Ny soratra masina
Etera 7


Toko 7

Nanjaka tamim-pahamarinana i Ôrihà—Tao anatin’ny fisandohana sy ny adilahy no nitsangana ny fanjakam-pifandrafian’i Sole sy i Kôhôra—Ny mpaminany dia nanameloka ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampin’ny vahoaka izay nibebaka taorian’izany.

1 Ary ny zava-nitranga dia nampihatra ny fitsarana teo amin’ny tany tamim-pahamarinana i Ôrihà tamin’ny androny rehetra, andro izay marobe izaitsizy tokoa.

2 Ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy izy; eny, niteraka iraika amby telopolo izy, anisan’ireo ny zanany lahy telo amby roapolo.

3 Ary ny zava-nitranga dia niteraka an’i Kiba koa izy tamin’ny fahanterany. Ary ny zava-nitranga dia i Kiba no nanjaka teo amin’ny toerany; ary niteraka an’i Kôrihôra i Kiba.

4 Ary rehefa feno roa amby telopolo taona i Kôrihôra dia nikomy tamin-drainy, ary lasana izy ary nitoetra tany an-tanin’i Nehôra; ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy izy, ary nanjary kanto fatratra tokoa izy ireo; koa i Kôrihôra dia nisintona olona maro hanaraka azy.

5 Ary rehefa avy nanangona miaraka ny miaramila izy dia nandeha niakatra tao an-tanin’i Môrôna, izay nonenan’ny mpanjaka, ary naka azy ho babo, izay nahatò ny afilazan’ny rahalahin’i Jareda fa izy ireo dia hoentina any amin’ny fahababoana.

6 Ankehitriny ny tanin’i Môrôna, izay nitoeran’ny mpanjaka dia akaikin’ny tany izay antsoin’ny Nefita hoe Faharavana.

7 Ary ny zava-nitranga dia nitoetra tao amin’ny fahababoana i Kiba, ary teo ambanin’i Kôrihôra zanany lahy ny vahoakany, mandra-pahatonga azy ho antitra izaitsizy tokoa; kanefa dia niteraka an’i Sole i Kiba tamin’ny fahanterany, raha mbola tany amin’ny fahababoana.

8 Ary ny zava-nitranga dia tezitra tamin’ny rahalahiny i Sole; ary nihanatanjaka sy tonga nahery i Sole raha ny herin-dehilahy; ary nahery tamin’ny fandanjalanjana koa.

9 Koa tonga tao amin’ny havoanan’i Efraima izy ary nandrendrika metaly avy tao amin’ny havoana sy nanao sabatra tamin’ny tsy ho an’ireo izay efa notarihiny hanaraka azy; ary rehefa avy nampirongo azy ireo sabatra izy dia niverina tao an-tanànan’i Nehôra sy namaky ady tamin’i Kôrihôra rahalahiny, ka tamin’izany fomba izany no nahazoany ny fanjakana sy namerenany izany tamin’i Kiba rainy.

10 Ary ankehitriny, noho ny zavatra izay efa nataon’i Sole, dia natolotry ny rainy azy ny fanjakana; koa nanomboka nanjaka teo amin’ny toeran-drainy izy.

11 Ary ny zava-nitranga dia nampihatra ny fitsarana tamim-pahamarinana izy; ary nanitatra ny fanjakany eran’ny lafiny rehetra tamin’ny tany izy, fa efa tonga marobe izaitsizy tokoa ny vahoaka.

12 Ary ny zava-nitranga dia niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro koa i Sole.

13 Ary nibebaka tamin’ny ratsy maro izay efa nataony i Kôrihôra; koa nomen’i Sole fahefana tao amin’ny fanjakany izy.

14 Ary ny zava-nitranga dia nanana zanakalahy sy zanakavavy maro i Kôrihôra. Ary tamin’ny zanakalahin’i Kôrihôra dia nisy anankiray izay i Noà no anarany.

