Avia, hanaraka Ahy
25–31 mey. Môsià 29–Almà 4: “Niorina mafy izy sady tsy niova”


“25–31 mey. Môsià 29–Almà 4: -Niorina mafy izy sady tsy niova-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“25–31 mey. Môsià 29–Almà 4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
Almà zanany mitory teny

I Almà zanany mitory teny,nataon’i Gary L. Kapp

25–31 mey

Môsià 29–Almà 4

“Niorina mafy izy sady tsy niova”

Tamin’ny andron’i Almà ny mpampianatra filazantsara dia tsy noraisina ho “tsaratsara kokoa noho ny mpianatra; ary dia toy izany no nitovian’ izy rehetra” (Almà 1:26). Eo am-piomananao hampianatra dia saintsaino ny fampiharana io fitsipika io aminao sy ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mety ho tsikaritry ny olona ao amin’ny kilasy ny fitoviana ao amin’ny Môsià 29–Almà 4 sy ireo zavatra mitranga amin’izao tontolo izao ankehitriny na amin’ny fiainan’izy ireo. Omeo minitra vitsy izy ireo hijerena ireo toko ireo mba hitadiavana ohatra. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany amin’ny olona mipetraka eo akaikiny.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Môsià 29:11–27; Almà 2:1–7

Afaka ny ho fitaomana tsara eo anivonan’ny fiarahamonina misy antsika isika.

  • Raha mahatsara ny olona ao amin’ny kilasy ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba fitondrana fitaomana tsara eo amin’ny fiarahamonina dia azonao asaina izy ireo hieritreritra olana vitsivitsy izay atrehin’ny fiarahamonina misy anareo ary hitanisa vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe (aza resahina an-tsipiriany ireo olana ireo). Afaka mijery ny Almà 2:1–7 ireo olona ao amin’ny kilasy hitadiavana ireo olana natrehin’ny Nefita sy ny zavatra nataony nanoloana izany. Inona no mety ho nitranga raha toa ka tsy nanao izay handrenesana ny feony ny “vahoakan’ny fiangonana”? Inona koa no ianarantsika momba ny maha-olom-pirenena tsara ao amin’ny Môsià 29:26–27, sy avy amin’ilay tantara ao amin’ny “Loharanon-pitaovana fanampiny”? Azon’ireo olona ao amin’ny kilasy atao ny mieritreritra zavatra izay hataony mba ho fitaomana tsara eo anivon’ny fiarahamonina misy azy raha ny mikasika ny iray amin’ireo olana eny amin’ny solaitrabe.

Almà 1:2–9, 26

Afaka mahafantatra sy mandà ny fampianaran-diso isika.

  • Ny ohatr’i Gideona nanohitra an’i Nehôra dia mety hitondra fitaomam-panahy amin’ny kilasinao. Angamba afaka mangataka olona iray mialoha ianao hijery ny tantaran’i Gideona ary hizara izany amin’ny kilasy (jereo ny Môsià 19:1–8; 20:15–22; 22:1–9; ary Almà 1:2–9). Raha miainga amin’izany fijerena izany dia afaka mitanisa ireo toetra mampiavaka an’i Gideona ireo olona ao amin’ny kilasy. Ohatra, rehefa nahare ny fampianaran-dison’i Nehôra i Gideona dia nanohitra an’i Nehôra “tamin’ ny tenin’ Andriamanitra” izy (andininy 9). Tao amin’ny fandalinan’izy ireo manokana, ny olona ao amin’ny kilasy dia mety nahita soratra masina nanohitra ny fampianaran’i Nehôra izay hita ao amin’ny Almà 1:3–6. Asao izy ireo hizara ny soratra masina hitany. Misy soratra masina maro ihany koa atolotra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Ahoana no ahafahantsika hitovy bebe kokoa amin’i Gideona amin’ny fiarovantsika ny fahamarinana?

