Avia, hanaraka Ahy
11–17 mey. Môsià 18–24: “Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika”


“11–17 mey. Môsià 18-24: -Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“11–17 mey. Môsia 18–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
nitsoaka ny vahoakan’i Limia

Minerva K. Teichert (1888–1976), Escape of King Limhi and His People, 1949–1951, sary hosodoko eo amin’ny masonite, 88 x 120 sentimetatra. Mozean’ny Tao-java-kanto an’ny Oniversiten’i Brigham Young, 1969

11–17 mey

Môsià 18–24

Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika

Rehefa mamaky ny Môsià 18–24 ianao dia ataovy ao an-tsaina ireo olona ampianarinao. Inona no fantatrao momba azy ireo? Afaka manome aingam-panahy ao an-tsainao sy manampy anao hahita ireo fahamarinana ara-pilazantsara izay tena ilain’izy ireo ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hanolotra fitsipika vitsivitsy na filazana fahamarinana izay hitan’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo ny Môsià 18–24. (Misy fitsipika vitsivitsy tanisaina ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.) Amporisiho izy ireo hizara andininy avy ao amin’ny Môsià 18–24 izay mampianatra ireo fitsipika ireo. Inona no traikefa nananan’izy ireo tamin’ireo fahamarinana ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Môsià 18:1–16

Ny batisa dia fanekempihavanana mba hanompo an’ Andriamanitra sy hijoro ho vavolombelony.

  • Eo am-pamakianao ny Môsià 18 sy eo am-panomananao hampianatra dia mety hahatsapa ho taomim-panahy hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao hijery sy hisaintsaina ny fanekempihavanan’ny batisan’izy ireo ianao. Ity misy fomba iray azonao hanaovana izany: Asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hiara-hiasa ka hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fehezan-teny rehetra tsaroan’izy ireo mifandraika amin’ny famaritan’i Almà ny fanekempihavanan’ny batisa. Rehefa mahavita izy ireo dia afaka mamaky ny Môsià 18:8–10 ny olona ao amin’ny kilasy ary hanampy eo amin’ilay lisitra ny zavatra izay mety mbola tsy ampy. (Afaka manampy andian-teny avy ao amin’ny F&F 20:37, 77, sy 79 ihany koa izy ireo.) Mety hanampy ny manontany azy ireo ny dikan’ny andian-teny tsirairay sy ny zavatra azon’izy ireo atao mba hitandremana izany ampahany amin’ilay fanekempihavanan’ny batisa izany. Mitahy antsika amin’ny fomba ahoana ny Tompo rehefa miezaka mitandrina ny anjarantsika amin’ilay fanekempihavanana isika?

  • Raha niomana ny hatao batisa ireo mpanara-dia an’i Almà dia nampianatra i Almà fa ny fahatongavana “ao amin’ ny valan’ Andriamanitra” dia mitaky ny fanaovana fanekempihavanana hanaraka an’ Andriamanitra sy hikarakara ny zanany (jereo ny Môsià 18:8–9). Angamba ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizara zavatra niainana ka nankahery azy ireo na ny olona fantany ny olona iray izay nanatanteraka ny fanekempihavanan’ny batisa voafaritra ao amin’ny Môsià 18:8–10. Ohatra, oviana no nisy olona nankahery azy ireo na nanampy azy ireo hitondra ny enta-mavesany? Tamin’ny fomba ahoana ireo zavatra niainana ireo no mitaona antsika hitandrina ny fanekempihavanantsika? Azonao ampahatsiahivina ihany koa ny olona ao amin’ny kilasy momba ny nijoroan’i Abinadia “ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra” (andininy 9). Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehony rehefa mikatsaka ny hanatanteraka io ampahany amin’ny fanekempihavanan’ny batisantsika io isika?

Sary
batisa eo amin’ny ranomasimbe

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana ny hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa.

Môsià 18:17–31

Ny vahoakan’ Andriamanitra dia miray hina.

  • Ny Môsià 18:17–31 dia manoritsoritra ireo didy nomen’i Almà ny vahoakany mba hanampiana azy ireo ho lasa iray amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy azy ireo. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra ny fomba hampiharana ireo didy ireo amin’izy ireo dia azonao asaina izy ireo mba hamakafaka ireo andininy ireo ao anatina vondrona kely dia hitanisa ireo didy izay hitany. Amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ireo didy ireo no hanampy ny mpikambana ao amin’ny paroasy mba hiray hina kokoa? Misy tanjona ve azon’ny kilasinao apetraka manokana na miaraka amin’ny vondrona mba hanarahana ny ohatry ny vahoakan’i Almà?

  • Manontany tena ny olona sasany hoe nahoana isika no mila fiangonana? Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hamaly io fanontaniana io dia manaova sarina trano fiangonana eny amin’ny solaitrabe dia soraty eo ambanin’izany io fanontaniana io. Dia afaka mikaroka ao amin’ny Môsià 18:17–31 avy eo ireo olona ao amin’ny kilasy ary hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny mety ho valinteny hitany ao amin’ireo andininy ireo. Afaka mahita valiny ihany koa izy ireo ao amin’ilay ampahan-dahatenin’ny Loholona Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana.” Azonao atao angamba ny mamela olona ao amin’ny kilasy vitsivitsy hilalao an-tsehatra ny fomba hamaliany ny namana iray izay tsy mino fa ilaina ny fiangonana voalamina. Nahoana isika no feno fankasitrahana fa mpikamban’ny Fiangonana?