15 Ary ny zava-nitranga dia nikomy tamin’i Sole mpanjaka sy tamin’i Kôrihôra rainy koa i Noà, ary nitarika an’i Kôhôra rahalahiny sy ny rahalahiny rehetra koa, ary ny maro tamin’ny vahoaka.

16 Ary namaky ady tamin’i Sole mpanjaka izy, ka tamin’izany no nahazoany ny tany lovany voalohany; ary tonga mpanjaka tao amin’izany faritry ny tany izany izy.

17 Ary ny zava-nitranga dia namaky ady indray tamin’i Sole mpanjaka izy; ary naka an’i Sole mpanjaka sy nitondra azy ho babo tany Môrôna.

18 Ary ny zava-nitranga, nony efa hamono azy ho faty izy, dia nisoko niditra ny tranon’i Noà mpanjaka tamin’ny alina ireo zanakalahin’i Sole sy namono azy, ary namaky ny varavaran’ny fonja sy nitondra an-drainy nivoaka, ary nametraka azy teo amin’ny seza fiandrianany tao amin’ny fanjakany ihany.

19 Koa, nanangana ny fanjakany teo amin’ny toerany ny zanakalahin’i Noà; na dia teo aza izany dia tsy nanam-pahefana intsony tamin’i Sole mpanjaka izy ireo, ary ny vahoaka izay teo ambany fitondran’i Sole mpanjaka dia niroborobo izaitsizy tokoa sy tonga lehibe.

20 Ary nizarazara ny tany; ary nisy fanjakana roa, ny fanjakan’i Sole sy ny fanjakan’i Kôhôra, zanakalahin’i Noà.

21 Ary nataon’i Kôhôra, zanakalahin’i Noà, izay hamakian’ny vahoakany ady tamin’i Sole, izay nandresen’i Sole azy sy namonoany an’i Kôhôra.

22 Ary ankehitriny i Kôhôra dia nanan-janakalahy izay nantsoina hoe Nimrôda; ary i Nimrôda dia nanolotra ny fanjakan’i Kôhôra an’i Sole, ary nahazo sitraka teo imason’i Sole; koa i Sole dia nanome azy fankasitrahana lehibe, ary nanao araka ny faniriany tao amin’ny fanjakan’i Sole izy.

23 Ary nandritra ny fitondran’i Sole koa dia nisy ireo mpaminany izay nirahin’ny Tompo, tonga teo anivon’ny vahoaka, naminany fa ny faharatsiana sy ny afanompoan-tsampin’ny vahoaka no nahatonga ozona teo amin’ny tany, ary hofongorana izy raha tsy mibebaka.

24 Ary ny zava-nitranga dia nanevateva ny mpaminany ny vahoaka ary nanaraby azy ireo. Ary ny zava-nitranga dia nampihatra ny fitsarana tamin’ireo rehetra izay nanevateva ny mpaminany i Sole mpanjaka.

25 Ary izy dia nampihatra lalàna eran’ny tany manontolo, izay nanome fahefana ny mpaminany handehanany na aiza na aiza tiany; ary noho izany antony izany dia nentina nankamin’ny fibebahana ny vahoaka.

26 Ary satria nibebaka tamin’ny helony sy ny fanompoan-tsampiny ny vahoaka dia notsimbinin’ny Tompo izy, ary nanomboka niroborobo indray teo amin’ny tany. Ary ny zava-nitranga dia niteraka zanakalahy sy zanakavavy i Sole tamin’ny fahanterany.

27 Ary tsy nisy ady intsony tamin’ny andron’i Sole; ary nahatsiaro ny zava-dehibe izay efa nataon’ny Tompo ho an’ny razany izy tamin’ny nitondrany azy ireo anita ny hantsana lehibe hankamin’ny tany nampanantenaina; koa nampihatra ny fitsarana tamim-pahamarinana tamin’ny androny rehetra izy.