Avia, hanaraka Ahy
18–24 mey. Môsià 18–25: “Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra”


“18–24 mey. Môsià 25-28: -Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra-”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“18–24 mey. Môsià 25-28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
anjely niseho tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià

Ny fiovam-pon’i Almà zanany, nataon’i Gary L. Kapp

18–24 mey.

Môsià 25-28

“Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra”

Ny fomba tsara indrindra hiomanana hampianatra momba ny Môsià 25–28 dia ny mamaky ireo toko ireo sy miaina araka ireo fitsipika ampianarin’izany. Rehefa manao izany ianareo dia afaka mitaona anareo ny Fanahy mba hampianatra izay ho manan-danja indrindra amin’ireo olona ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny olona sasany ao amin’ny kilasy dia mety sahirana amin’ny fanaovana fandalinana manokana ny soratra masina na miaraka amin’ny fianakaviana tsy tapaka. Mety hanampy ve ny traikefan’ny olona hafa ao amin’ny kilasy? Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fanasana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny zavatra nataon’izy ireo ka nandaitra tsara tamin’ny fandalinana manokana na miaraka amin’ny fianakaviana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Môsià 26:15–31; 27:23–37

Mamela malalaka ireo izay mibebaka Andriamanitra.

  • Lohahevitra miverimberina ao amin’ireo toko ireo ny fibebahana sy famelan-keloka. Azonao atao ny mamelabelatra ireo lohahevitra ireo amin’ny fanoratana ny Fibebahana sy Famelan-keloka eny amin’ny solaitrabe ary mangataka ny olona ao amin’ny kilasy mba hitanisa eo ambanin’ireo lohateny ireo izay tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ireo teny ireo izy ireo. Dia azon’izy ireo atao avy eo ny mamaky ny Môsià 26:22–24, 29–31; sy ny 27:23–37 hitadiavana ireo teny sy andian-teny izay mampianatra momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Afaka manampy ireo teny sy andian-teny ireo eny amin’ireo lisitra eny amin’ny solaitrabe ny olona ao amin’ny kilasy. Inona no tsapan’Andriamanira momba ireo izay mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka?

  • Ny olona sasany dia mety manontany tena raha toa ka ampy hamelan’ Andriamanitra azy ireo ny fibebahana nataony. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasinao izay mety mahatsapa toy izany dia azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba haka sary an-tsaina fa i Almà rainy izy ireo, ary ny mpikamban’ny Fiangonana iray tao Zarahemlà dia nanontany azy ireo ny fomba hahazoana famelana ny fahotany (azonareo lalaovina an-tsehatra io tantara io). Inona no nianaran’i Almà avy tamin’ny Tompo ao amin’ny Môsià 26:15–31 ka afaka manampy an’io mpikamban’ny Fiangonana io? (jereo koa ny Môrônia 6:8; FF 58:42–43). Ity teny nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ity dia afaka manampy ihany koa: “Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao androany dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotana” (“Gifts of the Spirit for Hard Times,” Ensign, jona 2007, 23)

Môsià 27:8–24

Henon’ny Ray any An-danitra ny vavaka ataontsika ary hovaliany izany araka ny sitrapony.

  • Maro amintsika no manana fahatsapana mitovy amin’ny an’i Almà rainy, izay “nikomy tamin’ Andriamanitra” ny zanany lahy (Môsià 27:11). Ireo olona ao amin’ny kilasy dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ilay tantara ao amin’ny Môsià 27:8–24 mba hanomezana fanantenana ho an’ny olona iray izay manana fianakaviana nivily lalana. Amin’ny fahatakarana fa tsy afaka manery fahagagana isika na handika ny fahafahana misafidin’ny olona iray, dia inona no azontsika angatahana amin’ny vavaka rehefa mivily lalana ny olon-tiana iray? (jereo koa ny Almà 6:6).

Môsià 27:8–28:4

Tsy maintsy ateraka indray ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra.

  • Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay afaka manampy ireo olona ao amin’ny kilasy hianatra momba ny hoe ateraka indray: Inona no dikan’ny hoe ateraka indray? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fiovam-po”). Manao ahoana ny fihetsika ezahintsika atao amin’ny hafa rehefa ateraka ara-panahy indray isika? Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hamaly ireo fanontaniana ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hizaha ny Môsià 27:22–28:4 ahitana ireo famantarana fa ateraka ara-panahy indray i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià.

  • Manana tantaran’ny fiovam-po ny olona rehetra, satria hoy i Almà: “ny olombelona rehetra … dia tsy maintsy ateraka indray” (Môsià 27:25; nampiana soratra misompirana). Angamba ny olona sasany ao amin’ny kilasy dia afaka mizara ny fomba nahatongavany ho miova fo tamin’ny filazantsaran’i Kristy, na tamin’ny alalan’ireo tranga ara-panahy teo amin’ny fiainan’izy ireo izany na tamin’ny alalan’ireo lamina mandeha tsikelikely toa tsy tsikaritra indraindray ka rehefa mamerina mandinika ihany vao fantatra. Omeo fotoana ihany koa ny olona ao amin’ny kilasy mba hanoratra ny zavatra niainan’izy ireo. (Raha tsy misy fotoana hanaovana an’io ao an-dakilasy, dia toroy hevitra izy ireo hamita izany any an-trano.) Mba hanamafisana fa ny fiovam-pontsika dia tokony hitohy hatrany, dia toroy hevitra ny olona ao amin’ny kilasy mba hamerina hijery matetika izay nosoratan’izy ireo ka hanampy zavatra niainana vaovao.

