Avia, hanaraka Ahy
8–14 jona. Almà 8–12: Ho avy mba hanavotra ny vahoakany i Jesoa Kristy


“8–14 jona. Almà 8-12: Ho avy mba hanavotra ny vahoakany i Jesoa Kristy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“8–14 jona. Almà 8-12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Almà nitory teny

Mampianatra fotopampianarana marina, natoan’i Michael T. Malm

8–14 jona

Almà 8–12

Ho avy mba hanavotra ny vahoakany i Jesoa Kristy

Atombohy amin’ny fandalinana ny Almà 8–12 ny fiomananao. Dia avereno jerena ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny izay hamporisika ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizarany ny zavatra nianarany tao amin’ny fandalinan’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ireo olona ao amin’ny kilasy hisaintsainana momba ny fandalinany manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina tamin’ity herinandro ity. Tamin’ny fomba ahoana no nitaona ireo safidy nataony nandritra ny herinandro ny fandalinan’izy ireo? Manasà olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy hizara ny eritreriny.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 8

Mety hitaky fikirizana sy faharetana ny ezaka ataontsika eo amin’ny fizarana ny filazantsara.

  • Maro ny olona mahita fa sarotra ny mizara ny filazantsara—indrindra rehefa mahatsapa ho lavina toa an’i Almà. Ny ohatra nasehon’i Almà dia afaka manampy azy ireo hatoky an’ Andriamanitra sy hahita risi-po hanohy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny hafa. Saintsaino ireto fanontaniana mitarika fifanakalozan-kevitra ireto: Inona no ianarantsika avy amin’ny hafatr’ilay anjely tamin’i Almà ao amin’ny Almà 8:15? Inona mikasika ny fihetsik’i Almà tamin’ilay hafatra, hita ao amin’ny Almà 8:14–32, no manentana antsika hanohy hizara ny filazantsara rehefa miaina fandavana isika? Inona no toro-hevitra omenao ny olona iray izay niezaka nizara ny filazantsara kanefa nolavina? Ny torohevitry ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy amin’ity fifanakalozana hevitra ity.

  • Ny tantaran’i Almà sy Amioleka dia maneho ny maha-manan-danja ny ezaka ataon’ny mpikambana amin’ny asa fitoriana. Inona no ianaran’ny olona ao amin’ny kilasy avy amin’ny Almà 8:19–30 mikasika ny fifandraisana eo amin’ireo mpikambana eo an-toerana sy ny misiônera amin’ny fotoana feno? (Jereo koa ny Almà 10:1–12).

    Sary
    fianakaviana roa mivory

    Afaka ny ho traikefa mahafaly ny fizarana ny filazantsara amin’ireo izay tiantsika.

Almà 9:18–30

Mitsara ny zanany araka ny fahazavana sy fahalalana ananany Andriamanitra.

  • Misy fampitandremana mafy ho an’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana ao anatin’ireo andininy ireo: raha vantany vao nandray fahazavana sy fahalalana isika dia andrandraina handray izany ho sarobidy, hamelombelona izany, hiaina izany, ary hampiasa izany mba hitahiana ny hafa. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hamakafaka io fiandrandrana io, dia asaivo mamaky ireo fampianaran’i Almà ao amin’ny Almà 9:18–30 izy ireo ary mizara ireo hafatra hitan’izy ireo momba ny andraikitra ananany noho ny zavatra fantany. Nahoana no mety hisy fanamelohana lehibe kokoa rehefa manota amin’ny fahazavana lehibe kokoa isika? Omeo fotoana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsainana manokana ny zavatra azon’izy ireo atao mba ho marina kokoa amin’ilay fahazavana sy fahalalana noraisin’izy ireo. Azonao atao ny mampamaky azy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24 eo am-pisaintsainan’izy ireo.

Almà 11–12

Drafitry ny fanavotana ny drafitr’ Andriamanitra.

  • Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba an’io fotopampianarana io ianao amin’ny alalan’ny fanasana ny olona ao amin’ny kilasy mba hanao kisarin’ny drafitry ny fanavotana eny amin’ny solaitrabe. Dia zarao ho ampahany vitsivitsy ho an’ny olona ao amin’ny kilasy ny Almà 11–12 ary asao izy ireo mba hitady ireo fahamarinana izay hampian’izy ireo eo amin’ilay kisary. Ohatra: manavotra antsika amin’ny inona ny drafitr’ Andriamanitra? (Jereo ny Almà 11:38–45). Mitahy ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ny fahalalana ireo fahamarinana momba ny drafitry ny fanavotana ireo?

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay ampianarin’ny Almà 11–12 mikasika ny drafitry ny fanavotana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto: Ny fahalavoana, ny Mpanavotra, Fibebahana, Fahafatesana, Fitsanganana amin’ny maty, ary Fitsarana. Afaka misafidy iray amin’ireo lohahevitra ireo ny olona ao amin’ny kilasy ary hitady ao amin’ny Almà 11–12 ireo fahamarinana nianaran’izy ireo momba izany. Asao ny olona ao amin’ny kilasy hanoratra ireo fahamarinana hitan’izy ireo, miaraka amin’ny andalan-tsoratra masina iray, eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Hifampiresaho amin’ny iray kilasy ny fomba fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainantsika ary ireo fanapahan-kevitra raisintsika.

