra izay hitany fa manan-danja tao amin’ny Eteta 6–11 dia azonao atao ny manasa azy ireo haka sary an-tsaina fa ireo toko ireo dia hanaovana sarimihetsika; raha hisafidy andian-teny iray avy amin’ny Etera 6–11 mba ho lohatenin’izany dia inona no ho aroson’izy ireo? Omeo fotoana izy ireo hieritreritra momba izany ary asao izy ireo hizara ny lohateniny ary hanazava ny antony nisafidianany izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Etera 6:1–12

Mitarika antsika eo amin’ny lalam-piainantsika ety an-tany ny Tompo.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso ny fampitahana ny dian’ny Jaredita namakivaky ny ranomasina amin’ny diantsika ety an-tany. Angataho ny mpianatra izay nanandrana izany asa atao tany an-tokantrano izany mba hizara hevi-baovao azony avy amin’izany fifanahafana izany. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy amin’ny fanaovana fampitahana lalindalina kokoa ao an-dakilasy dia asao izy ireo hijery ao amin’ny Etera 6:1–12 ireo antsipirian-javatra mahakasika ilay dia izay mety hifono fanoharana (toy ny vato nanjelanjelatra, ny sambofiara, ary ny rivo-mahery) ary hitanisa azy ireo eo amin’ny solaitrabe. Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao avy eo ny mandany minitra vitsivitsy amin’ny fandalinana miaraka amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely ireo andininy ary mifanakalo hevitra ny mety ho hevitr’ireo tandindona ireo eo amin’ny fiainantsika. Ohatra, inona no “tany nampanantenaina” antsika? (andininy 8). Ahoana no hitarihan’ Andriamanitra antsika ao amin’ny diantsika?

  • Azonao ampiasaina ny Etera 6:1–12 mba handrisihana fifanakalozan-kevitra momba ny hoe ny fitodihana amin’ Andriamanitra dia manampy antsika hitombo ao anatin’ireo fitsapana antsika. Ohatra, ilay teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy ireo olona amin’ny kilasy hampitaha ny “rivo-mahery” voalaza ao amin’ny andininy 5–8 amin’ireo fitsapan’ny fiainana. Inona no nataon’ireo Jaredita rehefa “nohodidinin’ny rano maro izy ireo”? (andininy 7). Azon’ny mpianatra atao ny mizara zavatra niainana izay nanampian’ny fitsapana azy ireo mba handroso hatrany. Tamin’ny fomba ahoana ny fomba nasetrin’izy ireo ny fitsapany no nanampy azy ireo handroso mankamin’ny “tany nampanantenana” azy ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo azy ireo tao anatin’ny fahasahiranan’izy ireo? Amporisiho izy ireo mba hampiasa teny na andian-teny avy amin’ny Etera 6 rehefa mizara zavatra niainana sy eritreritra izy ireo.

    Sary
    ireo Jaredita miantsambo miraka amin’ny biby

    Ny dian’ireo Jaredita mamakivaky an’i Azia, nataon’i Minerva Teichert

Etera 6:7–18, 30; 9:28–35; 10:1–2

Mitahy antsika ny Tompo rehefa manetry tena isika.

  • Na dia maneho ny voka-dratsin’ny avonavona sy ny faharatsiam-panahy aza ny ankabeazan’ny tantaran’ny Jaredita, dia ahitana ihany koa fotoana nisian’ny fanetrentena sy firoboroboana izay azontsika ianarana izany. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra avy amin’ireo ohatra tsara ireo dia azonao atao ny mizara ny kilasy ho vondrona anankiroa ary manome andraikitra ny vondrona iray ny Etera 6:7–18 sy 30 eo am-pamakian’ilay vondrona iray hafa ny Etera 9:28–35 sy 10:1–2. Asaivo tadiavin’izy ireo ao anatin’ireo andininy ireo ny porofo maneho fa nanetry tena ny Jaredita, na nahetry noho ny toe-javatra, ary ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo vokatr’izany. Rehefa nahazo fotoana sahaza ny mpianatra dia asao ny olona avy amin’ny vondrona tsirairay mba hizara izay nianarany. Manampy antsika hanakaiky an’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny fanetrena ny tenantsika? Azo atao ao anatin’ity asa atao ity ihany koa ny fihirana hira mikasika ny fanetrentena toy ny “Mila Anao aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 23).

Etera 7–11

Mitarika ny olona amin’ Andriamanitra ny mpitarika marina.

