Avia, hanaraka Ahy
4–10 mey. Môsià 11–17: “Fahazavana … tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”


“4–10 mey. Môsià 11-17: -Fahazavana … tsy azo hamaizinina na oviana na oviana-”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“4–10 mey. Môsià 11-17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Abinadia nijoro ho vavolombelona tamin’i Noà Mpanjaka

I Abinadia miatrika ny Mpanjaka Noa, nataon’i Andrew Bosley

4–10 mey

Môsià 11–17

“Fahazavana … tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”

Saintsaino ny ohatra nasehon’i Abinadia tamin’ny fampianarana ny filazantsara. Inona no hitanao ao amin’ny Môsià 11–17 izay afaka manampy anao ho tonga mpampianatra tsara kokoa?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hamelana ny olona ao amin’ny kilasy hizara zavatra iray nianaran’izy ireo nandritra ny fandalinany manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, dia asao izy ireo mba hameno izao fehezan-teny manaraka izao: Raha toa ka hisafidy andininy iray avy ao amin’ny Môsià 11–17 mba hozaraina amin’ny olon-tiana iray aho, dia ho izao izany .

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Môsià 11–1317

Afaka mijoro ho an’ny marina aho na dia mijoro irery aza.

  • Na dia mety tsy hisy aza olona ao amin’ny kilasinao ho voarahona ho faty noho ny fijoroana ho vavolombelona ananany, dia mety hiatrika fanoherana noho ny finoany izy ireo. Afaka mitady tranga na andalana ao amin’ny Môsià 11–13 sy 17 izay manome azy ireo risim-po fanampiny hijoroana ho an’ny marina izy ireo. Inona no nanome risim-po ho an’i Abinadia sy i Almà mba tsy hihambahamba? Ahoana no hahafahantsika ho tonga mafy orina sy tsy voahozongozona amin’ny fiarovana ny fahamarinana? Ireo teny natao hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanolotra hevitra vitsivitsy.

  • Mba hanampiana ny kilasinao hianatra avy amin’ireo ohatra hafa amin’ny fiarovana ny fahamarinana, dia soraty eny amin’ny solaitrabe hoe Olona izay nijoro ho an’ny fahamarinana. Azonao atomboka amin’ny firesahana momba an’i Abinadia izany, sady manasa olona ao amin’ny kilasy mba hizara zavatra sasany izay manaitra azy ireo momba an’i Abinadia rehefa mamaky momba azy mandritra ity herinandro ity izy ireo. Avy eo izy ireo dia afaka milaza lehilahy sy vehivavy hafa—avy ao amin’ny soratra masina, ny fianakavian’izy ireo, na ny zavatra niainany manokana—izay tsapany fa ohatra amin’ny fijoroana ho an’ny fahamarinana. Inona no tsapanao fa tokony hataonao noho ireo ohatra ireo?

Môsià 12:19–37

Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra isika dia mila mampihatra ao am-pontsika mba hahatakatra.

  • Rehefa mandalina ny Môsià 12:19–37 izy ireo amin’ity herinandro ity, dia mety hanana hevi-baovao mikasika ny dikan’ny mampihatra ao am-pontsika mba hahatakatra ny tenin’ Andriamanitra izy ireo. Manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny eritreriny. Na mampiasà fotoana ao an-dakilasy mba hizahana miaraka ireo andininy ireo sy hifanakalozana hevitra ny amin’izay aroson’izany momba ny fomba hanaovana ny fandalinana ny filazantsara ho misy lanjany kokoa. Ohatra, nahoana no manan-danja ny sady mahatakatra ny lalàn’ Andriamanitra sy “mitandrina izany”? (Môsià 12:29).

  • Inona no azon’ny olona ao amin’ny kilasinao ianarana amin’ny alalan’ny fampitahana ireo fihetsika sy ireo fomba fanaon’ireo mpisoron’i Nôà amin’ny fomba tokony hitondrantsika ny fandalinantsika ny Filazantsara. Asao izay ireo mba hamaky ny Môsià 12:19–37, ka hitadidy ireo fanakianana nambaran’i Abinadia mikasika ireo mpisoron’i Nôà. Inona no mety holazain’i Abinadia mikasika ny fandalinana ny Filazantsara ankehitriny? Angataho ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara izay ataony ka manampy azy ireo hampihatra ireo ao am-pony mba hahatakatra ary hanampy lanjany lehibe kokoa amin’ny fianarany ny filazantsara.

    Sary
    ray sy zanakalahy mamaky soratra masina

    Mila ny fampiharana ao am-pontsika mba hahatakatra ny fandalinana mahomby ny filazantsara.