  • Ny olona ao amin’ny kilasinao dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra mifototra amin’ny Almà 12:31–32, izay nampianaran’i Almà fa taorian’ny fahalavoana dia nanome didy an’i Adama sy Eva Andriamanitra—kanefa rehefa avy nampianatra azy ireo ny drafiny ihany. Afaka miantraika amin’ny fomba fijerentsika na fahatsapantsika momba ireo didy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana momba ilay drafitra? Afaka miresaka momba ireo didy miavaka sasantsasany ianareo. Ohatra: manampy antsika hitandrina ny andro Sabata ho masina na hankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana momba ny drafitr’ Andriamanitra?

  • Mety hanana fanontaniana ny olona sasany ao amin’ny kilasy mikasika ny Almà 11:26–39, izay nilazan’i Amioleka fa iray ihany ny Andriamanitra. Ireto soratra masina manaraka ireto dia manazava ny maha-“Andriamanitra iray” kanefa mbola olona samy hafa ireo mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra: Jaona 17:20–23; 2 Nefia 31:21; ary 3 Nefia 19:29. Ity teny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity dia mety hanampy ihany koa: “Mino isika fa iray Izy Ireo eo amin’ny lafiny manan-danja sy mandrakizay rehetra azo heverina afa-tsy ny finoana Azy Ireo ho olona telo mitambatra ho olona iray” (“The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign or Liahona, Nov. 2007, 40).

Almà 12:9–14

Raha toa ka tsy hanamafy ny fontsika isika, dia afaka mandray bebe kokoa amin’ny tenin’ Andriamanitra.

  • Iray tamin’ireo hafatra nampianarin’i Almà sy Amioleka im-betsaka ny fomba fiantraikan’ny toetry ny fontsika amin’ny habetsaky ny fahamarinana azontsika raisina avy amin’ny Tompo. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ny fahamarinana momba io fitsipika io dia asao izy ireo mba hamaky tsiroaroa na ao anatin’ny vondrona kely ny Almà 12:9–14 ka hifanakalo hevitra momba ireo vokatry ny fananana fo mafy. (Azonao atao ihany koa ny mangataka azy ireo mba hamaky ny Almà 8:9–11; 9:5, 30–31; ary ny 10:6, 25.) Inona no dikan’ny hoe manana fo malefaka? (Jereo ny Jeremia 24:7; Almà 16:16; Helamàna 3:35). Manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny tenin’ Andriamanitra ny fo malefaka. Amin’ny fomba ahoana?

  • Nampianatra i Almà fa rehefa manamafy ny fontsika isika dia mandray “ny ampahany kely indrindra” amin’ny tenin’ Andriamanitra (Almà 12:10). Angamba afaka mizara zavatra niainana niarahana avy tamin’ny soratra masina izay maneho io fitsipika io ny olona ao amin’ny kilasy. Ahoana no hanalefahan’ny Tompo ny fontsika mba hahafahantsika mianatra bebe kokoa momba Azy? Inona avy ireo zavatra niainana manokana azontsika zaraina?

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny dikan’ny hoe manana fo malefaka, dia afaka mizara ny sasany amin’ireo ohatra voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianareo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Almà 13-16, dia lazao amin’izy ireo fa hahita ny fahatanterahan’ny tenin’i Almà teo amin’ny fiainan’i Zezrôma sy ny vahoakan’i Amônihà izy ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manàna risi-po hijoro.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nanome izao fankaherezana manaraka izao ho an’ireo izay iharan’ny fitondrantena ratsy noho ny fizarana na fiarovana ny filazantsara:

“Raha mbola tsy nitranga izany, dia indray andro any ianareo ho voantso hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herim-po no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo.

“… Mety hanontany tena ianareo hoe tsy hanenenana ve ny miaro amin-kerim-po ny fitsipiky ny fahatsaram-pitondrantena any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa (lycée) na ny mandeha manao asa fitoriana kanefa avy eo tevatevaina ireo zavatra inoanao tena maminao indrindra, na koa ny miady mafy eo amin’ny fiaraha-monina izay indraindray manao tsinontsinona ny fiainan’ny olona feno fanoloran-tena amin’ny fivavahana. Kanefa tsy hanenenana izany. …

“Ry namako, indrindra ianareo tanora namako, mahereza. Ny fitiavana madio tahaka ny an’i Kristy izay ateraky ny fahamarinan-toetra marina dia afaka manova izao tontolo izao. …

“Aoka ianareo hatanjaka. Aoka ianareo hiaina amim-pahatokiana ny filazantsara na dia tsy miaina izany mihitsy aza ireo manodidina anareo. Arovy amim-panehoana fahalalam-pomba sy indrafo ny finoanareo, kanefa mba tena arovy izany” (“Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6–9).

Nohalefahana ny fon’izy ireo.

Ireto lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manaraka ireto dia manome ohatra amin’ireo olona izay nohalefahan’ny Tompo ny fon’izy ireo:

  • Ny tantaran-dry Hatfield mianakavy ao amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Ny saran’ny fananana herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2016, 66–67.)

  • Ny tantaran’i Harold Gallacher ao amin’ny hafatry ny Filoha Thomas S. Monson hoe “The Sacred Call of Service,” Ensign na Liahona, mey 2005, 55).

  • Ny tantaran’i David ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Mianàra avy amin’i Almà sy Amioleka,” Liahona, nôv. 2016, 73–74).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijery amin’ny fijerin’ Andriamanitra. Miezaha mijery ireo olona ao amin’ny kilasinao tahaka ny fijerin’ Andriamanitra azy ireo, ary ny Fanahy dia hampiseho anao ny lanja masin’izy ireo sy ny fahafahany avy amin’ Andriamanitra hahavita zavatra manan-danja. Rehefa manao izany ianao, dia hahazo fitarihana amin’ny ezaka ataonao mba hanampy azy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).