Avia, hanaraka Ahy
15–21 jona. Almà 13–16: “Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo”


“15–21 jona. Almà 13-16: -Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo-”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“15–21 jona. Almà 13-16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
nivoaka ny fonja i Almà sy i Amioleka

Sarin’i Almà sy i Amioleka navoaka avy tao am-ponja, nataon’i Andrew Bosley

15–21 jona

Almà 13–16

“Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo”

Ny fiovam-po maharitra dia mitaky mihoatra noho ny lesona manentana fanahy amin’ny Sekoly Alahady isan-kerinandro. Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hikatsaka traikefa ara-panahy an’ny tena manokana mandritra ny herinandro.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Inona no mety hanentana ny olona ao amin’ny kilasy hifampizara ny traikefan’izy ireo amin’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara? Azonao atao ny manasa azy ireo hizara hevi-baovao hitan’izy ireo ao amin’ny Almà 13–16 izay nahatalanjona azy ireo na tsy noeritreretiny teo aloha. Rehefa mizara izany izy ireo dia anontanio ny fahatsapany fa hitondran’io hevi-baovao io fahasamihafana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 13:1–19

Ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia manampy ireo zanak’ Andriamanitra hahazo fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  • Ny sasany amin’ireo olona ao amin’ny kilasinao dia mety nahita zavatra izay nahatonga ny fankasitrahan’izy ireo ny fisoronana ho lalim-paka rehefa nandalina ny Almà 13 izy ireo. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Azonareo atao ihany koa ny miara-mamaky ny andininy 2 sy 16 ary mametraka fanontaniana toy ny hoe “Manampy anao -[hiandrandra] ny Zana[k’ Andriamanitra] ho fanavotana- amin’ny fomba ahoana ny fisoronana sy ny ôrdônansiny?” Raha ilaina dia ataovy lisitra ireo ôrdônansy izay hita ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana 109–10.

    Sary
    zatovolahy eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo

    Ny ôrdônansin’ny fisoronana dia manampy antsika hiandrandra an’i Jesoa Kristy ho fanavotana.

  • Olona maro tao Amônihà no mpanaradia an’i Nehôra, izay nampianatra hevi-diso momba ny anjara asan’ny mpisorona. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra momba ny toetra marin’ny fisoronana, dia angataho izy ireo mba hampitaha ny fijerin’i Nehôra izay tokony hataon’ny mpisorona (jereo ny Almà 1:3–6) amin’izay nampianarin’i Almà (jereo ny Almà 13:1–12). Amin’ny fomba ahoana avy no hitovian’ireo fampianaran’i Nehôra amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao mikasika ny fahefana sy ny fitantanana? Inona no maha-samy hafa an’ireo fampianaran’i Almà?

  • Ny famakiana ny Almà 13:1–19 dia mety hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny hoe “nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao” amin’ireo andraikitsika ao amin’ny asan’ny Tompo. Inona no soso-kevitra atolotry ny Almà 13:3 mikasika ny fomba tokony hijerentsika na handraisantsika ireo andraikitra ireo? (jereo koa ny FF 138:56).

Almà 13

Manasa antsika hiditra ao amin’ny fitsaharany ny Tompo.

  • Nampianatra i Almà fa ny fisoronana dia manampy antsika “hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo” (Almà 13:16). Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba io hevitra io dia angataho ny olona ao amin’ny kilasy mba hamaky ny Almà 13:6, 12–13, 16, ary 29 ary hizara izay ampianarin’ireo andininy ireo momba “ny fitsaharan’ny Tompo.” Azon’izy ireo fantarina ihany koa ny toetoetran’ireo olona izay “miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.” Inona no azontsika atao mba hiainana ny fitsaharan’ny Tompo mandritra ny fiainantsika eto an-tany?

Almà 14

Tsy maintsy matoky ny Tompo isika mandritra ireo fotoam-pitsapana sy fahoriana.

  • Ny Almà 14 dia mety ho fahafahana iray hifanakalozana hevitra momba ny fomba hahafahantsika maneho fihetsika amim-pahatokiana rehefa miatrika fanenjehana na fitsapana isika na ireo olon-tiantsika na dia rehefa miezaka ny ho marina aza isika. Atombohy amin’ny fanasana ny olona ao amin’ny kilasy haka sary an-tsaina fa izy ireo dia mpanao gazety manao tatitra ny zava-nitranga tao amin’ny Almà 14. Karazana fanontaniana toy ny inona no mety hapetrak’izy ireo amin’i Almà na Amioleka mikasika ilay zava-nitranga? Ohatra: “Nahoana ny Tompo no mamela anao na ny olo-marina hafa hijaly?” na “Inona no toro-hevitra ho an’ireo izay miaina fitsapana sarotra?” Araka izay fantatsika avy ao amin’ny Almà 14, ahoana no mety hamalian’i Almà na Amioleka an’ireo fanontaniana ireo?

  • Ny ankamaroantsika dia mety nahatsapa ny fahatsapan’i Amioleka rehefa nahita ny fijalian’ireo olona mahatoky tao Amônihà: “[m]angirifiry koa” isika (Almà 14:10), ary maniry ny hanao zavatra mikasika izany. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Almà tao anatin’io toe-java-niseho io? (jereo ny Almà 14:8–13). Azonao atao ny mizara ilay teny nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny. Afaka mamintina ny hafatra manan-danja tao amin’ilay teny nataon’ny Filoha Kimball amin’ny teniny manokana ny olona ao amin’ny kilasy.

