Ny soratra masina
Etera 14


Toko 14

Nitondra ozona teo amin’ny tany ny heloky ny vahoaka—Rafitra niady tamin’i Gileada, tamin’i Liba avy eo, ary rehefa izany dia tamin’i Siza i Kôriantomira—Nandrakotra ny tany ny ra sy ny fandringanana.

1 Ary ankehitriny dia nanomboka nisy aozona lehibe teo amin’ny tany manontolo noho ny heloky ny vahoaka, ka raha nametraka ny fitaovany na ny sabany teo amin’ny talantalany na tamin’ny toerana izay ho nitanany izany ny olona iray, dia indro, tsy nety ho hitany izany ny ampitso, fa lehibe loatra ny ozona teo amin’ny tany.

2 Koa ny olona tsirairay dia nifikitra tamin’izay nananany tamin’ny tanany, ary sady tsy nindrana no tsy nampindrana; ary ny olona tsirairay dia nihazona ny fitanana ny sabany tamin’ny tanany an-kavanana ho fiarovana ny fananany sy ny ainy ary ny andefimandriny sy ny zanany.

3 Ary ankehitriny, nony afaka ny roa taona sy taorian’ny fahafatesan’i Sareda, dia indro nitsangana ny rahalahin’i Sareda ary namaky ady tamin’i Kôriantomira ka tamin’izany no nandresen’i Kôriantomira azy sy nanenjehiny azy hatrany an-tany foanan’i Akisa.

4 Ary ny zava-nitranga dia namaky ady taminy tany an-tany foanan’i Akisa ny rahalahin’i Sareda; ary nanjary nangotraka izaitsizy tokoa ny ady, ary an’arivony maro no lavo tamin-tsabatra.

5 Ary ny zava-nitranga dia nanao fahirano tany an-tany foana i Kôriantomira; ary ny rahalahin’i Sareda dia nandeha nivoaka ny tany foana tamin’ny alina sy namono ny ampahany tamin’ny miaramilan’i Kôriantomira, raha mbola mamo ireo.

6 Ary nivoaka nankao an-tanin’i Môrôna izy ary nametraka ny tenany teo amin’ny seza fiandrianan’i Kôriantomira.

7 Ary ny zava-nitranga dia nitoetra niaraka tamin’ny miaramilany tany an-tany foana nandritra ny roa taona i Kôriantomira, tamin’izany no nandraisany hery lehibe ho an’ny miaramilany.

8 Ankehitriny ny rahalahin’i Sareda, izay i Gileada no anarany, dia nandray koa hery lehibe ho an’ny miaramilany, noho ny tsikombakomba miafina.

9 Ary ny zava-nitranga dia novonoin’ny mpisorony avo izy raha nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany.

10 Ary ny zava-nitranga dia ny anankiray tamin’ny tsikombakomba miafina no namono azy tao amin’ny hadilalana miafina, ary nahazo ny fanjakana ho an’ny tenany; ary i Liba no anarany; ary i Liba dia lehilahy vaventy tsanganana, nihoatra ny olon-kafa teo anivon’ny vahoaka rehetra.

11 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona voalohan’i Liba, dia niakatra tao an-tanin’i Môrôna i Kôriantomira ary namaky ady tamin’i Liba.

12 Ary ny zava-nitranga dia niady tamin’i Liba izy, ka tamin’izany dia namely ny sandriny i Liba, ka dia naratra izy; na dia teo aza izany dia nibosesika nanafika an’i Liba hatrany ny miaramilan’i Kôriantomira, hany ka nandositra izy nankamin’ny sisintany nanemitra ny moron-dranomasina.

13 Ary ny zava-nitranga dia nanenjika azy i Kôriantomira; ary namaky ady taminy teo amoron-dranomasina i Liba.

14 Ary ny zava-nitranga dia namely ny miaramilan’i Kôriantomira i Liba, ka dia nandositra indray ireo nankany an-tany foanan’i Akisa.

15 Ary ny zava-nitranga dia nanenjika azy i Liba ambara-pahatongany teo amin’ny lemak’i Agôsa. Ary efa nalain’i Kôriantomira avokoa ny vahoaka hiaraka aminy raha nandositra teo anoloan’i Liba izy tany amin’izany faritry ny tany izay nandosirany izany.

16 Ary nony efa tonga teo amin’ny lemak’i Agôsa izy dia namaky ady tamin’i Liba sy namely azy ambara-pahafatiny; na dia teo aza izany, dia tonga niady tamin’i Kôriantomira teo amin’ny toerany ny rahalahin’i Liba, ary nanjary nangotraka izaitsizy tokoa ny ady, ka tamin’izany i Kôriantomira dia nandositra indray teo anoloan’ny miaramilan’ny rahalahin’i Liba.