  • Nampiasa ny sarin-teny hoe ateraka indray i Almà sy ireo hafa manerana ny soratra masina mba hamariparitana ilay fiovana entin’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika. Ny Loholona David A. Bednar dia nampitaha io fiovana io tamin’ny kokombra lasa kokombra nalona (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina izay ampianarin’ireo fampitahana ireo momba ny fiovam-po dia mitondrà kokombra sy kokombra nalona ao an-dakilasy. Na asao ny olona iray mba hitondra zazakely ary hifanakalozy hevitra ny antony maha-fanoharana tsara ny fahaterahana tamin’izay nitranga tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià. (Jereo ny Môsià 27:23–28:7.)

Sary
I Almà zanany nentina tany an-tranon-drainy

Nifaly ny rainy, nataon’i Walter Rane.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Môsià 29–Almà 4 amin’ny herinandro manaraka, dia azonao lazaina amin’izy ireo fa ao anatin’ireo toko ireo, ny vahoakan’i Nefia dia nomena fitenenana tao amin’ny governemantany. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo rehefa miezaka mitaona ny fiarahamonina misy antsika amin’ny tsara isika?

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Dingana atao mandritra ny androm-piainana manontolo.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny hoe ateraka indray dia tsy toy ny fahaterahana ara-batana hoe tranga indray miseho fa dingana maromaro arahina. Ary ivon’ny tanjon’ny fiainana an-tany ny firotsahana ao amin’izany dingana izany” (Ateraka indray,” Ensign na Liahona, mey 2008, 78).

Fiovam-po sy kokombra nalona.

Nizara izao fanoharana manaraka izao ny Loholona David A. Bednar hampitahana ny fahaterahana ara-panahy indray sy ny fandomana kokombra:

“Ny kokombra nalona dia kokombra izay novaina araka ny torolalana fanamboarana manokana sy andiana dingana arahina. Ireo dingana voalohany ao amin’ilay lamim-panovana kokombra ho lasa kokombra nalona dia ny fanomanana sy ny fanadiovana. …

“Ireo dingana manaraka ao amin’io lamim-panovana io dia ny fandrobohana sy fanotofana ireo kokombra ao anaty ranon-tsira mandritra ny vanim-potoana elaela. … Rehefa voaroboka tanteraka tao anatin’ny ranon-tsira nandritra ny vanim-potoana voalaza ihany ny kokombra vao afaka ny tonga kokombra nalona. Ny lamina fitehirizana no mampiova tsikelikely ilay kokombra sy miteraka ilay endrika mangarahara sy tsiro mampiavaka ny kokombra nalona. Ny fandrarahana na fandrobohana tsindraindray ao amin’ny ranon-tsira dia tsy hiteraka ilay fanovana ilaina. Fa takina kosa ny fandrobohana tsy an-kihetsika, sy tsy tapaka ary tanteraka mba hitrangan’ilay fiovana iriana.

“Ny dingana farany amin’ireo lamina dia ny fanidiana ireo kokombra nandalo fanovana ao anatin’ny fitoeran-javatra voadio. Atao ao anaty fitoeran-javatra misarona ireo kokombra izay milona ao anaty ranon-tsira mangotraka, dia alona ao anaty rano mangotraka. Tokony hesorina tanteraka amin’ireo kokombra nalona sy ireo fitoerany ny loto rehetra mba ho voaro sy azo tehirizina izany. …

“Tahaka ny kokombra izay tsy maintsy omanina sy diovina mialoha ny hanovana izany ho kokombra nalona, dia afaka ny homanina amin’ireo -tenin’ny finoana sy ny fampianarana- (1 Timoty 4:6) isika ary diovina amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana tanterahin’ny fahefan’ny Fisoronana Aharôna aloha. …

“Tahaka ny kokombra iray izay ovaina ho kokombra nalona rehefa naroboka sy norakofana ranon-tsira, dia ateraka indray ianao sy izaho rehefa trohan’ny filazantsara sy tafalatsaka ao. Mitaky fotoana sy fikirizana ary faharetana ny fiovam-po io fotoam-piovana io. …

“… Ilay dingana fandomana izany ao anaty rano mangotraka dia mahatonga ireo kokombra nalona sady voaro no azo tehirizina mandritra ny vanim-potoana ela. Amin’ny fomba toy izany koa no hahatongavantsika tsikelikely ho nodiovina sy nohamasinina rehefa nodiovina tao amin’ny ran’ny Zanakondry isika, ateraka indray, ary mandray ireo ôrdônansy sy manaja ireo fanekempihavanana tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka” (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, mey 2007, 19–21).

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova fanomanana miaraka amin’ny fieritreretana ireo olona sahaninao. “Rehefa miomana ianao dia aoka ny fahatakarana ny momba ireo olona ampianarinao no hitarika ny drafitrao. … Tsy hoe manolo-tena ny hampiasa fomba enti-mampianatra iray manokana akory ny mpampianatra tahaka an’i Kristy fa manolo-tena ny hanampy ny olona hanorina ny finoana eo amin’i Jesoa Kristy ary hitovy bebe kokoa Aminy. (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).