Avia, hanaraka Ahy
23–29 nôvambra. Etera 12–15: “Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra”


“23–29 nôvambra. Etera 12–15: -Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“23–29 nôvambra. Etera 12–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Etera miditra ao anaty lava-bato

I Etera miafina ao anaty lava-bato, nataon’i Gary Ernest Smith

23–29 nôvambra

Etera 12–15

“Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra”

Ny tanjon’ity rindran-damina ity dia tsy ny hilaza mialoha ny zavatra tsy maintsy hitranga ao an-dakilasy. Fanampin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana izany, fa tsy misolo izany. Avelao ny Fanahy hitarika ny fandalinana sy ny fiomananao manokana, dia avy eo jereo raha toa ka mety hanampy ireo mpianatra hahita sy hizara fitsipika manan-danja ao amin’ny Etera 12–15 ireo asa atao ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ny fandalinany ny soratra masina samirery na miaraka amin’ny fianakaviany dia azonao atao ny manoratra andian-teny eny amin’ny solaitrabe tahaka ny hoe “Nianatra aho fa …” “Manana fijoaroana ho vavolombelona aho mahakasika ny …” ary ny hoe “Izaho dia efa niaina …” Asao ireo mpianatra mba hizara zavatra avy amin’ny Etera 12–15 izay afaka mameno ny iray amin’ireo andian-teny eny amin’ny solaitrabe.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Etera 12:2–22

Hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana isika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny dikan’ny hoe mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy dia azonao anontaniana izy ireo hoe inona no sary na teny tonga ao an-tsain’izy ireo rehefa maheno ny teny hoe mampihatra. (Azonao atao mihitsy ny mijery ilay teny ao anatin’ny rakibolana.) Inona no fiantraikan’ny fampiharana na fampiasana ara-batana ny vatantsika? Ahoana no azo ampiharana io fitsipika io amin’ny vatantsika? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika “mampihatra finoana” an’i Kristy? Afaka mamaky ny Etera 12:2–22 ireo mpianatra ary hifanakalo hevitra momba ny fomba nampiharan’ireo vahoaka voalaza ao amin’ireo andininy ireo finoana. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo? Araka ireo andininy ireo, inona avy ny vokatry ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Ireo ohatra momba ny finoana ao amin’ny Etera 12:7–22 dia manome topi-maso ireo tantara manentana fanahy izay nianaranareo miaraka tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Angamba afaka mizara ohatra hafa momba ny finoana ireo mpianatra sy ny zavatra nianarany avy amin’izany (misy ohatra hafa hita ao amin’ny Hebreo 11). Afaka mizara ohatra feno finoana avy amin’ny tantaran’ny fianakavian’izy ireo na ny fiainan’izy ireo izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana ireo ohatra ireo no nanamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra?

  • Ny Etera 12 dia feno hevi-baovao sy fahamarinana momba ny finoana. Afaka mitady andininy ao amin’io toko io ireo mpianatra izay mampianatra azy ireo momba ny finoana. Dia afaka manoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany izy ireo avy eo.

Etera 12:1–9, 28, 32

Ny finoana dia mahatonga “[fanantenana] tontolo iray tsara kokoa.”

  • Misy mpianatra iray ve ao amin’ny kilasinao afaka manazava ny antony maha-zava-dehibe ny vatofantsika ho an’ny sambo iray? Afaka maneho sarina sambo sy vatofantsika ianao (na hanao sarin’izany eny amin’ny solaitrabe) ary hifanakalo hevitra momba ny mety hitranga amin’ny sambo iray izay tsy misy vatofantsika. Inona no mitranga amintsika rehefa tsy manana finoana isika? Dia afaka mamaky ny Etera 12:4 ireo mpianatra ka hiresaka momba ny mahatonga ny finoana ho toy ny “vatofantsika ho an’ny fanahin[tsika].” Azon’izy ireo vakina ihany koa ny Etera 12:1–9, 28, ary 32 ary zaraina ny hevitra izay azon’izy ireo momba ny fanantenana. Inona no tokony hantenaintsika? (jereo ny Etera 12:4; Môrônia 7:41; jereo ihany koa ny Jaona 16:33).