  • Na dia te hieritreritra aza isika hoe mahatsapa ho voaray tsara daholo ny tsirairay ato am-piangonana dia indrisy fa tsy ny rehetra no mahatsapa izany. Inona no ianarantsika avy amin’ny vahoakan’i Almà ao amin’ny Môsià 18:17–31 izay afaka manampy antsika hamorona toerana izay hahatsapan’ny rehetra fa tafiditra ao avokoa izy ireo?

Môsià 21–24

Afaka manamaivana ny enta-mavesatsika ny Tompo.

  • Ny enta-mavesatra entin’ireo olona ao amin’ny kilasy dia tsy mitovy amin’izay nentin’ny vahoakan’i Limia na ny vahoakan’i Almà raha tao anatin’ny fahababoana. Saingy ny hafatra ao amin’ireo tantara ireo dia mihatra amin’izay rehetra mahatsapa ho resin’ny fahavalo na ny toe-javatra sarotra. Asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny zavatra ianarany avy amin’ny Môsià 21–24 momba ny fomba hanampian’ Andriamanitra antsika ao anatin’ny fitsapana antsika. (Mba hijerena famintinana fohy an’ireo tantara ireo dia jereo ny L. Tom Perry, “Ilay herin’ny fanafahana,” Liahona, mey 2012, 94–97.) Afaka mizara fotoana izay niainan’izy ireo, tahaka ny vahoakan’i Almà, ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ Andriamanitra hanamaivana ny enta-mavesany sy hitsidika azy ireo ao amin’ny fahoriany ihany koa izy ireo (jereo ny Môsià 24:14).

  • Mety ho zava-dehibe amin’ny olona ao amin’ny kilasy ny mandany minitra vitsy hanoratana fanamby izay natrehany manokana ary hieritreritra fomba anampian’ny Tompo azy hitondra ny enta-mavesany. Misy ve andalan-tsoratra masina avy ao amin’ny Môsià 21–24 izay mitaona azy ireo hitodika any amin’ny Tompo rehefa mandalo zava-tsarotra? Inona no hifandraisan’ilay fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ny Almà ao amin’ny Môsià 24:14 amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo amin’ny batisa? (Jereo ny Môsià 18:8–10).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hitaomana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Môsià 25–28 dia asao izy ireo hieritreritra olona iray izay fantany fa niala tamin’ny filazantsara. Lazao izy ireo fa rehefa mamaky ireo toko ireo izy ireo dia mety hahita hevi-baovao momba ny fomba hanampiana izany olona izany mba hiverina.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Nahoana isika no mila ny Fiangonana?

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Mahatsapa aho fa misy ireo izay mihevitra ny tenany ho tia mivavaka na masina ara-panahy nefa mandà ny fandraisana anjara amin’ny fiangonana na mandà ny ilàna rafitra toy izany mihitsy aza. Ny fivavahana amin’izy ireo dia zavatra ataon’ny tena manokana fotsiny. Kanefa ny Fiangonana dia zavatra nohariany, Izy izay ifantohan’ny ara-panahintsika—dia i Jesoa Kristy. Tsy maha-fatiantoka ny maka fotoana handinihana hoe nahoana Izy no misafidy hampiasa fiangonana, ny Fiangonany, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, mba hanatanterahana ny asany sy ny asan’ny Rainy.”

Dia nizara ny antony nananganan’ny Tompo Fiangonana avy eo ny Loholona Christofferson (jereo ny “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108–11):

  • “Ny hitory ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena—izany hoe hitondra ny olona mankany amin’i Kristy.”

  • “Ny hamorona fikambanan’Olomasina izay hifanohana ao amin’ilay –lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay– [2 Nefia 31:18]. … Tafaray ao amin’ny finoana, isika dia mampianatra sy mifampatanjaka ary miezaka ny hiaina ny fitsipika ambony indrindra amin’ny maha-mpianatra.”

  • “[Ny hanolotra] fiaraha-mivory isan-kerinandro izay hialana sasatra sy hanavaozana, fotoana iray sy toerana iray hialana an’izao tontolo izao—ny Sabata.”

  • Nny hanatratra zavatra izay tsy ho vitan’olon-tokana na vondrona kely [ka tafiditra amin’izany] ny ady amin’ny fahantrana, … [ny fitondrana] ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao … [ny fanorenana sy fampiasana] tempoly, ny tranon’ny Tompo, izay toerana azo hanatanterahana ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana tena ilaina.”

  • Ny hampisy ny fanalahidin’ny fisoronana izay “hiarovan’ireo mpiandraikitra amin’ny fisoronana ato amin’ny Fiangonana ny fahadiovan’ny fotopampianaran’ny Mpamonjy sy ny fahamarinan’ireo ôrdônansin’ny famonjena, … manampy ireo izay maniry ny handray azy ireny, mitsara ny fahafahana sy ny fahamendrehan’ireo izay mampihatra ary avy eo manatanteraka azy ireny … [ary mamantatra] ny marina sy ny lainga.”