  • Ny fampianaran-dison’i Nehôra voafaritra ao amin’ny Almà 1:3–6 dia afaka manampy antsika hahafantatra ireo tetika ampiasain’i Satana hamitahana antsika. Ohatra, matetika no afeniny ao anatin’ny fahamarinana ny laingany. Asao ireo olona ao amin’ny kilasy hikaroka ao amin’ny Almà 1:3–4 ary hamantatra ireo lainga nolazain’i Satana sy ireo fahamarinana nampiasainy mba hahatonga izany hanintona. Inona avy ireo lainga sasantsasany izay afangaro amin’ny fahamarinana ka mamitaka ny olona ankehitriny? Ahoana no hanampiantsika ny fianakaviana sy ny olona tiantsika hanavaka ny marina sy ny diso?

  • Afaka mihira na mamaky fihirana momba ny fanetrentena ny olona ao amin’ny kilasy, toy ny “Oh! Sois humble” (Cantiques, no. 69), ary hifanakalo hevitra momba ny maha-samy hafa izany amin’ny hafatr’i Nehôra ao amin’ny Almà 1:2–9. Azon’izy ireo ampitahaina ihany koa ny zavatra nampianarin’i Nehôra momba ireo mpampianatra ny filazantsara sy ny zavatra nampianarin’i Almà sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny ohatra nasehon’izy ireo (jereo ny Almà 1:26; 4:15–20). Inona no nandrisika an’i Nehôra? Inona no tsy nampitovy izany tamin’i Almà? Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsaina ny zavatra mandrisika azy ireo manokana hanompo ato am-piangonana. Inona no ampianarin’ny Almà 1:26 momba ny andraikitsika amin’ny maha-mpianatra antsika?

Almà 1:19–30; 4:6–15

Mety hahatonga antsika tsy hahomby amin’ny fandrosoantsika ny avonavona.

  • Ny fifanakalozan-kevitra momba ny Almà 1 sy ny Almà 4 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny fiantraikan’ny avonavona amintsika manokana sy amin’ny Fiangonana. Azonao zaraina ho vondrona roa ny olona ao amin’ny kilasy ary angataho ny vondrona iray hianatra momba ny toetoetran’ny Fiangonana araka ny voafaritra ao amin’ny Almà 1:19–30, ary ilay vondrona iray hafa kosa hianatra momba ny toetoetran’ny Fiangonana taona vitsivitsy taty aoriana, araka ny voafaritra ao amin’ny Almà 4:6–15. Angataho ny vondrona tsirairay hizara hoe nanao ahoana ny Fiangonana sy ny mpikambana tao araka ireo andininy izay novakian’izy ireo. Mety hiaraka hanao drafitra izy ireo hamoronana fomba hanaovana izany. Ohatra, mety hanao sary izy ireo na hanomana seho an-tsehatra fohy. Rehefa avy mifampizara izy ireo dia angataho mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny vokatry ny avonavona eo amin’ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy ary ny fitahiana azo avy amin’ny fanetrentena. Inona no lesona omen’ireo tantara ireo antsika androany?

Almà 4:12–20

Ny “tenin’ Andriamanitra” sy ny “fanambarana tsisy tsiny” dia afaka manova fo.

  • Betsaka ny olona no afaka mahatakatra ny zavatra tsapan’i Almà rehefa “tena nalahelo tokoa izy” (Almà 4:15) noho ny faharatsiana sy ny fahorian’ny vahoakany. Angamba azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mieritreritra momba ny olon-tiana iray izay mampanahy azy ireo ary hanao izany olona izany ao an-tsaina eo am-pamakian’izy ireo ny Almà 4:12–20. Rehefa avy namaky ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mametraka fanontaniana tahaka ireto ianao mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo: Inona no nitondra fifaliana tamin’ny vahoaka tao anatin’ny toe-javatra sarotra nisy azy ireo? Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “tsy nahafoy azy ny Fanahin’ ny Tompo”? (Almà 4:15). Inona no nafoin’i Almà mba hanampiana ny vahoakany, ary inona matetika no fahafoizan-tena angatahana mba hataontsika? Inona no ohatra nahitantsika ny herin’ny “fanambarana [na fijoroana ho vavolombelona] tsisy tsiny”? (Almà 4:19). Ahoana no hizarantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ka tsy ho be sermôna sy fitsaratsarana? Azonao omena fotoana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hanoratra hafatra mifono fijoroana ho vavolombelona ho an’ireo olona tiany.