Etera 12:23–29

Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho lasa matanjaka ny zavatra malemy.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hampifandray amin’olona ireo fahamarinana nianaran’i Môrônia momba ny fahalemena sy ny tanjaka ao amin’ny Etera 12 dia azonao asaina ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray izay mety mahatsapa ho kivy noho ny fahalemeny. Dia asaivo mikaroka ao amin’ny Etera 12:23–29 avy eo ireo mpianatra mba hitady hafatra izay afaka manampy izany olona izany. Raha teto i Môrônia androany dia inona no mety ho nolazainy mba hankaherezana io olona io? Afaka mizara zavatra niainany teo amin’ny fiainany ihany koa ireo mpianatra izay nanampian’ny Mpamonjy tamin’ny “zavatra malemy [ka] tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27). Inona no mampiavaka io fiovana io amin’ny fiovana avy amin’ny ezaka ataon’ny olona manokana tsy miankina amin’ny Mpamonjy? Raha hijery misimisy kokoa momba io lohahevitra io dia jereo ny teny nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Ny zavatra niainan’i Môrônia dia iray amin’ireo maro ao amin’ny soratra masina izay maneho ny fomba entin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy manova ny fahalementsika ho lasa tanjaka. Mety hanampy ny mizara ireo mpianatra ho vondrona maromaro ka hanome andraikitra ny vondrona tsirairay mba haka olona iray ao amin’ny soratra masina izay nanana fahalemena, ary hifanakalo hevitra momba ny nanovan’ny Tompo izany olona izany ho matanjaka. Misy ohatra vitsivitsy aroso ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Azonao toroina hevitra ihany koa ireo mpianatra hijery ny famaritana ny fahasoavana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny Miorim-paka ao amin’ny finoana. Amin’ny fomba ahoana ireo ohatra ao amin’ny soratra masina izay nianaran’izy ireo no maneho ny herin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy? Ahoana no hanasantsika io hery io ho ao amin’ny fiainantsika?

  • Mazàna isika no mampitaha ny fahalementsika amin’ny tanjaka izay hita eny amin’ny hafa. Na i Môrônia aza dia nahatsapa ho tsy tsara raha noharina tamin’ny rahalahin’i Jareda (jereo ny Etera 12:24). Nahoana no zava-doza ny mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa? Araka ny Etera 12:26–27 dia ahoana no tian’ny Tompo hahitantsika ny fahalementsika? ( jereo koa ny teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Ahoana no tiany hahitantsika ny fahalemen’ny hafa? (jereo ny Etera 12:26).

Etera 13–15

Mitondra loza ara-panahy ny fandavana ny mpaminany.

  • Raha jerena ireo fahamarinana manan-danja ampianarina ao amin’ny Etera 12 dia mety hisafidy ny tsy handany fotoana be ao amin’ireo toko 13–15 ianao. Na izany aza dia mety hilaina ny mangataka ireo mpianatra mba hamintina fohy ny zavatra mitranga ao amin’ireo toko ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita hafatra manan-danja ao amin’io tantara io dia azonao angatahina izy ireo hameno ny andian-teny hoe “toy izany no ahitantsika fa …” amin’ny lesona iray izay ianarany avy amin’ny fahalavoan’ireo Jaredita. Tamin’ny fomba ahoana no nampitovy ny fahalavoan’izy ireo tamin’ny fahalavoan’ireo Nefita? (jereo ohatra ny Etera 15:19 sy ny Môrônia 8:28). Inona no tian’ny Tompo hianarantsika avy amin’ireo tantara ireo, ary inona no azontsika atao mba tsy ho tratran’ny nanjo an’ireo Jaredita isika? Azon’ireo mpianatra jerena ihany koa ny ifandraisan’ny faran’ny bokin’ny Etera amin’ny Ômnia 1:19–22; Môzià 8:8; ary Môzià 28:11–18.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amin’ny herinandro manaraka ireo mpianatra dia hanomboka handalina ny bokin’i Môrônia. Mety hahaliana azy ireo ny mahafantatra fa tamin’ny voalohany i Môrônia dia tsy nikasa hanoratra zavatra fanampiny taorian’ny bokin’i Etera, saingy velona elaela nihoatra ny neritreretiny izy. Amin’ity herinandro ity izy ireo dia hanomboka hamaky ireo hafatra farany izay nentanim-panahy hosoratan’i Môrônia mialoha ny nahafatesany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mitaky ny fahitana ny fahalementsika ny fivoarana ara-panahy.

Raha niresaka momba ny Etera 12:27 ny Filoha Henry B. Eyring dia nampianatra izy hoe: “Nilaza i Môrônia fa -rehefa nandre ireo teny ireo,- izy dia -nionona- (Etera 12:29). Afaka ny ho fampiononana ho antsika rehetra izany. Ireo izay tsy mahita ny fahalemeny dia tsy mba mivoatra. Fitahiana ny fahafantaranao ny fahalemenao satria manampy anao hietry sy mihazona anao mba hitodika any amin’ny Mpamonjy izany. Ny Fanahy dia tsy mampionona anao fotsiny ihany fa fitaovana hahafahan’ny Sorompanavotana mitondra fiovana eo aminao ihany koa Izy. Dia tonga matanjaka ny zavatra malemy avy eo” (““Ny fiadanako no avelako ho anareo”,” Liahona, mey 2017, 16).

Ohatra: Atao matanjaka ny malemy.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny “antony.” “Indraindray ny mpianatra—indrindra ny zatovo—dia manontany tena hoe ahoana no hiainan’izy ireo miaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara na nahoana izy ireo no tokony hankatò ny karazana didy sasany. Kanefa raha takatr’izy ireo ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambaran’ireo zanany, dia ho lasa mazava kokoa ny antony ilana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo didy ary hitombo ny faharisihana hankatò” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).