Avia, hanaraka Ahy
1–7 jona. Almà 5–7 : “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”


“1–7 jona. Almà 5–7 : -Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“1–7 jona. Almà 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Jesoa mihazona zanak’ondry iray

Tsy adino ianareo, nataon’i Jon McNaughton

1–7 jona

Almà 5–7

“Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”

Eo am-pamakianao ny Almà 5–7 dia eritrereto ireo olona ao amin’ny kilasinao izay maneho ireo fampianarana ao amin’ireo toko ireo. Saintsaino ireo fomba ahafahanao manampy azy ireo handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo amin’ny alahady.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ny olona ao amin’ny kilasy hitadidiana ny zavatra novakian’izy ireo tao amin’ny Almà 5–7 ka hitady fahamarinana iray tian’izy ireo hozaraina amin’ny iray kilasy. Dia angataho izy ireo avy eo hizara izany amin’ny olona mipetraka eo akaikiny.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 5:14–33

Tsy maintsy miaina—ary mitohy mahatsapa—fiovam-po mahery vaika isika.

  • Ny olona ao amin’ny kilasy dia nasaina hieritreritra ireo fanontaniana ao amin’ny Almà 5:14–33, ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo ianao amin’ny alalan’ny fangatahana ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ireo fanontaniana avy ao amin’ireo andininy ireo izay manan-danja ho azy ireo. Azonao atao ny manasa ny olona ao amin’ny kilasy hiasa ao anatin’ny vondrona mba hamerina hijery ny Almà 5:14–33 ary hitady ny dikan’ny hoe miaina fiovam-po amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mitady ireo fitahiana avy amin’ny fo niova. Inona ihany koa ireo fanoharana nampiasaina mba hamariparitana ilay fiovana nofariparitan’i Almà? (Jereo ohatra ny Jaona 3:1–7; 2 Korintiana 5:17; Dale G. Renlund, “Mihazona ilay fiovam-po mahery vaika,” Liahona, nôv. 2009, 97–99.) Ahoana no hihazonantsika fiovam-po mahery vaika mandritra ny androm-piainantsika manontolo?(jereo ny Almà 5:26).

    Sary
    ankizivavy mivavaka eo akaikin’ny fandriana

    Rehefa mitodika amin’ Andriamanitra isika dia afaka miaina “fiovam-po.”

Almà 5:44–51

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

  • Toa an’i Almà, ireo olona ao amin’ny kilasy dia nahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Mba hanampiana azy ireo hianatra ny zavatra nataon’i Almà mba hahazoana ny tenivavolombelony tamin’ny alalan’ny Fanahy dia azonao atao ny mizara taratasy misy ny teny hoe Fijoroana ho vavolombelona voasoratra eny amin’ny tampony. Afaka miasa tsiroaroa ny olona ao amin’ny kilasy mba hamerenana ny Almà 5:44–51 ary mampiasa ny zavatra nianaran’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo mba hanoratana “torolalana fanamboarana” fijoroana ho vavolombelona. Ohatra, ireo “akora ilaina” amin’ilay torolalana fanamboarana dia mety ho ireo fahamarinana izay mandrary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ireo “toromarika” amin’ilay torolalana fanamboarana dia mety ho zavatra izay tokony ataontsika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona. (Jereo ilay hafatra avy amin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hitadiavana hevitra vitsivitsy.) Inona avy ireo “zavatra ilaina” sy ireo “toromarika” azon’izy ireo hanampiana ny torolalana fanamboarana nataon’izy ireo avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo manokana na ireo traikefa hafa ao amin’ny soratra masina. Asao ny mpiara-miasa tsiroaroa mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo sy ny zavatra ataony mba hanasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana amin’izy ireo.

Almà 6

Mivondrona ho Olomasina isika mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy hanao ny asany.

  • Mba hampahatsiahivana ny olona ao amin’ny kilasy momba ny lanjan’ny fiarahana mivondrona amin’ny maha-vataben’ny Olomasina antsika, dia asao izy ireo mba haka sary an-tsaina olona iray fantatr’izy ireo izay mahatsapa fa tsy ilaina ny maha-mpikambana ao amin’ny fiangonana iray. Inona no azon’izy ireo zaraina avy ao amin’ny Almà 6 mba hampianarana io olona io momba ny sasany amin’ireo fitahiana avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fiangonana iray? Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manatanteraka tsara kokoa ireo tanjon’ny fivondronana izay nofariparitan’i Almà?

Almà 7:7–16

Nentin’ny Mpamonjy teo Aminy ny fahotantsika, sy ny fanaintainantsika, ary ny fahalementsika.