Môsià 13:28–15:11

Ny famonjena dia tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Mba handresena lahatra ireo mpihaino be ahiahy momba ny fiavian’ny Mesia, dia nitanisa faminaniana nampihetsi-po avy tamin’ny Isaia i Abinadia (jereo ny Môsià  14). Misy fomba maro isan-karazany mety hamerenan’ny olona ao amin’ny kilasy mijery io andininy io: Afaka mamaky andininy vitsivitsy isaky ny mandeha izy ireo ary miresaka momba izany, na azonao zaraina ho vondrona kely mpiara-mifanakalo hevitra ny olona ao amin’ny kilasy mba hiresaka momba ireo andininy manan-danja, ka tafiditra ao amin’izany ireo fanamarihana eny ambanin’ny pejy, mba hahitana hevi-baovao fanampiny. Amporisiho izy ireo mba hizara izay zavatra nianarany mikasika ny Mpamonjy avy tamin’io toko io.

  • Moa ve ireo olona ao amin’ny kilasinao mahatakatra ny dikan’ny hoe “nanefa ny fitakian’ny fahamarinana” i Jesoa Kristy? (Môsià 15:9). Mba hanampiana azy ireo hahazo fahatakarana tsara kokoa dia atombohy amin’ny fiarahana mamaky ny “Fahamarinana” sy “Famindram-po” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) na “Fahamarinana” sy “Famindram-po” ao amin’ny topics.ChurchofJesusChrist.org. Ny olona iray dia afaka manolo-tena hanoratra famaritana fohy ny voambolana tsirairay eny amin’ny solaitrabe. Dia afaka miara-mamaky ny Môsià 15:1–9 ianareo avy eo. Tamin’ny fomba ahoana no nanefan’i Jesoa Kristy ny fitakian’ny fahamarinana? Amin’ny fomba ahoana no hanolorany ny famindram-pony amintsika? Ireo horonan-tsary natolotra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mampiasa tantara sy fanoharana mba hamaritana ny famindram-pon’ny Mpamonjy; mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra fanoharana hafa izay maneho ny fomba nanefan’i Jesoa Kristy ny fitakian’ny fahamarinana ny fijereny ny iray amin’ireo horonan-tsary ireo.

Môsià 11; 12:33–37; 13:11–26

Tokony ho voasoratra ao am-pontsika ireo didy.

  • Azonao atao ny manampy ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny lanjan’ny fananana ny didy “voasoratra ao am-po[ntsika]” amin’ny alalan’ny fanontaniana azy ireo izay eritreretiny ho dikan’ireo andian-teny io. Dia asao izy ireo mba hampitaha ireo didy nampianarin’i Abinadia ao amin’ny Môsià 12:33–37 sy 13:11–26 amin’ireo fahotana nataon’ny Mpanjaka Nôà sy ny vahoakany (jereo ny Môsià 11:1–7, 14–15). Inona no maha-samy hafa ny fananana ny didy “voasoratra ao am-po[ntsika]” amin’ny zara raha mahafantatra izany fotsiny? (Môsià 13:11). Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa voasoratra ao am-pontsika ireo didy? Inona avy ireo ohatra azontsika zaraina?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Moa ve ny olona ao amin’ny kilasy efa nahatsapa toy izay mety ho fahatsapana nananan’i Abinadia, fa very maina ireo ezaka mba hizara ny filazantsara? Lazao azy ireo fa hamaky mikasika ny vokatra maro avy amin’ny ezaka nataon’i Abinadia izy ireo ao amin’ny Môsià 18-26.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fampianaran’ny mpaminany mikasika ny fijoroana ho an’ny marina.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe : “Ny mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy dia manam-piniavana ny hijoro sy hanambara amim-pahasahiana ny filazantsara, ary hiavaka amin’ny olon’izao tontolo izao. … Tsy misy zavatra tsotra na mandeha ho azy mikasika ny fahatongavana ho mpanaradia mahery vaika toy izany. Tsy maintsy aorina mafy eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika. Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra. Kanefa rehefa manao izany isika, dia hitsoaka ireo ahiahy sy tahotsika” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40–41).

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Enga anie isika hanana herim-po sy ho vonona hatrany hijoro amin’ny zavatra izay inoantsika, ary raha ilaina ny mijoro irery dia enga anie isika hanao izany amin-kerim-po tokoa, ary feno hery noho ny fahafantarana fa raha ny marina dia tsy irery mihitsy isika rehefa mijoro miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra (“Sahia mijoro irery,” Liahona, nôv. 2011, 67).

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “I paoly dia nanoratra tamin’i Timoty hoe: -Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika- (2 Tim. 1:7–8). Iriako ny hametrahan’ny mpikambana rehetra ato amin’ity fiangonana ity ireo teny ireo eo amin’ny toerana izay ahafahan’izy ireo mahita izany isa-maraina rehefa manomboka ny androny izy ireo. Ireo dia hanome antsika ny faharisiana mba hiteny, hanome antsika ny finoana mba hanandrana, hampantanjaka ny finoantsika ny Tompo Jesoa Kristy” (Enseignements des Présidents de L’Eglise: Gordon B. Hinckley [2016], 338).

Horonan-tsary momba ny fahamarinana sy ny famindram-po ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • “Handel’s Messiah: Debtor’s Prison”

  • “The Mediator”

  • “Where Justice, Love, and Mercy Meet”