  • Na dia ireo izay mbola tsy nihazona toerana amin’ny maha-mpitarika aza dia afaka mianatra avy amin’ny ohatr’ireo mpanjaka Jaredita marina sy ratsy fanahy; ireo tantara ireo dia afaka manampy antsika ho lasa mpitarika tsaratsara kokoa ao an-tokantranontsika, ao amin’ny fiarahamonina misy antsika, ary ao am-piangonana. Azonao antomboka angamba ny fifanakalozan-kevitra momba an’io lohahevitra io amin’ny fangatahana ny olona ao amin’ny kilasy mba hieritreritra momba ny olona iray izay heverin’izy ireo fa mpitarika tsara. Asao izy ireo hizara fohifohy ny toetra sasany ananan’io olona, ary hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe. Dia azonao atao avy eo ny manome andraikitra ny olona ao amin’ny kilasy mba hianatra momba ny iray amin’ireo mpanjaka Jaredita ao amin’ny Etera 7–11. (Ny lisitra iray ahitana ireo mpanjaka, miaraka amin’ny soratra masina mamariparitra ny nanjakan’izy ireo, dia hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.) Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara izay nianarany avy amin’ireo mpanjaka ireo momba ny fitarihana, ka manampy toetra hafa izay hitany eo amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe. Ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mitanisa toetra tsara hafa mikasika ny fitarihana. Ahoana no hahafahantsika mampitombo ireo toetra ireo ary ho lasa mpitarika, na dia tsy mihazona toerana amin’ny maha-mpitarika voafaritra tsara aza isika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny olona ao amin’ny kilasy ho liana amin’ny famakiana ny Etera 12–15 dia azonao lazaina fa ao amin’ireo toko ireo i Môrônia dia maneho amin’ny Tompo ny fisalasalany sasany momba ilay rakitsoratra izay hazoniny. Ny valintenin’ny Tompo dia afaka manampy antsika rehefa manana fahatsapana ho tsy mahay tahaka izany isika.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manomana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay ny fitsapana antsika.

Raha nanao lahateny tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nandritra ireo taona sarotry ny Ady Lehibe Faharoa ny Loholona Charles A. Callis tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nilaza izy hoe: “Nolazaina tamintsika fa rehefa nizotra ho amin’ity tany nampanantenaina ity ireo Jaredita tao anatin’ny sambofiaran’izy ireo, dia nanjaka ny rivo-mahery nahery vaika sy nampatahotra. Nitsoka ny rivotra ary efa saika ho tandidomin-doza foana izy ireo nandritra izany dia sarotra izany. Nanohana azy ireo Andriamanitra. Dia mamaky isika fa na dia nisafoaka aza ireny rivo-mahery sy tafiotra ireny, ka fandringanana no hoentiny, dia nitsoka hatrany nankany amin’ny Tany Nampanantenaina ilay rivotra. Ary ireo fahoriana izay andalovantsika, ireo ady mampatahotra sy ireo zavatra rehetra mahatsiravina izay mitranga dia eo ambany fahefan’ Andriamanitra. Azony atao ny manajanona azy ireo raha misafidy izany Izy, rehefa tanteraka ireo tanjony masina. Saingy aoka isika hahatsiaro fa ao anatin’ity ranomasina feno olana ity, ireo fahoriantsika, ireo traikefa izay andalovantsika sy izay ataon’ Andriamanitra hiara-hiasa mba hahasoa antsika, raha toa isika hankatò Azy, dia hitsoka mankany amin’ny toeram-pitsaharana, ho any amina hoavy feno voninahitra, ho any amin’ny fiainana mandrakizay ireo zavatra rehetra ireo” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1943, 62).

Toetran’ireo mpitarika marina.

“Ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ny dikan’ny hoe manana ny maha-izy azy sy ny hoe mitarika, dia ny fahitana marina ny olona hafa araka ny tena maha-izy azy, toy ny ahitan’ Andriamanitra azy ireo, dia avy eo manolo-tanana sy manompo azy ireo. Izany dia midika hoe miara-mifaly amin’ireo izay faly, miara-mitomany amin’izay mitomany, mampitraka an’ireo izay tra-pahoriana, ary mitia ny namantsika toy ny itiavan’i Kristy antsika. …

“… Ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana dia miompana amin’ny fahavononantsika mba hotarihin’ Andriamanitra fa tsy miompana be loatra amin’ny fitarihana ny hafa” (Dieter F. Uchtdorf, “Izay lehibe aminareo,” Liahona, mey 2017, 79–80).

“Ny olona madio ihany no afaka mifampahery sy mifamporisika ho amin’ny fanompoana lehibe kokoa, ho amin’ny fahombiazana lehibe kokoa, ho amin’ny tanjaka lehibe kokoa” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 244).

“Mampianatra izao tontolo izao fa ny mpitarika dia tsy maintsy olona mahery; ny Tompo dia mampianatra fa tsy maintsy malemy fanahy izy ireo. Ny mpitarika eo amin’izao tontolo izao dia mahazo hery sy fahefana amin’ny alalan’ny talentany sy ny fahaiza-manaony ary ny hareny. Ny mpitarika araka an’i Kristy dia mahazo hery sy fahefana amin’ny alalan’ny -fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy- [FF 121:41]” (Stephen W. Owen, “Izay mpitarika lehibe indrindra no mpanara-dia lehibe indrindra,” Liahona, mey 2016, 75).

Manatsara ny fampianarantsika

Entano ny mpianatra hanorina tontolo feno fanajana. Mahatsapa ve ianao fa mahazo aina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny kilasy amin’ny fanehoana ny eritreriny sy ny fahatsapany? “Ampio ny mpianatrao hahatakatra fa ny tsirairay amin’izy ireo dia mitondra zavatra izay misy fiantraikany amin’ny zavatra tsapa ao amin’ny kilasy. Amporisiho izy ireo hanampy anao hanorina tontolo feno fahalalahana sy fitiavana ary fanajana mba hahafahan’ny olona tsirairay mahatsapa fahatokiana rehefa mizara ny zavatra niainany sy mametraka ny fanontaniany ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15).