  • Mety misy olona ao amin’ny kilasinao izay mila mahafantatra haingana izay ampianarin’ny Almà 7:7–16—fa ny Mpamonjy dia naka teo Aminy tsy ireo fahotantsika ihany fa ireo fanaintainana, fahoriana, aretina, ary rofintsika ihany koa. Ahoana no fomba hampianaranao azy ireo hahita izany? Azonao atao ny manao tabilao eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny lohateny hoe Izay niaretan’ny Mpamonjy sy Ny antony niaretany. Afaka mameno ilay tabilao ny olona ao amin’ny kilasy rehefa avy mamaky ny Almà 7:7–16. Mety hanampy ihany koa ny misaintsaina ireo zavatra hafa niaretan’ny Mpamonjy nandritra ny fiainany (jereo ireo ohatra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

  • Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny zavatra nampianarin’i Almà ao amin’ny Almà 7:7–16, dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ny zavatra niainany ka nanampy azy ireo ny Mpamonjy (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ahitana ireo ohatra amin’ny fomba hanampian’i Jesoa antsika). Azonao atao koa ny mizara ity teny manaraka izay nambaran’ny Filoha Dallin H. Oaks ity: “Ny Mpamonjintsika dia nanambara fa -nidina ho ambanin’ny zava-drehetra- Izy (F&F 88:6). … Mety hilaza mihitsy aza isika fa rehefa nidina ho ambanin’ny zava-drehetra Izy dia Izy Tenany no mitoetra tsara indrindra mba hanandratra antsika sy hanome ny tanjaka ilaintsika mba hahafahantsika maharitra fahoriana. Mila mangataka fotsiny isika” (““Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 64).

  • Nanambara i Almà fa ny fahatongavan’ny Mpanavotra dia “tena manan-danja kokoa” noho ny zavatra hafa rehetra. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny maka sary an-tsaina hoe ao amin’ny kilasin’ny tantara izy ireo, miresaka momba ireo zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantara. Iza amin’ireo andininy ao amin’ny Almà 7 no hozarain’izy ireo mba hanohanana ny fanambarana nataon’i Almà ao amin’ny andininy 7? Inona no torohevitra nomen’i Almà ny vahoakany ka afaka manampy antsika hiomana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Almà 8–12, dia azonao zaraina amin’izy ireo fa ireo toko ireo dia mitantara ny tantaran’ny lehilahy roa. Ny iray dia tsy niraharaha ny Fiangonana ary ny iray dia mpanenjika be zotom-po, kanefa izy roa dia samy lasa mpiaro ny finoana tamin’ny zotom-po.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mahazo fijoroana ho vavolombelona antsika manokana.

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanome izao lamina araka ny soratra masina manaraka izao mba “hahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana izay mifototra amin’ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina”:

Voalohany: Irio ny hino. Ny Bokin’i Môrmôna dia mamporisika antsika hoe: -Nefa indro, raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo ianareo, na dia ho fanandramana ny teniko aza, ary hampihatra sombiny amin’ny finoana, … na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ny ampahany amin’ny teniko- (Almà 32:27). … Mampanantena fanampiana avy any an-danitra ho antsika Andriamanitra na dia mila maniry ny hino fotsiny ihany aza isika, kanefa tsy maintsy faniriana marina izany fa tsy mody faniriana fotsiny.

Faharoa: Mandalina ny soratra masina. Manàna fanontaniana; halalino izany; mitadiava valiny ao anatin’ny soratra masina. Ny Bokin’i Môrmôna dia manana torolalana ho antsika indray: -raha manisa toerana ianareo mba hahazoana mamboly voa iray ao am-ponareo- amin’ny alalan’ny fandalinana amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra, ny voa tsara dia -hanomboka handrobona ao an-tratranareo- raha toa ka tsy hanohitra amin’ny tsy finoana ianareo. Io voa tsara io dia -handrobona ao an-tratranareo- sy -mampivelatra ny fanahi[nareo]- (Almà 32:28).

Fahatelo: Ataovy ny sitrapon’ Andriamanitra; tandremo ireo didy. … Mila manatona an’i Jesoa Kristy sy manaraka ireo fampianarany isika. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: -Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy- [Jaona 7:16–17; nampiana soratra nisompirana]. …

Fahefatra: Saintsaino, mifadia hanina, ary mivavaha. Mba hahazoana fahalalana avy amin’ny Fanahy Masina, isika dia tsy maintsy mangataka izany amin’ny Ray any An-danitra [jereo ny Almà 5:45–46; Môrônia 10:3–4]” (“The Power of a Personal Testimony,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 38–39).

Inona no niaretan’i Jesoa Kristy?

Inona no fahoriana hafa niainan’ny Mpamonjy?

Ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy antsika?

Inona koa ireo fomba hafa hanampian’i Jesoa antsika?

Manatsara ny fampianarantsika

Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manan-danja ny misaintsaina ireo fomba ahafahanao manampy ireo mpianatra hanorina finoana eo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampiasao ireo fanontaniana fanombatombanana ny tena manokana ao amin’ny pejy 37 ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.