  • Mety hahita tombontsoa amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny dikan’ny “fanambarana tsisy tsiny” angamba ireo olona ao amin’ny kilasy.   Amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelon’ny hafa no “[manaitra antsika] ho amin’ ny fahatsiarovana ny [adidintsika]”? (Almà 4:19). Amin’ny fomba ahoana ireo fijoroana ho vavolombelona ireo no manampy antsika handresy ny avonavona sy ny fifandirana?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Azonao hazavaina amin’ny olona ao amin’ny kilasy fa ao amin’ny Almà 5–7 izy ireo dia hamaky momba ny “fanambarana tsisy tsiny” nataon’i Almà ary hahita ny vokatr’izany tamin’ny vahoaka (jereo ny Almà 4:19).

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Ataovy ho tsapan’ny olona ny hery mitaona anananao.”

Fotoana fohy taorian’ny niantsoana an-dRahavavy Belle S. Spafford ho Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny 1945 dia nasaina hanatrika fivorian’ny filankevitra nasionaly lehibe ho an’ny vevhivavy ireo mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana. Efa mpikambana tamin’io filankevitra io nandritra ny taona maro ny mpitarika maneran-tany ny Fikambanana Ifanampiana, saingy nahatsapa izy ireo fa tao ho ao dia nataon’ilay filankevitra ho tsinontsinona izy ireo. Rehefa avy nifampidinika tamin’ireo mpanolotsainy Rahavavy Spafford dia nangataka tamin’ny Filoha George Albert Smith, Filohan’ny Fiangonana, ny tokony hamaranana ny maha-mpikambana ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ilay filankevitra.

Nandritra ny nifampiresahan’izy ireo momba an’io fangatahana io dia hoy Rahavavy Stafford: “Hitanao, Filoha Smith, tsy misy zavatra azontsika amin’io filankevitra io.”

Nitantara izy taty aoriana hoe:

“Nijery ahy ilay Filoha sady gaga. Hoy izy: –Rahavavy Spafford, mieritreritra izay ho azonao foana ve ianao? Tsy mieritreritra ve ianao fa mba tsara koa indraindray ny mieritreritra izay azonao omena? Mino aho,– hoy izy nanohy, –fa manana zavatra homena ho an’ny vehivavin’izao tontolo izao ny vehivavy Môrmôna, ary mety manana zavatra ianarana avy amin’izy ireo ihany koa izy ireo. Ny sosokevitro dia ny mba hakanao ireo mpitarika manana traikefa indrindra ka hiverina any amin’io fivoriana io, fa tsy hamarana ny maha-mpikambana anareo amin’izany kosa.–

“Dia nohamafisiny avy eo hoe: –Ataovy ho tsapan’ny olona ny hery mitaona anananao–’” (Belle S. Spafford, A Woman’s Reach [1974], 96–97).

Nankatò io torohevitra io Rahavavy Spafford. Nanompo nandritra ny taona maro tao amin’ilay filankevitra izy ary voafidy ho iray tamin’ireo mpitarika tao tamin’ny farany.

Soratra masina izay manohitra ny fampianaran-dison’i Nehôra.

Manatsara ny fampianarantsika

Alao antoka fa mampianatra fotopampianarana marina ianao. “Manontania tena tsy tapaka hoe: -Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra ampianariko an’ireo mpianatro mba hanorina finoana an’i Kristy, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary handray ny Fanahy masina?-” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).