Testamenta Taloha 2022
22–28 aogôsitra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah”


“22–28 aogôsitra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150: -Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“22–28 aogôsitra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Kristy manao akanjo mena hodidinin’olona mandohalika

Every Knee Shall Bow [Ny lohalika rehetra dia handohalika],nataon’i J. Kirk Richards

22–28 aogôsitra

Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150

“Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah?”

Raha mila hevitra fanampiny ianao rehefa miomana hampianatra dia jereo ny “Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy” sy ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy” any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ny sasany amin’ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, dia asao ireo ankizy hiresaka momba ny zavatra hitany eo amin’ny sary. Ampio izy ireo hahita ny fifandraisan’ireo sary ireo sy ny zavatra ianarany ao amin’ny bokin’ny Salamo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Salamo 119:105

Tahaka ny fanilo ny tenin’ Andriamanitra.

Eo amin’ny lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra ireo ankizy ampianarinao. Ny tenin’ Andriamanitra dia afaka manampy amin’ny fihazonana azy ireo ao amin’ilay lalana, amin’izao fotoana izao sy mandritra ny fiainany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ireo zavatra voalaza ao amin’ny Salamo 119:105, ary asao ireo ankizy hametraka ireo sary mba hahafahanao mamaky ilay andininy. Angataho ireo ankizy mba hamerina ireo andian-teny avy amin’ilay andininy miaraka aminao eo am-panondroanao ireo sary.

  • Asao ireo ankizy hiresaka momba ny hoe manao ahoana izany ao anaty haizina izany. Inona ireo zavatra sarotra atao ao anaty haizina? Azonao atao ny manasa ankizy anankiray hanandrana hanao zavatra sady mikimpy ny masony, toy ny manao sary ohatra. Nahoana no mora kokoa ny manao ireo zavatra ireo rehefa misy hazavana? Ampio ireo ankizy hahatakatra ny fomba hanazavan’ny tenin’ Andriamanitra, izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, ny lalantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra.

Salamo 139:1–3, 23

Mahafantatra ahy sy tia ahy ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Mandritra ny fiainantsika dia mila ampahatsiahivina isika fa mahafantatra antsika manokana ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Ny Salamo 139 dia afaka manampy anao hampianatra ireo ankizy fa mahafantatra azy ireo sy tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova lisitra fohy mitanisa ny zavatra fantatrao momba ny ankizy tsirairay. Rehefa vakianao tsirairay ilay lisitra dia angataho ireo ankizy mba hamantatra hoe iza no fariparitanao. Vakio ny Salamo 139:1–3 ary ampio ireo ankizy hahatakatra ireo teny izay mety tsy fantany. Mijoroa ho vavolombelona fa fantatry ny Ray any An-danitra sy Jesoa tsara izy ireo. Fantatr’izy ireo ny anarany, ny zavatra mahafaly azy, ary ireo zavatra tsara ataony.

  • Vakio ny Salamo 139:23 ary asao ireo ankizy hametraka ny tanany eo amin’ny fony rehefa maheno anao milaza hoe “fo” izy ireo, ary hikasika ny lohany rehefa miteny ianao hoe “eritreritra.” Zarao ny fotoana iray izay nahatsapanao fa fantatr’ Andriamanitra ny fonao sy ny eritreritrao.

Salamo 146:1, 5–9

Afaka midera ny Tompo aho.

Ny hoe midera ny Tompo dia maneho ny fankasitrahantsika sy ny fitiavantsika Azy. Ampio ireo ankizy hianatra fa midera Azy isika rehefa manao zavatra toy ny mihira, mivavaka, sy mankatò ny fampianarany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hizara zavatra niainana izay nideran’ny olona na nolazainy fa nahavita asa tsara. Zarao ny sasany amin’ireo zavatra tsara ao amin’ny Salamo 146:6–9 izay ataon’ny Tompo, ary asao ireo ankizy hiresaka momba ireo zavatra hafa ataony amintsika. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo midera Azy noho ireo zavatra ireo.

  • Hazavao fa ho an’ireo Isiraelita taloha ela be ny Salamo dia toy ireo hira izay hiraintsika amin’izao mba hitsaohana sy hiderana an’Andriamanitrra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Salamo 102:1–2103

Manome hery sy fanantenana ahy ny Tompo.

Fantatr’Andriamanitra ny fitspana sy ny alahelo lalovantsika, ary te hampahery sy hankahery antsika izy. Ampio ireo ankizy hanorina ny finoany Azy mba hahafahany mitodika any Aminy rehefa mila izany.