Almà 15:16, 18

Mitaky fahafoizan-tena ny maha-mpianatra.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manolotra ny lisitr’izay nafoin’i Amioleka sy izay azony rehefa nandray ny filazantsara izy. Mety te hizara ireo lisitra noforoniny ireo olona ao amin’ny kilasy, na afaka manao ireo lisitra ireo ao an-dakilasy izy ireo. Afaka manampy ireto soratra masina ireto: Almà 10:4–5; 15:16, 18; 16:13–15; ary 34:8. Nahoana i Amioleka no vonona hanao fahafoizana toy izany? Nahoana isika no vonona ny hanao toy izany? Ahoana no fomba hanarahantsika ny ohatra nasehon’i Almà, izay “nampatanjaka [an’i Amioleka] tao amin’ny Tompo”?

Almà 16:1–10

Ho tanteraka ny tenin’ireo mpaminany.

  • Ny Almà 16 dia manome ohatra ny amin’ireo olona izay natoky ny mpaminany sy ny vahoaka izay tsy natoky ny mpaminany. Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hianatra avy amin’ireo ohatra ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny roa ireto: Zôrama sy Vahoakan’i Amônihà. Ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mamaky ny Almà 16:1–10 sy manoratra eo ambanin’ny lohateny tsirairay ireo teny sy andian-teny izay mamariparitra ny fihetsika nasehon’ireo olona ireo ny tenin’ny mpaminany Almà. Inona no zavatra ataontsika mba hampisehoana amin’ny Ray any An-danitra fa manana finoana ny tenin’ireo mpaminany velona isika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Anontanio ny olona ao amin’ny kilasy raha toa ka efa naniry ho nahay nizara ny filazantsara kokoa izy ireo. Ny famakiana ny Almà 17–22 dia afaka mitondra hevitra mba hanampy azy ireo hanatontosa io tanjona io.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Tsy manakana foana ny loza Andriamanitra.

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanao fanamarihana indray mandeha mikasika ireo loza toa tsy hay hazavaina izay mitranga eto amin’izao tontolo izao:

“Afaka manakana ireo loza ireo ve ny Tompo? Ny valiny dia eny. Amin’ny toerana rehetra ny Tompo, miaraka amin’ny hery hifehy ny fiainantsika, tsy hiainantsika fanaintainana, hanakana ireo loza rehetra, … na [hiaro antsika] amin’ny fahafatesana aza, raha sitrany izany. Saingy tsy hanao izany izy. …

“Raha toa ka sitrana daholo ireo marary rehetra izay entintsika amim-bavaka, ary raha toa ka voaro daholo ny olo-marina rehetra ary naringana daholo ny olon-dratsy rehetra, dia ho rava ilay drafitry ny Ray iray manontolo ary hitsahatra ilay fitsipika fototry ny filazantsara, sy ny fahafahana misafidy. Tsy hisy olona hiaina amin’ ny alalan’ny finoana intsony. …

“… Raha toa hanidy ireo varavaran’ny alahelo sy fahakiviana isika dia mety hampisitaka ireo namantsika sy mpanao soa lehibe. Manamasina ny olona ny fijalijaliana rehefa mianatra ny faharetana, fahononam-po ary ny fifehezan-tena izy. …

“… Feno fankasitrahana aho fa tsy afaka manasitrana ny marary rehetra aho na dia amin’ny alalan’ny fisoronana aza. Mety hanasitrana olona izay tokony ho faty aho. Mety hanaisotra ny fijalian’ny olona tokony hijaly aho. Matahotra aho sao hanelingelina ireo tanjon’ Andriamanitra.

Raha nanana hery tsy manam-petra aho, kanefa nanana fahitana sy fahatakarana voafetra, dia mety nanavotra an’i Abinadia tamin’ny lelafo aho rehefa nodorana teo amin’ilay tsato-kazo izy, ary mety nanimba azy tokoa aho raha nanao izany. Maty maritiora izy ary nankany amin’ny valisoan’ny maritiora, ny fisandratana.

“Ho niaro an’i Paoly tamin’ny fampitandremana nataony aho raha toa ka tsy nisy fefiny ny heriko. Azo antoka fa ho nanasitrana azy tamin’ny -tsilo tao amin’ny nofo- aho. [2 Korintiana 12:7.] Mety ho nanembatsembana ny fandaharan’ny Tompo aho raha nanao izany. …

“Matahotra aho hoe raha tao amin’ny fonjan’i Carthage tamin’ny 27 jona 1844, dia mety ho nampivily ireo bala izay nandrobaka ny vatan’ny Mpaminany [Joseph Smith] sy ny Patriarka [Hyrum Smith] aho. Mety ho nanavotra azy ireo tamin’ny fijaliana sy fahoriana aho, kanefa namery azy ireo tamin’ny fahafatesana sy valisoan’ny martiora. …

“Miaraka amin’ny hery tsy voafehy toy izany dia azo antoka fa mety ho nahatsapa hiaro an’i Kristy tamin’ny fahoriany tao Getsemane aho, ireo fitenenan-dratsy, ilay satroka tsilo, ireo fanalam-baraka tao amin’ny fitsarana, ary ireo ratra ara-batana. Ho nikarakara ny feriny aho ary nanasitrana ireo, nanome rano mampangatsiatsika teo amin’ny toeran’ny vinaigitra. Mety ho nanavotra azy ireo tamin’ny fijaliana sy fahafatesana aho, kanefa namery ny sorom-panavotany ho an’izao tontolo izao. …

“Eo anatrehan’izay mety ho loza dia tsy maintsy mametraka ny fitokisantsika amin’ Andriamanitra isika, sady mahafantatra fa na eo aza ny fahitantsika voafetra dia tsy ho lavo ireo tanjony” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 14–17, 20).

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny olona hianatra amim-pahavitrihana. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia manontania tena hoe -Inona no hataon’ireo mpianatro mba hianarana?- fa tsy hoe -Inona no hataoko mba hampianarana?- (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 29).