17 Ankehitriny ny anaran’ny rahalahin’i Liba dia nantsoina hoe Siza. Ary ny zava-nitranga dia nanenjika an’i Kôriantomira i Siza ary nandrodana tanàna maro sy namono na vehivavy na ankizy ary nandoro ireo tanàna.

18 Ary niparitaka eran’ny tany manontolo ny fahatahorana an’i Siza; eny, niparitaka eran’ny tany ny feo—Iza no mahajoro eo anoloan’ny miaramilan’i Siza? Indro, mifaoka ny tany eo anoloany izy!

19 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nitsitokotoko ho miaramila ny vahoaka eran’ny lafiny rehetra tamin’ny tany.

20 Ary nizarazara izy ireo; ary ny ampahany iray taminy dia nandositra nankamin’ny miaramilan’i Siza, ary ny ampahany iray taminy dia nandositra nankamin’ny miaramilan’i Kôriantomira.

21 Ary lehibe sy naharitra loatra ny ady, ary naharitra ela loatra ny fisian’ny fandatsahan-dra sy ny fandringanana, ka ny lafiny manontolo tamin’ny tany dia rakotry ny avatan’ny maty.

22 Ary mailaka sy faingana loatra ny ady ka tsy nisy iray tavela mba handevina ny maty, fa izy ireo kosa dia nandeha avy tamin’ny fandatsahan-dra nankamin’ny fandatsahan-dra, namela ny vatan’ny lehilahy, ny vehivavy ary ny ankizy hihahaka tambonin’ny tany mba ho tonga haza ho an’ny akankan’ny nofo.

23 Ary ny fofony dia niely tamin’ny lafin-tany, dia tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; koa ny vahoaka dia tonga sorena na andro na alina, noho ny fofony.

24 Na dia teo aza izany, dia tsy nitsahatra ny nanenjika an’i Kôriantomira i Siza; fa efa nianiana izy ny hamalian’ny tenany amin’i Kôriantomira ny ran’ny rahalahiny izay efa novonoina sy ny tenin’ny Tompo izay tonga tamin’i Etera fa i Kôriantomira dia tsy ho lavo amin-tsabatra.

25 Ary dia toy izany no ahitantsika fa ny Tompo dia efa namangy azy ireo tao amin’ny fahafenoan’ny fahatezerany, ary ny faharatsiany sy ny fahavetavetany no efa nanomana ny lalana ho amin’ny famongorana azy ireo maharitra mandrakizay.

26 Ary ny zava-nitranga dia nanenjika an’i Kôriantomira niantsinanana i Siza, na dia hatrany amin’ny sisin-tany akaikin’ny moron-dranomasina aza, ary tao izy no namaky ady tamin’i Siza nandritra ny telo andro.

27 Ary nahatsiravina loatra ny famongorana teo anivon’ny miaramilan’i Siza ka nanomboka nihorohoro ny vahoaka ary nanomboka nandositra teo anoloan’ny miaramilan’i Kôriantomira; ary nandositra izy ireo nankany an-tanin’i Kôrihôra sy nifaoka ny mponina teo anoloany, izay rehetra tsy nety nitambatra taminy.

28 Ary nanangana ny lainy tao an-dohasahan’i Kôrihôra izy ireo; ary nanangana ny lainy tao an-dohasahan’i Sora i Kôriantomira. Ankehitriny, ny lohasahan’i Sora dia akaikin’ny havoanan’i Kômnôra; koa i Kôriantomira dia nanangona miaraka ny miaramilany teo amin’ny havoanan’i Kômnôra sy nampitsoka trompetra ho an’ny miaramilan’i Siza hanainga azy ireo hiady.

29 Ary ny zava-nitranga dia nandroso izy ireo, saingy voatosika indray; ary niverina fanindroany izy ireo, ary voatosika fanindroany indray. Ary ny zava-nitranga dia niverina fanintelony indray izy ireo, ary nanjary nangotraka izaitsizy tokoa ny ady.

30 Ary ny zava-nitranga dia namely an’i Kôriantomira i Siza ka nanome azy ratra lalina maro; ary i Kôriantomira, rehefa nahaverezana ny rany, dia torana ary nentina niala, miova tsy toy ny maty.

31 Ankehitriny ny famoizana lehilahy, vehivavy ary ankizy teo amin’ny andaniny roa dia lehibe loatra, ka nandidy ny olony i Siza tsy hanenjehiny ny miaramilan’i Kôriantomira; koa, niverina tany amin’ny tobiny izy ireo.