Sary
i Jesoa manasitrana

Healing [Fanasitranana], nataon’i J. Kirk Richards

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny iray amin’ireo ankizy hamaky ny Salamo 102:1–2. Ahoana no hanampian’ny Tompo antsika mandritra ireo fotoana mampisahotaka? Ahoana no fomba angatahantsika fanampiana Aminy? Mizarà zavatra niainana iray izay nahatsapanao fa maheno ny vavaka ataonao Andriamanitra rehefa tao anatin’ny fahasahiranana ianao, ary asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

  • Asao ireo ankizy hitady teny fankaherezana sy fampanantenana ao amin’ny Salamo 103. Amin’ny fomba ahoana ireo teny ireo no manampy olona hiatrika fanamby? Amporisiho ireo ankizy hanoratra ireo andian-teny hitany fa manan-danja mba hampahatsiahy azy ireo fa afaka manampy azy ireo ny Tompo rehefa manana fitsapana izy ireo.

Salamo 119:105

Afaka manampy ahy hanaraka ny lalany ny tenin’ Andriamanitra.

Na dia toa maizina aza izao tontolo izao indraindray dia afaka manazava ny lalantsika sy manampy antsika hiverina any Aminy ny tenin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaovana sarina jiro eny amin’ny solaitrabe (toy ny takamoa iray) ary sarin’ny soratra masina. Asao ny ankizy hamaky ny Salamo 119:5. Inona no fanampiana entin’ny hazavana ho antsika? Ahoana no hanampian’ny tenin’ Andriamanitra antsika? Asa ireo ankizy hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo sary. Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fanilo? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany antsika hijanona eo amin’ny lalana izay mampiverina any amin’ny Ray any An-danitra?

  • Zarao ho tsiroaroa ireo ankizy ary omeo ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto ny ekipa tsirairay: Salamo 119:47–48; Salamo 119:105; 1 Nefia 11:25; 2 Nefia 31:20. Asao izy ireo hamaky ireo andinin-tsoratra masina ary hitady ny zavatra nomen’ny Ray any An-daintra antsika mba hanampy antsika hijanona eo amin’ny lalana miverina any aminy. Asao ireo ankizy hisaintsaina sy hizara ny zavatra tsapany fa nampientam-panahy azy ireo mba hataony noho ny zavatra nianarany.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fanarahana ny lalan’ Andriamanitra, toy ny “Seigneur, je te suivrai” (ChurchofJesusChrist.org). Inona no ianarantsika avy amin’io hira io momba ny fijanonana eo amin’ny lalana marina?

Salamo 139:23–24

Afaka manampy ahy hahafantatra ny fomba hivoarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny Salamo 139 dia mampianatra fa mahafantatra ny zavatra rehetra momba antsika Andriamanitra, tafiditra amin’izany ny herintsika sy ny fahalementsika. Rehefa mitodika any Aminy isika dia afaka mampianatra antsika Izy ny amin’izay ilaintsika atao mba ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny tonon’ny Salamo 139:23–24 ary asao ireo ankizy hanipika ireo teny izay manoritsoritra ireo zavatra azon’ Andriamanitra atao ho antsika. Nahoana no tiantsika hanao ireo zavatra ireo Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika manasa Azy “[hitarika antsika] amin’ny lalana mandrakizay”?

  • Amporisiho ireo ankizy mba handinika ny fiainan’izy ireo manokana ka hitady ireo fomba azon’izy ireo hivoarana amin’ireo sehatra efatra tokony hifantohana ao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-tsaina. Ampahatsiahivo azy ireo fa fantatry ny Tompo ny fomba ahafahan’izy ireo mivoatra amin’ireo sehatra tsirairay ireo, ary amporisiho izy ireo hikatsaka ny fitarihany.

  • Mihirà hira momba ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika hivoatra, toy ny andininy faharoa amin’ny “Ray ô! Ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Zarao ny fomba efa nanampian’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy anao mba hivoatra.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Indraindray dia azonao asaina ny iray amin’ireo ankizy sy ny iray amin’ireo havany mba hizara amin’ny kilasy ny zavatra ataony hianarana ny filazantsara any an-trano. Amporisiho ireo ankizy ambiny hizara ireo hevitra ireo amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ireo hiran’ny kilonga sy fihirana dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra sy hampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara amin’ny fomba miavaka. Ny fihirana dia afaka mihazona ny ankizy hazoto handray anjara amin’ny fianarana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22